Zoma fahefatra mandavan-taona
- Tsy ankasa: Hebrio 13,1-9/Salamo 26/
- Ankasa: Siraka (Ekleziastika) 47,2-13/Salamo17/
- Md Marka 6,14-29
Iza moa i Jesoa? I Joany Batista ve no nitsangana ka afaka manao fahagagana lehibe toy izao? Izay no famintinana azon’i Herôda Antipà izay Tetrarka tao Galilea, ka naniry hahita an’i Jesoa manao fahagagana izy. Lazain’i Lioka anefa fa na teo aza ny hafaliany nahita an’i Jesoa dia fanebahana sy kilalao no nataony sy ny miaramilany, ny anton’izany moa dia ny niheverany fa hanaraka ny baikony sy izay mety ho sitraky ny fony i Jesoa (Lk 23,8-11). Fa na iza izy na iza io lehilahy io dia tian’i Marka ny manambara fa tsy hoe tonga malaza fotsiny ny anaran’i Jesoa fa indrindra indrindra koa, hilazany fa mihoatra ny nataon’ny Mpanompon’Andriamanitra rehetra efa niseho teo amin’i Israely ny asany. Hotanisainy tsirairay moa ireo asa ireo manomboka eto ka hatramin’ny toko faha 8, hilazany koa fa tsy maintsy hijaly Izy, ho faty fa hitsangan-ko velona (Mk 8,30-31).
Mialoha izany anefa dia asisik’i Marka amin’ny Evanjely anio ny antony sy ny fomba namonoana an’i Joany Batista. Araka ny fitantaran’i Joseph Flavius, mpahay tantara dia nataon’i Herôda Antipa an-tranomaizina tao amin’ny rovan’i Machéronte i Joany noho ny antony ara-politika. Tsy ny fampodiany ny zanaky ny mpanjakan’i Nabate ihany anefa no tsy maha ara-dalàna ny fanambadiany fa indrindra indrindra, sady vadin’i Fillipo rahalahiny no zanak’i Aristobule sy Berenice, ka noho izany zana-drahalahiny koa i Herôdiada. Voararan’ny lalàna anefa ny fanambadian’ny mpihavana (Lev 20,21).
Lazain’i Matio fa efa saiky hovonoin’i Herôda i Joany saingy natahotra ny vahoaka izay nihevitra azy ho Mpaminany izy; i Marka kosa milaza fa i Herôdiada no nitady izay hamonoana azy saingy natahotra an’i Joany i Herôda ka niaro azy sy nanaraka ny toroheviny ary nihaino azy an-kafaliana. Ny alahelony araka izany, raha araka an’i Matio dia ny tahotra ny ho halan’ny vahoaka, ary raha toa ka marina ny fitiavany an’i Joany, araka an’i Marka dia tsy hampaninona azy ny henatra vokatry ny fianianana.
Saingy lafo vidy kokoa noho ny antsasaky ny faritaniny (satria tsy mpanjaka izy raha ny tena marina) ny lohan’i Joany Batista. Tsy mahagaga izany. Firifiry ny olona no mankahala sy mandany vola aman-karena mba hisomparana izany nikitikitika ny tombontsoany manokana. I Salomè rahateo, raha nahafaly an’i dadabe Eroda dia mazava ho azy hahafaly koa lehilahy hafa ka lasa vadin’ny tetrarka Herôda Filipo. Misy olona mivarotra fanahy mba hahazoana harena, fa hitantsika eto koa, misy olona mahafoy harena mba hiaro ny voninahitra sy ny hafinaretana.
Lesona lehibe no ampitain’ny Evanjely amintsika anio: aza mba mampanantena zavatra olona ao anatin’ny hafaliana be loatra na ao anatin’ny alahelo be loatra. I Md Ignace de Loyola aza manoro hevitra mba tsy haka fanampahan-kevitra ao anatin’ny hafaliana sy ny alahelo. Mazava ho azy araka izany koa ny tsy tokony hitokisana ny fampanantenana ataon’ny olona ao anatin’ny hafaliana (na ao anatin’ny alahelo sy ny hatezerana). Tsy mahagaga raha vitsy no mahatana ny teny nomena satria mazàna tsy voadinika ny mety ho heviny sy ny adidy aterany. I Joany moa maty martiry, hilaza ny lalana tsy maintsy hizorana ho an’izay te hijoro ho vavolombelon’ny marina. Lazain’i Kristy amintsika mpianany mazàva moa izany: raha nenjehiny Aho, hohenjehiny ihany koa ianareo (Jo 15,20).
Ho sanatriavina anefa ny mihevi-tena ho martiry rehefa ny hevitrao sy ny saim-pantatrao no hiadivanao aman’olona fa tsy ny hevitra sy ny fampianaran’Andriamanitra. I joany tsy nilaza ny heviny fa nanamafy izay nolazain’ny Bokin’ny Fisoronana (Lev 20,21). I Jesoa dia tsy nanambara ny tenany fa nanambara ny fitiavan’Andriamanitra tsy azon’ny olombelona giazana ho fananana manokana, fitiavana izay mitodika manokana amin’ny mpanota sy ny mahantra. Manelingelina ny fahefan’ireo izay mampiasa ny fivavahana hanangonam-pahefana sy voninahitra izany ka tsy maintsy ho fahafatesana no setrin’ny fijoroana ho vavolombelona.
Ny Mpianatr’i Joany tonga naka ny fatiny ka nandevina azy dia lasa nampandre an’i Jesoa (Mt 14,12). Mampandre antsika koa izy ireo mba tsy hihemorantsika amin’ny fijoroana ho taratry ny fitiavan’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao.