ALAHADY FAHA 2 MANDAVAN-TAONA – Taona B
- 1Samoela 3,3b-10.19
- Salamo 39
- 1Kôrintianina 6,12-15.17-20
- Md Joany 1,35-42
- SAMY NANTSOIN’ANDRIAMANITRA TSIRAIRAY ISIKA.
Amin’ity alahady faharoa ity isika dia mbola manohy ny fandinihana ny fisehoan’i Kristy amin’izao tontolo izao, sady mampiditra rahateo amin’ny famakiana ny herinandro araka ny fitantaran’i Md Joany (Jo1,19–2,12) izay tsinjaraina zaraina amin’ny taona litorjika telo.
Amin’ny taona fahatelo (taona D) dia ny Fampakaram-bady tao Kanà no vakiana (Jo 2,1-12). Evanjely tsy zoviana amintsika loatra, hay tsianjery aza, ary lazaintsika hoe ny Epifania fahatelo, nankalazaina ny alahady, ny voaloham-pamantarana nataon’i Jesoa, naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany.
Manoloana izany fisehoana izany dia tsy afaka ny tsy haneho ny heviny ny olona ary ampianarin’ny Eglizy isika hamaly araka ny safidy mahasambatra satria fiantsoan’Andriamanitra miantefa amin’ny tsirairay izany, araka ny lohahevitra amin’ity alahady ity.
Ny Fanahy Masina no ananganana antsika ho zanak’Andriamanitra, ary izany no ankalazaintsika amin’ny Batemy, sy hamafisintsika tamin’ny fanomezam-pahasoavana hafa raisintsika amin’ny vavaka sy ny sakramenta ary amin’ny asam-pitiavana mba hamaliantsika ny antso miloloha lanitra ho amin’ny fahamasinana (Lumen Gentium 40), fiantsoana mba hiombona anjara amin’ny fahasambaran’Andriamanitra.
Izany fiantsoana ho masina izany, dia miseho amin’ny endrika maro isan-karazany, tsy ny fahalalana an’Andriamanitra loatra, fa ny hitsipo hitady Azy no hahenoantsika ny feony miantso. Tahaka an’i Samoela (=nohenoin’Andriamanitra), izay mbola tsy nahalala an’i YHWH akory, dia naheno Azy nanonona ny anarany, nanaiky hotantanan’i Helì ary vonona ny hihaino (Shamah =hankatò) ny teniny izay “tsy navelany ho raraka an-tany” (1Sam 3,3-19).
I Samoela moa dia zanaka nangatahin’i Anà reniny tamin’Andriamanitra ka rehefa nahatokan-tena dia nateriny tany an-tempoly tao Silao (שָׁלָהshālāh, maka aina, mitony) araka ny vavaka nataony, mba hanompo an’Andriamanitra irery ihany (azo vakiana amin’ny fiantombohan’ny boky voalohan’i Samoela). I Anà sy Elkanà vadiny kosa, rehefa nahafoy an’i Samoela zanany dia nambinin’ny Tompo ka niteraka telo lahy sy roa vavy hafa.
Tao Silao no nivavahana tamin’izany, 30 km eo avaratry ny nanorenana ny Tempolin’i Jerosalema, tao no nametrahana ny fiaran’ny fanekena, ary tokony hotsaroana moa fa mbola i Samoela no hanosotra ireo mpanjaka voalohany teo amin’i Israely ka sady hamarana ny tantaran’ny Mpitsara teo amin’i Israely no hanatrika ny hamafisan-katoka ataon’ny “vahoaka voafidy” mihodina matetika amin’i YHWH (1Sam 7– 8).
Ny vakiteny I, mitantara ny niantsoana an’i Samoela ho Mpaminany, ho mpitondra ny Tenin’i YHWH amin’ny vahoakany (1050 tal. K.) dia mampianatra antsika koa ny fahaizana mihaino sy ny fahavononana hamaly ny antso.
