Ny Batemin’ny Tompo – Taona B
- Izaia 55,1-11
- Izaia 40,1-11
- 1 Joany 5,1-9
- Md Marka 1,6b-11
I Jesoa natao Batemy, tandindon’ny Batemintsika
Mbola ao anatin’ny Fankalazana ny Epifania, Fisehoan’ny Tompo, ny fankalazana ny Batemin’ny Tompo, fa mampiditra kosa amin’ny andavan’androm-piainan’ny Fiangonana ao amin’ny taona litorjika. Ireo fanomezana nomen’ireo Mpanjaka tatsinanana[1] araka ny nolazaintsika: volamena, emboka manitra sy mira, ankoatra ny maha-famantarana manambara ny Misterin’i Kristy Mpanjaka, Mpisorona ary Mpaminany, dia manambara ihany koa ny fiainantsika te-hanara-dia Azy, ka manolotra Aminy ny volamena, amin’ny fampanjakantsika ny fitiavana sy ny fiadanana, hanolorantsika ny tena ho sorona velona, masina sy ankasitrahany (Rm 12,1), ka hitozoantsika amim-paharetana amin’ny vavaka asandratra ho toy ny emboka manitra(Sal 141,2) ka ho mani-pofona hitory ny hatsaran’ilay niantso antsika hiala tamin’ny haizina ho amin’ny fahazavana mahagaga (1P 2,9), ary ny vokatr’izany hazavana izany dia ny soa, ny rariny sy ny hitsiny ary ny marina rehetra (Ef 5, 9), hanolorantsika Aminy, hatramin’ny mira, hiheverana ny fandevenana.
Amin’ity taona B ity, handinihana manokana ny Evanjely nosoratan’i Md Marka, dia mahalasa saina ihany ny amin’ilay kintana nitarika an’ireo Majy ho eo amin’i Kristy. Ao anatin’ny haizina no manjopiaka ny hazavana rehefa tsy eo (na takona) ilay masoandro be manazava ny andro. Indraindray anefa dia adino ny fisian’io masoandro io, kanefa tsapa bebe kokoa ny fisiany rehefa tsy eo izy… Moa ve tsy izany koa no entin’i Marka mampita amintsika ny misterin’i Jesoa, ilay Kristy Zanak’Andriamanitra (Mk 1,1) ka i Piera, manoloana ny fandaozan’ny olon-drehetra an’i Jesoa no nanambara: “Hankany amin’iza moa izahay ry Tompo?… Ianao no ilay Masin’Andriamanitra” (Jo 6,69-70) Ianao no Kristy (Mk 8,29)! Ary ilay Tomponjato (Kapiteny), tao anatin’ny haizina nandrakotra ny tany (Lk 23,45), manoloana ny lakroa misy ny fatin’i Jesoa mihantona, dia niaiky hoe “Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io” (Mk 15,39).
Raha tandindon’ny Batemintsika àry ny Batemin’i Jesoa, amin’ity alahady hanombohantsika ny andavanandrom-piainana amin’ny taona litorjika ity, dia manasa antsika i Izaia hanongilan-tsofina, hihaino ka ho velona (vakiteny I Iz 55,1-11). Antso ho amin’ny fibebahana marina izany, hihevitra tsy araka ny nofo, fa araka ny Fanahy izay nanaovana batemy antsika (Evanjely Mk 1,6-11). Ny sarintenin’ny ranon’orana aman’oram-panala mampahazo hanina ho an’ny mpihinana sy voa famafy ho an’ny mpamafy ampiasain’i Izaia (and. 10) dia mampianatra antsika fa ny Tenin’Andriamanitra dia tokony ho zary fiainantsika, ho tonga sakafo ivelomantsika… Tsy tokony hohadinoina anefa fa voaantso koa isika hanome masomboly ho an’ny hafa, amin’ny fanatanterahantsika ny “iraka” (missio – apostolà, teny iray ihany) takìn’ny batemintsika[2], ka hijoroantsika ho Mpaminany, eny fa na dia hametrahantsika eo am-pelatanan’i Kristy ny mira handevenana antsika aza.
