ALAHADY FAHA 6 MANDAVAN-TAONA – Taona B
- Levitika 13,1.2.45-46
- Salamo 31
- 1Kôrintianina 10,31-11,1
- Md Marka 1,40-45
Sitrana ny boka.
“Na inona na inona ataonareo dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany” (1Kôr 10,31snm). Nambaran’i Jesoa tamintsika (Alahady faha 5B) fa ny asa fiantrana nataony dia mba hitoriany ny Fanjakan’Andriamanitra, ka na eo aza ny fitadiavan’ny olona rehetra Azy (Mk 1,37) dia naleony handeha an-toeran-kafa mba hitoriany any koa. Tsy hoe familafilana hanamafisana ny filan’ny olona tsy akory fa mba hanehoany amintsika fa mila havaozina mandrakariva ny antony hitadiavantsika an’Andriamanitra, sao noho ny antony ara-nofo sy ny tombontsoa manokana ihany ka hanadino ny “fikatsahana ny fanjakan’Andriamanitra” alohan’ny zavatra rehetra (Mt 6,33//Lk 12,31).
Ny Bokin’ny Levitika, izay anisan’ny boky sarotra indrindra, boky mifehy ny fiainan’ireo Mpisorona (Levita) sy ny asany no nangalana ny vakiteny I, hahazoantsika kosa any aoriana ny hevitry ny Evanjely, satria io lalànan’ny Levitika io no niasa tamin’ny andron’i Jesoa.
Ny fifandraisana amin’ilay Andriamanitra Masina dia zava-tsarobidy loatra ka rehefa mety ho tsy fahatomombanana, tsy ara-panahy ihany fa na dia ara-batana aza, ary ny ara-batana ihany moa no azon’ny olona hamarinina, – ankoatra ny fahotana hitam-poko hitam-pirenena, – dia sakana tsy hahafahana manatona an’i YHWH, ary tsy izay ihany fa tsy hahafahana miombona ihany koa amin’ny vahoakany. Maloto izay voailika, ary voadidy hitondra famantarana ety ivelany, hitan’ny maso (dia ny akanjom-pisaonana hisaonany ny tenany), ren’ny sofina (hiantsoantso hoe maloto e! maloto e!), hihataka ivelan’ny toby.
Raha jerena amin’ny ara-pahasalamana dia tsy hita izay maharatsy izany lalàna izany, satria mba hitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka dia atokana ireo marary mandra-pahasitrany soa aman-tsara, sahala amin’ny natao tamin’ny andron’ny COVID. Ny loza anefa dia sady voailika no tsy raharahiana ireo voan’ny habokana satria noheverina ihany koa fa sazin’ny fahotany no nahavoa azy.
Teo amin’i Israely, araka izany dia tsy noheverina ho aretina azo tsaboina tahaka ny aretina rehetra ny habokana fa niandrasana fahagagana sy fahasoavana manokana avy amin’ny famindram-pon’Andriamanitra mba hahasitrana azy. Haintsika ny tantaran’i Naamana sy Elisea momba izany (azo vakiaina ao amin’ny 2Mp 5).
Ireo boka mitokana irery any ivelan’ny toby mihitsy anefa no andeha hatonin’ilay Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: Ndeha isika ho any amin’ny tany hafa koa mba hitory any fa izany no nivoahako. Izy no ilay Teny mivoaka avy amin’ny Ray ka tsy miverina raha tsy mahatanteraka izay nanirahana Azy, tsy miverina raha tsy efa voatory ny Evanjely. Izy no manatona mialoha mba hahafahan’izay mila famonjena kosa manatona Azy. Izany no laharam-pahamehana ho an’izay volavolain’ny Vavaka, ka hananana herim-po handao ny vahoaka efa mitady mba hanatona ireo boka tsy afa-mifanerasera akory amin’ny mpiara-belona.
Dia nandeha izy ireo ary indro nisy boka iray, niangavy an’i Jesoa, mba hositraniny (καθαρίζω-katharizô), na ny marimarina kokoa mba hodioviny amin’izay sazim-pahotana nahazo azy (jereo Zoma manaraka ny Epifania: Lk 5,12-16). Ny mandohalika eo anatrehan’i Jesoa araka izany dia ny finoana ny maha Andriamanitra afaka manasitrana: “Raha mety ianao dia mahay manadio ahy”.