Amin’ny fanombohan’io toko faha-3 nangalana ny vakiteny io dia voalaza fa “nahalana ny Tenin’ny Tompo” tamin’izany fotoana izany. Ny zavatra mahalana dia mazàna manjary sarobidy, fa raha sanatria misy zavatra hafa misolo toerana amin’ny tsy fahampiana, dia izay no zava-doza, mety ho zatra ka hahazo tsirony amin’ny zavatra hamotika ny fiainana, amin’ny teny hamarina amin’ny fahotana sy ny fikomiana. Efa tafandry teo amin’ny fitoerany i Helì no nantsoin’ny Tompo i Samoela, izany hoe efa hariva ny andro, efa manomboka ny alina. Henontsika anefa ny fahavononan’ity zatovo kely, in-telo nantsoina ary in-telo hidodododo ho any amin’ny Mpisorona, heveriny ho miantso azy.
Maro ny fampianarana azo tsoahina avy amin’izany.
Ny voalohany dia ny hoe: tsy voatery hahalala an’Andriamanitra sy ny feony miantso tsy akory izay voaantso. Mety mbola zaza tahaka an’i Samoela. Mety hafangarontsika amin’ny feon’ny olona manodidina antsika anefa ny feon’Andriamanitra. Tsy sakana tsy hamaliana ny antsony izany raha matoky ireo napetraka hitantana sy hanabe (tahaka an’i Helì ho an’i Samoela) isika.
Ny mampalahelo indraindray dia ny hiverenantsika any amin’izay heverintsika ho miantso ka hilazana aminy mba tsy hifanadala sanatria. Mampalahelo kokoa noho izany aza raha sanatria tsy manao ny andraikiny hanampy ireo ankinina aminy mba hamaly ny antson’ny Tompo, ireo Mpisorona sy mpitantana anankinana ny zaza natokana hanompo an’Andriamanitra toa an’i Samoela, ka sanatria tsy hanampy azy ireo hamaly hoe: “mitenena Tompo o, fa mihaino ny Mpanomponao”.
Ampahatsiahivin’ny vakiteny anefa fa ny herin’Andriamanitra momba antsika sy ny fahavononantsika handray sy tsy handraraka an-tany ny Teniny no hahafahana mamaly izany antson’Andriamanitra izany toa an’i Samoela,.
Dia hamafisin’ny Salamo setriny (Sal 39) fa izay miandry ny Tompo sy manantena Azy, izay nahatsapa fa nohenoiny (ara-bakiteny: Samoela), dia vonona hanao ny sitraky ny fony sy hitory ny fahamarinany manerana ny vazan-tany…
Ny salamo anefa efa mampiditra zavatra sarobidy amin’izany fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra izany: tsy sitrak’Andriamanitra ny sorona sy ny fanatitra, tsisy ilainy izay sosona dorana sy fanonerana. Ao ambadiky ny sorona nahazatra ny olona tamin’izany fotoana izany, ary na amin’izao fotoana izao aza ho an’izay tsy mahazo ny hevitry ny Soron’i Kristy, ny sorona dia noheverina ho tamby atolotra ho an’Andriamanitra, hanambatambazana azy, hitalahoana soa sy fahasoavana aminy, hanehoana aminy ny fo mivalo sy ny vonton’alahelo, fo mahafoy, eny fa na hatramin’ny zanaka aza, mba hahazoana izay tadiavina. Ny tsy mpino sy ny mpanompo sampy no manolotra sorona toy izany. Tandremo sao manompo sampy ianareo, hoy Md Joany (1Jo 5,21).
Inona àry no ankasitrahin’Andriamanitra?
Sofina misokatra mihaino ny feony ary vava minantsanantsana mitory fiderana Azy, hoy ny Salamo, ka ny fiainana manontolo no atolotra mba hifanaraka amin’ny sitrapony. Ny fahitàna hafaliana amin’ny fanaovana ny sitrak’Andriamanitra no fisantarana ny fahasambarana iantsoany ny zanany rehetra. Ny fahasoavan’Andriamanitra manko, omeny maimaim-poana ka raha toa ka tsapantsika izany, dia tsy hangataka fa hisaotra no laharam-pahamehana ho antsika. Tsy sorona fa fitiavana no sitrako, hoy Izy amin’ny alalan’ny vavan’i Ôsea Mpaminany (Ôs 6,6).
