ALAHADY VOALOHANY KAREMY – Taona B
- Jenezy 9,8-15
- Salamo 24
- 1 Piera 3,18-22
- Md Marka 1,12-15
Te hihavana amintsika Andriamanitra.
Ny tena fifadian-kanina moa dia fizorana ho amin’ny fiainana irin’i Kristy ho antsika (Jo 10,10), mba hahazoana valisoa avy amin’ilay Ray mahita ny ao amin’ny mangingina! (Mt 6). Ny fanekena no lalana ho amin’izany, hany ka ny “manao ny sitrapon’ny Ray” no zary sakafo ivelomana (Jo 4,34). Raha fintinintsika ireo “vokatry ny fifadian-kanina” ambaran’ny prefasin’ny Karemy amintsika dia mampahatsiaro antsika fa “fiomanana amin’ny Paka ny Karemy”, izany hoe “fizorana ho amin’ny hafaliana” (Prefasy Karemy I) ka “hanesotra ny faniriana diso tafahoatra mba tsy hiraiketana amin’ny zava-mandalo” (Prefasy Karemy II), “hampilefitra ny avonavona sy hampahazo hanina ny mahantra” (Prefasy Karemy III), “hanaketraka ny haratsiana ka hanondrotra ny fanahy ho mendrika ny valisoa mandrakizay” (Prefasy Karemy IV).
Hoy i Md Pierre Chrysologue: Ny fifadian-kanina no ain’ny fivavahana, ny famindram-po no fiainana ny fifadian-kanina, ka izay te hivavaka tsy maintsy hifady hanina, ary izay mifady hanina mila mamindra fo. Izay te hohenoim-bavaka dia hihaino ny fitarainana ataon’ny hafa aminy. Izay te hanokatra ny fon’Andriamanitra mba hidirany dia tsy ho afaka ny ho mafy fo velona amin’izay mba mitaraina aminy…
Karemy, tsy lalan-davitra any an’efitra toy ny nataon’ny zanak’Israely fahiny no atao, fa lalana tsy mihoatra ny 2 (roa) metatra ao an’efitra, dia ao amin’ilay efitrano irìn’i Jesoa hirindrinan’izay te hivavaka marina tokoa ao amin’ny efitrano nasiany ny hareny ka hiresahany amin’ny Ray, ilay Ray izay mahita ny miafina sy mamaly soa mangina (Mt 6,1-18)…
Raha toa ka tany an-taniefitra no mahazatra ny Jody amin’ny fanomanam-panahy, dia ao amin’ny efitra manginan’ny fo kosa no iantsoan’i Jesoa antsika hisantatra ity Karemy ity araka ny Evanjelin’ny andro fanosorana lavenona (Matio 6,1-6.16-18).
Ny mihosotra lavenona dia fomba nolovaina avy amin’ny kolontsaina jody. Lavenona izay sady midika ny maha tsinontsinona ny olombelona, no midika ihany koa ny tena fibebahana marina. Amin’ny antsa que passe la charrue amin’ny Bréviaire frantsay dia milaza ny lavenona sisan’ny afo nandoro ny ahi-dratsy sy ny tsilo ka ho tonga zezika hampamokatra ny tany hitsirian’ny Teny.
Ny efapolo andro fanomanana ny Paka[1] araka izany, dia manomboka eo an-tampon-doha, amin’ny fanosorana lavenona, mandalo ao amin’ilay efitrano manginan’ny fo mba hivavaka sy hifady hanina[2], hiezaka ho tonga any am-paladia, dia ilay fanasan-tongotra nataon’i Jesoa ho an’ny Mpianany… ny alakamisy masina… (Jo 13,1-20), manambara ny misterin’ny Eokaristia, misterin’ny fanompoana.
Raha ny Paka no fototry ny finoantsika kristianina (1Kôr 15,17snm) dia mazava loatra fa tsy azo atao ambanin-javatra ny fanomanana izany fety izany.
