ALAHADY FAHA II KAREMY – Taona B
- Jenezy 22,1-18
- Salamo 115
- Rômanina 8,31b-34
- Md Marka 9,1-9
Ny alahady faharoan’ny Karemy dia mitantara amintsika ny Niovan’ny Tompo tarehy, izay tandindona manambara ary mampahatsiaro antsika ny toky nomentsika tamin’ireo akanjo fotsin’ny Sakramenta[1]. Ny fiakarana ny Tendrombohitra Tabora (Tebar = ara-bakiteny: mamaky, manasaraka…) manko dia tandindon’ireo Sakramenta raisintsika, anehoana ny fandavana an’i Satàna mba hiraisana amin’Andriamanitra amin’ny finoana ka hilomanosana ao anatin’ny fahasoavany.
Voaantso hibebaka isika, voaantso hihavana amin’Andriamanitra (alahady I). Izany fihavanana izany dia tsy afa-misaraka amin’ny fihavanantsika samy isika, eny fa na dia amin’ny fihavanantsika amin’ny tenantsika samirery aza, izay mazàna mandreraka tokoa… Ny fahasahiranantsika hanova ny fiainana hifanaraka amin’ny Tenin’i Kristy dia tokony hanampy antsika hahalefitra sy hangoraka bebe kokoa ny halemen’ny hafa… saingy lazain’ny mpandinika ara-psikôlôjia maro fa toa vao mainka aza mahatonga antsika hasiaka amin’ny hafa, ny fahitantsika ny kilemantsika eny amin’izy ireo. Ny anton’izany moa dia satria mbola tsy mihavana amin’ireo kilemantsika ireo isika.
I Kristy no fahatanterahan’ny Lalàna sy ny Mpaminany (Mt 5,17). Isika koa, voahosotra ho mpanjaka sy ho mpaminany, ary ho mpisorona tamin’ny Batemy noraisintsika. Indraindray anefa tsy ny fampanjakana ny fitiavana no Lalàna manentana antsika; tsy ny Tenin’Andriamanitra intsony no vimiaina entintsika mivelona, ka manjary fiainana tsy hijoroantsika ho vavolombelon’i Kristy ny fiainana. Ary na dia ny vavaka aza, noho ny fitiavan-tena dia tsy hangatahana intsony afa-tsy ny tombontsoan’ny tena sy ny an’ny havana aman-tsakaiza, ka adino fa ny maha mpisorona (noho ny batemy) dia ny hitondrantsika am-bavaka, eny fa hatramin’ny fahavalontsika aza (Mt 5,44).
“Raby o! Mahafinaritra ny mitoetra aty” (Evanjely Mk 9,1-9)… Moa tsy izany ve no nataontsika ny andron’ny Batemy, rehefa nahita ny akanjo fotsy natolotra antsika! Na ny andron’ny Kômonio voalohany, ny andron’ny fankaherezana, eny fa na ny andron’ny fampakarana aza (mariazy, voady, fanamasinana…) satria nahita ny fiovan-tarehy nasehon’ny akanjo fotsy mangatsakatsaka ka handaniana vola aman-karena aza hanaovana fety. Saingy manafatra antsika i Jesoa mba tsy hirehareha loatra ny amin’izany, fa hisiki-ponitra hiatrika ny misterin’ny Paka: “ady ny fiainana, mandalo zoma masina ny lalana mitondra amin’ny Paka”, toy ny nolazaintsika tamin’ny alahady heriny hoe mandalo tany efitra ny lalana mitondra avy any Ejipta mankamin’ny tany nampanantenaina (hafatry ny Papa 2024 koa).
Tsy mahagaga àry raha toa ka nomanina toy ny Karemy koa ny fankalazana ny nanandratana ny Hazofijaliana Masina, ka ny fiovana tarehy lazain’ny Evanjely no manomboka ny 40 andro hiomanana amin’izany ny 06 aogositra ary ny 14 septambra kosa ny Fankalazana ny nanandratana ny Hazofijaliana.
Ndeha àry hiverenantsika ireo vakiteny aroson’ny Eglizy ho antsika anio.
