ALAHADY FAHA 4 MANDAVAN-TAONA – Taona B
- Deoterônômy 18,15-20
- Salamo 94
- 1Kôrintianina 7,32-35
- Md Marka1,21-28
Iza i Kristy ho antsika?
Antsoin’Andriamanitra isika hiombona anjara amin’ny fitoriana ny Evanjelin’ny Fanjakany izay efa akaiky, efa eo anivontsika, fiombonana izay aseho amin’ny fibebahana sy ny fanarahan-dia an’i Kristy, ka hitaomana (hanjonòna) ny hafa koa hanatevin-daharana ny Egliziny (jereo Alahady faha 3). Manoloana ny toe-java-mitranga mianjady (ady, valan’aretina, asan-dahalo, tsy fandriam-pahalemana) dia mipololòtra ny vavaka na miaraka na samirery, kanefa ampahatsiahivin’ny Tenin’Andriamanitra isika fa ny hijoro ho vavolombelona no antony handalovantsika amin’ny fisedrana (Lk 21, 13).
Fa ao anatin’ny hafanam-po hivavaka, hangataka fahasoavana mba hanatsarana ny fiainana, dia mampametra-panontaniana ihany hoe : “Aiza ny toerana hasiantsika an’Andriamanitra?” Dia ho sanatria ve, any Hôreba (Tany efitra) ihany no hahaizantsika miantso Azy ka rehefa mandry fahalemana ny tany dia matoritory miaraka amin’izay koa ny finoantsika sy ny fifandraisantsika Aminy?
Marina fa mety hisy hilaza hoe: sakafom-panahy ny vavaka, ka tahaka ny sakafo rehetra, misy ny fotoana hanomanana hanim-pitoloha, misy ny hifadiana ihany koa, na noho ny tsy fisiana na noho ny ara-pahasalamana… Na dia ohatra matavy tapaka aza izany, hahafahana mahatsapa fa rehefa marisarisa ny fahazotoana hivavaka dia ny fifandraisana amin’Andriamanitra izay no tsy salama. Izay tsy mazoto homana dia na marary na sanatria efa voky zavatra hafa. Ny tsy fahazotoana mivoky amin’ny latabatry ny vavaka dia hahatonga antsika hanao vonjy tavan’andro ihany ny fifandraisana amin’Andriamanitra ary fanompoan-tsampy ihany izany.
Ny tsy fahaizana manararaotra ny toe-java-mitranga hampivoarana ny fiainam-panahy dia manakana ny fivoaran’ny fahamatoram-panahy, izay mitondra antsika amin’ny tena fibebahana marina mba ho tonga mpanarato olona.
Ny andininy mialoha ny vakiteny I renesintsika amin’ity alahady ity dia milaza fa “ny firenena hafa dia mihaino ny mpanandro sy ny mpisikidy, fa ny vahoakany kosa tsy avelan’ny Tompo hanao an’izany (Dt 18,14). Satria rehefa vesaran’ny tahotra ny vokatry ny tsy fandraisana andraikitra sy ny fahotana, dia mazava loatra fa mora ny mihaino olona mampanantena fahagagana, ka afaka mivarotra fahasoavana mba hasolo ny safidy sy ny ezaka tokony hataon’ny olona, ka aleo mandoa vola aman-karena toy izay hiezaka sy hanaraka ny lala-marina. Tsy mistery ambony tsy takatry ny saina ka hamitahana ny olona amin’ny “Foha! Masina Masina” anefa ny Misterin’Andriamanitra, fa mistery nanaiky hiara-monina amintsika, ary efa ambaran’i Môizy mazava fa olona toa antsika no sitrak’Andriamanitra ho mpaminany hitondra ny Teniny ho antsika. Teny tsy vidìna, ary teny tsy hisolo vaika antsika amin’ny adidy miandry, fa Teny manilo ny lalana kosa, manoro ny lalam-pahasambarana ary manana hery hanova ny fiainantsika.
