4 janoary
- 1 Joany 3,7-10
- Salamo 97
- Md Joany 1,35-42
Araka ny fitantaran’i Joany dia tsy any amin’ny sisin’ny Ranomasin’i Galilea fa eny amoron’ny onin’i Jordany no nifanenan’ireo mpianatra voalohany tamin’ilay Mpampianatra. Tsy vao voalohany no nilazan’i Joany Batista fa i Jesoa no ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao.
Ambaran’i Joany amin’izany fa tsikelikely sy miandalana no hahazoantsika ny antso, ary izay voaantso hanabe na hampianatra dia tsy tokony ho sasatra ny mamerimberina. Tokony ho tsaroan’izy ireo mandrakariva fa toa an’i Joany Batista izy: tsy mahalala akory ilay hasehony amin’Israely (Evanjely omaly). Indray andro, hihaino ihany ny mpianatra ka hanaraka izay fampianarana omena. Tsara ho marihina fa vanim-potoana ankehitriny (temps présent) no ampiasain’ny Evanjelista raha milaza ny tenin’i Joany manambara amin’ny mpianany izy hoe: “indro ny zanak’ondrin’Andriamanitra” (matoanteny legei – legô). Ny Mpianatra kosa naheno, izany hoe fotoana efa lasa: “nandre izany ny mpianatra” (èkousan fotoana aoriste avy amin’ny matoanteny akouô). Izay nomena andraikitra hampita araka izany dia tsy mba hamalona ho an’ny lasa ny fanoroany lalana, ary arakaraka ny hizorany amin’ny lalana mitondra mankamin’ny fihaonana amin’ilay Voahosotra no hahafahany manoro lalana ny hafa hizotra mankany.
Αο amin’ny andininy 29 dia ny matoanteny blepô no ampiasain’i Md Joany ary ny andro manaraka (andininy 36) dia emblepô indray no ampiasainy, izany hoe tsy mijery fe mijery fa mandinika hatrany anatiny, miezaka manakatra izay eritreretin’i Jesoa. Izay manana traikefa manokana ka mahafantatra an’i Jesoa sy izay irin’ny fony, no afaka hanoro azy ny hafa mba hanarahan’izy ireo dìa azy. I Jesoa no ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra. Tsy afaka ny ho tonga mpianany izay mitady mpampianatra mahery toy ny liona na mpandravarava toy ny amboadia. Tsy mbola vonton’ny fampianaran’i Jesoa ary tsy afaka hitarika olona hanara-dia azy izay tsy miditra amin’ny lôjika na lalam-pisainan’ny Zanak’Ondry, manaiky (bonaika) eo anatrehan’ny mpanety azy (Iz 53,7.12).
Ireo mpianatra vonona hanaraka an’i Jesoa dia miantso azy ho Mpampianatra, hampianatra tsy hanjakazaka fa halemy fanahy sy hanetry tena ao am-po. Ary izay miaina izany traikefan’ny halemem-panahy izany dia tsy afaka ny tsy hizara ny hafaliany amin’ny hafa: “Efa hitanay ny Mesia”.
Ambaran’i Joany fa ny teny voalohany lazain’i Jesoa ao amin’ny Evanjeliny dia ny hoe: “inona no tadiavinareo?” indray mandeha ihany no hita ny matoanteny hoe “mitady” amin’ny fitantaran’i Joany ny fihaonan’i Jesoa amin’ireo mpianany voalohany izay mpianatr’i Joany Batista. Isika tsirairay avy no ametrahany izany fanontaniana izany, mba tsy hamitahantsika tena, ka hitadiavana izay tsy nampanantenainy. Isika tsirairay no antsoiny mba hitoetra miaraka aminy mba hizaha ny fonenany, hahalalantsika ny momba azy sy hahafahana manara-maso ny fiainany ka hahafahantsika manovo ny hasambarana ao aminy. Izay maniry hiala hetaheta manko, tsy hihanona amin’ny rano angatahina amin’ny mpantsaka fa hitady ny fantsakana misy ny loharano mba hahafahany miala liana any koa. Fa izy kosa, rehefa manaiky hanatona azy isika dia mandinika (emblepô) antsika koa izy, ary manome antsika anarana vaovao, hanambara ny iraka tiany hampanaovina antsika, tahaka an’i Md Piera, vatofototra iorenan’ny finoana.
Ndeha àry horaisintsika ny fampianaran’i Md Joany tao amin’ny vakiteny I mba tsy hanekentsika hofitahin’ny olona ka sanatria hiditra amin’ny fomba tsy mety efa mahazatra ny fiaraha-monina kanefa ny handrava ireny no nahatongavan’i Kristy. Tsy isika efa natsangan’Andriamanitra ho zanany indray no handà izany fanomezana izany ka hivarilavo ho tonga zanaky ny demony sanatria.
Hanavao ny fontsika hatrany anie ny hazavana entin’i Kristy.