Alakamisy voalohany mandavan-taona
- Tsy ankasa: Hebrio 3,7-14 / Salamo 94
- Ankasa: 1Samoela 4,1-11/Salamo 43/
- Md Marka 1,40-45
Ndeha isika ho any amin’ny tany hafa koa mba hitory any fa izany no nivoahako. Izy no ilay Teny mivoaka avy amin’ny Ray ka tsy miverina raha tsy mahatanteraka izay nanirahana Azy, tsy miverina raha tsy efa voatory ny Evanjely.
Dia nandeha izy ireo ary indro nisy boka iray, niangavy an’i Jesoa, mba hositraniny (καθαρίζω –katharizô), na ny marimarina kokoa mba hodioviny amin’izay sazim-pahotana nahazo azy (azo jerena ny Zoma manaraka ny Epifania).
Ny habokana moa dia areti-mifindra noheverin’i Israely ho sazim-pahotana avy amin’Andriamanitra (Dt 28,27.35), ka izay voany dia tsy maintsy roahina hivoaka ny tanàna; manokana toko roa manontolo mikasika izany ny Boky Levitika (Lev 13–14). Io lalàna io no nampisaraka ny “maloto” sy ny “madio”. Noravan’i Jesoa anefa izany rindrina mampisaraka izany: “naninjitra ny tanany Izy ka nikasika azy…” Izy no YHWH mpamonjy (Eks 4,4; 7,19).
Mora kokoa ny mandroaka ilay boka hiala teo, na ny manendrikendrika azy ho tsy mpanara-dalàna satria raha araka ny lalàna manan-kery dia tokony hihorakoraka hoe “Maloto e! Maloto e!” (Lev 13,45). Fa i Jesoa kosa, feno ny Fanahy Masina ka tonga “hamehy ny ferin’ireo torotoro fo”, tonga hanasitrana, araka ny voalazantsika omaly, ny θεραπεύω (therapeuô, manasitrana) dia mitovy fototeny amin’ny hoeθεράπων (therapôn, manompo), araka ny efa nampahatsiahivina omaly. Ambarany ho famantarana hahalalan’i Joany Batista azy fa “sitrana ny boka” ary toriana amin’ny mahantra ny Evanjely (Mt 11,5).
Tsy nangataka ny ho sitrana anefa ilay boka lazain’ny Evanjely, fa nangataka ny mba hodiovina, ny mba ho afaka indray hiverina hiara-monina amin’ny havana aman-tsakaiza. Mazàna manko, tsy dia ny aretina na ny halemena loatra no tena mampijaly fa ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana, ny tondromolotra ataon’ny mpiara-monina. Tsy andriamanitry ny tonga lafatra sanatria ny Andriamanitra ambaran’ny Teny tonga nofo, fa Andriamanitra sahy manendry ny boka, sakaizan’ny poblikana sy ny mpanota, mpiray petsapetsa amin’ny vehivavy tsy dia tsara fitondran-tena loatra. Satria ny fitiavan’Andriamanitra dia fahazavana ka tsy matahotra ny haizina. Raha sokafana ny varavaran-kelin’ny trano misy jiro dia tsy ny haizina velively no hiditra ao an-trano fa ny hazavana mandrakariva no hivoaka hanilo ny any alatrano. Izany no ampirisihan’i Jesoa ny mpianany mba tsy ho jiro hisitrika any ambany fandriana sanatria (Mt 5,15).
Asain’i Jesoa miseho any amin’ny Mpisorona ilay boka voadio mba hanolotra ny fanatitra voadidin’i Môizy noho ny fahasitranany, mba ho vavolombelona amin’ny olona. Voalohany indrindra dia mba entina hilazana ary ampahatsiahivana antsika fa ireo mpisorona mpifehy ny lalàna dia tsy nahay nandio na nanasitrana fa ny manameloka hampiharana ny lalàna aza no nataony. I Jesoa kosa, ilay Môizy vaovao, dia nanao ho lalàna tokana hifehy ny lalàna rehetra ny fitiava-namana. Ankoatra izay dia ampahatsiahivin’i Jesoa fa ny fanatitra, mariky ny fisaorana sy ny fiderana dia atolotra an’Andriamanitra irery ihany. Izy no loharano ipoiran’ny soa rehetra ka ny fahaizana mankasitraka azy dia loharan’ny famonjena ho antsika koa.]