Ao amin’ny Vakiteny I dia mahasanganehana ihany ny mieritreritra momba an’izany hoe Andriamanitra maka fanahy an’i Abrahama mba hanolotra ny zanany ho sorona. Fomba nahazatra ny mponina manodidina (faritr’i Kanaàna) moa ny manolotra sorona, eny fa na dia ny zanaka aza, mba hahazoana fitia eo anatrehan’ny “andriamanitra” tompoina.
Tsy azo adinoina fa ilay zanaka tokana, efa nanahirana an’i Abrahama sy i Sarà vadiny ny nahazo azy io angatahin’Andriamanitra atolotra io, ilay zanany tiany. Any מֹרִיָּה (Morîyāh), amin’ny tany hita ka nofidian’Andriamanitra no aleha. Ny teny miverimberina ao amin’io toko faha 22 ao amin’ny Boky Jenezy io moa dia izay nataon’i Abrahama anaran’ny tany mihitsy: יְהוָה יִרְאֶה (YHWH yir’eh), Andriamanitra mahita. Ny fahafoizana izay lazaina fa fahatahorana an’Andriamanitra no maha rain’ny mpino an’i Abrahama. Finoana mivoatra anefa izany satria izy ihany no ilay nihomehy rehefa nampanantenain’Andriamanitra fa hiteraka an’Isaaka (יִצְחָק) – yitsḥāq) ilay zanaky ny fihomehezana.
Misy antony hafa koa anefa fonosin’izay finoana mivoatra izay. I Abrahama izay nangatahin’Andriamanitra hanolotra aminy ny lasany, ny tantarany (ialao ny rainao sy ny taninao) dia asainy hanolotra koa ny ho aviny (ny zanaka izay antoky ny ho avy). Finoana ary fitokisana tanteraka amin’Andriamanitra ny fametrahana Aminy ny ho avy, fa tsy fitokisana amin’izay mety ho kajikajintsika olombelona tsy akory.
Tsara hotadidiana koa eto ny fomba fahitana vaovao ilay tena Endrik’Andriamanitra mandrara tsy hikasi-tanana ny zaza, ka ny “fanolorana azy” dia tsy inona fa ny fahatsiarovana fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny zaza ka ny hamelona azy fa tsy ny handatsa-dra no sitrany. Izay mahatsapa fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny zava-drehetra dia tsy afaka ny tsy hanolotra sorom-pisaorana ho Azy (Sal 115).
Ny fanekena an’Andriamanitra no hahatongavantsika ho fanasoavana ny firenena rehetra, ary zanak’i Abrahama izay mino ny fahatanterahan’ny Fampanantenana nataon’Andriamanitra, ary mino tsy am-pisalasalana fa mafy ho an’Andriamanitra ny mahita ny fahafatesan’ny sakaizany (Sal 115 setriny).
Tamin’ny andro nanoloran’ny Mpanjaka Akaza ny zanany ho sorona (2Mp 16,3), niheverany fa hanavotany ny fanjakany moa, tamin’ny taonjato VIII a.C no nanoratana ity tantaran’ny soron’i Abrahama ity (arivo taona aty aoriana araka izany). Ary tsara ho fantatra fa ny lohasahan’i Hinnom, γέεννα, avy amin’ny teny hebrio גַּיְא – הִנֹּם (Gaye’-hinnom, lohasahan’ny fitomaniana) tany am-piandohana dia fanangonana sy fandoroana ny sisan-taolana. Fa rehefa nitranga izay tantarain’ny 2Mp 21,6 tamin’ny nisoronan’i Manase ny zaza amin’ny sampy Môlôky, dia nataon’ny Jody ho vavahadin’ny Demony io Lohasahan’i Hinnom, atsimo andrefan’i Jerosalema io ka lasa toerana fandoram-pako, nantsoina hoe Gehena, ary ampiasain’i Jesoa hanoharana ny fiainana tsy misy dikany eo anatrehan’Andriamanitra, afobe hoy isika.