Ny Vakiteny I dia mampianatra antsika izany Herin’ny Tenin’Andriamanitra ankininy amin’ny Mpaminaniny toa an’i Môizy. Mpaminany hilaza ny Teny andidian’Andriamanitra azy. Raha sanatria tojo ny tsy fahombiazana ny ray aman-dreny na ny mpanabe na ny mpitoriteny, ka mety ho azon’ny fahakiviana aza satria toa tsy henoin’ny olona hitoriana ny Teny, mila mailo mandrakariva ary mila mandini-tena, sao sanatria tsy ny Tenin’Andriamanitra intsony no notorìna fa ny tenin’olombelona vokatry ny fihetseham-po sy izay heverina ho laharam-pahamehana ihany. Mampalahelo hoy ny Papa raha sanatria lasa manjavozavo ny laharam-pahamehana amin’ny fitorian-teny sy ny Katesizy ka ny lalàna no asiana tsindrim-peo noho ny fahasoavana, ny Eglizy noho i Jesoa Kristy ary ny Papa noho ny Tenin’Andriamanitra (Evangelli Gaudium 38).
Fahafatesana, hoy ny Deoterônômy, ny manambara amin’ny Anaran’Andriamanitra ny teny tsy nodidiany holazaina. Fahafatesana raha sanatria amin’ny maha mpanabe na maha ray aman-dreny, maha tompon’andraikitra no hitenenana ratsy amin’izay ankinina amin’ny tena, satria hitenenana amin’ny anaran’Andriamanitra ny andraikitra nomena, Andriamanitra no mifidy fa tsy isika sanatria no hihevitra ho nanolo-tena. Izy no mifidy, miantso ary maniraka.
Tsara ho tadidiana anefa fa ny fiainana manontolo no enti-mitory ny Tenin’Andriamanitra. Ny safidim-piainana atao dia tokony hatao amin’izay heverina fa hahafahana mijoro ho vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra bebe kokoa. Ho an’ny Jody dia ny fanambadiana no lalana hahafahana mamaly sy manamarina ny tso-dranon’Andriamanitra amin’ny olombelona hoe: “Miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany” (Jen 1,28), ary noheverina ho ozona sy nampitsanga-menatra ny fahamombàna, ka ny Bokin’ny Levitika aza dia mandrara ny olona tsy afaka miteraka intsony (eonoka torotoro vihy) tsy hanolotra sorona amin’i YHWH, ary tsy hiditra akory ao amin’ny fiangonan’ny Tompo (Dt 23,2).
Marina fa efa misy fanitsiana izany toe-tsaina izany ihany nataon’ny Mpaminany taorian’ny fahababoana tany Babilonina (ohatra Iz 56,3-5), saingy mbola sarotra amin’ny toe-tsain’ny olona ny hahazo ny hoe hisafidy ho Eonoka noho ny fanjakan’ny Lanitra. Fanomezam-pahasoavana ny hahazoana ny hevitr’izany, hoy i Jesoa (Mt 19,11).
Tsy manindraindra na manamavo ny fanambadiana kosa i Md Paoly raha milaza ny hasina ananan’ny fiainan’ireo nisafidy ny tsy hanambady sy hijanona ho virjiny: tsy voazarazara ny fony ka afaka miahy manontolo ny zavatry ny Tompo sy ny firaisana Aminy tsy amin-tsampona izy ireo. Ampahatsiahivin’ny Apôstôly amin’izany fa lalana entina hanamasinana tena ny fiahiana sy fitadiavana izay hahasambatra ny vady aman-janaka fa tsy tanjona akory. Ny fiombonana amin’Izy Tompo no tanjona, ary efa henontsika tamin’ny alahady heriny izay nolazain’i Paoly: mandalo ny endrik’ity tontolo iainantsika ity.
