ALAHADY FAHA III KAREMY – Taona B
- Eksaody 20,1-17
- Salamo 18
- 1Kôrintianina 1,22-25
- Md Joany 2,13-25
TSY MAMELA HIPETRA-POANA NY FITIAVANA AN’ANDRIAMANITRA
Mizotra ho amin’ny Hafalian’ny Paka isika, mitozo amin’ny Fifadian-kanina sy ny vavaka ary ny asa fiantrana izay fanafody amin’ny fahotana (vavaka fangatahana). Tsy azo adinoina araka izany ny lalana efa nizorana. Manoloana ny fakam-panahy mahazo antsika dia voaantso ho amin’ny fibebahana lalandava isika (alahady I). Ireo sakramenta nisalorantsika ny akanjo fotsy manjelanjelatra no anisan’ny fomba namaliantsika izany antso izany (alahady II). Tsy hafinaretana araka ny nofisin’i Md Piera anefa izany, ka hanorina lay telo fa fibanjinana kosa ny Voninahitra maha Zanaka eo amin’ny misterin’ny Lakroà, ka hidinana avy eny an-tendrombohitra hisikinam-ponitra hitandrina ny Didy izay mamintina ny adidy aman’andraikitra miandry antsika amin’ny tokony hitiavana an’Andriamanitra sy ny namana, (Eks 20,1-17). Io moa no noporofoin’i Kristy sy nambarany antsika amin’ny Misterin’ny Hazofijaliana izay fanafintohinana sy fahadalana raha tsy eo ny finoana (Vakiteny II 1Kôr 1,22-25).
Amin’ity alahady ity àry dia manentana antsika ny Eglizy hanohy ny lalana mitondra amin’ny tena fahafahana marina, hahatsiaro ilay Andriamanitra manafaka ny vahoakany amin’ny tranon’ny fanandevozana, ary miantso antsika koa hiala any Ejipta, tany nitadiavana fiainana tsaratsara kokoa saingy tonga tanin’ny hakiviana (Ejipta = מִצְרַיִם Mitsrayim, terre de dépression), ary manoro antsika ny fitondran-tena mendrika eo anatrehan’Andriamanitra.
Ianarantsika tsianjery amin’ny Katesizy ny Didy Folo, Didin’Andriamanitra, famintinana ny Torolalana (Torāh) izay mamelombelona ny fanahy, mahafalifaly ny fo, manazava ny maso ka mamy noho ny tantely ary irina noho ny volamena madio miavosa (Sal 18,8-11). Eo amin’ny fiainana andavanandro anefa, raha tsy resy lahatra amin’izany isika dia mety hisisika eny ihany koa ny fomba fisainana mifanohitra amin’ny lalam-pahasambarana atoron’Andriamanitra. Raha mahatsiaro ho osa ny fanahy, malahelo ny fo, jambena ny maso ary tsy mahita hamamiana intsony amin’ny fiainana, ny tokony hatao dia ny mandinika sao efa tsy manaraka ny Lalan’ny Tompo intsony ny fiainana.
Raha tsy tsapantsika anefa ny fitiavan’Andriamanitra manoro antsika ny lalana mitondra amin’ny tena hasambarana dia ho zary vesatra ny fandraisana sy ny fiainana ny Didiny. Tsy teny hitsarana antsika amin’ny farandro ireo, raha ny tena marina, fa Tenim-pitiavana atorony antsika mba hanandramantsika sahady dieny izao ny Hasambarana mandrakizay hiantsoany ny zanany rehetra, ka ny tsy fanarahana azy dia misy voka-dratsiny eo amin’ny fiainan’ny tena ary mety hanimba ny fiainan’ny hafa koa aza.
Hojerentsika vetivety ary ny votoatin’ny Teny (Teny folo, décalogue), Tenin’ny fiainana ambaran’i YHWH Andriamanitra Ray hahasambatra antsika zanany rehetra.