Ireo fomba mampiavaka ny Karemy (asa fiantrana, vavaka manokana toy ny lalan’ny hazofijaliana, fifadian-kanina, vavaka sy famolahan-tena) izay manampy antsika amin’ny fibebahana marina sy ny ady handresena ny ratsy, no entintsika mitozo amin’ny asa aman’andraikitra andavanandro, ary ampahatsiahivin’ny Eglizy fa ny fitomboan’ny fahalalana an’i Kristy no mampivoatra izany toe-piainana an-davanandro izany (vavaka fangatahana).
Mazava loatra fa ny fizorana ho amin’ny Paka dia fiezahana hahalala an’i Kristy. Atao ahoana tokoa moa no hilaza fa kristianina isika raha ataontsika an-tsirambina ny fandalinana ny momba an’i Kristy sy ny Evanjeliny ifotoran’izany anarana iantsoana antsika izany. Izany rahateo no hanompanan’i Md Marka ny finoantsika hiaiky fa i Jesoa no Kristy, Zanak’Andriamanitra (Mk 1,1), ka zary loharanon-kafaliana (Evanjely) mandrakariva ny Teny aloaky ny vavany.
Tsy mahagaga àry raha mampahatsiaro antsika ny hasin’ny Batemy nentina nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny fahafatesana mba ho mpandova ny fiainana ny Tenin’Andriamanitra (1P 3,18-22). Mba ho mendrika izany lova izany dia ilaina ny fiovam-po amam-panahy, izany no fibebahana anentanan’ny Eglizy antsika manokana amin’ny vanim-potoanan’ny Karemy.
Ny avana, manambara ny fihaonan’ny rano sy ny hafanana, ny hazavana sy ny tandrifin-drahona, dia manjary loko marevaka, mahafinaritra ny maso, sitrak’Andriamanitra ho famantarana hahatsiarovana ny fanekeny tamin’ny vahoakany (Jen 9,8-15). Ho antsika kristianina dia ny Lakroa no famantaram-piadanana, famantaram-piadanana lavorary indrindra satria mampihavana ny lanitra sy ny tany, ary tsy mifanohitra ihany koa amin’ny famantarana entin’ny avana: ny tara-pahazavana sivanin’ny rahona (orana), manjary ahitan’ny masontsika ny lokon’ny hazavana! Dia amin’ny maha-olombelona an’i Kristy nanolo-tena ho faty ho an’ny mpanota no hibanjinan’ny masontsika ny fitiavan’ilay Andriamanitra tsy hitan’ny maso! Lalina ny hanambaran’i Md Paoly azy hoe: “amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny herin’i Kristy. Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’ny Kristy amiko.” (2Kôr 12,9)
Raha iverenana ny tantaran’i Noe sy ny safodrano, vakiteny anombohantsika ny fankalazana ny alahadin’ny Karemy dia misy tsoa-kevitra maromaro azontsika halalinina avy amin’izany.
Lazain’ireo mpandalina ny tantara sy ny Baiboly fa tamin’ny taona 1600, izany hoe fara-fahakeliny 500 taona mialoha ny nanoratana ny Jenezy 6–9 (izay voasoratra 1000-500 tal. J.K.) dia efa nisy fitantarana mitovy mikasika ny safodrano tamin’ny faritr’i Mezôpôtamia (ny Tantaran’i Atra-Hasis sy ny an’i Gilgamesh). Misy itovizany ireo fitantarana ireo sy izay hitantsika ao amin’ny Baiboly, saingy misy maha samihafa azy koa. Ireo maha samihafa ireo no harena ho antsika satria ahitana ny toe-tsaina vaovao tian’ny mpanoratra ny Baiboly ampitaina satria mampiavaka ny vahoaka Jody noho izy ireo mino an’YHWH, ary izany koa no sitraky ny Eglizy hiainantsika amin’izao Karemy izao dia ny hampiavaka ny maha-mpino antsika.
Inona ary ireo fahasamihafana ireo?
