Talata voalohany mandavan-taona
- Tsy ankasa: Hebrio 2,5-12 /Salamo 8
- Ankasa: 1Samoela 1,9-20/1 Samoela 2,4.5.6.7 8abde
- Md Marka 1,21-28
Rehefa avy niantso ny mpianatra ho tonga mpanarato olona i Jesoa dia azo lazaina hoetonga niorim-ponenana tao Kafarnaôma mihitsy (Mt 9,1), ny tranon’i Piera no zary ambohi-pihaonana. Izay te ho mpianany koa dia tsy maintsy mandray Azy ao an-tranony, hifanerasera Aminy. Tsy dia nifanalavitra loatra amin’ny sinagôga io tranon’i Piera io. Ny Sabata dia any amin’ny Sinagôga no hivondronan’ny olona mba hihaino ny Tenin’Andriamanitra sy handray ny fanazavana hahafahana miaina izany. Ny ankamaroan’ny Farisianina sy ny lehiben’ny sinagôga dia manazava ny Soratra Masina amin’ny famerimberenana ny fampianaran’ireo olo-malaza, ary izay no mahazatra ny olona.
Dia nampianatra i Jesoa, ary gaga ny rehetra naheno Azy satria tsy toy ny mpanora-dalàna no nampianarany fa toy ny manam-pahefana. Tsy famerenana izay nolazain’ny hafa fa filazana izay hevitra lalina ambaran’ny Teny. Izay tsy gaga amin’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra dia tsy nahazo na inona na inona amin’izay voalaza, na nahazo ihany fa tsy ny hevitra lalina tian’Andriamanitra ambara aminy no azony.
Rehefa torìna araka ny tena izy ny Teny dia manafaka, mandrava ny velam-pandrika sy ny fanjakan’i Satana, toy ny hazavana ka mampiharihary ny asan’ny maizina. Nisy olona iray tao amin’ny Sinagôga, azon’ny fanahy maloto. Mampandinika ihany izany. Sao manko isika mihevitra ho mpamonjy lamesa isan’andro, kanefa sanatria mbola andevozin’ny asan’ilay ratsy. Ny mino an’Andriamanitra sy ny mitsaoka Azy dia tsy midika fa efa miaina araka ny sitrapony isika, hoy i Papa François (Fratelli tutti 74). Izay mandre ny Teny dia tsy avelany na oviana na oviana hipetrapetraka, hanontany tena sy hanontany an’i Jesoa hoe “ho avy hamongotra anay mialoha ny fotoana va ianao?” Ambaran’i Marka fa ilay fanahy maloto iray mampanalavitra antsika amin’ny fahasoavana dia milaza fa “hofongoran’i Jesoa”. Hamongotra “anay”. Saingy iray ihany no ampanginin’i Jesoa. Hoy i Md Augustin: Aza dia mirehareha loatra amin’ny fiekem-pinoanao fa tsy misy mahasamihafa anao amin’ny demony raha ny amin’ny fitenenana izany fotsiny.
Mba hamitahana antsika dia lazain’ny demony fa hopotehin’Andriamanitra miaraka aminy isika raha toa ka roahina hiala tao izy. Firifiry ny olona tsy mahavita manapa-kevitra hiala amin’ny ratsy satria matahotra ny ho potika, matahotra ny ho afa-baraka, ny ho fadiranovana na sanatria ho voafongotra. Izay matoky an’Andriamanitra kosa mahalala fa ny ratsy no esoriny hamonjeny ny zanany na dia nanao ratsy, efa babon’ny fanahy maloto aza.
Masin’Andriamanitra izay mitory ny Teniny araka ny heviny. Tsy be resaka: “Mangìna! (φιμόωphimoô) – Mivoaha”. Ambaran’i Marka koa anefa fa ady ny famongorana ny asan’ny ratsy, mampifanintontsintona, mitabataba mafy, saingy tsy maintsy avelan’ny ratsy ho afaka izay mandray ny Teny.
Izay te handresy ny demony dia tsy hiady hevitra aminy.
Ao am-piangonana no nanaovan’i Jesoa ny asa fanafahana voalohany, ary fanafahana antsika amin’ny fangejan’ny fanahy maloto izany, rehefa avy toriana amintsika ny Teniny ka raisintsika ho Tenin’ny fiainana mahavelona tokoa. Matoa tsy mandaitra amintsika ny Teny, matoa tsy manova ny fiainantsika, raha milamina ny fiainantsika satria tsy mbola mikiakiaka ny demony, dia midika izany fa mbola ny toriteny mahazatra ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna no henointsika.
Ny Tenin’Andriamanitra dia manafaka ary manampy antsika handray ny fahasoavan’Andriamanitra ka hizotra amin’ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana.
Izay vonona hanara-dia an’i Jesoa dia vonona ihany koa hitondra fiovana satria matoky ny herin’Izy ilay efa nandresy ny fahafatesana ka nanome antsika ho lova ny fiainana madrakizay. Angatahontsika ny fahasoavana mba handraisantsika ny Teny izay manana hery hanova ny fiainana ho amin’ny fahasambarana.