Zoma voalohany mandavan-taona
- Tsy ankasa: Hebrio 4,1-5.11/Salamo 77/
- Ankasa: 1Samoela 8,4-7.10-22a/Salamo 88/
- Md Marka 2,1-12
Voavela ny helokao.
Tsy zakan’izay mieritreritra fa ezaky ny olona no hahafahana manamasina ny tena ka hahazoana ny fanjakan’Andriamanitra ny fandrenesana fa olona izay tsy manao na inona na inona, kilemaina matory fotsiny dia ho voavela heloka. Niverina tao Kafarnaôma i Jesoa ary nitangoronan’ny olona, satria efa nalaza hoe manasitrana ny rofy rehetra.
Nivory betsaka dia betsaka ny olona. Raha tany amin’ny συναγωγή (synagôgè) no fandehanan’i Jesoa mba hitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra (Mk 1,39) dia συνάγω (synagô) kosa no ampiasain’i Md Marka hilazana ny fivorian’ny olona amin’izay trano misy an’i Jesoa. Tsy hiverina ao amin’ny sinagôgan’ny Jody intsony izy raha tsy indroa, hamerina amin’ny laoniny ny hevitry ny sabata (Mk 3,1-5) ary tao amin’ny tany nahabe Azy toy ny mpaminany rehetra tsy masina an-taniny (Mk 6,1-6).
Tao amin’ilay “sinagôga” vaovao ity malemy ity, nentin’ny olona efa-dahy tamin’ny fandriany. Azo eritreretina hoe izy efa-dahy mpianatra sady tompon-trano no mahalala hoe aiza ho aiza no toerana hipetrahan’ny mpampianatra rehefa ao an-trano, hahafahany mikendry izay tafon-trano hoesorina, araka ny tantara eto. Ny vahoaka mazàna dia manaoizay tsy hahafahana manatona an’i Jesoa; ny mpanora-dalàna mba mihaino ihany fa tsy hay hoe inona no andrasany amin’ny fampianaran’i Jesoa; izay nahazo ny fampianarany kosa, tsy afaka ny tsy hitory ny Teny ary tsy afaka ny tsy hanompo, hitady ny fomba rehetra hitondrana ny hafa eo amin’i Jesoa, hanala izay tafontrano tsy hahafahan’ny olona mahazo ny hevitry ny Teny ka hahafahany miditra amin’ny hazavan’ny Finoana. Ireo no lazain’i Papa François hoe tahaka an’i Md Josefa, manana herim-po tia mamorona ny tsy misy mba hamahana olana (Patris corde).
Mampalahelo indraindray ny mahita ny olona manana andraikitra ao amin’ny Fiangonana, mahita ny rahalahy na ny anabavy efa milamaka eo am-pandriana, efa tsy afaka mandeha intsony, tsy afaka manao soa, tsy afaka manao na inona na inona dia vao maika koa tezerana, indraindray aza misy mahavita manongana azy eo amin’ny fandriana handriany. Ireto efa-dahy kosa dia nitondra an-dranamana niaraka tamin’ny fandriany teo anoloan’i Jesoa, ary izay manam-pinoana dia hanao tahaka izany koa. Mety hanorisory ny vahoaka sy ny Farisianina ny nataon’izy ireo, ny vovoka sy izay potika kapila mety nilatsaka tamin’ny olona tao, saingy tsy mampaninona satria fitiavana izany.
Firifiry ny olona tsy afaka ny mijoro intsony fa mandry amin’ny fandriany (toaka, rongony, filibana sy hafinaretana isan-karazany…). Mila tadiavintsika ny fomba hitondrana azy ireny eny amin’i Jesoa mba havelany heloka, mba hahatsapany fa misy fiainana tsaratsara kokoa mendrika ny maha zanak’Andriamanitra, ary hahafahany manantena fa ao amin’izay mahabetsaka ny fahotana no mampihavosa ny fahasoavana.
Tsy mampaninona izay mety ho fimenomenoman’ny mpanora-dalàna tsy afaka ny hahazo ny halehibe sy ny halalin’ny famindram-pon’Andriamanitra, satria niantehitra tamin’ny fahaizany sy ny fahendreny. Raisintsika ho Vaovao Mahafaly kosa ny Teny finoana ambaran’i Marka fa ny Zanak’olona dia manana fahefana hamela heloka. Ny fahotana moa amin’ny hebrio dia izay manakana ny olona tsy ho sambatra, satria ny tanjona kendrena dia ny fahasambarana. Ny mamela kosa, ny marimarina kokoa dia ny hoe manesotra lavitra (ἀφίημι– aphièmi) izay sakana tsy hahafahana ho sambatra, manokatra lalana vaovao mba hizorana amin’ny fahasambarana. Izany no iraka (mission) nahatongavan’i Jesoa: hanesotra lavitra antsika izay rehetra tsy mitondra antsika amin’ny fahasambarana (cf. Sal 103,12).
Miteny amintsika tsirairay avy i Jesoa mba handray an-tanana ny fiainantsika, hibata izay fandriana nampatoritory antsika, tandindon’ny lalàna izay lalana mitondra amin’ny fahasambarana tsy naraintsika, ka mandidy antsika Izy mba hitsangan-ko velona (ἐγείρω=egeirô), toy ny rafozam-bavin’i Piera, ka hody any an-trano, hitondra ny “jioga” maivana sy mitondra hamamiana.
Ny famindram-pon’Andriamanitra no manangana ho velona. Ny fitiavany no loharano ipoiran’ny fiainana vaovao. Raha tiantsika ny hanovany tena sy ny hafa dia tsy maintsy mihaona Aminy aloha isika, ary izay tafahaona Aminy marina tokoa dia vonona handray an-tanana ny fiainany, eny fa na dia efa nirefarefa tamin’ny tany, nampandamaka nandritra ny fotoana maharitra aza izany, ka hanohy ny dia ho any an-tranon’ny Ray, dia ilay trano miandry ny hiverenan’ny zanany rehetra mba hahafahany manandrana ny sakafo nomanina ho amin’ny fety (Lk 14,23snm).
Ho Apôstôly marin’ny famindram-pon’Andriamanitra anie isika rehetra, hahatsiaro fa nohamarinin’ny fahasoavan’Andriamanitra sy tarihiny isan’andro ho amin’ny lalam-pahasambarana.