30 desambra
- 1 Joany 2,12-17
- Salamo 95
- Lioka 2,36-40
40 andro aorian’ny fahaterahana araka ny lalànan’i Moizy (Lev 12,1-8) dia mila miakatra any an-tempoly ny renin-jaza mba hidio, ary araka ny Boky Eksaody kosa, indrindra ny Eks 34,20 dia mila havotana ny lahimatoa rehetra amin’ny zanaka. (Mbola ankalazaintsika manokana ny 2 febroary moa izany). Ny Evanjely voalahatra ho an’ny 29 desambra moa no mifameno amin’ny androany mba hahazoana ny heviny. Fanahy inian’i Md Lioka ve sa sanatria tsy fahaizana ny nanafangaro ny fanatitry ny fidiovana sy ny fanolorana ny zaza? Ataoko fa mba hilazany amintsika fa tsy azo avotana ny zanaka fa mijanona ho zanak’Andriamanitra mandrakizay, apetrany hokolokolointsika; ary i Jesoa kosa, natolotra mba ho “fahazavan’izao tontolo izao”, fahazavana hanilo ny Jentily (Tononkiran’i Simeôna).
I Jesoa no ilay masoandro miposaka mba hanazava ireo ao anatin’ny aloky ny fahafatesana (Lk 1,78-79) no indro atolotra ka raisin’ireo niandry azy am-pitokiana: Simeôna sy Anna. Raha ny tena marina anefa, ny alin’ny Paka no ankalazana an’i Kristy fahazavan’izao tontolo izao, izy ilay “hazavana natao hanilo ny firenena”, saingy tsy afa-misaraka ny misterin’ny fahatongavana ho nofo sy ny misterin’ny Paka izay nampisy heviny azy.
Niandry ny Mesia i Israely, saingy indrisy fa mpamonjy nifanaraka tamin’ny sitrapon’izy ireo no notadiaviny. Ambaran’i Lioka amin’ity sombin’ny Evanjeliny atolotry ny Litorjia hodinihintsika ity fa izay maharitra amin’ny vavaka sy ny fitiavana ihany no afaka hahalala ka hankalaza ilay Zanak’Andriamanitra, Mesia nirahiny hamonjy antsika, satria ireo ihany no manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina.
I Simeôna dia lehilahy marina sy tia vavaka ary niandry ny andro hampiononana an’i Israely. Izay tsy maharitra, hoy ny Ntaolo dia vadin’ikotokely fa ny maharitra no vadin’andriana. Ny tsy faharetana manko dia mety haniraka antsika hioty salohim-bary mbola tsy matoy, mety haniraka antsika hitady lalana any an-kafà, hampivily lalana, hanjary hitoky bebe kokoa amin’ny herin’olombelona fa tsy amin’ny herin’Andriamanitra. Izay matoky fa tsy mivadika Andriamanitra no afaka higoka ny hafaliana avy amin’ny famangiany ka hiaina am-piadanana. Ny vavaka sy ny fiainam-pahamarinana mifanaraka amin’izany no lalana mitondra amin’izany fitokisana izany, tsy maintsy mandalo amin’ny fanapahan-kevitra hentitra sy matotra anefa, satria i Jesoa dia ho zary famantarana hotoherina mba hiseho ny hevitry ny fo maro (Lk 2,35).
Izany hevitry ny fo izany no ahafahana mahazo ka mandray ny torohevitr’i Joany amin’ny Vakiteny voalohany: aza tia an’izay tontolo izao na ny zavatra amin’izao tontolo izao, izay zavatra mandalo ihany, fa hikatsaka ny sitrapon’Andriamanitra izay manorina sy mampaharitra antsika ao amin’ny fitiavany mandrakizay. Tsy misy lalana hahafahana mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra ka handresena ny ratsy anefa raha tsy amin’ny fiezahana hahalala an’Andriamanitra bebe kokoa, amin’ny fampitoerana ny Teniny ao am-pontsika.
Sokajìn’i Joany telo ireo ratsy manandevo ny olona: ny “filan’ny nofo” moa dia entiny hilazana ny filàn’ny vatana izay efa tsy voafehin’ny olona intsony, ny “fitsiriritan’ny maso” te hahazo izay rehetra tazany, epithumia no teny grika ampiasain’i Joany, amin’ny hoe filàn’ny nofo sy fitsiriritan’ny maso, izany hoe faniriana miverimberina ka tonga fijaliana ny tsy fahatanterahany, ny fototenin’io matoanteny io dia thuo, misy heviny roa: sacrifier – s’emporter, ka rehefa tsy mahazo izay ilainy araka izany ny nofo sy ny maso dia mety ho sorena na sanatria an’izany hahavita hanadino ny fitiavan’Andriamanitra mba hahazoana ny zavatra irìna; ny zavatra fahatelo mampanalavitra amin’ny fitiavan’Andriamanitra dia ny “rehaka amin’izao fiainana izao” (alazoneia), ny fitokisana amin’ny haren’ny tany hireharehana amin’ny mpiara-belona ka mampivily lalana tsy hitokisana intsony amin’Andriamanitra.
