Alatsinainy fahefatra mandavan-taona
- Tsy ankasa: Hebrio 11,32-40/ Salamo 30/
- Ankasa: 2Samoela 15,13-14.30; 16, 5-13a /Salamo 3
- Md Marka 5,1-20
- Iza no anaranao?
- Izao avy ny fahotako mompera…
Fa inona moa no ilàn’i Mompera ny anaran’ny fahotantsika? Araka ny fiheveran’ny mpandroaka demony dia ny fahalalàntsika ny anarany dia efa faharesena ho an’ny ratsy. Teren’i Jesoa araka izany ilay demony hilaza ny anarany. Ho antsika koa, ahoana moa no hahafahana hioitra amin’ny fahotana tsy fantatra anarana? Manampy be dia be an’izay te hiova sy te ho masina ny fahafantarany ny kilemany ka hikônfeseny izany, matoky fa mihoatra lavitra noho izany ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra. Raha ny marina, ankoatra ny torohevitra mety homen’ny pretra an’izay mikônfesy, dia manampy bebe kokoa ny mpikofesy ny fanaovana tsara ny fandinihana ny feon’ny fieritreretana ka hahalalàna ny fahalemena mpahazo sy ny fahotana hivalozana sy hangatahana ny herin’Andriamanitra mba hanafaka, satria indraindray, misy fahalemena tsy voafatotry ny rojo sy ny fifehezana tian’ny olona atao.
Indraindray anefa amin’ny anaran’Andriamanitra no hitalahoan’ny demony mba hijanona hitoetra ao amintsika. Mampandinika ihany io andinin’ny evanjely io: “Mifona aminao amin’ny Anaran’Andriamanitra re aho, aza dia mampijaly ahy”… Firifiry moa ny zavatra nataon’ny olona ary mbola ataony amin’ny anaran’Andriamanitra, na dia fantany fa mifanohitra amin’ny sitra-pon’Andriamanitra aza. Demony nampijaly ilay zanak’andriamanitra izay efa naleviny velona tany amin’ny toeran’ny maty no mitalaho amin’ny anaran’Andriamanitra. Tsy ny vavaka na ny sentosentom-pontsika araka izany no hitsarana na avy amin’Andriamanitra na tsia ny fomba amam-panaontsika. Izay tsy mitondra fahafahana ho an’ny zanak’Andriamanitra dia tsy avy amin’Andriamanitra.
Ny hebrio dia nihevitra ny kisoa ho biby maloto, ary izay hiompiana azy koa dia maloto. Tsy hidirantsika ny antony ara-tantara nahatonga izany. Ny hisarihana ny saintsika dia hoe hatrany amin’ny tanin’ny tsy mpino i Jesoa dia mitondra ny hazavany ka tsy mamela hitoetra ny fanahy maloto. Ny demony niangavy mba hiditra ao amin’ny kisoa araka izany dia ny fanadiovan’i Jesoa, tsy ilay azon’ny demony ihany fa ny tanàna manontolo koa. Saingy aleon’ny olona lavitra ny kisoa sy ny fiainan-kisoa, mampidi-bola, toy izay honenan’ilay Zanak’Andriamanitra nitondra fahafahana, nanavotra ilay olona tamin’izay nampijaly sy nanakorontana azy ireo (efa noezahiny nafatotra amin’ny rojo vy aza hoy ny Evanjely). Impiry moa isika no mandroaka tsy hitoetra amin’ny tanintsika ny olona nandrava ny fahazaran-drantsintsika, izay fahazarana tsy mahasoa fa manimba ny fiainana!
Ilay azon’ny demony sitrana kosa, tsy navelan’i Jesoa hanaraka azy: tsy “fanaraham-body” ny fanarahan-dia an’i Jesoa fa fitoriana ny asan’Andriamanitra tanteraka ao amintsika amin’ny alalany. Ho azontsika anie izany araka ny naverin’i Md Piera amin’ny hafany hoe: Voaantso koa isika hitory ny hatsaran’ilay Andriamanitra niantso antsika hiala tamin’ny haizina ho amin’ny fahazavany mahagaga (1P 2,9).