Mety hisy hilaza hoe habibiana izany fanaovana sorona ny zanaka izany, sady efa voararan’ny Lalàna izany (Det 12,31 ohatra) saingy tsy azo adinoina fa tsy vitsy ny ray aman-dreny manao sorona ny zanany mba hahatanterahan’ny fanirian’izy ireo, manery ny zanaka hanao izay tian’ny raiamanandreny, hahatratrarana ny tanjon’ny ray aman-dreny, eny fa na dia tsy izany aza ny lalana hahafahan’ny zaza mivelatra amin’ny maha-izy azy sy hahita ny fahasambarany. Izany no mahatonga an’i Papa François milaza fa “Ny maha ray dia midika fampidirana ny zanaka amin’ny traikefam-piainana, amin’ny zava-misy marina. Tsy hoe fitazonana azy, tsy fanagadrana azy, tsy fiheverana azy ho fananana fa fanampiana azy ho afaka hisafidy, hiaina ny fahafahana, hikopak’elatra” raha izany no fahasambarany (Patris corde 7).
Heveriko fa izay fahafoizana izay no takian’Andriamanitra amin’ny ray aman-dreny rehetra. Tsy fanaovana sorona ny zaza amin’ny famonoana ny ainy fa fanaovana sorona azy amin’ny fanolorana azy sy fanazarana azy handray anjara amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra.
“Iza no hiampanga izay voafidin’Andriamanitra?” (Vakiteny II Rm 8,31-34) Asa lahy fa samy miampanga tena isan’andro izao isika… satria mahatsapa fa tsy mahafoy an’i Isaaka, ilay tiantsika, mba hatolotra ho an’Andriamanitra (Vakiteny I Jen 22,1-18) na dia fantatsika tsara aza fa avy Aminy ihany no nahazoantsika azy. Ny finoana lalim-paka dia tsy matahotra ny hahafoy, eny fa na dia ny aina aza mba hanekena ny sitrapon’Andriamanitra.
Izany no ampahatsiahivan’i Md Paoly antsika ny halehibeazan’ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Raha ny Zanany aza, efa nafoiny ho sorona ho antsika, inona no tsy homeny antsika ao amin’io Zanany izay maty sy nitsangan-ko velona ho antsika io? Tsy manameloka fa manavotra mandrakariva ny fitsaran’Andriamanitra.
Izay lazain’i Papa François mba handraisantsika ny fahalementsika am-pitiavana lalina dia tokony hodinihina lalina:
« Amin’ny fandanjalanjana tsy mitera-boka-tsoa no asain’ilay Ratsy hijerentsika ny fahalementsika, ny Fanahy kosa manazava azy am-pitiavana. Ny fitiavana no fomba tsara indrindra hikasihana izay marefo ao amintsika. Ny tondro (molotra) sy ny fitsaratsarana ataontsika amin’ny hafa mazàna dia mariky ny tsy fahaizantsika mandray ao anaty ny kileman’ny tena, ny fahalemen’ny tena. Ny fitiavana ihany no hamonjy antsika amin’ny asan’ny Mpiampanga (jereo Ap 12,10). Izany no maha sarobidy ny mihaona amin’ny Famindram-pon’Andriamanitra, indrindra amin’ny Sakramentan’ny Fampihavanana, izay hanaovana traikefam-pahamarinana sy famindram-po. Mety heverina hifanohitra fa ilay Ratsy koa afaka miteny ny marina amintsika, fa raha toa manao izany izy, dia mba hanamelohana antsika. Fantatsika anefa fa ny Fahamarinana avy amin’Andriamanitra dia tsy manameloka fa mandray antsika, mamihina antsika, manohana sy mamela heloka. Miseho mandrakariva amintsika tahaka ilay Ray be indrafo lazain’ny fanoharana (jereo Lk 15,11-32) ny Fahamarinana: mitsena antsika, manome antsika indray ny hasina, mampijoro, manao fety ho antsika, ary ny anton’izany dia satria “ity zanako ity dia maty ka velona indray ary very ka hita indray” (and. 24) » (Patris corde 2).
Izany no Vaovao Mahafaly.