Ny habokana moa dia areti-mifindra noheverin’i Israely ho sazim-pahotana avy amin’Andriamanitra araka ny efa voalaza (Dt 28,27.35), ka izay voany dia tsy maintsy roahina hivoaka ny tanàna; manokana toko roa manontolo mikasika izany ny Boky Levitika (Lev 13-14). Io lalàna io no nampisaraka ny “maloto” sy ny “madio”, sombiny no efa nazavaintsika teo aloha. Noravan’i Jesoa anefa izany rindrina mampisaraka izany: “naninjitra ny tanany Izy ka nikasika azy…” Izy no YHWH mpamonjy (Eks 4,4; 7,19), maninjitra ny tanany hanapotika ny fahavalo sy hanolotra famonjena (Eks 15,12).
Mora kokoa ny mandroaka ilay boka hiala teo, na ny manendrikendrika azy ho tsy mpanara-dalàna satria raha araka ny lalàna manan-kery dia tokony hihorakoraka hoe “Maloto e! Maloto e!” (Lev 13,45). Fa i Jesoa kosa, feno ny Fanahy Masina ka tonga “hamehy ny ferin’ireo torotoro fo”, tonga hanasitrana, araka ny nolazaintsika tamin’ny heriny, ny θεραπεύω (therapeuô, manasitrana) dia mitovy fototeny amin’ny hoe θεράπων (therapôn, manompo). Ambarany ho famantarana hahalalan’i Joany Batista Azy fa “sitrana ny boka” ary toriana amin’ny mahantra ny Evanjely (Mt 11,5).
Tsy nangataka ny ho sitrana anefa ilay boka lazain’ny Evanjely, fa nangataka ny mba hodiovina, ny mba ho afaka indray hiverina hiara-monina amin’ny havana aman-tsakaiza. Mazàna manko, tsy dia ny aretina na ny halemena loatra no tena mampijaly fa ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana, ny tondromolotra ataon’ny mpiara-monina. Tsy andriamanitry ny tonga lafatra sanatria ny Andriamanitra ambaran’ny Teny tonga nofo, fa Andriamanitra sahy manendry ny boka, sakaizan’ny poblikanina sy ny mpanota, mpiray petsapetsa amin’ny vehivavy tsy dia tsara fitondran-tena loatra. Satria ny fitiavan’Andriamanitra dia fahazavana ka tsy matahotra ny haizina. Raha sokafana ny varavaran-kelin’ny trano misy jiro mirehitra amin’ny alina maizim-pito dia tsy ny haizina velively no hiditra ao an-trano fa ny hazavana mandrakariva no hivoaka hanilo ny any alatrano. Izany no handrisihan’i Jesoa ny mpianany mba tsy ho jiro hisitrika any ambany fandriana sanatria (Mt 5,15).
Satria Andriamanitra famindram-po (σπλαγχνίζομαιחַנּ֣וּן יְהֹוָ֣ה וְצַדִּ֑יק וֵ֖אלֹהֵ֣ינוּ מְרַחֵֽם
– splanchnizomai, ḥannoun YHWH wetsaddîq we’ēlohênu meraḥēm, Sal 116,5: mpamindra fo sy marina ny Tompo, miantra ny Andriamanitsika) dia tsy nampaninona an’i Jesoa izay lalàna mifehy ny habokana fa dia naninjitra ny tanany Izy, ary nikasika ilay boka. Tsy Andriamanitra manilika ny maloto manko ny Andriamanitsika fa Andriamanitra mitady ny very aza. Ilay boka mbola nanontany an’i Jesoa “raha toa ka mety izy”. Na inona na inona mety ho hadisoan’ny olona iray dia ny famonjena azy no lohalaharana ho an’i Jesoa. Izay no asehony antsika. Ireo olona noheverin’ny mpiara-monina ho fanilikilika sy atao an-jorom-bala no natoniny, nantsoina hitsaoka Azy (mpiandry ondry, majy…), nantsoiny ho mpianany (mpanjono avy any Galilea, vehivavy janga, poblikanina…), nomeny fahasoavana hahasitrana (boka, kilemaina, jamba, moana satria marenina…). Fahalavorarian’ny lalàna ny fitiavana (Rm 13,10).
Izay no fampianarana vaovao entiny ho antsika mpianany: tsy natao ailika fa rahalahy sy anabavy mampihetsi-po ka tokony hokarakaraina ny marary. Tsy mpanasazy amin’ny aretina fa mpikolokolo ny marary ny Andriamanitr’i Jesoa Kristy. Fanompoana an’Andriamanitra ny fijanoanana eo anolohan’ny nofon’ny mila vonjy, hoy ny Papa François (Hafatra Karemy 2024).
