(22 Desambra)
Ry Mpanjakan’ny tontolo! (Rex gentium)
lanao llay nirina hatramin’ny ela be izay (Mpanjakan’ny olombelona rehetra sady iriny-andrasany), (vato) Fehizoro andrafetana ny firenen-drehetra (manambatra ho iray ny firenen-drehetra): Avia mamonjy ny taranak’olombelona namboarinao (avy amin’ny fotaka).
(Ap 1,5; 17,14; Ef 2,19-22)
Raha i Kristy tokoa no andrasantsika, raha izy ilay tonga hampivondrona antsika ho iray no irintsika, dia ho zary hafaliana ny Noely. Mila mandini-tena mandrakariva isika, sao sanatria tsy izay antony nahatongavan’i Kristy ho olombelona toa antsika izay no faniriana voakolokolo ao am-po, dia ny fiombonana. Izany no maha-katôlika antsika koa, ka izay tsy maniry ny hahavonjy ny olombelona rehetra, olombelona izay noharìna avy amin’ny vovo-tany, malemy, dia tsy afaka handray anjara amin’ny fahatongavan’ilay Mpanjakan’ny olona rehetra.
22 desambra
- 1 Samoela 1,24-28
- 1 Samoela 2,1-8
- Md Lioka 1,46-56
Ny vakiteny voalohany dia mampianatra antsika fa fanomezan’Andriamanitra izay rehetra eo am-pelatanantsika, eny fa na dia ny taranaka aza, ka fahamarinana ny mahafoy azy manontolo ho an’ny Tompo. Ny tononkiran’i Anà raha tsy voadinika tsara dia toa manambara Andriamanitra mila voatsiary, ka manetry ny manana ary manandratra ny mahantra, mamelona sy mamono araka izay tiany. Mazava ny hafatra tian’ny mpanoratra hampitaina amintsika: mahefa ny zavatra rehetra Izy, ary ny fahasambaran’ny olombelona no sitrany.
Nahoana ary no mbola misy “mitrongy nefa tsy mihinana akory”? Nahoana no mbola misy matin’ny hanoanana, matin’ny aretina,…? Aiza Izy no toa mamela ireny zanany lazainy fa tiany ireny ho faty eny? Ny misterin’ny Noely ankalazaina no mamaly izany. Tonga iray petsapetsa, tonga nitovy amin’ireo farahidiny indrindra ilay Zanany tiany, tsy nanao fahagagana fa tonga zazakely, hiatrika ny fiainana maha-olona amin’ny zavatra rehetra.
Avy amin’io Zanany io no hilazan’ny Ray fa eo Izy, miara-mijaly amin’ny zanany, tonga iray amin’ny zanany noana sy mangetaheta, tsy mitafy sy mpivahiny, marary sy an-tranomaizina. Isika rehetra kosa no antsoiny ho fanomezam-boninahitra ny anarany. Firifiry ny fahefana mpanjaka sy fiketrahana mihaja tolorany ireo ory (salamo setriny)? Saingy mazàna lasa fanararaotam-pahefana ny ankamaroan’ireny, ka vao maika manampy trotraka ny fahorian’ireo izay mijaly.
Voarindran’i Md Lioka an-tononkira ny fiainan’i Masina Maria manontolo. Ilay antsa fiderana nataon’i Jerosalema, voalazan’i Izaia (Vak I) dia tsy vavaka nipololotra amin’ny vava fotsiny fa fiainana, ary mamintina ny fisaoran’i Maria, mibanjina sy mandinika ny zava-mahagaga notanterahin’Andriamanitra tamin’ny alalany, ary izany “Tononkira” izany no hiraintsika isan’andro koa: notsilovin’Andriamanitra ny fahambaniantsika, nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy, ary mahefa zava-dehibe amintsika tsirairay avy. Inona tokoa moa ny zavatra notanterahin’Andriamanitra ao amintsika? Inona ny fahasoavana atobany amintsika? Izay mahatsapa izany ihany no afaka hankalaza Azy. Raha tsy izany dia ho fanompoan-tsampy ny vavaka ataontsika, tsy fiderana fa fidradradradrana, hitalahoana valisoa sy fanambinana. Na mbola tsy mangataka aza anefa isika dia efa fantany izay mahasoa antsika. Ray Andriamanitra ka mitsinjo ny zanany rehetra.
Tsy hoe sanatria niangaran’Andriamanitra akory i Masina Maria, fa antitranterin’ny Evanjely ny maha-môdely azy, ka na teo aza ny ngidim-piainana natrehiny teto amin’ity tany fandalovana ity, dia ny voninahitry ny lanitra kosa no valisoa nomena azy satria “zanaka mendrika handova ny fanjakana izy”, nino sy natoky mandrakariva ny fitiavan’ny Ray.
Izany finoana izany no ahafahana mihira ny tononkiran’i Maria eto am-pamakivakiana ity tany “lohasahan-dranomaso” ity. Ny Litorjian’ny Eglizy dia manentana ny zanany rehetra hiventy ny Tononkiran’i Maria isan-kariva, hibanjina ny asa lehibe notanterahin’Andriamanitra nandritra ny andro, ka hamaranana ny andro amin’izany hafaliam-po izany, mahita fa tanteraka tao amin’ilay zanakavavin’i Siôna ny fampanantenan’Andriamanitra. Tsy ny vokatry ny asantsika fa ny asan’Andriamanitra vokatry ny fitiavany antsika no maha-velon-kira.
Miisa fito izany asa izany araka ny fitanisan’i Maria: (1- ) nanatsotra ny sandriny mahery ny Tompo mba hanavotra izay very (Dt 5,15). Andriamanitra irery ihany no afaka handresy ny ratsy sy ny fijaliana vokatr’izany ary tsy ny fijaliana sy ny fahafatesana tambin’ny ota no ho tompon’ny teny farany fa ny fitiavana mamelon’aina; (2- ) mampihahaka ny mpiavonavona Izy dia ireo izay mihevitra ny ho avotra sy ho sambatra noho ny herin’ny tenany, tsy sanatria tsy akory hampitsanga-menatra azy ireo, fa mba hampibebaka ny fony ho amin’ny fitiavany; (3- ) naongany ny mpifehy ary (4- ) nasandrany ny ambany: tsy sanatria fivadihan’ny rasa izany, tsy hanova na inona na inona amin’ny sehatry ny tantara, izany hoe tsy tonga hanova ny mpilalao tantara Andriamanitra fa hanova mihitsy ny fomba fitantarana, ny fifandraisan’ny olombelona amin’izy samy izy, ka hifaninana ho ambany, ho mpanompo araka ny fon’Andriamanitra; (5- ) ny noana hovokisany (6- ) fa ny mpanan-karena kosa hampodiany mitondra tanam-polo: tsy hitondra na inona na inona isika rehefa hiala amin’ity tany ity afa-tsy izay harena noharìntsika teo anatrehan’Andriamanitra, izany fahamarinan’Andriamanitra izany no hahafeno hafaliana ny zanany miaritra ny tsy rariny noho ny hafa; (7- ) miahy Andriamanitra, miahy an’Israely vahoakany ary ampahatsiahivin’i Masina Maria antsika fa tsy miova mandrakizay ny fitiavany. Mandrakizay no hisaorantsika Azy.
Hanomana ny fontsika hankalaza ny noely anie ny fitanisana isan’andro ny zava-tsoa ataon’Andriamanitra ho antsika.