Mampandinika ahy mandrakariva mampalahelo ny mahita ny endriky ny mpino sasany aorian’ny Kômonio, avy mandray an’i Jesoa, nomen’Andriamanitra ny Teniny sy ny Tenany manontolo, tsy maneho ny hafaliana sy ny hasambaran’ny Lanitra. Inona no mbola maha ory antsika? Mampalahelo raha toa ka mbola faniriana sy fikatsahana zavatra hafa indray no mameno ny fo, raha toa sanatria ka mbola sorona hitadiavana tombom-pitiavana fa tsy sorom-pisaorana no atolotra an’Andriamanitra.
Alaivonareo sary an-tsaina moa hoe misy olona iray, milaza fa tia anao, dia isaky ny mihaona aminao izy, dia ny mitaraina ny zavatra manahirana azy sy ny hangataka izay ilainy no anombohany sy hamaranany ny resaka! Asa raha toa ka mba fitiavana izany na fitiavan-tena. Raha sanatria tsy hahafa-po an’ilay mpangataka ny valin-teny sy ny valim-bavaka ataon’ilay lazaina fa tiana, mino marimarina aho fa hitady olona hafa hidodododoana io olona io. Indraindray toy izany ny resaka ataontsika amin’Andriamanitra, ary tsy mahagaga raha toa ka mbola misy ireo mihazakazaka mankany amin’ny fanompoan-tsapy na dia avy nandray ny Eokaristia Masina aza.
Amin’ny lohahevitra iompanan’ny litorjia anio dia hoe “omeo izay angatahin’Andriamanitra”. Eo am-pitadiavana ny sitrapon’Andriamanitra anefa dia fantatsika fa tsy zavatra mandeha mora izany… Rehefa nahatsapa ho nahazo soa isika dia faly manolotra sorom-pisaorana ho an’ny Tompo, vonona hampanantena Azy an’i Babay sy Lohavohitra[2]… (Salamo setriny 115). Saingy tsy eo anatrehan’ny akanjo mamirapiratra no hahenoantsika ny hasarobidy sy ny fahasarotan’ny fihainoana ny Tenin’i Kristy fa ao anatin’ny rahona maizin’ny fiainana, ka mazàna tsy hahitantsika akory aza ny lalan-kombana.
Tsarovy àry, indrindra amin’ireny andro manjombona ireny, fa ny Tenin’i Kristy ihany no hany hazavana afaka hampisava ny alin’ny fiainantsika. Izy irery ihany no Masoandro afaka hampibaliaka ny avana na eo aza ny rahona sy ny oram-pahotana mianjady amintsika satria fanekem-pihavanana nataony tamintsika izany (Jen 9,8- 15, jereo Alahady I), tamin’ny nanomezan’Izy Kristy ny ainy ho sorom-panavotana ho antsika.
Ndeha hiverenantsika ny lazain’ny Evanjely.
Md Marka 9,2-10
Izay te hanaraka Ahy dia aoka izy handà ny tenany, hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka ahy. Enina andro taorian’izay dia nalain’i Jesoa i Piera sy Joany ary i Jakôba ka nentiny nitokana teny an-tendrombohitra avo, izy ireo irery (monos). Miverimberina ao amin’ny fitantaran’i Md Marka ity fitondran’i Jesoa “mitokana” ireo izay sitrany hibanjina ny voninahitr’Andriamanitra mamirapiratra eo Aminy. I Lioka moa manisy tsindrim-peo hoe hivavaka no nahatongavan’izy ireo tany (Lk 9,28).
Mazava loatra araka izany fa tsy afaka ny hahazo ny Teniny ka afaka ho tonga mpianany izay tsy miara-miakatra Aminy eny an-tendrombohitra mba hibanjina avy lavitra, avy any ambony, araka ny fahitan’Andriamanitra ny zava-misy ao ambadiky ny havoan’ity fiainana ity, any amin’ny fiainan’ny fitsanganan-ko velona. Avy amin’ny fibanjinana ny misterin’i Kristy tafatsangan-ko velona no hahazoana hery hitia ka handà izay mahasoa ny tena, hahafahana mijoro hatramin’ny fanekena ho faty noho ny Evanjely, hanolotra izay heverina ho valim-bavaka aza ka ho antoky ny ho avy, tahaka an’i Abrahama.