Tsy hahasambatra ny olona ny firaiketan’ny fony amin’ny zava-mandalo ka izay mety ho sarisary mampahatsiaro ireny dia mety hitondra amin’ny fanandevozana. Mora hoy ireo mpandinika ny lalàna teo amin’Israely ny nanala ny zanak’Israely tany Ejipta, saingy ady mafy no mbola hatao raha te hanala an’i Ejipta sy ny tongolony tsy ho ao am-pon’ny zanak’i Israely. Na olona na zavatra na fananana ka iraiketan’ny fontsika dia manandevo antsika. Saro-piaro amin’ny fahafahantsika anefa ny Andriamanitsika.
Ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra amin’ny fianianana tsy marina dia mbola hamafisin’ny Boky Levitika (Lev 19,12). Fa raha jerena koa ny teny nadika hoe manonona ny anaran’Andriamanitra dia נָשָׂא (nāsā’), izany hoe mitondra ny anaran’Andriamanitra, ka ny fitondrana azy tsy amim-pahamendrehana (שָׁוְא shāve‘) dia tsy hoe fahafaham-baraka ho an’Andriamanitra fotsiny, fa porofo hahalalantsika fa efa nivily niala tamin’ny lalam-pahasambarana nampanantenainy ny fiainantsika.
Ny fahatsiarovana ny Sabata, ny fahatsiarovana fa maty fa nitsangan-ko velona ho antsika ny Tompo no antony ankalazantsika ny Alahady “Andron’ny Tompo”, hanavaozantsika indray ny finoana fa tsy ny fahoriana na ny fahasahiranana, na sanatria ny fahafatesana no tompon’ny teny farany fa ny Fandresen’i Kristy ny fahotana sy ny fahafatesana, ary amin’izany no hametrahantsika ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainana ny fitandremana ny Teny avy amin’Andriamanitra, Teny nahariany ny zavatra rehetra izay hitany fa “tsara indrindra”.
Ny fanajana, na ny fanomezana lanja (כָּבַד – kābhadh) ny ray sy ny reny dia manampy antsika hahatsiaro fa fanomezana ny aina sy ny zavatra rehetra, ahafahana mikolokolo sy mampivelatra azy, ka ireo nahitana masoandro sy ny olona rehetra nialoha antsika no fitaovana nentin’Andriamanitra nitory ny fitiavany antsika. Ireo mety ho tsy fahatomombanana kosa dia mampahatsiaro antsika ny fijaliana eo amin’ireo zaza kamboty velon-dray aman-dreny, tsy sazy avy amin’Andriamanitra fa vokatry ny heloka (עָוֹן – ‘āvon) sy ny tsy fandraisana andraikitra (פֶּשַׁע pesha`) sy ny tsy fanaovana adidy ka tsy nahatratrarana ny tanjona kinendry (חַטָּאָה ḥaṭṭā’āh).
Fitandrovana ny aina no tsy hamonoana, ny hanajana ny tokan-tranon’ny hafa mba hahasambatra azy, ny tsy hibodoana izay tsy an’ny tena, ny tsy filazana zavatra mety hahafaty na hanala baraka ny hafa, ary tsy hitsiriritana akory aza ny fananana sy fiainan’ny hafa, ireny dia torolalana ho amin’ny fahasambarana. Mandiniha tena izany sao sanatria ny faniriana ny zavatry ny hafa no tsy mahasambatra anao fa tsy hoe ny tsy fahampiana tsy akory.
Ahoana tokoa moa no hahasambatra an’izay tsy faly amin’ny fahasambaran’ny hafa, na tsy mihetsi-po amin’ny mety ho fahoriany? Izay miaina ny tena fitiavana dia hiara-paly amin’izay faly, ary miara-mitomany amin’izay mitomany (Rm 12,15).