Momba izany fampifanarahana ny fiainana amin’ny sitrapon’Andriamanitra izany no ampahatsiavin’i Md Paoly antsika fa “Tempolin’ny Fanahy Masina ny Vatantsika” ka natokana hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra (1Kôr 6,12-20). Mampalahelo indraindray fa misy olona manararaotra ny fahalemen’ny hafa ka mampianatra zavatra diso, ilazana fa afaka manao izay tiana atao ny olona satria izany no naharian’Andriamanitra azy. Ary indraindray koa aza isika, tsy mivaky loha intsony amin’ny fomba fitondran-tena sasany, satria manamarin-tena amin’ny zava-misy na amin’ny fahalovana efa mihanaka eo anivon’ny fiaraha-monina, tahaka ny nahazo ireto kristianina tany Kôrinto.
Mazava ny tenin’i Md Paoly: halaviro ny fijangajangana.
Ny fijangajangana dia ny firaisana amin’izay rehetra tsy vady, ny fanomezan-toky fa hitady izay mahasambatra ny olona na zavatra tsy mifanaraka akory amin’izay efa nanoloran-tena. Izay tsy mampiombona amin’i Kristy, izay fanompoan-tsampy dia fijangajangana avokoa. Izay zavatra rehetra tsy hahafahana miaina ny maha kristianina ary tsy mifanaraka amin’ny fiainana ao amin’i Kristy dia tokony halavirina, satria sady famitaha-tena no famitahana ny hafa, fanimbazimbana ilay tempoly onenan’ny Fanahy Masina ka mitondra fahalotoana tsy hahafahantsika manandrana ny hadiovam-po hahafahana mibanjina ny endrik’Andriamanitra.
Ny fiainana manontolo, izay moa no lazain’i Paoly amin’ny hoe vatana, izany no tokony hatolotra hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Olom-boavidy lafo isika, tsy sanatria novidìn’Andriamanitra, satria azy isika ka hovidìny amin’iza indray moa, fa nahafoizany ny ainy kosa mba hahatsapantsika ny hasarobidin’ny fiantsoana iantsoany antsika sy ny voninahitra anandratany antsika. Ny tsy fahatsapana izany fahamboniana izany no mety hanambaniantsika ny tenantsika amin’ny fitondran-tena tsy mendrika.
Ny Evanjely dia sady manazava ny tokony ho toetran’izay mpampianatra, tahaka an’i Helì ho an’i Samoela, tahaka an’i Joany Batista ho an’ireo mpianany.
Md Joany 1,35-42
Araka ny fitantaran’i Joany dia tsy any amin’ny sisin’ny Ranomasin’i Galilea fa eny amoron’ny onin’i Jordany no nifanenan’ireo mpianatra voalohany tamin’ilay Mpampianatra. Tsy vao voalohany no nilazan’i Joany Batista fa i Jesoa no ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra manala ny fahotan’izao tontolo izao.
Ambaran’i Joany amin’izany fa tsikelikely sy miandalana no hahazoantsika ny antso, ary izay voaantso hanabe na hampianatra dia tsy tokony ho sasatra ny mamerimberina. Tokony ho tsaroan’izy ireo mandrakariva fa toa an’i Joany Batista izy: tsy mahalala akory ilay hampisehoany amin’i Israely (Evanjely taona A). Indray andro, hihaino ihany ny mpianatra ka hanaraka izay fampianarana omena. Tsara ho marihina fa “au présent” (fotoana ankehitriny) no ampiasain’ny Evanjelista amin’ny filazana an’i Joany milaza amin’ny mpianany hoe “indro ny zanak’ondrin’Andriamanitra” (λέγειλέγω – legei, legô, présent). Ny Mpianatra kosa naheno, “au passé” (fotoana lasa) : “nandre izany ny mpianatra” (ἤκουσαν, ἀκούω – èkousan, akouô – aoriste). Izay nomena andraikitra hampita araka izany dia tsy mba hamalona ho an’ny lasa ny fanoroany lalana ary arakaraka ny hizorany amin’ny lalana mitondra mankamin’ny fihaonana amin’ilay Voahosotra no hahafahany manoro lalana ny hafa mba hizotra mankany.