Ny hoe transfiguration moa, raha adika ara-bakiteny dia hoe ny fahafahana mibanjina ny endrika tena izy, amin’ny alalan’izay hita maso (à travers -trans – metà). Amin’ny fibanjinana ny fijaliany no hahitana taratra ny voninahitr’i Kristy amin’ny fitsanganany ho velona. Tsy ho azon’ny Mpianatra vetivety anefa ny hevitr’izany hoe: mitsangan-ko velona izany, fa tsikelikely, amin’ny fiatrehana ny fiainana no ninoany sy nahazoany ny fampianaran’i Kristy.
I Môizy no famintinana ny Lalàna, Tenin’ny fiainana nomen’i YHWH ny vahoakany mba hotandremana raha te ho velona (Dt 30,19). Izy ilay nolazain’ny Boky Eksaody fa tsy nihinana na nisotro nandritra ny efapolo andro tany an-tendrombohitra Sinaia mba handray ny Lalàna avy amin’i YHWH (Eks 34,28). I Elia kosa indray no mamintina ny Mpaminany izay nampahatsiaro ny vahoaka izany lalànan’ny fiainana izany. Izy no ilay nandeha efapolo andro sy efapolo alina mba ho any Hôreba, tendrombohitry ny Tompo, hihaona Aminy ka hanavao indray ny faniriany hiaro ny voninahitry ny Tompo (1Mp 19,6-7). I Jesoa kosa, no ilay Tenin’ny Fiainana, ka izay te ho velona dia tsy afaka ny tsy hihaino Azy. Fantatsika anefa fa eny amin’ilay Tendrombohitra hisandratany amin’ny voninahiny dia jiolahy roa no teo an-kavanany sy teo an-kaviany.
Enin’andro taorian’ny fampianarana ny vahoaka mikasika ny fepetra hahafahana manaraka Azy no niovan’i Jesoa tarehy: henemana no faharetan’ny fahariana, ary ny andro fahafito dia fidirana amin’ny “sabata”, fitsaharana mba hibanjinana ny voninahitr’Andriamanitra. Ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Marka dia miverimberina ny teny εὐθύς (euthus, “niaraka tamin’izay”). Eto kosa dia henemana no hiandrasana ny fiakarana any amin’ny Voninahitra.
Mora tokoa ny misentosento hanamboatra lay telo mandritra ny vavaka sy ny litorjia, nefa kosa ny fiatrehana ny adim-piainana (henemana) no manaporofo ny fahazoantsika marina tokoa ny Evanjely. Amin’ny fidinana indray ny Tendrombohitra no hahafahantsika manapa-kevitra raha vonona marina tokoa ny hiara-hiakatra amin’i Jesoa ho any Jerosalema isika, na hanaraka ny hevitr’i Satàna, tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ka hihevitra ny fijaliana ho lalana azo hihodivirana (Mk 8,31-33). Antsoin’Andriamanitra isika mba hihaino an’i Jesoa, fahatanterahan’ny Lalàna sy ny Mpaminany. Tsy anankiray amin’ny mpaminany manko Izy ka hanaovana lay mitovy amin’i Môizy sy Elia fa ilay Zanak’Andriamanitra, maneho amintsika ny endrik’ilay Ray Fitiavana (Jo 14,9), nanorina ny lainy (fonenana vetivety ihany) ety anivontsika ary tonga Emanoela miara-monina amintsika.
Raha ny Shemà Israël, Mihainoa ry Israely no lalàna ho an’ny Jody, eto ny Ray dia manome antsika fanampim-panazavana ho an’izany lalàna izany. Tsy hihaino izay tiantsika henoina isika fa hihaino ilay Zanany Malalany indrindra. Mila mandini-tena isika mandritra izao Karemy izao, sao ny fandaharan’ny mpanao politika sy ny mpanao gazety no mampandry sofina antsika kokoa, mila mandinika hoe tontolo andro inona ny teny namokisantsika ny fontsika sy ny teny nafafintsika tao am-pon’ny hafa. Tsy hoe tsy ilaina ny mihaino ny resaka politika na ny resadresaka etsy sy eroa, fa ny tenin’i Jesoa mandrakariva no tokony ho fenitra andraisan’ny Kristianina fanapahan-kevitra, ka tsara ho henoiny bebe kokoa.