Ny Salamo 95 dia mampahatsiaro antsika kosa, fa manoloana ireo nofidian’Andriamanitra, nirahiny ka manaiky hitondra ny Teniny, dia tsy sanatria hanamafy fo velona isika, tahaka ny nataon’ny Vahoakan’i Israely tany Refidìma, rehefa main’ny hetaheta izy ireo ka nimenomenona tamin’i Môizy. Ny fiainantsika dia tolona (Meribà) ka mahatonga antsika hisalasala, hila kisa sy hitsapa fanahy an’Andriamanitra (Masà), tsy hahatoky ny fitiavany, toy ny nanjò ny vahoaka Israely teny an-dalana mankamin’ny fahafahana rehefa main’ny hetaheta ka nitady rano (Eks 17,1-7). Ny fahaizana manokatra ny fo ka hihainoana ny feony no lalana tokana hahafahantsika miverina amin’ny fahasambarana sitrany ho an’ny zanany rehetra, ka “hisehoana eo anatrehany amin-tsaotra mba hankalaza Azy amin’antsa” (Sal 95).
Adidintsika tsirairay avy ny mandinika ny toerana omena an’Andriamanitra, ka misafidy izay sehatra hahafahantsika manolotra Azy ny fiainantsika manontolo ho tonga antsam-piderana haneho ny voninahiny. Lazain’i Paoly fa na ny fanambadiana aza, zavatra mahafaly ny fo sady hahafahana mampifaly ny hafa, ary loharano nipoirantsika rehetra, mety hafoy mba hikambanana amin’ny Tompo tsy amin-tsampona ka hiahy ny momba ny Tompo sy hahafaly Azy (1Kôr 7,32-35) mba tsy ho voazarazara ny fo.
Ny Evanjely dia manampy antsika hahazo ny fomba hanilovan’ny Teny ny haizina ateraky ny fanahy maloto mety hanandevo antsika. I Jesoa no inoantsika fa ilay Môizy vaovao nirahin’Andriamanitra mba hilaza tsy misy tomìka ny Teniny amintsika. Ary tsy hilaza fe hilaza fa hampianatra (miverina in’efatra ny διδάσκω – didaskô, διδαχή – didachè ao amin’ny evanjely anio). Ny hahazoantsika ny Teny ka hahafahantsika mandray azy sy mivelona aminy no sitrak’ilay Mpampianatra.
Md Marka 1,21-28
Rehefa avy niantso ny mpianatra efa-dahy ho tonga mpanarato olona i Jesoa dia azo lazaina hoe tonga niorim-ponenana tao Kafarnaôma mihitsy (Mt 9,1), ny tranon’i Piera no zary ambohi-pihaonana. Izay te ho mpianany koa dia tsy maintsy mandray Azy ao an-tranony, hifanerasera Aminy. Tsy dia nifanalavitra loatra amin’ny sinagôga io tranon’i Piera io, ary mbola hiverenantsika aminn’ny alahady heriny izany.
Ny Sabata dia any amin’ny Sinagôga no hivondronan’ny olona mba hihaino ny Tenin’Andriamanitra sy handray ny fanazavana hahafahana miaina izany. Ny ankamaroan’ny Farisianina sy ny lehiben’ny sinagôga dia manazava ny Soratra Masina amin’ny famerimberenana ny fampianaran’ireo olo-malaza, ary izay no mahazatra ny olona.
Dia nampianatra i Jesoa, ary gaga ny rehetra naheno Azy satria tsy toy ny mpanora-dalàna no nampianarany fa toy ny manam-pahefana. Tsy famerenana izay nolazain’ny hafa fa filazana izay hevitra lalina ambaran’ny Teny, filazana izay rehetra hitany tao amin’ny Ray (Jo 8,38). Izay tsy gaga amin’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra dia roa ny antony: na tsy nahazo na inona na inona amin’izay voalaza, na nahazo ihany fa tsy ny hevitra lalina tian’Andriamanitra ambara aminy no azony.
Izay tsy afaka migaga amin’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra dia ireo antsoin’i Marka sy Matio hoe “mafy fo”, satria tsy handray ny Teny amin’ny maha harena sarobidy azy fa hampiasa azy ho fitaovana hitadiavana ny tombontsoan’ny tena sy izay mety hampiavonavona ihany. Ny fampianaran’i Jesoa dia miaraka amin’ny fahefana (ἐν ἐξουσίᾳ – en exousia), dia ny fahefan’Andriamanitra ary ny Teniny kosa dia nahatera-kovitra ny rehetra satria ombam-pahefaha sy hery (ἐν ἐξουσίᾳ καὶ δυνάμει – en exousia kai dunamei). Io ilay “Tenin’Andriamanitra velona sy mahery, ka maranitra noho ny sabatra roa lela” (Heb 4,12), mampangìna ny fanahy maloto, “mampihanjahanja azy” (Heb 4,13) ka afaka mandroaka azy, satria manana fahefana hitondra fahafahana ho an’izay rehetra itoriana ka mandray azy.
