18 desambra
- Jeremia 23,5-8
- Salamo 71
- Md Matio 1,18-24
Ny salamo setriny dia vavaka tokony hataontsika isan’andro ho an’ireo mpitondra antsika:
Andriamanitry ny fahamarinana o, omeo izay voafidy hitondra anay, ny fahaiza-mitsara ara-drariny. Izy hanafaka ny malahelo, ny mahantra sy ny ory hovonjeny, hotsimbininy hatrany ny osa.
Miandrandra famonjena ny vahoaka, hatramin’ny naha-tany ny tany, tsy misy vanim-potoana tsy nampangetaheta fahamarinana ny vahoaka, hivavahana mba hisy mpitondra hendry, hanao ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany. I Jesoa no fahatanterahan’izany faniriana sy fampanantenana izany. Izy no ilay Zanaka ateraky ny Virjiny, hanafaka ny olona amin’ny fahotana. Tsy ny fanoloana ny olona no hampiova ny firenena na ny tsy fandriam-pahalemana fa ny fialana amin’ny fahotana. Raha tiantsika ny handry fahalemana sy hiadana dia ny fahotana no tsy maintsy hiadiantsika mafy.
Tsy i Davida ihany no nahazo fampanantenana avy amin’Andriamanitra, fa na i Abrahama koa aza, hoy i Md Paoly, saingy toa nofinofy ihany izany. Nolazain’ny Anjely tamin’i Maria anefa fa “tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao” (Lk 1,37). Izay mino ny fampanantenan’Andriamanitra dia hibanjina ny voninahiny. Tsy Israely irery no nandova an’i Abrahama fa izay rehetra mino, hoy i Paoly (Rm 4,6), ka izay manahaka ny finoany dia handray koa ny tsodrano nomen’Andriamanitra azy. I Maria lazain’ny Evanjely anio dia taranak’i Abrahama, araka ny nofo, saingy ny finoany ny “nofinofin’Andriamanitra” no nahazoantsika ny mpamonjy. Ny faneken’i Masina Maria ny sitrapon’Andriamanitra anefa dia very an-javony, raha tsy nanaiky ny handray ho zanany ilay efa notorontoronina tao an-kibony i Josefa. Mora ho an’ny vehivavy ny hino fa zanaka avy amin’ny herin’ny Fanahy Masina ny zaza ao an-kibony, fa tsy mba izany kosa, ho an’ny lehilahy. Niankina taminy ny fahaveloman’i Maria sy ny zaza tao am-bohoka. Safidy mitaky finoana izany an’i Josefa izany, ary tsara ny mamerina mamaky ny Taratasy Apostolika Fon-dray (Patris Corde) nosoratan’ny Papa François tamin’ny fahatsiarovana ny faha-150 taona nanambarana an’i Md Josefa ho mpiaro ny Eglizy Katolika (08 desambra 2020).
Mety haniry ny mba hisehoan’ny anjelin’ny Tompo koa isika rehefa misy zavatra mampiasa saina antsika. Rehefa avy nifamofo ara-dalana (’erousîn) i Maria sy Josefa dia mbola tokony hiandry ny qidoushîn (fanamasinana ny mariazy amin’ny jody). Ny fofom-bady (’erousîn) anefa dia tahaka ny soratra, aty amintsika, ka maha-voafatotra, ka hiheverana azy ireo ho toy ny mpivady kanefa tsy mbola mahazo miray trano aloha, ary nandritra izany no hita fa bevohoka ramatoa. Loza ity! Zanak’iza? Tokony hiandry taona iray izy ireo vao haterina ho any an-tranon’i Josefa i Maria mba hiara-monina aminy. Ampahatsiahivin’i Matio fa nandritra izany fotoam-piandrasana izany no nilazan’ny Anjely i Maria fa hanana anaka, noho ny Fanalofan’ny Fanahy Masina, mba hialana amin’ny mety ho fiheverana fa asan’ny lehilahy no naha-bevohoka azy. Niandry ny telo volana hahaterahan’i Elizabeta ilay efa nandray enina izy, satria io no famantarana nomen’ny anjely azy, dia niverina nody tany an-tranony.