Misy ny fotoana hilazantsika ny fahalavorarian’ny lalan’ny Tompo… hametsoventsointsika fa mamy ny mitandrina ny Teniny, irìna noho ny volamena miavosa…(Sal 18). Saingy mampitandrina antsika i Jesoa mba tsy ho zary fanararaotana ho amin’ny tombontsoa manokana ny maha mpiangona: “Aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko” (Evanjely Jo 2,13-25).
Ny Evanjely moa dia manampy antsika hiditra ao amin’ilay Tempoly vaovao, hahafahantsika mibanjina ny voninahitr’Andriamanitra ao amin’ny misterin’i Jesoa maty fa nitsangan-ko velona, ilay tempoly horavana fa hatsangana amin’ny hateloana.
Aorian’ny fitantarana ny fampakaram-bady tao Kanà, izay amintinan’i Md Joany fa ao amin’ny hafaliana sy ny fitiavana no itoeran’ilay Mpampianatra mampakatra ny Eglizy ho vadiny, dia indro Izy izao ao amin’ny Tempoly indray, ary ankatoky ny fankalazana ny Pakan’ny Jody tamin’izay. Paka telo no lazain’i Joany ao amin’ny Evanjeliny (Jo 2,13 amin’ny evanjely anio; Jo 6,4 anombohany ny fanazavana ny misterin’ny Teny sy ny Mofo velona; ary Jo 11,55 izay hanoloran’ilay Zanak’ondry ny ainy ho famonjena izao tontolo izao). Isam-pianakaviana no nankalazana ny Paka tany am-piandohana saingy tsikelikely, navondron’ny Mpitondra ho ao Jerosalema ka maherin’ny iray hetsy ny mpivahiny tonga tao ary maherin’ny 18.000 ny zanak’ondry atolotra ho sorona mandritra ny fety.
Tsy entin’i Joany hitantarana ny zava-misy tamin’izany anefa no nanoratany ny Evanjely. Raha izany dia hanahirana na ny hieritreritra ny mety ho fahamarinan’ny zava-nitranga aza: ataon’i Jesoa ahoana ny handravarava ny mpivarotra sy ny mpanakalo vola rehetra izay toa tsy nanohitra akory? Ary fanampin’izany, nahoana no tsy niditra an-tsehatra akory ny miaramila rômanina izay tsy nitsitsy an’izay heverina ho mpanakorontana, indrindra mandritra ny fety! Mampahatsiaro antsika ny fahatanterahan’ny faminanian’i Malakia izy, dia ilay Tompo miditra ao amin’ny Tempoly mba hanadio ny taranak’i Levì, hanadio ny mpisorona mba hanolotra fanatitra ara-drariny (Ma 3,1-4).
Tsy ho an’ny Tempoly tamin’izany ihany anefa fa ho antsika anio koa no itenenan’ny Evanjely, amin’izay toerana atokantsika hivavahana rehetra no idiran’i Jesoa ka hanadiovany izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny tena fivavahana marina sy amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Lany ny divay tao Kanà, eto kosa ny Tempoly lasa zohy fieren-jiolahy (Jr 7,11; Mk 11,17), ka tahaka ny nanovany ny rano ho divay no tiany koa hanarenana ny tempoly rava ho tonga Tranon’ilay Rainy, hanangonany ny olon-drehetra ao amin’ilay Tempoly vaovao dia ny Vatany, ny Eglizy manana Azy ho Loha sy Filoha. Tsy fivarotana fahasoavana ny trano fivavahana fa fankalazana ny Fitiavan’Andriamanitra noho ny fahasoavany sy ny famindrampony arotsany ho an’ny olona rehetra tsy an-kanavaka.
Nesorin’i Jesoa hiala tao an-tempoly ny andian’ondry (τάτεπρόβατα – tateprobata: neutre; nefa πάντας – pantas: tous, masculin), hiala ao amin’ilay tempoly tonga zohy fieren-jiolahy, mba ho any amin’ny tanimbilona maintso mahavelona (Jo 10,1-10/Sal 22).