Raha samy nampahafantarin’Andriamanitra ny safodrano ho tonga ireo maherifo lazain’i Jenezy (Nôe) sy ry Atra-Hasis na i Outnapishtim araka ny fitantaran’ny angano hafa tany Babilôna, dia samy nanorina sambo fiara. Ny antony nahatonga ilay “andriamanitra” handringana anefa, ho an’ny Babilonianina dia satria nanelingelina ny fiainan’ny “mpahary” ny olombelona noharìny sady tsy nahafa-po tamin’ny fanompoana nandrasana taminy ka hofongorany, ary ny maherifo navotany dia nasandrany ho “andriamanitra” tahaka azy. Ho an’ny Baiboly kosa, ny fahotan’ny olona no nifanohitra tamin’ny fandaharan’Andriamanitra satria mitondra azy ireo ho amin’ny fijaliana sy ny fahaverezana, ny hanavotra ny olona no tanjony.
Ny zava-dehibe asian’ny fitantaran’ny Jenezy tsindrim-peo koa anefa dia ny tsy hifangaroan’ny olomarina sy ny mpanota; ary tsy ny hanandratra ny olona ho lasa andriamanitra tahaka ny fitantaran’i Gilgamesh no lazain’ny Boky Jenezy fa ny hanavao ny tso-drano efa nomeny tamin’ny nahariana ny olombelona: miteraha maro, mamenoa ny tany (Jen 1,28; 9,2). Ho an’ny voalohany, satria nanolotra emboka manitra nahafa-po ny “andriamaniny” ilay maherifo ka navotany sy nomeny fahefana ho tonga andriamanitra tahaka azy; ho an’izay mino ny Andriamanitr’i Noe, izay manolotra sorona kosa, dia sorom-pisaorana satria mahatsapa ny famindram-po sy ny fitiavana asehon’Andriamanitra aminy. Izay no mahatonga antsika hankalaza ny Eokaristia, sorom-pisaorana, ho fankalazana an’Andriamanitra.
Mbola izany ihany moa no hamafisin’ny Salamo 24:
Andriamanitra no vonjy. Izy no mitondra antsika amin’ny tena fahafahana marina. Ho an’ny Jody, efa nazava fa ny fanandevozana sy ny famoretana ety ivelany dia manery antsika ety ivelany fotsiny ihany fa afaka mitahiry ny fahafahana anaty kosa isika. Ny fanompoan-tsampy kosa, dia ny fon’ny olona mihitsy no misafidy hiala amin’ny lalàna nomen’Andriamanitra ka hifikitra amin’ny sampy. Very ny fahafahana anaty. Mampalahelo ny mahita olona mitotototo etsy sy eroa mitety sampy hiandrandrana famonjena, hiandrasana fahasitranana na fahagagana na tombontsoa manokana mba hitadiavana izay hahatanteraka ny sitrapon’ny tena.
Na sanatria aza anefa miròna amin’ny sampy ny fontsika, lazain’ny Salamo fa tsy mamono fa manoro lalana ny mpanota Andriamanitra, tsy ny mpanao ratsy no sitrany hofongorana amin’ny safodrano fa ny ratsy mampijaly ny olona. Tsy hisy Andriamanitra handringana ny nofo intsony, hoy ny Boky Jenezy.
Io no mbola hamafisin’i Md Piera amin’ny Vakiteny II: “maty ho an’ny mpanota i Kristy, Izy ilay marina ho an’ny tsy marina”, araka ny faminanian’i Izaia, izay mbola hiverenantsika hodinihina manokana mandritra ny Herinandro Masina. Andriamanitra vonona ho faty ho an’ny mpanota ny Andriamanitsika ary miantso antsika ho vavolombelon’izany fitiavany izany, amin’ny fitondran-tenantsika feno fanajana am-pahalemem-panahy, hoy Md Piera (mialoha ny vakiteny anio).
Amin’ny fiatombohan’ny Salamo dia mivavaka isika mba hampianaran’Andriamanitra antsika ny sori-dalana sy ny lalàna omeny hitondra antsika ho amin’ny fahasambarana. Amin’ny famaranana ny vavaka dia lazainy mazava fa izay matahotra ny Tompo no tsy anafenany fa atorony ny fanekeny.