Tsy hanamboniana ny fahamasinan’i Maria sy ny finoany fotsiny no nilazana izany fa hampitana ny foto-pinoana tokony ho raiki-tapisaka ao an-tsain’ny mpino. Ny Hazavan’ny Paka manko no mampisy heviny ny zavatra rehetra niainan’i Masina Maria sy Md Josefa, sy izay rehetra fantatra sy notantaraina amintsika momba azy ireo.
Iza no rain’ny zaza? Nolazain’i Maria azy ve fa nisehoan’ny Anjely izy? Nefa tsy nino izy ka dia nisehoan’ny Anjely ihany koa avy eo? Fanontaniana mety hanitikitika ny saintsika izany, saingy tsy io akory no tanjona nanoratan’i Matio ny Evanjeliny, fa mba hilazana amintsika fa i Jesoa no fahatanterahan’ilay fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’i Davida. I Maria sy i Josefa kosa, mba hahatanterahan’izany fampanantenana izany dia nanaiky ny faharavan’ny “nofonofin’izy ireo” mba hahatanterahan’ny “nofinofin’Andriamanitra”. “Lehilahy marina” i Josefa, tsy noho ny fanatanterahany ny lalàna, satria araka ny Boky Deoterônômy (Dt 24,1), dia tokony hanome taratasy fisaoram-bady izy, hoy i Md Jerôme. Ny tsy fanomezany izany ka naniriany hisaotra mangingina an’i Maria dia midika fahafatesana ho an’i Maria. Marina izy satria tsy manan-tsafidy afa-tsy roa: na Zanak’Andriamanitra ny Zaza na zanaky ny fijangajangana (Jo 9,34: araka ny fahalalan’ny mpiara-monina aminy).
Impiry moa isika no antsoin’Andriamanitra tahaka an’i Josefa manoloana ny trangan-javatra toy izany mba hanatanterahany ny sitrapony. Mety zavatra tsy ho takatry ny saintsika. Tsy manery anefa Izy fa miantso antsika ao anatin’ny torimaso, miandry antsika handray anjara amin’ny “nofinofiny”, ary miandry antsika hifoha ka hanapa-kevitra malalaka hanaiky na tsia ny fangatahany.
Lazain’ny Evanjely anio ny faneken’i Md Josefa, lehilahy marina, izay nanaiky hampakatra an’i Maria ho vadiny rehefa nahatsiaro tamin’ny torimasony, ary “tsy nahalala azy izy, ambara-piterany ny Zanany lahimatoa, ary nataony hoe Jesoa no anarany” (Mt 1,25 izay tsy vakiana amin’ny litorjia). Ambaran’i Matio araka izany ny naha-virjiny an’i Maria tamin’ny niterahany ny Zanany. Teny finoana izany. Mety hiteraka fanontaniana manitikitika ny saintsika, saingy tsy hahasoa ny mandany andro hitady ny valin’izany. Ny Evanjely dia miantso antsika kosa mba hahay hamantatra ny fandaharan’Andriamanitra, ka hanaiky ho fitaovana ampiasainy ho entiny manohy ny asam-pamonjena efa nosantariny tamin’ny Zanany. Antsoiny hiaro ny ain’ny Zaza sy ny Reniny koa isika, ka asakasaky ny tsirairay na hijanona ao amin’ny nofinofin’ny fisainan’ny olona, na hifoha ka hiaina ho fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra tahaka an’i Josefa.
Aza matahotra ny hampakatra an’i Maria vadinao.
Ny Evanjely anio dia manamafy ny finoana ny nahatongavan’ilay Zanak’Andriamanitra ho nofo tao an-kibon’i Maria, noho ny herin’ny Fanahy Masina. I Josefa (Yōsēph – teny hebrio midika hoe Andriamanitra hanampy, hanovona) no ilay lehilahy marina, manokatra ny lalana hodiavin’izay rehetra mino ilay Teny Tonga nofo ka omeny ny fahefana maha-zanak’Andriamanitra (Jo 1,12). Antsoiny isika hamonjy ny aina, hiahy ny zanany, hanome azy ny anarana hahatsiarovana fa mamonjy antsika Andriamanitra, Jesoa, miara-mitoetra amintsika mandrakariva izy.