Αο amin’ny andininy 29 dia βλέπω– blepô ny teny ampiasain’i Md Joany ary ny andro manaraka (andininy 36) dia ἐμβλέπω– emblepô no ampiasainy, izany hoe tsy mijery fe mijery fa mandinika hatrany anatiny, miezaka manakatra izay eritreretin’i Jesoa. Izay manana traikefa manokana ka mahafantatra an’i Jesoa sy izay irin’ny fony, efa nanokana fotoana manokana hiresahana Aminy, handinihana ny momba Azy sy hianarana ny fomba fisainany sy fiainany no afaka hanoro Azy amin’ny hafa mba hanarahan’izy ireo dìa Azy. I Jesoa no ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra. Tsy afaka ny ho tonga mpianany izay mitady mpampianatra mahery toy ny liona na mpandravarava toy ny amboadia. Tsy mbola vonton’ny fampianaran’i Jesoa ary tsy afaka hitarika olona hanara-dia Azy izay tsy miditra amin’ny lôjikan’ny Zanak’Ondry, manaiky (bonaika) eo anatrehan’ny mpanety azy (Iz 53,7.12).
Ireo mpianatra vonona hanaraka an’i Jesoa dia miantso Azy ho Mpampianatra, hampianatra tsy hanjakazaka fa halemy fanahy sy hanetry tena ao am-po. Ary izay miaina izany traikefan’ny halemem-panahy izany dia tsy afaka ny tsy hizara ny hafaliany amin’ny hafa: “Efa hitanay ny Mesia”. Izay tafahaona tamin’ny Mesia dia tsy hahatana ny hafalian’ny fihaonana fa hitantara izany amin’ny havana aman-tsakaiza. Dia izany koa no ambaran’i Joany ny amin’i Andrea rahalahin’i Piera, ka akory ny hafaliany sy ny fahamaizany hitantara ny fihaonany tamin’i Kristy : “Ny olona voalohany nifanena taminy dia i Simona rahalahiny, ka nilazàny hoe : Efa nahita ny Mesia izahay” (Jo 1,35-42)…
Ambaran’i Joany fa ny teny voalohany lazain’i Jesoa ao amin’ny Evanjeliny dia ny hoe: “inona no tadiavinareo?” indray mandeha ihany no hita ny matoanteny hoe “mitady” amin’ny fitantaran’i Joany ny fihaonan’i Jesoa amin’ireo mpianany voalohany izay mpianatr’i Joany Batista. Isika tsirairay avy no hametrahany izany fanontaniana izany, mba tsy hamitahantsika tena, ka hitadiavana izay tsy nampanantenainy. Isika tsirairay no antsoiny mba hitoetra miaraka Aminy mba hizaha ny fonenany, hahalalantsika ny momba Azy sy hahafahana manara-maso ny fiainany ka hahafahantsika manovo ny hasambarana ao Aminy, hiaina ny fiainana mahasambatra Azy. Izay maniry hiala hetaheta manko, tsy hianina amin’ny rano angatahina amin’ny mpantsaka fa hitady ny fantsakana misy ny loharano mba hahafahany miala liana any koa. Fa Izy kosa, rehefa manaiky hanatona Azy isika dia mandinika antsika koa (ἐμβλέπω – emblepô), ary manome antsika anarana vaovao, hanambara ny iraka tiany hampanaovina antsika, tahaka an’i Md Piera, vato arafitra (Petros) eo ambonin’ilay vatofototra iorenan’ny finoana (petras) dia i Kristy ihany.
Tsy sanatria isika hofitahin’ny olona ka hiditra amin’ny fomba tsy mety efa mahazatra ny fiaraha-monina kanefa ny handrava ireny no nahatongavan’i Kristy. Tsy isika efa natsangan’Andriamanitra ho zanany indray no handà izany fanomezana izany ka hivarilavo ho tonga zanaky ny demony sanatria.Hanavao ny fontsika hatrany anie ny hazavana entin’i Kristy.
Tsaroako lalandava ny Antsa amin’ny vavaka hariva amin’ny Commun des Pasteurs amin’ny Bréviaire frantsay[1] amin’izay nataon’i Joany Batista, nanoro an’ireo Mpianany fa i Jesoa no ilay “Zanak’ondrin’Andriamanitra”… Tsy tokony hohadinoin’ny ray aman-dreny sy mpanabe, ny mpiandraikitra sy ny mpitantana fa mpanoro lalana mankany amin’i Kristy izy ireo, ka tsy ho sanatria ho vatomisakana ho amin’ny fanamasinan-tenan’ireo ankinina aminy. Isika tsirairay kosa, samy handinika isaky ny avy miangona hoe : inona no hotantaraiko amin’izay mifanena amiko voalohany!!!! Izany hoe : inona no hafaliana mameno ny foko?
