Zoma II Karemy
- Jenezy 37,3-28
- Salamo 104
- Md Matio 21,33-46
Indry eny ny mpanonofy, andeha hovonintsika izy. Ny mety ho fiangarana na tombom-pitia dia mampirongatra ny fialonana sy ny fankahalana, izay miantomboka amin’ny tsy fahaizana miteny am-pitiavana ary mety hiafara amin’ny fitadiavana izay handringanana mihitsy aza. Mety hisy tonga saina sahala amin’i Robena ihany anefa ao, ka hitady hiaro ny aina, na dia tsy sahy hijoro ho fahavalom-bahoaka aza.
Lazain’ny Vakiteny fa ny hanafaka azy no tanjon’i Robena saingy namidin’ny rahalahiny tamin’ny Ismaelita (Andriamanitra nihaino) sendra nandalo i Josefa, araka ny torohevitr’i Jodà: avadika sôsy. Dia izay no nahatonga azy ho any Ejipta. Ary fantatsika ny tohin’ny tantara. Rehefa tonga mpitantana ny haren’i Ejipta i Josefa ka tonga nandadilady hangataka tohan’aina taminy ireto rahalahiny ireto, ahoana no ataony?
Nisy tompona tanim-boaloboka hoy i Jesoa, namefy manodidina sady nandavaka tany hanaovana famiazana. Kanefa isaky ny taom-pahavokarana, rehefa mandefa ny ankizilahiny handray ny vokatry ny tanim-boalobony ilay tompony, dia vono sy tora-bato no nasetrin’ny mpiasa ireo iraka. Nalefany tany hatramin’ny zanany, kanjo famonoana no nokasainy mba hahazoany ny lova. Dia novonoiny tany ivelan’ny tanim-boaloboka ilay zanaka lahitokana.
Dia hamaly faty ve Andriamanitra? I Josefa aza tsy namaly faty fa nandray ireo rahalahiny satria nolazainy fa fandaharan’Andriamanitra mba hamonjy ny tany rehetra no nanekeny ny rahalahiny hahavanona loza hivarotra azy. Ny vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro na vato ifaharana (clef de voûte), izany no zava-mahagaga ataon’Izy Tompo. Afaka manao zava-mahagaga avy amin’ny fahadalan’olombelona Andriamanitra. Tsy ny handringana ny mpiasa tsy valahara no hiasany loha fa ny hampamokatra ny Fanjakany. Tsy mamaly faty Andriamanitra fa mitady fomba hahafahany manavotra ny zanany rehetra. Ny zanany no nirahiny mba hizaka ny vokatry ny fahotana ifamonoan’ny mpirahalahy. Ambaran’i Jesoa mazava kosa anefa fa raha tsy mahay manararaotra ny fahasoavana omen’Andriamanitra isika, dia isika ihany no hamery ny tenantsika, satria homeny firenena hafa hampamokatra azy ny tanim-boalobony.
Araka ny lazain’ny Salamo 104, fa na ny fivarotana an’i Josefa ho toy ny andevo aza dia nanjary fanavotana ho an’ny rahalahiny sy ny vahoaka rehetra. Tokony hoventesina mandrakariva ny hatsaram-pon’Andriamanitra asehony amin’ny ataony rehetra. Ary raha haintsika ny miaina am-pitiavana ny zavatra tsy an-drariny mety hahazo antsika dia hain’Andriamanitra kosa ny mampiasa izany ho tonga fitaovana hanitarany ny fanjakany. I Josefa tonga fanavotana ho an’ny tany tontolo, satria voafidy ho mpanapaka ny fananana rehetran’ny Mpanjaka. I Jesoa koa, izay namidy ary novonoina no tonga Tompo sy Kristy, santatry ny fiainana tsy manam-pahataperana ho antsika.
Hahay hampamokatra ny fahasoavana ankinin’Andriamanitra amintsika anie isika. Mandefa ny mpanompony izy hitaky izany vokatra izany, ka tsy sanatria hihidy fo velona tahaka ilay mpanan-karena nolazain’ny Evanjely omaly isika, ka handavaka hantsana hanelanelana azy sy i Lazara. Tsy ho sanatria kapoka sy tora-bato no havalintsika izay mangataka fiantrana amintsika. Irak’Andriamanitra izy ireny mba hizarantsika ny fahasoavana. Hampitombo ny fitiavantsika ny mahantra (i Lazara, vonjen’Andriamanitra) sy ny fahantrana anie ny Karemy, mba hampifikitra ny fiainantsika amin’ny mandrakizay.