Ny Vakiteny voalohany dia mamarana ny Fizaràna faharoa amin’ny Bokin’i Izaia Mpaminany, izay lazaina koa hoe “Bokin’ny fampiononana”. Nandritra ny sesitany tany Babilôna no nanoratana azy. Tany an-tsesitany moa, rehefa nandeha teny ny taona dia nitombo teny ihany koa ny fanirian’ny Vahoaka Jody hiverina an-tanindrazana. Fampanantenan’Andriamanitra izany, saingy toa tsy nisy mangirana akory. Ao anatin’izany toa fahadisoam-panantenana izany no niheveran’ny ankamaroany fa mitovy amintsika olombelona koa Andriamanitra: mampanantena nefa tsy manatanteraka akory. Manoloana izany kosa no anamafisan’ny Mpaminany ny fampianarany amin’ny vakiteny anio fa mahatoky ny Tenin’Andriamanitra.
Manoloana ny fidodododoan’ny fadiranovana amin’ny fitadiavana anio izay efa notrosaina omaly ka hitadiavana rahampitso indray kosa izay hohanina anio, dia eo koa ny adin-tsaina mahazo ny mpanana mbola te hanana hatrany ka mikaroka izay hahazoana tombony bebe kokoa hatrany. Misy ny miandry an’Andriamanitra hanafoana ny hanoanana amin’ny fahagagana, tsy azontsika hanomezan-tsiny Azy anefa ny hanoanan’ny ampaha-efatry ny zanany, satria ny antsasaky ny vokatry ny tany manontolo fotsiny dia ampy hamelona ny mponina rehetra, saingy giazan’ny maty eritreritra hanaovana fiainana ny anjaran’ny sasany. Ny hanafaka antsika amin’izany fandriky ny harena tsy mahasambatra izany no nanirahany ny Teniny mba hanandraman’ny fanahintsika ny hanina mahavoky sy ny rano velona mahaafaka hetaheta marina tokoa.
Na tandindon’ny sakramenta aza ny sakafo lazain’ny vakiteny anio, dia efa nahatsinjo sahady ny nolazain’i Jesoa ho sakafony i Izaia mpaminany (Iz 55,1-3). « Aoka ny fanahinareo hiravo amin’izay hanina fy! »… izany hanina fy izany dia tsy inona fa ilay hanina “mahavelona ny fanahy”, izany hoe ny fihainoana ny Tenin’i YHWH, satria izany no “hahatanterahan’ny fampanantenana”. Dia mova tsy ny lazain’i Kristy amintsika hoe: « Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’izay naniraka ahy sy manatanteraka ny asany » (Jo 4,34). Tsy hanina fy ho an’ny vatana no ampirisihan’ny Mpaminany hotadiavintsika fa ny hanina hamokisana ny fanahy, ka hahafahana miala amin’ny lalana mahazatra ny olona mba hizorana amin’ny lalan’ny fahasambarana sitrak’Izy Andriamanitra (Iz 55,7.9). Tsy vola aman-karena no ilaina mba hahafahana manandrana izany fa ny hanoanana sy ny hetaheta ny fahamarinan’Andriamanitra izay fahasambarana ho an’izay mino (Mt 5,7).