Rehefa torìna araka ny tena izy ny Teny dia manafaka, mandrava ny velam-pandrika sy ny fanjakan’i Satana, toy ny hazavana ka mampiharihary ny asan’ny maizina. Nisy olona iray tao amin’ny Sinagôga, azon’ny fanahy maloto. Mampandinika ihany izany. Sao manko isika mihevitra ho mpamonjy lamesa isan’andro, kanefa sanatria mbola andevozin’ny asan’ilay ratsy. Ny mino an’Andriamanitra sy ny mitsaoka Azy dia tsy midika fa efa miaina araka ny sitrapony isika, hoy i Papa François (Fratelli tutti 74).
Mandresy ny ratsy mandrakariva ny Tenin’Andriamanitra, satria mampiseho amintsika ny haratsiany. Tsy azo adinoina fa olona iray tao amin’ny sinagôga no azon’ny demony maloto. Mampandinika antsika izany satria tsy hoe mamonjy fiangonana, na mpivavaka alahady isika dia afaka hirehareha amin’izany. Izay rehetra tsy tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia ampijalian’ny fanahy maloto.
Hoy i Md Augustin: Aza dia mirehareha loatra amin’ny fiekem-pinoanao fa tsy misy mahasamihafa anao amin’ny demony raha ny amin’ny fitenenana izany fotsiny. Ny fahalalany ny “fahamasinan’i Jesoa” ilay tonga handrava (ἀπόλλυμι – apollumi) ny asan’ny maizina dia mahatonga azy hikiakiaka tamin’ny feo avo (φωνῇ μεγάλῃ – phonè megalè, mégaphone). Ny mampalahelo dia ny mahita ny olona ampiasain’ny fanahy maloto, ka tonga fitaovana entin’i Satana miteny ratsy an’Andriamanitra. Tsy ilay olona manko no miteny fa “ireo fanahy monina ao aminy: “tonga handringana anay va ianao?”.
Izay mandre ny Teny dia tsy avelany na oviana na oviana hipetrapetraka, ary na ny fanahy maloto aza hanontany tena sy hanontany an’i Jesoa hoe “ho avy hamongotra anay mialoha ny fotoana va ianao?” Ambaran’i Marka fa ilay fanahy maloto izay mampanalavitra antsika amin’ny fahasoavana dia milaza fa “hofongoran’i Jesoa” miaraka aminy isika. Hamongotra “anay” va ianao! Saingy iray ihany no ampanginin’i Jesoa: ilay fanahy maloto fa tsy ilay azon’ny devoly tsy akory. Avahany ny ratsy sy izay nahavita ratsy.
Mba hamitahana antsika dia lazain’ny demony fa hopotehin’Andriamanitra miaraka aminy isika raha toa ka roahina hiala tao izy. Firifiry ny olona tsy mahavita manapa-kevitra hiala amin’ny ratsy satria matahotra ny ho potika, matahotra ny ho afa-baraka, ny ho fadiranovana na sanatria ho voafongotra amin’izay mba ianteherana. Izay matoky an’Andriamanitra kosa mahalala fa ny ratsy no esoriny mba hamonjeny ny zanany, eny fa na dia nahavita ratsy sy efa babon’ny fanahy maloto aza.