Izay tsy mifampikasoka amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay tsy mbola anehoana ny Tenin’ny Tompo dia tsy hahalala Azy, tahaka an’i Samoela.
Ny 30 Septambra 2019, tamin’ny fahatsiarovana ny faha-1600° taonan’ny nahafatesan’i Md Jérôme moa no nanoratan’i Papa François ny Taratasy “APERUIT ILLIS” izay nanokanany ny alahady faha-telo mandavan-taona ho “Alahadin’ny Tenin’Andriamanitra”: “dia nosokafany ny sain’izy ireo hahafantatra ny Soratra Masina” (Lk 24,45).
Tsara, hoy ny Papa raha toa ka tsy very an-javony eo amin’ny fiainan’ny mpino ny fifampikasohana amin’ny Teny Velona izay ambaran’Andriamanitra tsy tapaka amin’ny silaky ny ainy (vady) mba hahafahany mitombo ao amin’ny fitiavana sy amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny finoana marina. Izany no nanokanana ny alahady fahatelo mandavan-taona ho alahady voatokana mba hankalazana, handinihana ary hampielezana ny Tenin’Andriamanitra. Ny fifandrifian’izany fankalazana izany amin’ny herinandro hiantsoana antsika mba hanamafy ny fifandraisana amin’ny Hebrio sy hivavaka ho an’ny firaisan’ny kristianina, hoy ihany ny Papa, dia mampahatsiaro antsika fa ity fankalazana ity dia manana endrika ekiomenika, ary mampahatsiaro antsika fa ny Soratra Masina dia manampy an’izay mihaino azy marina tokoa mba hanorina firaisam-pinoana marina sy maharitra.
Amin’ity volana ity koa moa (17-25 janoary) no natokana hivavahana manokana ho an’ny Firaisan’ny Mpino, ka tsy hoe hiononantsika amin’ny fandaharana arahina eo anivon’ny FFKM fa hiezahana marina tokoa mba hahalalan’ny olona rehetra ny maha-mpianatr’i Kristy antsika (Jo 13, 35).
Amin’ny Taona 2024 moa (miova isan-taona) dia ny lohahevitra nofidian’ny Eglizy any Burkina Faso no iarahantsika mandinika dia ny hitiavantsika an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo sy hitiavantsika ny hafa tahaka ny tena (Lk 10, 30)
Amin’ny famaranana ny Encyclique Fratelli tutti dia manolotra vavaka kristianina ho an’ny firaisan’ny mpino i Papa François.
Ry Andriamanitray, Trinite Masin’ny fitiavana,
ny herim-piombonana avy ao anatinao
no ampitobahanao ao aminay ny onim-pifankatiavan’ny mpirahalahy.
Omeo anay ilay fitiavana hita taratra tamin’ny fihetsik’i Jesoa
tao amin’ny fianakaviany tao Nazareta
sy tao amin’ny fiombonam-piainana kristianina voalohany.
Ampio izahay Kristianina mba hiaina araka ny Evanjely
sy ho afaka hahita an’i Kristy ao amin’ny olona rehetra
ka hahita Azy voafantsika
ao amin’ny adin-tsain’ireo nilaozana sy adinon’izao tontolo izao,
ary hahita azy mitsangan-ko velona
ao amin’ireo rahalahy sy anabavy miharina.
Avia, ry Fanahy Masina, asehoy anay ny hatsaranao,
izay azo tarafina amin’ny mponina rehetra maneran-tany,
ka hahatakaranay fa sarobidy avokoa izy rehetra,
misy ilàna azy avokoa,
ary endrika samihafa isehoan’ny maha olona lalainao. Amen.
[1] “Vers toi (Jésus unique Berger), il (le pasteur) aimante l’amour de ceux qui l’aiment” (LdH, Tome I Ed. Cerf 2002, p. 1598,