Alakamisy manaraka ny lavenona
- Deoterônômy 30,15-20
- Salamo 1
- Md Lioka 9,22-25
Manomboka ny Karemy isika dia ampian’ny Litorjia mba hanitsy izay toe-tsaina mety tsy mifanaraka amin’ny maha kristianina antsika. Voalohany amin’izany ny fiheverana momba ny voninahitr’Andriamanitra: tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona, holavin’ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny Mpanora-dalana ary hovonoiny. Ny mpitondra mahefa mihitsy no hioko hanohitra an’i Jesoa. Tsy fandresena fa fahavoazana, faharesena araka ny fijerin’izao tontolo izao no iantsoan’i Jesoa izay te ho mpianany. Mora ny mampiasa fahefana hanakanana ny hafa tsy hanao ratsy, fa nosafidian’Andriamanitra kosa ny hanaja ny fahafahan’ny olombelona, nataony eo anatrehany ny tsodrano sy ny ozona (Vakiteny I) ka nohajainy ny safidin’ireo lehibe natao hiaro ny aina sy ny fahamarinana, na dia ny fahafatesan’ny Zanany aza no tambin’izany, ary izany no nahafahany nanoratra ny tantaram-pitiavana lehibe indrindra: mahafoy ny ainy ho an’izay tiany. Avy amin’izany faharesena (araka ny toe-tsain’olombelona) izany no nananganany an’i Kristy ho velona tamin’ny andro fahatelo.
Ho antsika olombelona, mazàna rehefa mamela ny hafa hisafidy isika dia miandry ny fahavoazany mba handatsàna azy, satria hoe efa nampitandremana. Ho an’Andriamanitra kosa, fitiavana mandrakizay Izy, ka na tsy misafidy ny lalan’ny fiainana aza ny zanany, dia hafaliana ho Azy mandrakariva ny miandry ny hiverenany: hanaovany fety. Izany lalànan’ny Tompo izany no sain’ny olo-marina, hoy ny Salamo, ka hahafahana mamokatra ara-potoana sy hahomby amin’izay rehetra atao.
Izay te hanaraka an’i Jesoa àry dia tsy maintsy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany isan’andro ka hanaraka Azy. Tsipihin’i Md Lioka fa ny olona rehetra no ilazan’i Jesoa izany. Tsy an’ny masera sy ny mompera ihany ny fandavan-tena fa an’izay rehetra te hanaraka Azy:
- Fandavan-tena satria izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy (Lk 17,33), ny ain’Andriamanitra manko mitombo amin’ny fizarazarana azy: tsy afaka ny hanara-dia an’i Jesoa izay mbola manao kajikajy hahazoana tombontsoa ho an’ny tena manokana.
- fitondrana ny hazofijaliana (σταυρός – stauros): tsy afaka ho tonga mpianatra (Lk 14,27) izay tsy mitondra izany “isan’andro”. Mora ny misehoseho indray na indroa na mandra-paha… tsy izany no angatahin’ny Evanjely fa ny fitozoana isan’andro hitia, tsy hanaiky ho resin’ny fakam-panahin’ny voninahitra sy ny fitiavan-tena mba ho andry (stauros) hiorenan’ny fiaraha-monina vaovao araka an’Andriamanitra. Mazava loatra fa fahafatesana mahafa-baraka no miandry izay te hikitikitika ny “mpifehy ny tontolo” tahaka ny loholona sy mpisorona ary mpanora-dalàna tamin’ny andron’i Jesoa.
- Voaantso hanaraka ny diany izay te ho mpianany: tsy hanao araka ny tiany, tsy hanoritra lalana hafa afa-tsy izay mitondra amin’ny fahafoizana manontolo ny aina mba hanasoavana ny hafa.
Dia izany ny lalana anasan’ny Fiangonana antsika mba hodiavina. Inona moa no soa azon’ny olona raha very ny tenany ka ho voaheloka izy? Tsy kajikajy hahazoana ny harena sy ny voninahitr’izao tontolo izao tsy akory ny fanarahan-dia an’i Kristy. Tokony handini-tena ihany izay miasa ho an’ny Eglizy, na ny marimarina kokoa, irahin’ny Fiangonana hiasa, sao ny fampitomboana ny haren’ny tany sy ny voninahitra no imasoana sanatria, ka adino fa tsy ny harena ihany fa ny aina manontolo mihitsy aza no asain’i Jesoa holavina ka hanoloran-tena tanteraka ho Azy sy ny Evanjely.
Ny fizorantsika ho any amin’ny Paka anie hampitombo ny faniriantsika hiaina ny Evanjely araka ny irin’i Kristy, handinihantsika ny fijaliany ka hahatsapantsika bebe kokoa hatrany ny fitiavany, tsy hampitombo ny fihatsaram-belatsihy sy ny ranomaso manentsin-keloka fa hampitombo kosa ny finiavana hitia tahaka ny nitiavany antsika. Izany no hanaovana ny Lalan’ny Hazofijaliana isaky ny Zoma.