Alatsinainy fahenina mandavan-taona
- Tsy ankasa: Jenezy 4,1-15.25/Salamo 49/
- Ankasa: Jakôba 1,1-11/Salamo 118/
- Md Marka 8,11-13
Dia nanatona an’i Jesoa ny Farisianina. Mampametra-panontaniana hoe avy aiza no nipoiran’izy ireo, satria any Dalmanotà i Jesoa no niondrana niaraka tamin’ny Mpianany (raha adika ara-bakiteny Δαλμανουθά dia mety hanome hoe: tanin’ny mosarena). Tian’i Marka holazaina amintsika fa ao amintsika ao, dia misy ampahana Farisianina kely ihany, miara-miondrana amin’i Jesoa fa mbola tsy tapa-kevitra tanteraka kosa amin’ny fanaraha-dia Azy, ka mazava loatra, noho ny hamafin’ny fo dia miezaka ny hiady hevitra hanamarinana ny an’ny tena fa tsy hitady izay lalana maha sambatra tokoa.
Dia raikitra ny adihevitra ka rehefa tsy manan-kavaly intsony ny Farisianina dia famantarana avy any an-danitra avy amin’i Jesoa no nangatahin’izy ireo “mba hakàna fanahy Azy”. Lazain’ny boky Deoterônômy (18,20-22) fa tsy tokony hatahorana ny Mpaminany satria raha miteny araka an’Andriamanitra izy dia ho tanteraka tokoa ny zavatra lazainy. Ny fangatahana famantarana anefa eto tsy fampiasana ny fisainana intsony fa fiandrasana fahagagana handresena lahatra. Haintsika anefa ny tantara fa ny mpimasin’i Faraôna tany Ejipta aza tsy nihontsona tamin’izay fahagagana nataon’i Môizy sy Aarôna, nahavita fahagagana mitovy ihany koa izy ireo.
Mampalahelo fa marobe koa ny kristianina mampitsoaka matanjaka an’i Jesoa, miandry fahagagana na manenjika fahagagana etsy sy eroa, ka mihevitra ny hamelona ny “finoana” amin’izany, kanefa “finoanoam-poana” ihany izany. Sambatra kokoa, hoy i Jesoa izay tsy nahita nefa mino. Tsy mino an-jambany anefa, fa mino rehefa avy nandinika sy namakafaka fa tsy misy lalana hafa mitondra mankany amin’ny fahasambarana ankoatra izany natoron’i Jesoa, dia ny lalan’ny fitiavana.
Izany no finoana. Ny mety ho fisehoan-javatra tsy takatry ny saintsika dia tsy tokony hanakorontana ny finoana, tsy mampihena na mampitombo azy. Ny famantarana avy amin’Andriamanitra dia manampy antsika hitombo amin’ny finoana, ary tsy valim-bavaka fa araka izay sitraky ny fony fantany fa hahasoa antsika no hanehoany ny voninahiny. Tsy mila fisehoan’i Masina Maria izay tena kristianina vao hino sy hafana fo, raha toa ka nandray ny Evanjely sy nivelona marina tokoa araka izany. Manaiky hiseho amin’izay tsy maka fanahy Azy Andriamanitra (Fah 1,2).
Mazava ny valin-tenin’i Jesoa ho an’izay miandry famantarana mba hinoana raha tia azy Andriamanitra na tsia satria tsy ampy izay efa noraisina avy aminy hatrizay: taranaka ratsy sy mpivadika (Dt 32,5). Izay tsy mahay midera ny asa ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainana andavanandro fa mihevitra ny hanadala ny sain’ny olona amin’ny fahagagana atokana ho an’olom-bitsy dia mila mandini-tena manoloana ity valin-tenin’i Jesoa ity: “tsy homena famantarana ity taranaka ity”.
Ny Jody mila famantarana ary ny grika mila fahendrena (1Kôr 1,22) hoy i Md Paoly. Fianteherana amin’ny zavaboary ihany izany ka mety hahavoaozona, hoy i Jeremia (Jr 17,5snm). Saingy ho an’izay voaantso dia afaka ny hahita ny famantarana (herin’Andriamanitra) sy ny fahendrena ao amin’ny hazofijalian’i Kristy (1Kôr 1,24). Io no famantarana tokana azon’i Kristy nomena (Lk 11,29).
Tsy misy famantarana azontsika omena ny olona afa-tsy ny fanahafantsika an’i Kristy voafantsika araka izany. Ny fahafoizan-tenan’ny Kristianina hanasoa ny hafa maimaim-poana am-pitiavana no hany famantarana hahafahana mitory fa velona eo anivon’ny Fiangonany i Kristy ary lalam-pahasambarana no natorony izay mino azy.