Talata fahadimy mandavan-taona
- Tsy ankasa: Jenezy 1,20-2,4a/Salamo 8/
- Ankasa: 1Mpanjaka 8,22-23. 27-30/Salamo 83/
- Md Marka 7,1-13
Ny fampifanarahana ny fomban-drazana sy ny kolontsaina malagasy amin’ny Evanjely dia tsy lalan-tokana azo fintinina amin’ny fampanaraham-bolontany fotsiny. Misy volon-tany mbola mila diovin’ny Evanjely manko. Misy fomba nentim-paharazana sasany tsy mifanaraka akory amin’ny Evanjely, ka tsy maintsy diovina izy ireny mba hivoatra sy hahasambatra ny olona fa tsy sanatria hamatotra indray. Ny Evanjely tsy mahakasika ny fiainan’ny olona koa dia tsy avy amin’i Kristy, ilay Teny tonga nofo. Ny fandanjalanjana izany dia miteraka fifandirana mety hiafara amin’ny ady sy ny fisarahana aza indraindray, raha tsy mafy orina izay mampitambatra.
Ho an’ny Jody dia mizara roa izao tontolo izao: ny madio (pur) izay mitondra amin’ny fiainana ary ny maloto mila diovina raha tsy te hifatratra any amin’ny fanjakan’ny haizina sy ny fahafatesana (hadès). Araka izany dia mila manaraka amin’ny antsipirihiny ny fomba fidiovana, satria izay “maloto” dia mila sarahana amin’ny tontolo mahakasika an’Andriamanitra Velona sy ny mpino Azy ary tsy afaka miverina hiombom-piainana sy hafaliana indray amin’ny mpino “madio” raha tsy efa avy midio, araka ny fomba nifandovana. Ny tsy fanarahana ireny fomba aman-dalàna ireny dia maha voasazy ary mety hahavoaozona mihitsy aza (Jo 7,49).
Ny mpianatr’i Jesoa dia tsy nanaraka izany fomba izany. Tsy dia resaka fahadiovana (hygiène) loatra no tian-kambara eto fa ny fombafomba nentim-paharazana. Azonao alaina sary an-tsaina izany rehefa mahita zinga mifatotra eo amin’ny paompy fanasana tanana ianao, satria tsy fomba ny manasa tanana amin’ny rano mandeha (tsy fanta-piaviana) fa tsy maintsy tovozina… Rehefa avy any an-tsena ohatra, dia mazava loatra fa avy nifampikasokasoka tamin’ny tsy mpino tany ka mila midio. Lazain’ny Boky Eksaody fa mila misasa tanana sy tongotra ny mpisorona rehefa miditra sy mivoaka ny tempoly sy ny tranolay fihaonana mba tsy ho faty (Eks 30,17-21) ary tsikelikely dia lasa fahazaran’ny olona rehetra, tonga didy mila tandremana toy ny anakandriamaso mihoatra noho ny Didin’Andriamanitra izany fomba fidiovana izany.
Rehefa izay no mitranga dia zava-doza no aterany. Rehefa mahavita ny fombafomba ny olona dia mihevitra fa efa milamina ny kônsiansy (feon’ny fieritreretana) ka afaka mandeha am-piadanana. Diniho ohatra ny fomba fivavaka izay lasa fahazarana fotsiny ka tsy ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny fikatsahana ny sitrapony intsony no mahamay fa ny fahaizana na tsia tsianjery ny vavaka (na ny fomba fivavahana) ary ny fanononana azy an-tendro-molotra (piliavava), indraindray ny hakanton’ny hita no mampirehareha nefa ny fiainana mivalana tsy mifanaraka akory amin’izay hiraina. Mpihatsaravelatsihy no manao izany hoy i Kristy. Ny hoe ὑποκριτής (hypokritès) moa dia entina hilazana ny mpilalao an-dampihazo:mpihatsaravelatsihy izay miseho ho mpivavaka, nefa ny fiainany lavitra izany fivavahana izany, ny fony lavitra ny fikatsahana ny sitrapon’Andriamanitra.
Sao sanatria an’izany mbola mihatra amintsika ny fananaran’i Jesoa ka rehefa mahavita “denier de culte” sy mandrotsaka rakitra ho an’ny pretra sy ny fiangonana dia milamina ny kônsiasy, ka na maty noana aza ny mpifanolo-bodirindrina, na hahantra eo aza ny ray aman-dreny sy ny havana dia tsy mampaninona satria efa nahavita ny adidy masina (kôrban). Ary tsy ho sanatria vokatry ny halatra na ny risoriso no hireharehana hanaovan-tsoa.
Hosanatriavintsika anie ny hanao vavaka an-tendro-molotra ka hanana fo manalavitra an’Andriamanitra (Iz 29,13grika). Tsy ambony na oviana na oviana noho ny Tenin’Andriamanitra sy ny didim-pitiavany ny fanajana izay mety ho tenin’olombelona sy fomban-drazana sy fomban-tany nifandovana ka tsy mitondra amin’ny fifankatiavana sy tsy mahasoa ny besinimaro. Tsy hanaovana tsinontsinona ny fomba sy ny soatoavina izany sanatria, fa fahamailoana kosa sao mifanipaka amin’ny fitiavana ny fiheverana ho fanajana azy ireny.
Fahasoavana ho antsika ny maha malagasy, manankarena soatoavina manampy hiaina ny Evanjely ny Kolontsaina nolovaintsika tamin’ireo “razantsika hendry sy lalim-pandinihana”.