Ny Tempoly (ἱερόν – hieron) no ivon-toerana ivondronan’ny olona mba hanovozany hery hahatratrarana ny tanjon’ny fiainany. Tsy azo adinoina araka izany fa raha tsy ny faniriana ny ho masina, hanaraka ny Lalàn’ny fahamasinana atoron’i YHWH intsony no ao am-pon’ny olona, dia tempoly mifanaraka amin’izay be ao am-pony no tsy maintsy haoriny na hotadiaviny. Ny tsirairay samy mandinika ny ivon-toerana hanovozany hery, na ao amin’ny fiaraha-mivavaka hametrahana an’i Jesoa eo anivony, satria mivory amin’ny anarany (Mt 18,20) na amin’ny fitadiavana tombontsoa ka sanatria hampiasana ny zava-masina ho tonga loharanon-karena amam-boninahitra, hiheverana fa ny harena miavosa, ny fisondrotana ambonin’ny hafa sy ny fahatanterahan’ny sitrapo maniasia rehetra no fahasambarana. Kanefa mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray, hoy ny Tompo (Asa 20,35).
Famantarana tokana no omen’i Jesoa dia ny fanolorany ny tenany ho Sorona, ka izay manaiky hivavaka ao amin’ny Tempoly vaovao (ναός – naos, Saint des Saints – Toera-masina Indrindra) dia tsy hatahotra ny horavana, tsy hikemo manoloana ny Hazofijaliana takian’ny Lalam-pitiavana, ary vonona ny hanolo-tena manontolo satria izany no mahasambatra.
Ireto ary no heveriko araka izany fa tokony hiezahantsika.
Voalohany indrindra dia mila diovina mandrakariva ny toe-po sy ny antony mahatonga antsika ho any am-piangonana. Mazàna ny Mpanao politika no ampangaintsika ho mampiasa ny fiangonana handrombaham-pahefana na hifikirana amin’ny Fitondrana (Ny mampalahelo aza dia toa andranitana ady ara-poto-pinoana ny fitadiavana ny marimaritra iraisana hiadanan’ny vahoaka!) Saingy isika tsirairay avy no mila manontany tena hoe: fa nahoana tokoa moa aho no mankany am-piangonana? (Ary raha tsy mazoto ho any koa, fa maninona no tsy mankany! Mila manontany tena hoe aiza ny “fiangonana” vaovao handaniana ny andro!) Izay fahamatoram-panahy izay no manampy antsika hizotra amin’ny tena fibebahana marina, satria hanala ny fontsika amin’ireo faniriana tsy mifanaraka amin’ny fitiavana izay fanatanterahana ny lalam-pahasambarana.
Ny faharoa manaraka izany dia ny fanadiovantsika ny tenantsika, izay natokana ho Tempoly honenan’Andriamanitra tamin’ireo Sakramenta noraisintsika ka iombonantsika aina amin’ny Vatan’i Kristy (1Kôr 16,19). Tsy mila enina amby efa-polo taona ny handrafetana azy fa telo andro monja, satria tsy tempoly harafitry ny fahaiza-manao amam-pahalalan’olombelona no sitrak’Andriamanitra fa Tempoly mirafitra araka ny Fanahy, ka ny mpivarotra voromahailala, izay fanatitra ho an’ny mahantra mba ho fidiovana sy ho sorom-panonerana (Lev 5,7; 12,8; 15,14.29) dia tsy ilaina intsony satria ilay Voromahailala vaovao, dia ny Fanahy Masina no hanadio antsika ho tonga Tempoly lavorary, ao amin’ny hateloan’andron’ny Misterin’ny Paka.
Manaraka izany dia mila diovina amin’izay mety ho varotra sy mety hiheverana an’Andriamanitra ho mpanome fahasoavana arakaraka ny tolotra omena Azy ny fomba fivavahantsika. Maimaim-poana ny fanomezan’Andriamanitra, fahasoavana (grâce, gratis), ka izay mahatsiaro izany ihany no afaka hanome maimaim-poana ihany koa hanasoavana ny hafa. Izay mahatsiaro izany no afaka hisaotra an’Andriamanitra ao amin’ny hafenoan’ny Voninahiny.