Ambaran’i Matio ihany koa anefa ankoatra ny famerimberenana ny tsy fisian’ny firaisana ara-nofo teo amin’i Maria sy Josefa (and. 18.25) mandra-piterany ny zanany, fa tsy afaka ny handray an’i Jesoa, ho tonga nofo iray aminy, ho tonga iray razana aminy isika (hiara-mandova ny fanjakany), raha tsy manaiky handray an’izay efa nanaiky sy nino ny teny ka nahatonga azy ho nofo tao an-kibo, toa an’i Masina Maria, ilay ankalazaintsika anio ny fahaterahany. Izy no fahatanterahan’ny fampanantenana rehetra natao tamin’Israely, izy no ilay Siôna Vaovao, ilay Eva, renin’ny aina nahazoantsika ny Tompon’ny aina.
Izay te ho tonga kristianina araka izany, tahaka an’i Josefa, tahaka ilay mpianatra malala, mijoro (histèmi) eo am-pototry ny Lakroà, dia tsy maintsy mandray an’i Maria, manaiky ho “lehilahiny” (anèr): manaiky ho rainy, manaiky ho vadiny, manaiky ho zanany, izany hoe manaiky hitovy aminy amin’ny fandraisana sy fanekena ny sitrapon’Andriamanitra (Sermon d’Isaac de l’Etoile pour l’Assomption, Office 2eme samedi de l’Avent). Tahaka ny maha-olo-marina an’i Josefa koa anefa no hahafahantsika mandray am-pitiavana ny fahasoavan’Andriamanitra. Indraindray heverintsika fa tsy rariny ny ho “ray” hanome anarana ny zanak’Andriamanitra, ka aleo miala mangingina. Ny fahasoavana sy ny fitiavan’Andriamanitra anefa dia tsy hifanaraka amin’ny fahamendrehantsika na oviana na oviana fa fanomezany maimaim-poana mandrakariva, hampitovy endrika amintsika amin’ny Zanany Lahimatoa.
Ao anatin’ny torimaso no nitenenan’Andriamanitra tamin’i Josefa, tahaka an’i Jakôba (Jen 28,10snm) ary tahaka an’i Elia (1Mp 19,1snm), ary ho an’ny Apôstôly nitsoaka ny Alakamisy Masina alina koa, dia tao amin’ny “fatorian’ny Zanany” no nanambarany ny fara-fitiavany. Tsy nofy “nofinofim-paniriana” fotsiny anefa izany, fa ilay “torimaso” hilazan’ny ambom-pon’olombelona tahaka an’i Elia hoe : “ampy izay” (1Mp 19,4) ka hahafahan’Andriamanitra mandray an-tanana ny zavatra rehetra ka maniraka antsika ho fitaovana ho entiny maneho ny fitiavany ny olon-drehetra.
“Matahotra aho”, hoy i Adama (Jen 3,10). “Aza matahotra” hoy ny Tompo. Hanafaka antsika amin’ny fahotana no nanirahan’ny Ray ny Zanany hiara-monina amintsika, araka ny tenin’ny Anjely. Rehefa miala amin’ny fahotana isika dia ho afaka manavaka ny feon’Andriamanitra amin’ny fakam-panahy izay mety hitarika antsika hihevitra ihany araka ny nofo. I Josefa lehilahy marina dia vonona hiaro ny aina, na ny an’i Maria izany na ny an’ilay Zaza haloaky ny kibony. Firifiry moa ny zaza tsy mahita masoandro noho ny herisetra sy ny fitiavan-tenan’ny ray na ny reny, noho ny tsy fahafahantsika intsony hijoro ho kiadin’izay manaiky hahatonga nofo ao aminy ny Teny, toa an’i Maria.
O ry Tomponay ô! Ilay tsinjon’i Moizy tao anatin’ny kirihitra sy nanolotra azy koa ireo didinao folo: avia miondrika, mba arovy amin’ny sandrinao mahery izahay.
Efa nogejain’ny fahotana hatry ny ela izahay ka enga anie havotan’ny Zanakao lahitokana ho teraka ho anay (vavaka fangatahana).