Tsy zavatra mandeha ho azy ny faniriana ny fahamarinana. Misy olona mimenomenona amin’ny tsy rariny sy ny risoriso isan-karazany, tsy amin’ny maha-risoriso azy anefa, fa noho izy no tsy afaka migoka ny tombon-tsoa avy amin’izany, ary porofon’izany ny fanararaotany ny tranga miseho rehetra (occasion) mba hanaovany ratsiratsy kokoa. Maro no minenomenona amin’ny tsy fahamarinana fa vitsy no tena manana hetaheta lalina hamongotra azy eo amin’ny fiainana. Tahaka ireo Jody niantefan’ny tenin’i Izaia ihany: maniry ny hody avy any an-tsesitany saingy maro no efa nahazo fy tamin’ny fiainam-pahababoana tany Babilôna, ary izay tafaverina koa anefa tsy hoe nahita tany tondra-dronono aman-tantely. “Lohasahan-dranomaso ity tany ity”, hoy Md Bernard, saingy toa vitsy no mitomany haniry hiala faingana ety. Tandindon’ny fomba fiainan’ny maro izany, mandany vola amin’izay tsy hanina sy mandany izay tsy nisasarana amin’izay tsy mahavoky araka ny lazain’i Izaia Mpaminany, ary rehefa mba maniry hiala amin’ny gejan’ny fahotana ka hitolona ho amin’ny fahamarinana, toa voa mainka aza indraindray miha-mafy ny fiatrehana ny adim-piainana. Mitaky finoana lalina ny fitokisana amin’ny Tenin’Andriamanitra.
Tsy mba poak’aty ny Tenin’Andriamanitra ary Teny mafy orina mandrakizay. Raisin’i Izaia ho ohatra hahazoantsika ny fiasan’ny Tenin’Andriamanitra ny ranon’orana aman’oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka mampahazo voa famafy ny mpamboly sy hanina ho an’ny mpihinana. Tsy vokatra azo eo noho eo anefa izany fa mitaky fikolokoloana ary manaraka ny vanim-potoanany avy ka mila faharetana.
Ambaran’i Izaia fa ny Tenin’Andriamanitra izay nafafiny ao am-pontsika dia tiany hamokatra. Mahavokatra ny Teniny rehefa mahatanteraka izay tiany. Ka inona àry no tian’Andriamanitra hotanterahintsika? Ho tonga voa afafy sy sakafo mahavelona, hoy ny valintenin’ny Mpaminany (Vakiteny I Iz 55,10-11).
Ny Setrin’ny Vakiteny dia fanombohan’ny “livret de la Consolation d’Israel”, Bokin’ny fampiononana an’i Israely, ny deoterô-izaia na Izaia II (Iz 40-55) nangalana ny vakiteny I ihany.
Ampionony ny vahoakako:
Na dia any an-tany fahababoana aza ny vahoaka Israely itenenan’i Izaia dia manamafy ny fitiavany azy Andriamanitra. “Vahoakako”, hoy Izy. Na dia tsy nahatandrina ny Didy aza ilay vahoaka “nofidìn’Andriamanitra” (Eks 19,5) hanehoany ny fitiavany ny olombelona rehetra, dia nijanona ho Andriamanitra mpiaro azy ireo Izy, ary manambara fa “tapitra ny fanompoana nanjò ny vahoaka”. Averin’i Izaia faharoa amin’ny famaranana ny bokiny moa fa hiainga avy any Babilôna an-kafaliana izy ireo (Iz 55,12-13), eny fa na dia mbola hiandry ny Didin’i Sirosa hivoaka amin’ny taona 538 alohan’i J.K. aza (2 Tan 36,22sns; Esd 1,1sns).
Vokatry ny fahotany ihany no mampijaly ny vahoaka fa tsy sazin’Andriamanitra tsy akory. Mbola nihevitra anefa ireto vahoaka ireto fa ny hatezeran’i YHWH no nampahita faisana azy ireo ka tsy maintsy hanonerany ny fahotany. Anton’ny fampiononana, araka izany, ny filazana fa voaonitra ny helony: voarainy (lāqaḥ) avy amin’ny Tanan’ny Tompo ny roa heny onitry ny fahotany.