Ny fitiavana anefa tsy voatery ho voavaly soa mandrakariva. Ambaran’ny Evanjely fa ilay boka voadio dia tsy afaka ny tsy hizara ny hafaliany, raha ny marina moa dia lazain’i Marka fa lasa nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza izy, hany ka i Jesoa indray no nisintaka tany an’efitra, ka nivavaka tao, araka an’i Md Lioka, ary tany no nanatonan’ny olona Azy, hoy i Marka. Ho an’ilay boka manko, ataony ahoana ny hitàna ny hafalian’ny fahasitranany!
Satria Andriamanitra famindram-po (σπλαγχνίζομαιחַנּ֣וּן יְהֹוָ֣ה וְצַדִּ֑יק וֵ֖אלֹהֵ֣ינוּ מְרַחֵֽם
– splanchnizomai, ḥannoun YHWH wetsaddîq we’ēlohênu meraḥēm – Sal 116,5) dia tsy nampaninona an’i Jesoa izay lalàna mifehy ny habokana fa dia naninjitra ny tanany izy, ary nikasika ilay boka. Tsy Andriamanitra manilika ny maloto manko ny Andriamanitsika fa Andriamanitra mitady ny very aza. Ilay boka mbola nanontany an’i Jesoa “raha toa ka mety izy”. Na inona na inona mety ho hadisoan’ny olona iray diany famonjena azy no lohalaharana ho an’i Jesoa. Izay no asehony antsika. Ireo olona noheverin’ny mpiara-monina ho fanilikilika sy atao an-jorom-bala no natoniny, nantsoina hitsaoka Azy (mpiandry ondry, majy…), nantsoiny ho mpianany (mpanjono avy any Galilea, vehivavy janga, poblikana…), nomeny fahasoavana hahasitrana (boka, kilemaina, jamba, moana satria marenina…). Fahalavorarian’ny lalàna ny fitiavana (Rm 13,10).
Raha hiverenantsika ny tapany faharoa amin’ny Evanjely teoizay milaza fa noraran’i Jesoa ilay nahazo fanadiovana mba tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza fa hanolotra kosa ny fanatitr’i Môizy, mba ho vavolombelona manambara ny fahafahana miditra indray ho anisan’ny vahoaka, dia hitantsika amin’izany fampirisihan’i Jesoa hanaja ny lalàn’i Môizy io. Hazavainy ny antony sy ny mety ho olana amin’ny fahazoana izany antony izany saingy “mba tsy hisian’ny fanafintohinana” dia ampirisihiny ny mpianatra hanara-dalàna, mitondra mankamin’ny fahasambarana manko ny lalànan’Andriamanitra. I Piera aoriana kely ao dia asainy handoa hetra.
Tsy mahasoa ary tsy mampitombo velively ny finoana ny fanindraindrana ny fahagagana. Mety hampitombo ny fiheveran’ny olona aza fa Andriamanitra mpanao “magie” ny Andriamanitsika, ka raha tsy manao araka izay irin’ny fon’ny olona dia tsy misy ilàna azy, na sanatria andrasana hisolo ny mpivavaka amin’ny andraikitra tokony horaisina.
Fa na dia any an-tsesitany aza i Jesoa dia natonin’ny olona teny ihany. Izy tsy nikemo hanasitrana izay manatona Azy. Tsy kivy ny manao soa Izy na dia fangirifiriana aza no vokatr’izany. Isika koa, mila manontany tena sao sanatria tsy ao amin’izay hitadiavantsika azy intsony ny Tompo fa efa nifindra tanàna, efa nitsoaka any an-tany efitra, satria tsy nanaiky ny teniny isika…
Angatahontsika ny fahasoavana mba hahazoantsika ny hevitra tian’ny Evanjely ambara, ka hahaizantsika ihany koa mametraka ny olona eo ambonin’ny lalàna mandrakariva, hahatsiaro fa ny lalàna no natao ho an’ny olona, ka hahay hanaja sy hitia ary hanompo izay tra-pahoriana mitaraina, indrindra ireo ailikiliky ny fiarahamonina.