Ny Mpaminany (sy ny mpianatra: Lk 10,1) no alefan’i Jesoa hialoha lalana Azy hiakatra any Jerosalena, ary ambaran’i Marka mazava fa tsy maintsy hijaly mafy izay te hiaina sy hitory ny Evanjeliny, satria hanaovan’ny olona izay sitraky ny fony. Tsy fampitahorana antsika izany tsy akory, fa milaza ny fahasambarana marina ho an’izay te hampisy heviny (lanjany) ny fiainany, ary lanja eo anatrehan’Andriamanitra fa tsy sanatria voninahitr’olombeolona havarina any amin’ny Gehena.
Ny hoe fahanginana mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona moa, dia manampy antsika koa hahazo ny Karemy izay entintsika mizotra mankany amin’ny Paka. Asain’i Jesoa mangina isika, tsy hilazalaza ny zavatra hita, tsy hihira voninahitra, tsy hiventy ny hiram-pandresena (Haleloia). Inona moa no hevitr’izany? Lazain’ny mpandalina Baiboly sasany fa izay lazain’i Daniely mikasika ny famirapiratan’ny hendry sy ny fitsanganan’ireo mandry amin’ny vovo-tany ho velona amin’ny andro hisehoan’i Misely no ampahatsiahivin’ny Evanjely. Nasaina nangorona hiafina ireo teny ireo ny Mpaminany mandrapaha-fenon’ny fotoana (Da 12,4.9).
Ho an’ny Jody, ary ho an’ny Apôstôly, io hafenoan’ny fotoana hitsanganan’ny maty io dia amin’ny fiafaran’izao tontolo izao. Mila diovina ihany koa araka izany ny fomba fijerin’izy ireo, ary fantatsika fa i Jesoa rahefa tafasandratra hiala amin’ny tany, dia mitarika ny olombelona rehetra hanatona Azy” (Jo 12,32). Ka ny fanandratana Azy teo amin’ny Hazofijaliana dia midika sy milaza ny fanandratana amin’ny Fiakarana any an-danitra, any amin’ny voninahitra (KFK 662).
Isaky ny mankalaza ny Lalan’ny Hazofijaliana ary isika dia mankalaza ny voninahitr’i Kristy. Noho izany dia tsy tokony hohadinoina fa manalavitra ny Voninahitra nanandratana an’i Kristy izay mety ho fandavantsika hitondra ny hazofijaliana ho fanampiana sy ho famonjena ny hafa, na iza izy na iza.
Raha tsy ny fanandramantsika ny hafalian’ny fahafatesana ny amin’ny fahotana ka nitsanganan-ko velona amin’ny fiainam-baovao no entintsika mitantara ny voninahitr’Andriamanitra dia ny hafalian’ny Lundi de Paques no handrasantsika kokoa noho ny hafaliana hahafahana manolotra ny tena manontolo ho fanasoavana ny hafa, tahaka ny nataon’i Kristy. Fahanginana handinihana izay fototry ny hafaliantsika marina tokoa araka izany izao Karemy izao.
Angatahontsika ny fahasoavany mba hampamirapiratra koa ny tavany amintsika ka hahafahantsika maniry marina tokoa ny fahasambarana mandrakizay amin’ny fibanjinana ny Voninahiny izay efa santarintsika sahady ety an-tany.
Hoy ny foko taminao: “mitady ny Endrikao aho; ny Endrikao, ry Tompo, no tadiaviko; aza afenina ahy ny salovan-tavanao”, hoy ny Salamo 26, tononkira fidiran’ity Alahady ity. Ho fibanjinana ny Endrik’i Jesoa tokoa anie ny vavaka sy ny fankalazana ataontsika ka sady fitondrana ny fanati-pisaorana eo anatrehany no fanefana ny voady eo anatrehan’ny vahoaka (Salamo setriny 115), ka hahatonga antsika ho taratr’ilay Endriny mamirapitratra, ho zanaka malala taha-dRay, tahaka an’i Jesoa.
[1] jereo fifampizarana alahady 2 Karemy Taona A.
[2] Vohitra roa mifanatrika tamin’ny faritr’i Vonizongo amin’ny Lalm-pirenena faha-4.