Môdely ho amin’izay fikatsahana sy fanananterahana ny sitrapon’Andriamanitra izay ilay mpaminany vavy tao an-tempoly: Anna, ilay “nosoavin’Andriamanitra”(Hānāh amin’ny teny hebrio), zanak’i Fanoela (Penî’ēl, endrik’Andriamanitra) avy amin’ny fokon’i Asera (‘Asher, sambatra, na ny marimarina kokoa, avy amin’ny foko izay mizotra amin’ny lalam-pahasambarana araka ny matoanteny hoe ‘āshār), izay nanokana ny tenany ho an’ny vadiny 7 taona, ary rehefa maty vady dia tsy maimay tahaka ny vehivavy sasany nolazain’i Md Paoly hoe maty vady tanora (1Tm 5,11) fa nijanona nivavaka tao an-tempoly, ary efa 7×12 taona izy izao. Izany dia entin’i Lioka hilazana ny fahamatoran’ny fitiavany, eny fa na dia anisan’ny fokon’i Asera izay foko kely indrindra ao amin’Israely aza izy. Izy no ilay Israely-Vady, izay tokam-po tahaka ny siny, naharitra tsy nivadika tamin’ny fitiavana. Sambatra ny toa azy, madio fo, fa afaka hahita an’Andriamanitra, haharitra amin’ny fifadian-kanina sy ny vavaka, fanefitry ny fitsiriritana satria hahaizana mamola-tena sy manitsy ny faniriana amin’ny lalam-pahasambarana atoron’ny Tompo. Efa miara-maty amin’i Kristy ny amin’ny fahotana isika, hoy i Paoly (Kôl 3) ka tokony hana fitondran-tena mendrika ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina sy malala (and. 12).
Ny fanambaran’i Simeôna ny misterin’ny “hazofijaliana” no nahafahany nidera an’Andriamanitra tsy nandiso ny fanantenany. Izay mahatsapa fa ny fahotana dia manandevo fa tsy mahasambatra no afaka hanao ny vavaka fangatahana amin’ny lamesa anio, hisaotra an’Andriamanitra fa ny fahaterahan’ny Zanak’Andriamanitra Lahitokana no hanafaka antsika sy hitondra antsika amin’ny tena fahafahana marina.
Ity Evanjely ity no amaranan’i Lioka ny fampidirany ny Evanjeliny ka hahafahan’izay manohy mamaky azy hahazo ny hevitr’izay nosoratany, mba hinoantsika fa i Jesoa no ilay “Zanak’Andriamanitra” (Lk 1,32-35), Zanaky ny Avo indrindra (Lk 1,32), Mpamonjy teraka, dia i Kristy Tompo (Lk 2,11), hazavana hanilo ny Jentily sy voninahitr’Israely (Lk 2,32), ho famantarana hotoherina (Lk 2,34), kanefa fanalana alahelo (Lk 2,25) sy fanavotana an’Israely (Lk 2,38). Izany rehetra izany anefa dia ambaran’i Lioka fa ao anatin’ilay fiainana maha-olombelona azy. Izany no fiekem-pinoana hamafisintsika amin’izao noely izao, satria ilay Zanak’Andriamanitra, Andriamanitra avy amin’Andriamanitra, nisy talohan’ny taona rehetra dia tonga olombelona mitovy tamintsika tamin’ny zavatra rehetra. Io moa no anombohan’i Joany ny Evanjeliny, izay hodinihintsika rahampitso hamaranana ny taona.
Izay mahatanteraka ny zavatra rehetra araka ny lalan’ny Tompo no ho afaka hiditra amin’ny hafenoan’ny fahendrena sy honenan’ny fahasoavan’Andriamanitra (charis), ho tahaka an’i Jesoa, manodidina ny telopolo taona tao amin’ny fahanginan’i Nazareta, nanaiky sy nitombo fahendrena sy tena, ka nandrosoany mahate-ho tia tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona (Lk 2,51-52) ka ho afaka mihanoka ao anatin’ny taom-pahasoavana amin’ny fotoany.
Ny fankalazantsika ny Eokaristia amin’izao Noely izao anie hampitombo antsika koa amin’ny fitiavana an’Andriamanitra.