Alakamisy I Karemy
- Estera 14,1-14
- Salamo 137
- Md Matio 7,7-12
Mitohy ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny fitokisantsika amin’Andriamanitra. Tsy vitan’ny hoe tsy hahazo famantarana afa-tsy ny misterin’ny Paka isika, fa ampianarin’ny Evanjely koa mba hiha-matotra amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, ka hampifanaraka ny fiainantsika amin’izany. Tsy hoe fampifilafilana tsy akory, araka izany ny antony tsy hanomezana famantarana hafa, fa io no Famantarana feno hahafahan’izay te handray ny fahasoavana hizotra amin’ny lalan’ny famonjena.
Aorian’ny Fampianarana mivavaka (Mt 6,9-15, jereo ny fanazavana Talata I Karemy) dia ampirisihin’i Jesoa izay te hanara-dia Azy mba “tsy hanangona harena ety an-tany” (Mt 6,19), mba “tsy hipenopenona sy hitebiteby amin’izay ilaina amin’ny fiainana, amin’izay hohanina sy hotafiana na izay ho ampitso” (Mt 6,25-34); ampianariny mba “tsy hitsara” ary “tsy hanome ho an’ny alika” ny zava-masina (Mt 7,1-6): toa mifanohitra ihany anefa izany, satria ahoana moa no ahafahana manavaka ny alika raha toa ka tsy hitsara! Tsy ny olon-drehetra no afaka handray ny haren’ny Evanjely.
Dia eo no manomboka ny Evanjely vakiana anio, mampianatra antsika mba “hangataka, hitady ary handondòna”. Amin’ny fifanohizan’ny fampianarana no hahafahantsika mahazo fa tsy afaka ny higoka ny hamamin’ny fiainana araka ny “Fanahy” izay mbola manangona ny haren’ny tany: tsy natao hangonina manko ireny fa “angatahina” ary zaraina hahasoa ny olombelona rehetra; tsy afaka ny hikatsaka (hitady) ny “Fanjakan’ny Lanitra” izay mbola revo amin’ny fiahiana ny ampitso sy ny fitiavan-tenany: ny sakaiza hotiavina dia “tadiavina”, tsy sakaiza hotsentsefina noho ny fitiavan-tena anefa no asain’ny Evanjely hotadiavintsika fa sakaiza hotiavina sy hohasoavina, tahaka an’i Kristy mandeha mitady ilay ondry nania (fa tsy very); tsy afaka ny handondòna izay tsy mahita ny varavarana misy ny harena miafin’ny Fanjakana, satria mbola jamban’ny sakamandimby ny masony (jereo Alahady VIII Taona D Lk 6, 39-45): fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra ny fidirana ao amin’ny fiainana fa tsy tambin’ny ezaka heverin’ny mpiavonavona ho vitany, ka izay “mandondòna” satria mahalala fa ao no misy ny tena fahasambarana no hiditra ao.
Tsy fitalahoana mba hampiketraka ny sitrapon’Andriamanitra hifanaraka amin’ny sitrapontsika ny vavaka araka izany, fa fizorana ho amin’ny fahalalana Azy bebe kokoa hatrany, ka hahafahantsika maka tahaka Azy amin’ny maha Raintsika Azy. Mahalala izay ilaintsika Izy ary tsy afaka ny tsy hanome izay zava-tsoa mahasoa antsika zanany. Raha mofo sy trondro no foto-tsakafo mahasoa ny zanaka, Izy Ray fitiavana dia tsy afaka ny hanome antsika vato sy bibilava izay mety hitovitovy amin’ny mofo sy trondro, saingy famitahana ny zanany ihany. Isika izay ratsy aza (πονηρός – ponèros) mahay manome zava-tsoa ny zanatsika.
“Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona toraka izany koa, fa izany no Lalàna sy Mpaminany”. Lazain’ny Mpandalina Baiboly fa ity no Lalàna volamena amintinan’i Jesoa ny fampianarany. Io no “Didy vaovao” nomeny mba hifankatiavan’ny Mpianany tahaka ny nitiavany azy ireo (Jo 13,34). Tsy afaka ny hitalaho amin’Andriamanitra zavatra ho azy, araka izany, izay tsy miezaka manome izay ilain’ny hafa araka ny fanomezana nomen’Andriamanitra azy. Tsy tahaka ny mahazatra hatrizay ity “lalàna volamena” ity, ka hoe tsy hanao amin’ny hafa izay tsy tiana atao amin’ny tena. Ny kristianina dia tsy afa-midonanam-poana (Jk 2,20) fa haniry sy hiezaka hanatanteraka ho an’ny hafa izay iriany ho an’ny tenany.
Firifiry anefa ny faniriantsika no zary fitiavan-tena, ka raha ny hafa no mahazo ny zavatra irìntsika dia tsy mba hafaliana fa fialonana no mampisavorovoro ny ambavafo. Tsy ny zavatra “efa azo”, fa ny zavatra “tiana” ka irina manko no lazain’i Jesoa fa tokony hatao amin’ny hafa. Tsy afaka ny haniry zavatra manokana ho azy araka izany ny Kristianina satria izy no “solon-tanan’Andriamanitra”, taratry ny fitiavany mitsinjo sy mizara ny fahasoavany ho an’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy (Mt 5,45).
Nahoana tokoa moa no misy maty noana kanefa ny tany mahavokatra avo roa heny noho izay mety ho lanin’ny mponina eo aminy? Andriamanitra ve no omentsika tsiny sa isika olombelona mpangalatra satria “mitahiry ny anjaran’ny mahantra”, araka ny filazan’i Md Jean Chrysostome azy!
Angatahontsika ny Fanahiny mba hampahatsiaro antsika mandrakariva fa ny antony hanomezan’Andriamanitra antsika fahasoavana, dia mba hahatonga antsika ho “fanaka voafidy” hitondra famonjena ho an’ny olony, tahaka ny Mpanjakavavy Estera tonga fanavotana ho an’i Israely, saingy tsy nirehareha tamin’ny fahamboniany fa niankina sy nitoky mandrakariva tamin’ilay Tompo mahalala ny zavatra rehetra (Vakiteny I).