19 desambra
- Bokin’ny Mpitsara 13,2-7-24-25a
- Salamo 70
- Md Lioka 1,5-25
Ambaran’ny Evanjely anio fa tamin’ny andron’i Herôda, Mpanjakan’i Jodea no nisehoan’ny tantara. I Herôda dia azo heverina ho anisan’ny Mpanjaka nanana ny lazany sy nampiseho ny fahefany tamin’ireo zavatra naoriny, ary mbola tsy rava mandraka ankehitriny. Eo anatrehan’ny fahefan’olombelona, eo anivon’ny vahoaka nofidìny manokana, tsy hoe satria mendrika, fa notiaviny manokana (Dt 7,7) no isehoan’i Gabriely, ilay herin’Andriamanitra, hampahatsiaro antsika ny Fitiavany ho an’ny olombelona rehetra, fitiavana tsy mivadika, hahafahana mandresy ny tahotra.
Ny fanambarana ny fahaterahan’i Joany Batista dia manampy antsika hahazo ny halehibeazan’ny Fanambarana momba an’i Kristy sy hitondra antsika amin’ny antony nanoratan’i Md Lioka ny Evanjeliny: hanao fanadihadiana marim-pototra mba hahamafy orina ny fampianarana momba an’i Jesoa, ilay Kristy.
Ny hany fanirian’ny Mpisorona sy ny taranak’i Levý dia ny ho voafidy hanolotra ny emboka ao an-tempoly. Indray mandeha amin’ny fiainana no hahafahana manao izany, ka miandry ny anjaran’ny fianakaviany vao afaka safidìna indray, ary i Zakaria efa nahazoazo taona ihany, avy amin’ny fianakavian’i Abia (Andriamanitra dia Ray), izany hoe ny laharana fahavalo amin’ireo antoko 24 (ephèmería) nizaran’i Davida ny Mpisorona mba hanompo ao an-tempoly mandritra ny herinandro (1Tan 24,10). Lazain’i Lioka anefa fa voatendrin’ny loka izy hanolotra ny emboka, ary rehefa vita ny fisoronana dia tokony hanandra-tanana miaraka amin’ny Mpisorom-be, hitsodrano ny vahoaka araka ny fomba. Izay no antony niandrasan’ny vahoaka rehetra nivavaka tao alatrano.
Eo amin’ny toerana nirìny hidirana, hihaonany mivantana amin’i YHWH, araka ny finoany, no nijoroan’ny Anjely, nefa dia taitra i Zakaria no sady raiki-tahotra. Tsy zavatra hafa, fa ny fangatahany no lazain’ny Anjely fa ho tanteraka. Midika izany fa na dia ny hanatanteraka ny faniriantsika aza no ataon’Andriamanitra, dia mbola ny herintsika sy ny fetrantsika no hiheverantsika fa hanatanterahan’i YHWH izany: izaho sy ny vadiko efa zokiolona… inona no hahafantarako izany? Raha mbola ny herintsika anefa no hianteherantsika amin’ny fanatanterahana ny kinasa, mbola tsy finoana izany.
Vokatr’izany tsy finoana izany dia moana izy rehefa avy nivoaka avy ao, rehefa avy nolazain’ny Anjely fa hiteraka ilay Elia (araka ny faminanian’i Malakia 3,24), hialoha lalana ny fiavian’ny Mesia, hamerina ny fon’ny ray amin’ny zanaka (satria zanaka tsy nahatsiaro ho notiavina no betsaka, araka ny tenin’i Don Orion) ary hamerina ny tsy manoa amin’ny fahendren’ny olo-marina. I Gabriely, ilay Herin’Andriamanitra no nampita ilay Vaovao Mahafaly, ka ny famantarana nolazainy dia ny fahataperan’ny tso-drano nifandovàna ao amin’ny Testamenta Taloha: lasa moana terý ilay tokony hitsodrano.
Amin’ny famaranana ny Evanjeliny dia ambaran’i Md Lioka mazava fa i Jesoa niakatra any amin’ny voninahitr’Andriamanitra no manome antsika ny hafenoan’ny tsodrano izay mameno hafaliana ny fontsika ka tsy hialantsika ao an-tempoly hankalaza an’Andriamanitra (Lk 24,50-51). Izay mino Azy nitsangan-ko velona no afaka hitory ny Evanjeliny, izay mitady famantarana kosa fa tsy hino ny herin’Andriamanitra dia ho moana ihany tahaka an’i Zakaria.
Ny hevitry ny hoe Zakaria (Zekaryāh amin’ny teny hebrio) moa dia hoe “Tsaroan’Andriamanitra”, satria tsy afaka ny hanadino ny zanany Andriamanitra Rainy (Abìa). Ny hoe Elizabeta (‘Elîsheba‘) kosa dia azo adika hoe “Andriamanitry ny fianianana”. Ambaran’i Md Lioka fa samy marina teo anatrehan’Andriamanitra i Zakaria sy Elizabeta, no sady nitondra tena tsy nanantsiny tamin’ny didy sy ny tenin’ny Tompo rehetra, kanefa tsy nanan’anaka. Nankaiza ny fahatsiarovan’Andriamanitra ny fianianana nataony? Inona no hafaliana ho azony amin’ny fahamombàna?
Ao amin’ny Jenezy (Jen 1,27) dia zākār no iantsoana ny lehilahy, fa neqebāh kosa ny vehivavy. I Zakaria sy i Elizabeta kosa no mamarana ny tantaran’ny Patriarka momba, niantomboka tamin’i Abrahama sy i Sarà sy ny hafa koa (Jen 18,1-15; 25,21snm; 30,22snm; Mpitsara 13,1snm lazain’ny vakiteny I°; 1Samoela 1,1snm), izy ireo no maneho ny olona miaina sy mivelona amin’ny fahamarinana kanefa entin’Andriamanitra manambarana fa ny heriny irery ihany no hahaafaka ny tahotra sy hahafeno fatra ny hafaliana, ho hafaliana ho an’i Zakaria fa ho hafaliana ho an’ny maro hafa koa (and. 14), nahafa-tondromaso an’i Elizabeta.
Mampalahelo ny maheno olona mitaraina fa tsy mandeha araka ny faniriany ny fiainana, satria miangatra Andriamanitra, na sanatria an’izany voasazin’ny fahotana efa vita, ka mila mionona. Tsy miankina velively amin’ny fahamendrehantsika ny safidin’Andriamanitra. Tsy misafidy ny mendrika Izy, hoy i Md Augustin, fa manome fahasoavana hahamendrika izay nofidìny, mba hanatanterahany ny asam-pamonjena kasainy atao ho antsika, sy amin’ny alalantsika tsirairay avy.
Hanampy antsika hatoky izany herin’Andriamanitra (Gabriely) mitantana ny zavatra rehetra izany anie ny fiomanana amin’ny Noely, ka hahaizantsika miandry am-pitokiana ny fotoana hisehoan’ny voninahiny ho fiadanantsika.
Ry Solofon’i Jesea, Ianao ilay faneva fitarihana ny olona ka mampitampim-bava an’ireo Mpanjaka atrehinao, avia aza ela mba ekeo ny talahon’ny vahoaka miantso vonjy (Grandes O).