Alarobia faharoa mandavan-taona
- Tsy ankasa: Hebrio 7,1-3.15-17/ Salamo 109/
- Ankasa: 1Samoela 17,32-33.37.40-51/Salamo 143/
- Md Marka 3,1-6
Mitohy ihany ny fampianarana ataon’i Jesoa mikasika ny Sabata.Omaly izy niaro ny mpianany nioty salohim-bary tamin’ny andro sabata. Anio kosa nisy olona iray, tsy fantatra anarana, tsy izany manko no zava-dehibe fa ny maha olona azy, maty tanana ranamana ka nasain’i Jesoa nitsangana (egeirô =nitsangan-ko velona) teo afovoan’ny rehetra. Raha afaka mamelon-tena (tahaka ny nataon’ny mpianany) amin’ny Sabata, azo atao sa tsia ny manao soa ho an’ny hafa? Ny mamonjy aina sa ny mamono? Araka ny fampianaran’ny mpanora-dalàna manko dia aretina mitondra ho amin’ny fahafatesana ihany no azo sitranina amin’ny andro sabata, ka ny an’ity lehilahy ity, araka izany lalàna izany, dia afaka miandry ny andro manaraka na miandry maty masoandro mba hositranina.
Rehefa tsy madio ny fo dia tsy ho afaka ny hanome valin-teny mazava na oviana na oviana. Mila mianatra amin’ny zaza ny fahatsorana isika, hoy i Jesoa. Raha zazakely no anontaniana dia tsy hisalasala izy hamaly araka izay takatry ny sainy sy nampianarina azy ka hainy. Ny olon-dehibe kosa, manomboka mandanjalanja ny valin-teniny, hany ka rehefa tsy te ho ratsy dia aleo mangina na mandainga.
Fa i Jesoa kosa “nijery azy rehetra an-katezerana” ary nalahelo noho ny hajamban’ny fony. Tsy afaka namaly izy ireo satria tsy ny hahalala ny sitrapon’Andriamanitra no masaka tao an-tsainy fa ny hahitana antony hiampangàna an’i Jesoa. Tian’i Md Marka asiana tsindrim-peo amin’izany fa tsy afaka hiandry hatramin’ny hariva ny fanaovan-tsoa. Tsy misy na iza na iza mahalala an’Andriamanitra ka mino azy dia ho afaka ny hampiandry izay zanany mila famonjena. Mahatezitra an’i Jesoa izany, mampalahelo ny fony satria fahajambana. Ny fitiavana ny namana no faratampon’ny fanompoana an’Andriamanitra, satria ny maneho ny endrik’Izy Fitiavana amin’ny hafa no fanehoam-pitiavana Azy ambony indrindra.
Ny vavaka dia natao mba hanampy antsika hahalala bebe kokoa izany endrik’Andriamanitra izany ka hibanjinantsika Azy ary hahatonga antsika ho tarany eo amin’ny mpiara-belona. Tsy mifanohitra araka izany ny fanajana ny alahady sy ny fitiava-namana. Matetika manko ny fitiavan-tena diso tafahoatra no mahatonga ny olona tsy hivaky loha intsony ny alahady, hanadino ny fandresen’i Kristy, hanao vaindohan-draharaha ny ara-toe-karena, dia rehefa miakatra ny ara-toe-karena dia misosoka ny fitadiavam-pahafinaretana isan-karazany, ny voninahitry ny tany no zary laharam-pahamehana ka adino fa fanomezana tsy natao hiolonolonana fa maniraka hanompo kosa ny fahasoavana apetrak’Andriamanitra eo am-pelatanan’ny tsirairay. Izay tsy afaka mizara, izay tsy afaka ny hanao soa ny hafa intsony, na dia tonga miangona ny alahady aza, dia efa maty tànana, tahaka ity olona lazain’ny Evanjely anio ity.
Tsy afaka ny tsy haka tahaka ny “andriamanitra” mameno ny fony ny olombelona. Raha ny vola aman-karena no mameno ny fo dia izay no katsahina; raha fahafinaretana no mameno ny fo dia izay no imasoana; ary raha voninahitra sy fanamparam-pahefana no mameno ny fo, tahaka ireo Herôdianina sy Farisianina, dia atao izay rehetra hahatongavana amin’izany, eny fa na dia hiafara amin’ny famonoana ny tsy manan-tsiny aza.
Tsy tohatra hiakarana anefa ny hafa fa endrik’Andriamanitra, ka na iza na iza zanany dia tsy afaka ny hijery arina an-tava, fa hanao izay hahafahan’ny olombelona rehetra hanatsotra ny tanany, handray ny fahasoavana miavosa avy amin’Andriamanitra, izay antony hiderana azy amin’ny andro “Sabata”, ka hanampy ny tsirairay halala-tanana ka hiasa, hanao soa sy hizara, satria izay ihany no lalana mitondra amin’ny fahasitranana tanteraka mahasambatra.