Araka ny ampianarin’ny Boky Eksaody tokoa manko (Eks 22,3.6.8), dia mila honerana avo roa heny izay zavatr’olona nalaina tsy an-drariny. Dia io hevitra io no diso masaka ao an-tsaina indraindray, ka iheverantsika fa fikapohana indroa miantoana no hasetrin’Andriamanitra ny ota vita, araka ilay dikan-teny ao amin’ny hirantsika. Raisintsika vilana araka izany ny Vaovao Mahafaly nambaran’i Izaia. Azo heverina ho fampiononana ve ny fikapohana indroa miantoana? Raha ny marina dia tsy fikapohana indroa miantoana no hataon’Andriamanitra fa fanonerana indroa miantoana. Io no vaovao mahafaly: lehibe lavitra noho ny fahotàna ataontsika ny famelàna avy aminy, voavela avokoa ny ota rehetra natao. Tsy isika no manonitra fa Izy Andriamanitra mihitsy no manonitra avo roa heny ny fahotantsika, satria avy amin’ny tanany no andraisantsika ny fanonerana tokony ho notakìna amintsika. Ny Zanany maty ho antsika teo ambony hazofijaliana no porofo fa tsy nivadika tamin’izany teniny izany Izy.
Ny finoana izany fitiavan’Andriamanitra izany no hahafahana mino fa tahaka ny nanokafan’Andriamanitra lalana tany an’efitra avy tany Ejipta no hitondrany amin’ny fahafahana koa ny vahoakany avy any amin’ny tanin’ny fahababoana. Mahazatra ireo Jody babo tany Babilôna moa ny manamboatra ny arabe midadasika hankalazana ny fetin’ny andriamanitra “Mardouk”, ka ahitsy avokoa ny melomeloka, aravona ny havoana, totofana ny lohasaha, mba hahafahan’ny mpanjaka mpandresy sy ny sarivongan’ny andriamaniny mandalo eo, hobìn’ny vahoaka rehetra. Raha ao amin’ny fanandevozana isika, voatery hanamboatra ny lalana alehan’ny andriamanitry ny hafa, tsy ho hafaliana ve ny hanamboatra ny lalana handehanantsika miaraka amin’ny Andriamanitsika, mankamin’ny tanin’ny fahafahana?
Fanamboarana sy fizorana izany lalana hahafahan’Andriamanitra manjaka amin’ny fiainana izany no takìn’ny Batemy amintsika.
Tsy misy tokony hatahorantsika ilay Teny tonga nofo, efa zary Mofo, mamelona antsika, nanonitra ny fahotantsika ka hanaovantsika antso avo fa efa tapitra ny andron’ny fanompoana … ary efa niseho ny herin’ny Tompo (Salamo setriny Iz 40,1-11). Izany no ankalazaintsika amin’ny Misterin’ny Eokaristia: ny misterin’ny fijaliany sy ny nandreseny ny fahafatesana. Izany fandresena izany dia ny finoantsika, hoy i Md Joany (Vakiteny II 1Jo 5,1-9) ary ireo famantarana telo (ety an-tany)[3], izany hoe ny Fanahy, ny rano sy ny ra, dia maneho amintsika fa asan’ny Fanahy ny Finoana, saingy sitrak’Andriamanitra ny hampiasa ny famantarana hanomezana antsika ny fahasoavana (sakramenta), ka ny rano sy ra, manadio sy manome aina, no tandindona sy loharano anovozantsika izany fahasoavana izany, eo amin’ny fon’i Kristy nolefonina (Jo 19, 34).
Ny Evanjely dia manampy antsika hahazo ny hevitra lalina fonosin’ny Batemintsika. Nanaiky handray ny Batemim-pibebahana nataon’i Joany i Jesoa. Ilay Mahery noho izy no mangataka hatao batemy. Misy antony roa fara fahakeliny azontsika tsoahina avy amin’izany:
- ny fanetren-tenan’ “ilay Mahery” dia midika koa ny fitiavany hiray petsapetsa amin’ny olombelona, mariky ny fitiavana izany, ka tsy vitan’ny hoe tonga olombelona fa nanaiky hifangaro amin’ny mpanota, nanaiky atao batemy tamin’ny Rano. Io batemy amin’ny rano io dia batemin’ny voninahitra, batemin’ny safidy tanteraka. Faneken’ny Mpampianatra na ny Tompon’andraikitra iray (amin’ny fiangonana) hanara-dia sy hiombom-piainana manko ny fankalazana ny batemy sy ny sakramenta.