Inona moa no hevitry ny hoe matahotra ny Tompo? Izay lazain’i Md Piera ihany no mamintina izany: miaina ny Batemy. Tsy rano manadio ny ety ivelany ka fombafomba vita ao am-piangonana anefa ny Batemy, fa “fikatrohana araka an’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy, ka handray anjara amin’ny fitsanganan’i Kristy ho velona”. Ny dikan-teny vakìna moa dia nisafidy ny hoe: fangatahana fo tsara amin’Andriamanitra izay namonjy antsika tamin’ny nitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona. Ny antony angatahana izany dia ny hanahafana an’i Kristy ka hisarahana amin’ny fahotana ary hiainana araka ny sitrapon’Andriamanitra (1P 4,1-2). Io no lalan’ny fahasambarana irintsika izorana amin’ny Karemy ka hahafahana manavao ny tokin’ny Batemy ny alin’ny Paka.
Ny Evanjely moa dia milaza an’i Jesoa vao vita Batemy ka nentin’ny Fanahy ho any an’efitra ka nitoetra tany efapolo andro dia nalain’i Satana fanahy. Eto dia azontsika heverina ny asan’ny Fanahy izay mitondra amin’ny lalan’ny fahafahana marina. Tahaka an’i Israely dia vonona ny hizotra ny taniefitra koa i Jesoa, efapolo andro, efapolo hilazana ny fotoana misy fanombohany fa misy fiafarany ihany koa, tahaka ny zanak’i Israely koa efapolo taona tany an’efitra. Io efitra io no tsy maintsy lalovan’izay miala amin’ny tanin’ny fanandevozana (Ejipta) mankamin’ny tany nampanantenaina. Tsy misy afa-tsy ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra anefa no hahafahana mamakivaky io efitra io ka hidirana amin’ny tany nampanantenaina, fa tsy ho tahaka an’i Môizy, tsy nita an’i Jordany noho ny tsy fanekeny an’i YHWH, noho izy tsy nampiharihary ny fahamasinan’YHWH (Det 32, 48-52).
Ny fialana amin’ny fanandevozan’ny fahotana, iezahantsika hizorana amin’ny Paka, hanandramana ny hafenoan’ny hafalian’ny zanak’Andriamanitra navotan’i Kristy tamin’ny Rany, dia tsy “fahagagana” hitsambikina-mikimpy fa famakivakiana ny taniefitra ka mitaky ezaka sy risi-po. Ao amin’io taniefitra io no ilazan’i Marka fa hangalan’i Satana fanahy antsika. Tsy milaza ny fakam-panahy izay fintinin’i Md Lioka sy Matio ho telo i Marka. Ny mpianatra no maka fanahy an’i Jesoa amin’ny fahombiazana ka niantso Azy hiala ao anatin’ny vavaka mba hamonjy ny olona marobe mitady Azy (Mk 1,38). Fakam-panahy mety hanala Azy amin’ny asa nanirahana Azy, amin’ny iraka nahatongavany izany. Tsy azo adinoina koa fa sahala amin’i Jesoa, tsy fanahy tsy hita maso antsointsika ho demony na devoly, na sanatria mety ho zavatra mampatahotra fa mety ho olona itokisantsika, nametrahantsika fitokisana, olona nantsointsika ho mpiara-miasa, ny fianakaviantsika no haka fanahy antsika, hilaza antsika ho efa very saina ka hanery antsika hiverin-dalana (Mk 3,21). Ao amin’ny toko faha-8 dia mazava ny tenin’i Jesoa miantso an’i Piera ho satana, maka fanahy Azy satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra (Mk 8,33). Amin’ny fiafaran’ny Evanjeliny dia lazain’i Marka fa i Jesoa ao Getsemania dia milaza fa ao anatintsika ao koa dia misy “nofo osa”, ka mila mitandrina mandrakariva ary mila mivavaka mba ho ny sitrak’Andriamanitra no ho safidìn’ny fontsika (Mk 14,34-36).
