Alatsinainy fahatelo mandavan-taona
- Tsy ankasa: Hebrio 9,15.24-28/Salamo 97/
- Ankasa: 2Samoela 5,1-7.10/Salamo 88
- Md Marka 3,22-30
Eo am-piandrasana ny havany ho tonga, satria nihevitra azy ho “very saina”, dia nanararaotra hanome ny heviny mikasika an’i Jesoa ny mpanora-dalàna nidina avy any Jerosalema. Samy nanontany tena manko ny olona hoe “iza ity lehilahy ity”. Mazava ny valin-tenin’izy ireo: azon’i Belzeboba izy, ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony. Mafy anefa ny valin-tenin’i Jesoa: hanam-pahotana mandrakizay izay miteny ratsy ny Fanahy Masina.
[Belzeboba moa no dikan-teny hitantsika ao fa Beelzebul no nadika, dia ilay Andriamanitra andriamanjaka noheverina fa nankalazain’ny Tany Kananana talohan’ny nahatongavan’ny Israelita tany Palestina. Beelzeboba (בַּעַל זְבוּב– ba‘al zebhoubh) manko andrian’ny lalimanga no dikany, hoentin’izy ireo hanesoana ny andriamanitry ny Tany Kananana (Jereo 2Mp 1,2). Baal-Zebul: baal dia tompokely no dikany, io ilay mpandahatra ny fanasàna amin’ny fampakarana, sady ny matoanteny ba‘al rahateo moa mampaka-bady no dikany.]
Mba hahazoantsika ny mety ho hevitr’izany dia tsara aloha ny mahalala fa tamin’izany andro izany, nisy fironana teo amin’i Israely niheverana fa ny faharatsiana rehetra dia asan’ny demony izay mamitaka ny olona. Belzeboba no filohany ary manarakaraka azy ao ny arsi-demony (arché=filoha) enina izay mibaiko demony hafa koa. Noheverina fa fisehoan’ny faharatsian’ireo demony enina ireo ny herisetra, ny avonavona, ny fialonana, ny hakamoana sy ny fahavetavetana, dia avy eo ny faharatsiana hafa rehetra izay mahatonga aretina sy voina isan-karazany…
Izay no nahatonga an’i Jesoa namaly fa araka ny fomba fisainan’ireo mpanora-dalàna ireo dia tsy haharitra ny fanjakan’i Satana satria hiady an-trano. Ny tafiky ny lanitra manko miady mba hananan’ny olona ny hafenoan’ny aina, ny an’i Satana (adversaire, ny mpifanandrina, ny mpiampanga) kosa miady mba handovàny ny fahafatesana. Noho izany, mazava ny valin-tenin’i Jesoa: mpiray antoka amin’ny demony izay manao zavatra hamotika ny aina na hanakana azy tsy hivelatra mba hahasambatra ny olona. Mpanompon’Andriamanitra mahatoky kosa izay manome hanina ny noana, mampisotro rano ny mangetaheta, izay mampitafy ny miboridana ary mamangy sy mampiantrano ny mahantra sy ny marary mbamin’ny tsy manan-kialofana sy ny any an-tranomaizina.
Tsy misy olona afaka hiditra ao an-tranon’ny mahery noho izy raha tsy afatony aloha ilay mahery izay vao robainy ny ao an-tranony. Raha misy, araka izany, mihevitra fa afaka mandroba ny fananan’Andriamanitra i Satana dia miaiky fa mahery noho Andriamanitra izy. Isika kosa mino fa efa nandresy ny fahafatesana i Jesoa ary mandresy miaraka Aminy isika. Mamelona ny fanantenana ao amintsika izany fa tsy haharesy na oviana na oviana i Satana, eny fa na dia mbola misy zanak’Andriamanitra mbola voagejany sy ampijalianyaza.
Tsy ireo Farisianina tamin’ny andron’i Jesoa ihany no manao tsipaky ny miala aina mba hanimba sy hanakana izay mitady hampanjaka ny rariny sy hampivelatra ny maha olona. Matetika ny tena fivelaran’ny olona dia manala ny ampaham-pahefana hifikiran’ireo mitady voninahitra ho an’ny tenany ka tsymihevitra ny hanompo mba hiadanan’ny vahoaka fa ny mba hiantsoan’ny olona azy ho mpanao soa (Fetin’i Timote sy Tito: Lk 22).
Dia inona àry araka izany ny hoe fahotana miteny ratsy ny Fanahy Masina?
Izay manalavitra an’i Jesoa ka tsy te handray ny Evanjeliny ho asan’ny Fanahy Masina; izay tsy mahita fa fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra ny fiainan’i Jesoa ka tsy mihevitra ny hampifanaraka ny fiainany amin’izany môdelim-piainana izany, ireo dia tsy afaka ny hiaina ny fahasambarana. Ny Fanahy Masina izay mamela heloka, avy amin’ny alalany no hahafahantsika ho tonga zanak’Andriamanitra. Ka raha fialonana no hanipahantsika ny soa ataony amin’ny alalan’ny mpianatr’i Kristy, raha tsy haintsika ny milaza ny tsara ho tsara ary ny ratsy ho ratsy dia hitoetra ao anatin’ny ota isika, ary ho tonga fandoto, ho zary sakana amin’ny fampandrosoana ny Fanjakan’Andriamanitra, ka sady tsy ho sambatra no hanao izay tsy hahasambatra ny hafa. Izay tsy afaka mifaly amin’ny soa vitan’ny hafa, izay tsy faly amin’ny soa azon’ny hafa dia hikotrika “tsy fahasambarana” ao anatiny ka tsy ho afaka ny higoka ny hasambaran’ny voavela heloka (Sal 32). Tsy any amin’ny fiainan-ko avy ihany izany fa efa afobe sahady ho azy dieny mbola ety an-tany aza.
Manaraka izany, ny Fanahy Masina no manavao ny endriky ny tany (Sal 104,30). Ka raha sanatria isika mihevitra fa miha-ratsy izao tontolo izao, dia ny Fanahy Masina izany no lazaintsika fa tsy mahavita ny asany. Fitenenan-dratsy Azy izany. Ny Mpianatra manko, raha ny marina, dia irahin’i Jesoa “hijinja” ny vokatry ny Fanahy (Jo 4,38), saingy satrintsika indraindray hijinja ny vokatry ny asantsika mba hitadiavana voninahitra ho an’ny tena.
Angatahontsika ary ny Fanahy mba tsy ho sanatria isika no hanohitra ny asa fandavorariana tanterahiny eto amin’izao tontolo izao. Italahoantsika Izy Ray mba handefa ny Fanahiny hanavao ny endriky ny tany (Sal 104) ary hamongotra ao am-pontsika izay mety ho fialonana na avonavona mety hahatonga antsika ho fanetry, tsy hanaiky hiditra sady hanakana ny hafa tsy hiditra amin’ny hafenoan’ny Fiainana mandrakizay.