Asain’i Jesoa miseho any amin’ny Mpisorona ilay boka voadio mba hanolotra ny fanatitra voadidin’i Môizy noho ny fahasitranany, mba ho vavolombelona amin’ny olona. Voalohany indrindra dia mba entina hilazana ary ampahatsiahivana antsika fa ireo mpisorona mpifehy ny lalàna dia tsy nahay nandio na nanasitrana fa ny manameloka hampiharana ny lalàna aza no nataony. I Jesoa kosa, ilay Môizy vaovao, dia nanao ny fitiava-namana ho lalàna tokana hifehy ny lalàna rehetra. Ankoatra izay dia ampahatsiahivin’i Jesoa fa ny fanatitra, mariky ny fisaorana sy ny fiderana dia atolotra an’Andriamanitra irery ihany. Izy no loharano ipoiran’ny soa rehetra ka ny fahaizana mankasitraka azy dia loharanon’ny famonjena ho antsika koa.
Izay Mpisorona miaraka amin’i Kristy noho ny Batemy noraisiny dia antsoiny tsy hanambara ny fahabokàna fa hanambara ny asan’Andriamanitra manasitrana ka hamporisika ny olona hanatitra izany sorom-pisaorana izany.
Ny fitiavana anefa tsy voatery ho voavaly soa mandrakariva.
Ambaran’ny Evanjely fa ilay boka voadio dia tsy afaka ny tsy hizara ny hafaliany. Raha ny marina moa dia lazain’i Marka fa lasa nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza izy, hany ka i Jesoa indray no nisintaka tany an’efitra, ka nivavaka tao, araka an’i Md Lioka, ary tany no nanatonan’ny olona Azy, hoy i Marka. Ho an’ilay boka, ataony ahoana ny hitàna ny hafalian’ny fahasitranany! Indraindray ny hafaliantsika tsy handanjalanjantsika ny teny na ny fihetsika, ka izay nanao soa antsika indray no mizaka ny vokatr’izany.
Raha hiverenantsika ny tapany faharoa amin’ny Evanjely teo izay milaza fa noraran’i Jesoa ilay nahazo fanadiovana mba tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza fa hanolotra kosa ny fanatitr’i Môizy, mba ho vavolombelona manambara ny fahafahana miditra indray ho anisan’ny vahoaka, dia hitantsika amin’izany ny fandrisihan’i Jesoa hanaja ny lalàn’i Môizy. Hazavainy ny antony sy ny mety ho olana amin’ny fahazoana izany antony izany saingy “mba tsy hisian’ny fanafintohinana” dia amporisihiny ny mpianatra hanara-dalàna: mitondra mankamin’ny fahasambarana manko ny lalànan’Andriamanitra. I Piera aoriana kely ao dia asainy handoa hetra, na dia lalàna apetraky ny fiaraha-monina ihany aza izany.
Tsy mahasoa ary tsy mampitombo velively ny finoana ny fanindraindrana ny fahagagana. Mety hampitombo ny fiheveran’ny olona aza fa Andriamanitra mpanao “magie” ny Andriamanitsika, ka raha tsy manao araka izay irin’ny fon’ny olona dia tsy misy ilàna azy, na sanatria andrasana hisolo ny mpivavaka amin’ny andraikitra tokony horaisina.
Fa na dia any an-tsesitany aza i Jesoa dia natonin’ny olona teny ihany. Izy tsy nikemo hanasitrana izay manatona Azy. Tsy kivy ny manao soa Izy na dia fangirifiriana aza no vokatr’izany. Isika koa, mila manontany tena sao sanatria tsy ao amin’izay hitadiavantsika azy intsony ny Tompo fa efa nifindra tanàna, efa nitsoaka any an-tany efitra, satria tsy nanaiky ny teniny isika… izay voahilika kosa, ataon’ny fiaraha-monina ankilabao dia afaka hihaona amin’ilay Jesoa efa nisafidy ny tany mangingina mba hialoha lalana azy.
Marina fa noheverina ho toy ny dokotera ny Mpisorona tamin’izany, ka izy ireo no manamarina ny fahasitranana na ny fahalotoana (Lev 13-14), saingy tsy azo hamaivanina kosa ny fandehanana miseho eo anatrehan’izy ireo (Evanjely Mk 1,44). Mova tsy santatra sahady hilazan’i Kristy ny hisehoantsika eo anatrehan’ny pretra, handray ny famotsoran-keloka amin’ny sakramentan’ny Fibebahana sy Fampihavanana (Kônfesin’ny faharatsian’ny fahotana sy ny halehibeazan’ny famindram-pon’Andriamanitra) ka hanolotra ny fisaorana amin’ilay Andriamanitra afaka manova ny olona hatrany amin’ny atifony lalona.