Ao amin’io efitra io anefa, tahaka an’i Elia mizotra mankany Hôreba (1Mp 19) dia irahin’Andriamanitra ny anjeliny mba hanompo antsika, mba hamahana sy hanome aina antsika. Sakafo ivelomantsika, mana atolony antsika manokana amin’izao karemy izao ny Teniny, ny Eokaristia fa indrindra ny sakramentan’ny Fampihavanana. Ao amin’io fizorana mankamin’ny Paka io ihany koa anefa no iezahana iainana ny fiadanana sy ny fampihavanana tahaka an’i Jesoa. Ny fiarahana mitoetra tamin’ny bibidia ve tsy filazana ny fampihavanana indray izay rava araka ny lazain’i Jenezy 3, amin’ny tsy fanekena an’Andriamanitra, ka hiainana sahady ilay Paradisa lazain’Izaia fa hilalaovan’ny zaza eo an-davaky ny menarana (Iz 11,6-8)?
Tamin’ny alahady fahatelo B moa dia efa vakìna amintsika ny ampahan’ny Evanjely (Mk 1,14-20). I Jesoa, ilay mandresy ny fakam-panahy dia miala ao an-taniefitra ka manatona ny olona nanirahana azy, hitondrany ny Tenin’ny Fiainana.
Misy antony ny nandehanan’i Jesoa tany Galilea, fa tsy tany an’efitra toa an’i Joany. Ampahatsiahivina vetivety.
Anisan’ny antony mahatonga ny hisafidianana ny Galilea satria ny mponin’ny manodidina an’i Kafarnaôma sy Betsaida dia olona somary mivela-tsaina kokoa raha oharina amin’ny hafa, revon’ny fitadiavana sy ny fivelomana angamba, lavitry ny Tempoly ka tsy dia miditra amin’ny antsipirian’ny fombafomba isan-karazany, eny fa na dia tsy dia mifanaraka loatra amin’izany aza no voalaza avy eo, indrindra amin’ny asan’ny Apôstôly, rehefa milaza momba an’i Piera, avy any Galilea (Asa 10, mamerimberina in-telo ny Fanahy, fa mbola tsy resy lahatra i Piera). Dia niantso ny mpianany Izy: mpanarato efatra, mpirahalahy, vonona hibebaka sy hino ny Evanjely.
Izao no toriteny nolazain’i Jesoa mialoha ny fiantsoana ireo mpianatra ireo:
Tonga ny fotoana (Πεπλήρωται ὁ καιρός – peplèrôtai ho kairos), feno (πληρόω – plèroô) ny fotoana ka tonga manakaiky antsika ny Fanjakan’Andriamanitra (ἤγγικεν ἡ βασιλεία τοῦ θεοῦ·- èngiken hè basileia tou Theou), ἐγγίζω (engizô, au parfait actif), manakaiky, ilay Fanjakana no manatona. Tsy isika no handeha hanatona azy any an’efitra tahaka ny tamin’ny andron’i Joany, fa Izy no tonga manatona antsika, vonona ny hiray petsapetsa amintsika. Izy no te hihavana amintsika (lohahevitra). Io no heveriko fa antony nilazan’i Marka fa tany an’efitra i Joany ary nankany Galilea i Jesoa.
Manoloana ny fahatanterahan’ny asam-pamonjena dia zavatra roa kosa no takìn’ny Fanjakan’Andriamanitra efa akaiky antsika, eny fa na dia azo lazaina aza fa zavatra roa mifampiankina, ary ireo no iezahantsika hiainana mandritra ny karemy mba hahatonga izany ho fomba fiainana.
Ny voalohany dia mila mibebaka. Tsy vitan’ny fikasana tsara mba tsy hanao ratsy na tsy hanota fotsiny ny fibebahana, fa fiovam-po tanteraka amin’ny fomba hifandraisana amin’Andriamanitra izay efa manatona antsika, amin’ny olombelona, amin’ny zavatra rehetra. Efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra ka izay mibebaka marina dia mahita fa hitondra famonjena no hahatongavany fa tsy handringana, Andriamanitra mamonjy ny Andriamanitsika. Lazain’i Izaia (Iz 40) fa efa tapitra ny andron’ny fampahoriana, efa voavela avokoa ny heloka satria ny tanan’Andriamanitra mihitsy no hanefa ny sazy indroa miantoana tokony hoefain’ny mpanota, ary ilay Mpanompony sitraky ny fony no hanambara ny rariny (Iz 42), ary hanao fanekem-piavanana mandrakizay Andriamanitra ka ny Teniny tsy hiverina any Aminy raha tsy efa mahatanteraka izay nanirahany azy (Iz 55). Efa maty ho an’ny mpanota ny olomarina, hoy i Md Piera.