Izany no hiandrandrantsika ny Famonjena eo am-pibanjinana ilay nasandratra teo amin’ny hazo (alahady IV), mba ho araka ny nolazain’i Md Paoly hoe “Izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany (1Kôr 1,31) satria tsy tokony hanana rehareha hafa afa-tsy ny hazofijalian’i Kristy isika (Ga 6,14), fa raha samy mandini-tena marina dia ny fahalemena no hireharehana (2Kôr 12,5) satria maneho ny haben’ny fitiavana itiavan’Andriamanitra antsika.
Tsy midika fihalangalanana amin’izay mety ho andraikitry ny tsirairay amin’ny fanamasinan-tena anefa izany sanatria, na koa ho fanivaivana ny asan’ny Fanahy mampamokatra ny fanomezam-pahasoavana raisin’ny tsirairay, ka hanomezan-tsiny an’Andriamanitra ho tsy nanome fahasoavana sahaza ny tena. “Efa narotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny Fitiavana” (Rm 5,5) ka adidintsika ny mampamokatra izany. Izy ilay mahalala ny ao am-pontsika ary nanaiky ny hirafetantsika eo aminy, hiforona ho Tempoly Masina ho an’ny Tompo (Ef 2,21).
Izay manompo marina tokoa an’Andriamanitra dia tsy afaka hanohy ny zava-maharikoriko eo anatrehany (Jr 7,10).
Lazain’ny Evanjely koa fa rehefa tafatsangan-ko velona i Jesoa dia nino ny Soratra Masina sy ny Teny voalazany ny mpianany. Izany no mahatonga antsika amin’ny alin’ny Paka mamaky ny Tantaram-pamonjena avy amin’ny hazavan’ny jiron’ny Paka, manambara ny Misterin’i Kristy fahazavana, mandresy ny fahotana sy ny fahafatesana, ary manavao an-kafaliana ny tokim-panekentsika tamin’ny Batemy. Mampandinika antsika ny toerana omentsika ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika andavanandro koa izany.
Ny finoana an’i Jesoa, hoy ny Evanjely dia tsy mila holazain’ny olona. Tsy inona manko izany fa ny fanankinana ny fiainana manontolo amin’i Jesoa ka hanekena hanaraka Azy tokoa amin’ny Lalan’ny Hazofijaliana.
Izao Fotoanan’ny Karemy izao àry dia fotoana ihavaozana ara-panahy, hanararaotantsika hanomezana hasina ireo toky nomentsika tamin’ny Sakramenta isan-karazany, ka hitokisantsika ilay Herin’i Kristy tafatsangana izay afa-mandrafitra antsika anatin’ny hateloana ho Tempoly hankalazana ny Anarany, raha manaiky hiara-maty Aminy ny amin’ny fahotana isika ka hiaraka handresy Aminy (Vakio Kôl 3: Ny Fiainam-baovao mendrika ny maha Kristianina).
Ankoatr’izay voalaza ao amin’i Marka (Mk 10,19snm), dia tsy hita loatra ao amin’ny fampianaran’i Jesoa ny resaka Didy Folo (Decalogue), saingy ny fanatanterahana azy dia nampianariny antsika ao amin’ny Didy Vaovao: “Mitia ny rahalahy” (Jo 13,34-35). Izay tia ny rahalahiny dia mahatanteraka ny lalàna rehetra, hoy i Md Paoly (Rm 13,8-9).
Hivavaka “hanandratra tanana madio tsy amin-katezerana na am-pifandirana” (1Tm 2,8) anie isika, Eglizy Vatan’i Kristy, ka hahatonga antsika ho Tempoly masina (1Kôr 3,17), hahafahan’ny olona rehetra manome voninahitra ny Ray.