Mahalala ny momba an’i Jesoa ny demony, mahasahy milaza fa Izy no “ilay Masin’Andriamanitra”, saingy hafa ny heviny, tsy ny hamonjy miaraka amin’Andriamanitra no sitrany fa ny hamatotra ka hitondra amin’ny fahafatesana ny olombelona. Mino an’Andriamanitra ny demony ka mangovitra, hoy Md Jakôba (Jk 2,19). Ny demony miteny “au pluriel” amin’ny filazana ny asan’Andriamanitra handrava azy, saingy “au singulier” kosa amin’ny fiekem-pinoana: “fantatro” (οἶδά– oida; εἰδῶ – eidô); i Jesoa koa, miteny aminy “au singulier« : « mangìna ianao ary mivoaha » (φιμώθητι καὶ ἔξελθε – phimôthèti kai exelthe/φιμόω – ἐξέρχομαι: phimoô – exerchomai). Tsy ilay marary niara-niteny tamin’ny demony intsony, ka natahotra an’Andriamanitra ho mpanapotika azy no itenenan’i Jesoa, fa ilay ratsy, nahatonga azy ho “maloto”, nandoto ilay endrik’Andriamanitra Masina nahariana azy.
Ny Tenin’Andriamanitra dia “fanilo ho an’ny tongotra sy hazavana ho an’ny lalana” (Sal 119,105), “mahatonga ny alina ho toy ny andro” (Sal 139,12), ka mampiseho ny ratsy amin’ny maha ratsy azy, hampivoaka ny demony, tsy handratra ilay nampijaliany fa hamerina azy kosa eo anivon’ny olona. Ho haintsika koa anie ny handray ny Tenin’i Jesoa ka hanesorany ao anatintsika ao izay rehetra mbola fahalotoana tsy mampamirapiratra ny maha endrik’Andriamanitra antsika.
Masin’Andriamanitra izay mitory ny Teniny araka ny heviny. Tsy be resaka: “Mangìna! (φιμόω– phimoô) – Mivoaha”. Ambaran’i Marka koa anefa fa ady ny famongorana ny asan’ny ratsy, mampifanitontsitona, mitabataba mafy, saingy tsy maintsy avelan’ny ratsy ho afaka izay mandray ny Teny.
Izay te handresy ny demony dia tsy hiady hevitra aminy.
Ao am-piangonana no nanaovan’i Jesoa ny asa fanafahana voalohany, ary fanafahana antsika amin’ny fangejan’ny fanahy maloto izany, rehefa avy toriana amintsika ny Teniny ka raisintsika ho Tenin’ny fiainana mahavelona tokoa. Matoa tsy mandaitra amintsika ny Teny, matoa tsy manova ny fiainantsika, (indraindray fiainana heverina ho milamina nefa tsy miha-tsara: tsy mbola mikiakiaka ny Demony,) dia midika izany fa mbola ny toriteny mahazatra ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna no henointsika na tiantsika ho renesina.
Ny Tenin’Andriamanitra dia manafaka ary manampy antsika handray ny fahasoavan’Andriamanitra ka hizotra amin’ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana.
Izay vonona hanara-dia an’i Jesoa dia vonona ihany koa hitondra fiovana satria matoky ny herin’Izy ilay efa nandresy ny fahafatesana ka nanome antsika ho lova ny fiainana mandrakizay. Angatahontsika ny fahasoavana mba handraisantsika ny Teny izay manana hery hanova ny fiainana ho amin’ny fahasambarana.
Ny fandinihana ilay fanahy maloto nahafantatra an’i Jesoa ho ilay Masin’Andriamanitra, fa nanaiky ny baikony hivoaka ao amin’ny Tempolin’Andriamanitra, dia tokony hahatonga saina antsika hoe: iza tokoa moa i Kristy ho antsika? Ny fahafantarana Azy ho ivon’ny fiainana, tsy mamongotra fa mpamonjy no hahafahantsika mitoky amin’ny Teniny ka hanatanteraka ny Didiny…
Isika koa dia voatsangana ho Mpaminany hitory ny Tenin’Andriamanitra (Dt 18,15-20), hiteny amin’ny anaran’Andriamanitra, tsy ho an’ny fanamelohana antsika sanatria, satria tsy isika intsony no ho velona fa i Kristy no avelantsika ho velona ao amintsika (Ga 2,20), hahatonga ny fiainantsika ho fitoriana ny Evanjely, satria feno fanajana an’Andriamanitra sy feno fitiavana ny olombelona.