Varavarana hidirana ao amin’ny tontolon’ny Sakramenta ny batemy ary azontsika tsoahina ny fahamaizana sy ny fahadodònana handray ny sakramenta, ny fety entina ankalazana azy ka andaniana vola aman-karena aza. Io no “batemin’ny rano”.
- ny antony faharoa naneken’i Jesoa hatao batemy koa anefa, dia hampisy heviny ny batemintsika. Nidina tao amin’ny onin’ny Jordany, hoy ny lovam-panahin’ny Fiangonana mba hanamasina ny rano rehetra. Tsy dia ny famelan-keloka loatra no hamafisiny amin’izany satria tsy mila izany Izy, fa ny fankalazana ny fitiavan’ny Ray, ary manambara izany ny lanitra misokatra, valin-tenin’Andriamanitra amin’ny vavaky ny vahoakany (Iz 63,19), ary entiny hanehoana amintsika fa zanaka tian’ny Ray, omeny ny Fanahy avokoa isika rehetra.
Amin’izany no ampahatsiahivan’ny Evanjely antsika fa Izy kosa no Zanaka ankasitrahan’ny Ray indrindra, ka izay te hahafaly ny Ray, te ho zanaka tia ny Ray dia tsy maintsy hianatra sy haka tahaka ny fomba fiainan’i Jesoa.
Amin’izany no hahazoantsika ny Batemin’ny Fanahy Masina, hanaovany Batemy antsika mba hahafahantsika koa mandray ny Batemy amin’ny Ra, izany hoe hiaina ilay fiainana takìn’ny Batemy.
Raha tahaka ny fahamaizana handray ny Batemy, ny Kômonio, ny Fankaherezana, ny Mariazy sy ny Filaharana ho Pretra na ho Diakra, raha tahaka ny hafaliana sy ny fiomanana hankalaza ireny sakramenta ireny no hiezahana hiainana azy koa, dia ho zanaka mamin’ny Ray marina tokoa isika, ary ho tonga vavolombelona hanambara ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny olona marina tokoa.
Ny Fitiavantsika an’Andriamanitra dia porofointsika amin’ny fitandremana ny didiny (Vak II), koa ndeha àry isika hiezaka hifankatia, satria izany no Didy vaovao nomen’i Kristy antsika (Jo 13,34), ka handinihantsika tsirairay hoe: nanao ahoana no nandraisantsika ny Tenin’Andriamanitra nafafy tamintsika! nampahazo hanina ho antsika ve ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra? Ary inona no mba masomboly hatolotsika ho an’ny mpamafy? (Vak I).
[1] Araka ny mahazatra dia hoe telo, satria telo ny fanomezana, saingy ny tantara sy ny lovantsofina sasany dia milaza fa nisy Majy hafa koa ankoatra ireo namoronana anarana!
[2] Jereo ny Batemy Taona A (jereo eto): Ny Batemy no nanombohan’i Kristy ny Fiainany an-karihary (publique), ka niomanany tamin’ny Fijaliana sy ny fahafatesana mba hanambarana ny fetran’ny Fitiavana…. mitia tsy misy fetra hoy Md Augustin.
[3] Jereo naoty 1Jo 5, 7 Baiboly Masina amin’ny any an-danitra, dia ny Ra sy ny Teny ary ny Fanahy Masina, ary izy telo ireo mifanaraka tsara (and 7) manambara ny misterin’ny Trinite Masina, izay voalaza fa tsy hita ao amin’ny dikan-teny Grika, ka noho izany teny tafasisika…