Zoma fahadimy mandavan-taona
- Tsy ankasa: Jenezy 3,1-8/Salamo 31/
- Ankasa: 1Mpanjaka 11,29-32; 12,19/Salamo 80/
- Md Marka 7,31-37
Tamin’ny fitantarana ny martirin’i Joany Batista, (tamin’ny Zoma IV: Mk 6,14-29) dia asian’i Md Marka tsindrim-peo ny lazan’i Jesoa, araka ny valin-teny nomeny ny mpianatr’i Joany: mahiratra ny jamba, sitrana ny mandringa, toriana amin’ny malahelo ny Evanjely (Mt 11,5). Faminanian’i Izaia moa izany: hitsangana ny maty (Iz 26,1), handre ny marenina (Iz 29,18), hahita hazavana ny jamba (amin’ny alarobia VI) ary hiteny tsara izay mibadabada fiteny (Iz 35,5-6) araka ny henontsika amin’ny Evanjely anio. Izany rehetra izany dia fanehoana ny fitoriana ny Evanjely amin’ny mahantra (Iz 61,1).
Raha raisintsika ny fitantaran’ny Evanjely anio dia mbola any amin’ny faritanin’i Dekapôly ihany no mizotra ny tantara, tany no nandroahan’i Jesoa demony, ary any koa no mbola lazain’i Marka fa nahatanteraka ny faminanian’i Izaia. Tsy voafetra ho an’i Israely ny famonjen’Andriamanitra. Tao no nisy lehilahy marenina (κωφός – kôphos) no moana (μογιλάλος – mogilalos). Raha adika ara-bakiteny dia olona manana fahasahiranana amin’ny fihainoana ary raha ny fototeny κόπτω (koptô) no jerena dia olona tsy afaka nifandray intsony amin’ny hafa ka mijaly noho izany fisarahana izany. Tsy moana loatra izy fa manana fahasahiranana (μόγις, sahirana, zara raha) amin’ny fitenenana, mibadabada fiteny. Ary olona no nitondra azy teo amin’i Jesoa mba hametrahan-tanana. Mety mahazo antsika koa izany, rehefa tsy hita izay ambara dia manao roa lela, manao sotrobe lava tango.
Moa ve tsy ny fomba firosoana amin’ny sakramenta no lazain’i Marka amin’ny fitantaran’ny Evanjely anio? Tsy afaka hanatona an’i Jesoa sy handre ny feony isika raha tsy tantanan’ireo efa nahazo ka nandray ny teniny. Ireo no ray aman-dreny mpiantoka amin’ny batemy, ny katesista sy ny mpiandraikitra izay manana adidy hitarika ny olona ho any amin’i Jesoa. Mampalahelo anefa fa indraindray ny fandraisana andraikitra sy ny latsak’emboka no mahamay kokoa ny sasany, mihoatra amin’ny fampianarana ny Tenin’ny fiainana hahafahana mihaino sy miteny ka hiderana an’Andriamanitra.
I Jesoa kosa mitondra miavaka izay rehetra manatona azy, mba hahatonga azy tsy hifangaro intsony amin’ny vahoaka fa ho masina, voatokana ho Azy (קֹדֶשׁ=qodesh). Tsy ny fahaizan’i mompera mitoriteny anefa na ny fahazotoan’ny katesista mampianatra no mampisokatra ny fon’ny olona handray ny fahasoavana fa:
- ny rantsan-tanan’Andriamanitra (fitiavany manokana manaiky hifampikasoka amintsika)
- ny aina avy Aminy (ny rora araka ny foto-pisainana tamin’izany dia heverina ho fivainganan’ny fofon’aina, ka manambara, araka izany, ny fahasoavana arotsaky ny Fanahiny mpamelon’aina) ary
- ny vavak’i Kristy (sy ny Fiangonana) miandrandra ny Ray.
Ireo no mamaha ny olona amin’izay manakana azy tsy hifandray amin’Andriamanitra sy ny olombelona. Ny fahasitranana avy amin’izany no hahazoany manavaka ny fampianaran’ny Evanjely amin’izay fampianarana hafa rehetra efa mety ho henony (par ouïe-dire). Teny samihafa manko no ampiasain’i Marka fa samy nadika hoe sofina moa izy ireo: nokasihan’i Jesoa tamin’ny rantsan-tanany ny sofina (τὰ ὦτα, οὖς – ta ôta, ous sofina) ary nisokatra ny sofiny (αἱ ἀκοαί, ἀκοή – ai akoai, akoè: ny fandrenesana, fa entina hilazana ihany koa ny fampianaran’ny Evanjely): misokatra ny fandrenesana ka afaka mandre sy mandray ny fampianaran’ny Evanjely.
Izany no vavaka ἐφφαθά (ephphatha, פָּתַח – pāthaḥ) ataon’ny Eglizy amin’ny Batemy: “I Jesoa mampalady ny marenina sy mampiteny ny moana anie hanampy anao hahazoanao mandre haingana ny Teniny sy mitory ny finoana Azy, hanomezana dera sy voninahitra an’Andriamanitra Ray”.
Lazain’i Md Marka fa arakaraka ny nameperan’i Jesoa azy ireo no vao mainka nampielezany izany bebe kokoa. Eo ihany ilay tsiambaratelo “secret messianique” averimberin’ny Evanjelista fa tiany asiana tsindrim-peo koa fa tsy afaka ny tsy hitory ny Evanjely izay nandray azy. Loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho, hoy i Md Paoly (1 Kôr 9,16).
Ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra anie ny teny aloaky ny vavantsika vita batemy ka tsy ho teny miolankolana mananosarotra (μόγις) fa ho teny mahitsy (ὀρθός – orthos) hitarika izay mandre azy ho amin’ny fahasambarana. Hafaran’i Jesoa rahateo isika tsy hiroaroa lela (Mt 5,37).