Alahady faha-efatra Fiaviana Taona A
Ny Vakiteny aroso ny alahady IV Fiaviana
Izaia 7, 10-14/Salamo 23
Romana 1, 1-7
Md Matio 1, 18-24
Hiara-monina amintsika Andriamanitra.
« Indro ny Virjiny fa hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hatao hoe : « Emanoela », izany hoe amintsika Andriamanitra. » (Vak I Izaia 7, 10-14 sy Evanjely Mt 1, 18-24) Io no ivon’ny Fankalazana aroson’ny Fiangonana amintsika amin’ity alahady faha-efatra ity. Ilay Kristy, feno ny Fanahin’Andriamanitra ka nanafaka ny rofy sy namaha ny fatoran’ireo mijaly no ho avy, ary ho zary famantarana ho antsika : famantarana fa eo anivontsika Andriamanitra, Emanoela. I Jesoa, ilay Zanak’i Maria moa no nambara ny tenany tamin’i Joany, araka ny Evanjely tamin’ny heriny: mampahiratra ny mason’ny jamba, mampalady ny sofin’ny marenina, mampitsambikina ny mandringa ary mampinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana sy mampiravo ny vahoaka manontolo. (jereo Mt 11, 2-11).
Matoa i Paoly nilaza fa « loza ho azy raha tsy mitory ny Evanjely izy » (1 Kor 9, 16), dia nahatsapa ny herin’ilay Evanjely izay nanokatra ny fon’ny Jentily ho amin’ny finoana (Vakiteny II Rom 1, 1-7), ka irìny sady zary tso-drano koa ho antsika mandray ny fampianarany. Rariny araka izany raha io fiarahabana apostolika io no hifampiarahabantsika isaky ny fiaraha-mivavaka.
Fa mampametra-panontaniana ahy hoe : efa antomotra ny Noely. Mirehitra avokoa ireo Labozia efatra nanomanantsika izany : ny Fibebahana, ny finoana, ny fitiavana ary ny fanantenana. Tsara ny manao jery todika ny làlana vita, niantso fibebahana sy fiambenana Matio ny alahady voalohany, satria tsy fantatra izay hiavian’ny Zanak’olona (Mt 24, 37-44); izany fibebahana izany anefa dia mila porofoina amin’ny fiainana andavan’andro : manaova asa mifanahaka amin’ny fibebahanareo, hoy i Joany Batista (Mt 3, 1-12) ny alahady manaraka, ireo no asam-pinoanaizay manomana antsika handray ny Batemin’ny Fanahy; izay mandray io Fanahy io dia voairaka hitory fahafahana sy famonjena, hanohy ny asa natombok’i Jesoa, voahiraka hampanjaka ny fitiavana (Mt 11, 2-11); izany fahatsapana ny fanafahana nentin’i Kristy izay no mameno fanantenana ny fo, ka hahatsapana fa tsy mandao antsika Andriamanitra, eo anivontsika mandrakariva izy.
[Rehefa nandinika ireo rehetra mety ho azoko novakiana sy nalalinina aho, dia heveriko fa ny marim-pototra indrindra sady manampy antsika hahazo ny misterin’ny Fiaviana dia n loko efatra ambaran’ny labozia :
- volomparasy (alahady I) manambara ny famelana (fivalozana) antenaintsika izay nampanantenain’Izy Tompo an’i Adama sy Eva tany am-piandohana.
- Mena (Alahady II) manambara ny finoan’i Abrahama izay tonga rain’ny Mpino
- Vony (Rose) (Alahady III = gaudete) manambara ny hafalian’i Davida nampanantenaina fa ho razamben’ny Mesia, ilay Mpanjaka hanjaka mandrakizay amin’i Israely.
- Fotsy (Alahady IV) manambara ny mpaminany izay nanambara fa ho avy ilay mpamonjy antsika.
Araka izany, araka ny taranaka 14 isaky ny vanim-potoana lazain’i Matio (Mt 1, 17) dia asongadin’ny arivo taonan’ny tantara : hatramin’i Abrahama; hatreo amin’i Abrahama ka hatramin’i Davida; hatramin’i Davida ka hatramin’ny fahababoana; hatramin’ny fahababoana ka hatramin’i Kristy…]
Fanomezana ny Famonjena, ary tahaka ny fanomezana rehetra dia tsy miankina amin’ny fahamendrehan’izay tolorana fa maneho ny fitiavan’ilay mpanolotra. Saingy raha tsy ampiasaintsika kosa anefa dia manahirana ihany, sady fanaovana tsinontsinona ilay mpanolotra no fanesoana izay tsy mba nahazo mitovy amintsika. Hafalian’ny nahazo fanomezana ny mirehareha amin’ny hafa mampidera ny zavatra azony. Koa ho haintsika koa anie ny hampiseho amin’ny hafa ny famonjena noraisintsika amin’ny fahatongavan’i Kristy ho nofo.
“Aza matahotra ny hampakatra an’i Maria vadinao”.
Raha iverenantsika dinihina ny Evanjely anio dia manamafy ny finoana ny nahatongavan’ilay Zanak’Andriamanitra ho nofo tao an-kibon’i Maria, noho ny herin’ny Fanahy Masina. I Josefa (יוֹסֵף Yoseph, Andriamanitra hanampy, ajoute) no ilay lehilahy marina, manokatra ny lalana hodiavin’izay rehetra mino ilay Teny Tonga nofo ka omeny ny fahefana maha-zanak’Andriamanitra (Jn1, 12). Antsoiny isika hamonjy ny aina, hihay ny zanany, hanome azy ny anarana hahatsiarovana fa mamonjy antsika Andriamanitra, Jesoa, miara-mitoetra amintsika mandrakariva izy.