Isika tsirairay avy dia samy manana ny aretin-koditra mahazo antsika, izany hoe ankoatra ireo fahazaran-dratsy sy fahalemena iezahana tsy ho fantatry ny hafa, dia misy ihany ireo mivoaka ety ivelany izay tsy hay afenina ka tokony mampibaboka amin’i Jesoa hoe: “Raha mety ianao, dia mahay manadio ahy” (Mk 1,40), habokàna izay mazàna mampahavesatra ny fiaraha-monina, na mampisara-bazana ny mpianakavy aza indraindray, saingy ny hiaiky ho boka ka hangataka fahasitranana no manahirana… Ny fiandoham-pahasitranana anefa dia ny fahatsapana ny aretina!
Ny Salamo setriny dia mampianatra antsika ny fomba anasitranan’Andriamanitra antsika mba hahatonga antsika koa ho mpanasitrana: ho mpamindra fo sy mpamafy hasambarana toa Azy.
Tsy afaka ny hanararaotra ny fitiavan’Andriamanitra izay mahatsiaro fa namindrana fo marina tokoa. Ampahatsiahiviko vetivety ny lazain’io salamo io (Sal 32,1-2): Sambatra izay voaesotra ny helony, sy voavela ny fahotany, sambatra ny olona tsy tanan’ny Tompo heloka, izay tsy misy fitaka ny fanahiny, fa nitsotra tamin’ny fo manontolo. Izay moa ny dikan-teny ananantsika (CEM 2011). Ampiasain’ny Salamo eto anefa ireo teny telo entin’ny Jody hilazana ny fahotana ka iezahantsika adika ara-bakiteny fa izay no heveriko hahazoana ny tena hevitry ny hoe famelan-keloka:
Sambatra (אֶשֶׁר‘esher), izany hoe afaka mizotra amin’ny lala-mahitsy ireo izay “nozakaina” (נָשָׂא – nāsā’: supporter) ny fikomiany (פֶּשַׁע – pesha`: transgression), [nadika hoe voaesotra ny helony] sy izay “nafenina” (כָּסָה kāsāh, cacher, dissimuler) ny fahotany (חֲטָאָה –ḥăṭā’āh), izany hoe nototofany ny tsy fahatratrarany ny tanjona nokendreny (חטא – ḥāṭā’, manquer le but) [nadika hoe voavela ny fahotany]; sambatra ny olona izay hodian’ny Tompo tsy ( -לֹ֤אlo’) hita (חָשַׁב – ḥāshabh: penser, tenir compte) ny fahamelohany (עָוֹן `āvōn) [tsy tanan’ny Tompo heloka], ary ao amin’ny fanahiny, tsy misy fiheverana ny hiverin-dalana na hiraviravy tanana (רְמִיָּה – remîyāh: laxisme, relâchement, fraude).
Ny famelana araka izany dia tsy hoe sanatria fanadinoana fa fizakàna ny tsy rariny ataon’ny hafa, ny fanafenana ny tsy fahatratrarany ny tanjona, ny fanapena-maso manoloana ny lalan-diso narahiny, mba hahafahany manohy ny lalany mahitsy (אֶשֶׁר – ‘esher). Sambatra kosa izay voavela heloka raha manararaotra izany mba hanitsiana ny fiainana ho amin’ny lalana tokony ho izy. Tsy ho sambatra na oviana na oviana izay hihevitra fa mpamindra fo Andriamanitra ka azony hofitahina hanaovany izay danin’ny kibony, dia avy eo izy hihevitra ny hikônfesy.
Tsy misy fetra, hoy i Jesoa ny tokony hamindràna fo toy izany. Mifanohitra amin’ny valifatin’i Lameka im-pitopolo fito izany (Jen 4,23-24). Dia eo no mety hampametra-panontaniana antsika mikasika ny fahendren-drazana hoe «Ny tanana efa zatra nitsotra tsy afaka hivonkona intsony». Hatraiza ny finoantsika ny herin’ilay Fanahy manavao ny fon’ny olona?
Io no ambaran’ny Evanjely amintsika: tsy izay madio no afaka manatona an’Andriamanitra fa izay mino ka manaiky hokasihiny no madio. Io no endrik’Andriamanitra asehon’i Kristy amintsika. Izany no maha fitiavana azy ka izay mino Azy dia tsy afaka ny tsy haka tahaka Azy: maka tahaka an’i Kristy.