Mibebaka izay manova ny fomba fijeriny an’Andriamanitra ka hahita fa fitiavana Izy, ary maimaim-poana ny famonjena atolony antsika; hahay hijery koa anefa ny olombelona rehetra toy ny hitiavan’Andriamanitra azy ireo. Mibebaka izay mahafoy, eny fa na dia izay mety ho antom-pivelomana aza, ka vonona hanaraka an’i Jesoa amin’ny lalan’ny fitsanganan-ko velona, amin’ny Lalan’ny Hazofijaliana ataontsika mandritra izao Karemy izao, hahay handanjalanja ka hiaiky fa ambony lavitra noho ny haren’izao tontolo izao ny famonjena ny hafa iantsoan’i Jesoa antsika.
Miantso antsika ihany koa ny Evanjely mba hino.
Mino ny Evanjely izay matoky ny Tenin’i Jesoa, mino ka manandrana ny hamaminy, ary hahalala ny harena miafina ao amin’i Kristy ka hampiasa ny vokatr’izany amin’ny toe-piainana mendrika (vavaka fangatahana). Tsy manova ny maha izy azy ny olona ny finoana: mpanarato nantsoiny dia mijanona ho mpanarato, saingy tsy ny haratony intsony fa ny haraton’i Jesoa no ampiasainy. Mandavorary ny maha izy azy antsika ny finoana satria safidy ataontsika mba hanaraka ilay lalana, ilay lalàna (torolalana) omen’Andriamanitra antsika mitondra amin’ny fahasambarana.
Ny fibebahantsika dia mandalo fisedrana sy fakam-panahy koa. I Jesoa nalaina fanahy tantarain’ny Evanjely amintsika (Mk 1,12-15) [izay tantarain’i Md Lioka sy Md Matio amin’ny antsipiriany kokoa (resaka fakam-panahy Lk 4,1snm//Mt 4,1snm)] dia manambara ny safidy tokony hataontsika. Ny fakam-panahy dia fitsapana, ka ny fanamafisana ny SAFIDY no hahafahana miady aminy. Ohatra no navelan’i Jesoa ho antsika. Raha nalain’ny demony fanahy mba hanova ny vato ho tonga mofo Izy dia nisafidy ny hampitombo mofo hamokisana ny vahoaka an’arivony… Tsy hampiasa ny harena hitiavan-tena fa mba hanasoavana ny sahirana sy ny mahantra. Raha nalaim-panahy ho tonga mpifehy ny tontolo Izy, dia nisafidy ny hanaiky hatramin’ny fahafatesana, satria ny sakafo ivelomany dia ny manao ny sitrapon’ny Ray (Jo 4,34//). Raha nalaim-panahy hampiseho ny maha izy Azy i Jesoa dia nisafidy ny hanaja ny fitiavan’ny Ray Azy. Tsy ho feno fatra ny hafaliantsika raha tsy ao amin’ny fiombonam-piainana amin’Andriamanitra. Ary heveriko fa ny faratampon’ny fahasambarana dia ny fahatsapana fa zanak’Andriamanitra, zanaka tian’Andriamanitra.
Ny Tenin’Andriamanitra sy ny Eokaristia no anovozana ny hery mamelona ny finoana, mampitombo ny fanantenana ary mankahery ny fitiavana, koa ho haintsika anie ny hanararaotra izao Karemy izao hanavaozana ny hafaliana maha kristianina antsika.
[1]Raha isaina dia 46 andro avy amin’ny alarobia mankamin’ny Paka. Ny antony dia satria ny alahady dia fankalazana ny Paka isan-kerinandro ka tsy nampidirina ho anisan’ny andro fiomanana, ka raha esorina ny alahady 6 dia 40 no sisa tavela…
[2] Tsy azo adinoina fa tsy ny fijalian’ny ny hanoanana no mahafaly ny fiangonana fa ny fahafoizana izay tsy hohanina mba hamonjena ny tsy manan-ko hanina ary ny hamolahana ny tena tsy ho andevozin’ny filàny.