Ambaran’i Matio ihany koa anefa ankoatra ny famerimberenana ny tsy fisian’ny firaisana teo amin’i Maria sy Josefa (and. 18.25) mandra-piterany ny zanany, fa tsy afaka ny handray an’i Jesoa, ho tonga nofo iray aminy, ho tonga iray razana aminy (hiara-mandova ny fanjakany) raha tsy manaiky handray an’izay efa nanaiky sy nino ny teny ka nahatonga azy ho nofo tao an-kibo toa an’i Masina Maria. I Md Joany moa manome antsika izany fiombonana izany amin’ny fandraisana azy ho reny, satria i Maria no fahatanterahan’ny fampanantenana rehetra natao tamin’Israely, izy no ilay Siona Vaovao, ilay Eva, renin’ny aina nahazoantsika ny Tompon’ny aina.
Izay te ho tonga kristianina araka izany, tahaka an’i Josefa, tahaka ilay mpianatra malala eo am-pototry ny Lakroà koa, dia tsy maintsy mandray an’i Maria: manaiky ho vadiny, manaiky ho zanany, izany hoe manaiky hitovy aminy amin’ny fandraisana sy fanekena ny sitrapon’Andriamanitra. Ny maha-olo-marina an’i Josefa koa anefa dia hahafahantsika mandray am-pitiavana ny fahasoavan’Andriamanitra. Indraindray heverintsika fa tsy rariny ny ho “ray” hanome anarana ny zanak’Andriamanitra, ka aleo miala mangingina. Ny fahasoavana sy ny fitiavan’Andriamanitra anefa dia tsy hifanaraka amin’ny fahamendrehantsika na oviana na oviana fa fanomezany maimaim-poana mandrakariva.
Ao anatin’ny torimaso no nitenenan’Andriamanitra taminy, tahaka an’i Jakoba (Jenezy 28, 10ss) ary tahaka an’i Elia (1 Mpanjaka 19, 1ss), ary ho an’ny Apostoly nitsoaka koa dia tao amin’ny “fatorian’ny Zanany” no nanambarany ny fara-fitiavany. Tsy nofy “nofinofim-paniriana fotsiny anefa izany, fa ilay “torimaso” hilazan’ny maha-olona tahaka an’i Elia hoe : ”ampy izay” (1Mpanjaka 19, 4) ka hahafahan’Andriamanitra mandray an-tanana ny zavatra rehetra ka maniraka antsika ho fitaovana hoentiny maneho ny fitiavany ny olon-drehetra.
“Matahotra aho”, hoy i Adama (Jen 3, 10). “Aza matahotra” hoy ny Tompo. Ny hanafaka antsika amin’ny fahotana no nilazain’ny Anjely fa hiara-monina amintsika no nanirahan’ny Ray ny Zanany ho antsika. Ny fialana amin’ny fahotana no hahafahantsika manavaka ny feon’Andriamanitra amin’ny fakam-panahy izay mety mampihevitra ihany araka ny nofo. I Josefa lehilahy marina dia vonona hiaro ny aina, na ny an’i Maria na ny an’ilay Zaza aloaky ny kibony. Firifiry moa ny zaza tsy mahita masoandro noho ny herisetra sy ny fitiavan-tenan’ny ray na ny reny. Izay tsy mandray izay manaiky hahatonga nofo ao aminy ny Teny, toa an’i Maria anefa dia tsy afaka ny hanonofy, tsy afaka ny hihaona amin’Andriamanitra manilo ny alin’ny fiainana mba hiposahan’ny mazava atsinanana vaovao.
Afaka telo andro ny Noely. Raha fahaterahan’i Jesoa tokoa izany, tsapantsika ve izany fitiavana entiny mitia antsika izany? Aiza no mety hahitantsika an’i Kristy teraka ho antsika? Noely manko dia hafaliana, manambara fa mandova ny fiadanana isika rehefa an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra ». Manampy antsika ny manao tamberina fohy an’ireo dingana naroson’ny Litorjia hiainantsika nandritra ny Fiaviana.
Tsy azontsika adinoina fa tsy ho foana ny ady raha tsy ny Firenena rehetra no hirohotra ho any amin’izy Tompo, ho ao an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakoba (Iz 2, 1-5). Amin’izay ihany no hanefena ny sabatra ho fangady, (vakiteny I alahady voalohany Iz 2, 1-5) satria izay manaiky hotarihan’ny Fanahy sy hiasany no afaka hiara-miasa, tahaka ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry, kanefa tsy hifanapotika! (Vakiteny I alahady II Iz 11, 1-10)
Na sanatria aza, mbola lavitry ny afo ny kitay, tsy ho kivy isika satria « ny tenan’izy Tompo mihitsy no ho avy hamonjy antsika » (Iz 35, 1-6.10), (vakiteny voalohany alahady III sy IV Iz 35, 1-6.10 ; 7, 10-14). Fanantenana kolokolointsika mandrakariva ao amin’ny vavaka izany, vavaka izay hiezahantsika hitadiavana ny toeran’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, ka handalinantsika ny fifandraisantsika aminy.