I Kristy no tokony halaintsika tahaka, hoy i Md Paoly (1Kôr 11,1). Ahoana anefa izany hoe maka tahaka an’i Kristy? Manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, hoy isika teny am-piandohana, ary hanao izay tsy hanafintohina ny olona, na iza na iza, tsy hitady izay ho an’ny tena fa ho an’ny be sy ny maro, mba hahavonjy ny olona rehetra.
Izany no anehoan’i Kristy amintsika fa ambony noho ny lalàna ny fitiavana. Hany ka na voararan’ny lalàna aza ny fifaneraseran’ny boka amin’ny fiaraha-monina, dia sahin’i Jesoa ny nanendry (nikasi-tanana) ilay bokalahy mba handio azy. Impiry anefa isika no sakanan’ny tahotra sy ny fitiavan-tena tsy hiraharaha akory ireo mila vonjy amintsika, ka ny lalàna no ataontsika fitaovana hanamarinan-tena (Jereo Mk 7,6-13).
Mikasika ny fakan-tahaka lazain’i Md Paoly dia ampahatsiahivin’i Papa François antsika tamin’ny nanokanany ny taona 2021 (8 desambra 2020-8 desambra 2021) ho taonan’i Md Josefa (Patris corde) ny anjara toeran’ny olomasina mampahatsiaro sy manohana antsika fa azo atao tsara ny manamasin-tena:
Tsy hoe hahazoana fahagagana sy fahasoavana ihany, no iraka manokana ankinina amin’ny Olomasina fa ny mitalaho ho antsika eo anatrehan’Andriamanitra koa, tahaka ny nataon’i Abrahama sy Môizy, toy ny nataon’i Jesoa, “Mpanalalana tokana” (1Tm 2,5), “Mpisolovava” antsika eo anatrehan’Andriamanitra Ray (1Jo 2,1), “velona mandrakizay hivavaka amin’Andriamanitra ho [antsika]” (Heb 7,25; jereo Rm 8,34).
Manampy ny mpino rehetra “hahatratra ny fahamasinana sy ny fahalavorariana mifanaraka amin’ny fiantsoana azy” ny Olomasina rehetra. Ny fiainan’izy ireo dia porofo azo tsapain-tanana hilazana fa azo atao tsara ny miaina ny Evanjely.
I Jesoa nilaza hoe: “Mianara Amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho” (Mt 11,29), ary izy ireo kosa, niaina izany ka tonga oham-piainana alain-tahaka. I Md Paoly moa dia niteny mazava hoe “Aoka ho mpaka tahaka ahy ianareo” (1Kôr 4,16). I Md Josefa koa moa nilaza miharihary izany tamin’ny fahanginany.
Manoloana ny modely omen’ny Olomasina marobe, dia nanontany tena i Md Augustin nanao hoe: “Iretsy sy ireroa ve nahavita izany dia tsy mba ho vitako koa?”. Ary toy izany no nahatongavany tamin’ny fibebahana tanteraka ka niantsoantsoany hoe: “Tara no nitiavako Anao, ry Hatsaran-tarehy sady taloha no vaovao!”.
Ny hany ataontsika dia ny hitalaho amin’i Md Josefa ny fahasoavana loharanon’ny fahasoavana rehetra: ny fibebahantsika.
Isaky ny manatona ny mpisorona isika mba hikônfesy dia maniry ny hanolotra ny sorom-pisaorana amin’Andriamanitra, satria manaiky ny baikon’i Jesoa hoe: mandehana miseho amin’ny Mpisorona. Ho fibebahana marina tokoa anie izany ka ho fanesorana ao am-pontsika izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fitiavana sy ho fakantsika tahaka an’i Kristy amin’ny lalan’ny fitiavana nanekeny hijaly ary ho fankalazana ny indrafon’Andriamanitra amin’ny Sakramenta ankalazain’ny Eglizy.
Fahasoavana loharanon’ny fahasoavana rehetra ny fibebahana, koa angatahontsika io fahasoavana io mba hahazoantsika ny hevitra tian’ny Evanjely ambara, ka hahaizantsika ihany koa mametraka ny olona eo ambonin’ny lalàna mandrakariva, hahatsiaro fa ny lalàna no natao ho an’ny olona, ka hahay hanaja sy hitia ary hanompo izay tra-pahoriana mitaraina, indrindra ireo ailikiliky ny fiaraha-monina.
Ny fahaizana mizara izay fahasoavana sy harena noraisina tamin’Andriamanitra, ny vavaka sy ny fifadian-kanina mba hifikiran’ny fo amin’ny harena marina anie hitondra antsika ho amin’ny hafenoan’ny hafalian’ny Paka, ankalazain’ny Eglizy isaky ny Sorona Masina, sorom-pisaorana.