17 desambra: Fankalazana an’i Md Jean de Matha
- Izaia 61,1-3,10ab
- Salamo 106
- 1Joany 3,11,13-18,23-24
- Md Matio 25,31-34
Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana, avia ary tsoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina. Aleloia!
Ao amin’ny Boky fahatelon’i Izaia moa no nangalana ity vakiteny voalohany ity. Efa tafaverina tany Jerosalema ireo Jody niandrandra fahafahana, saingy tsy araka ny fahafahana nandrandrainy tsy akory ny zava-nisy. Tsy hoe olona afaka tsy akory izy ireo fa mbola teo ambany fifehezan’i Sirosy (Kôresy), mpanjakan’i Persa ihany. Marina fa tsy any an-tsesintany intsony fa efa niverina tany an-tanindrazana, nefa na dia ny fanorenana ny Tempoly aza dia nanano sarotra, satria ankoatra ny fifangaroan’ny foko hafa tamin’ny mponin’i Jerosalema, nonenan’ireo sisa tavela sy noho ny fanambadiana nataon’ny Jody sasany tamin’ny hafa firenena, dia nanano sarotra koa, na dia ny fiainana araka ny lalàna aza. Manoloana izany rehetra izany ny Mpaminany no milaza fa nohosoran’ny Tompo izy hilaza teny soa mahafaly. Fa iza no hahazo izay lazainy?
Teo amin’i Israely, ny taom-pahasoavana dia nisy roa: ny taonan’ny Sabata, isaky ny fito taona, hanafahana tsisy tambiny ny andevo hebrio rehetra; ny taon-jaobily kosa, isaky ny 50 taona dia hanafahana ny mponina rehetra amin’izay rehetra nanandevozana na namatorana azy: trosa, tany averina amin’ny tompony, izay heverina fa famerenana ny fahamarinana sitrak’Andriamanitra hiainan’ny Vahoakany ao amin’ny Tany Masina nomeny ho lovany.
Izay mitovy fijery amin’ny mpaminany ihany no afaka hino izany teny izany. Ny Mpaminany, ankoatra ny fanilovan’ny Fanahin’Andriamanitra azy, dia olona mahalala fa tsy hiverina ho maizina intsony ny andro efa mangiran-dratsy, na dia mbola manjavozavo aza ny hazavana. Toy ny ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy no ampanirian’ny Tompo Andriamanitra ny fahamarinana sy ny Fiderana, eo anatrehan’ny firenena rehetra, ka ny fahitàna ny voa vao mitsiry dia efa mampitombo sahady koa ny fanantenana amin’ny fiandrasana ny fiotazana ny vokatra. Izany fomba fijery mahita ny lafitsaran’ny zava-mitranga (optimisme) izany no anentanan’ny mpaminany hiainana, ka izay tafiditra amin’izany no afaka ho revon-kafaliana ao amin’ny Tompo sy hiravoravo fo amin’Andriamanitra, teny naverin’i Md Lioka eo am-bavan’i Maria.
Tsy fahafahana araka ny heverin’ny sasany anefa no ampanantenain’Andriamanitra ka hiheverana ny hanao izay mahafinaritra ny fo sy hironan’ny saina… Andevon’izay mamatotra antsika isika, ka tsy voatery ho ny lalàna apetraky ny hafa ihany no hamatotra, fa eo koa ny fahazarana, eo ny ratsy na ny tsy heverina ho ratsy intsony satria mahazatra, kanefa zavatra na fomba manakana antsika tsy hivelatra sy hahavita izay tokony hatao hahasambatra.
Ho an’i Md Jean de Matha manokana dia ny fanandevozana vokatry ny fiainana ny finoana no nanokanany tena, rehefa natoron’Andriamanitra azy tao amin’ny Eokaristia izay lala-marina hamaliany ny antso ho amin’ny fahamasinana. Tsy ny kristianina ihany, fa na dia ny silamo koa aza, ary tsy fanafahana amin’ny alalan’ny ady fa am-pitiavana mandrakariva.
Izay entanin’ny Fanahin’Andriamanitra dia tonga zanany tia Azy. Ary mazava loatra fa izay tsy tia ny rahalahiny dia tsy afaka hilaza fa tia an’Andriamanitra (1Jo 4,20). Fa misy olona mitia ny hafa ve kanefa tsy tia an’Andriamanitra? Ny risika mety hitranga dia tsy fitiavana fa fitiavan-tena no manentana ny olona hanampy ny hafa: mba hisehosehoana sy hitadiavana voninahitra, na sanatria an’izany aza, hanambaniana ny hafa. Izay mahatsapa ny voalazan’i Osea amin’ny hoe “Izahay tsy hitaingin-tsoavaly” (Ôsea 14,4), izay naverin’i Md Jean de Matha ao amin’ny Lalàm-panorenan’ny Fikambanana naoriny dia miaiky fa tsy ny herintsika na ny tanjaky ny soavaly na izay heverintsika ho fahaizantsika no hahazoantsika famonjena ka hahafahantsika manao soa, fa ny soa azontsika avy amin’Andriamanitra kosa. Na ny famonjena ny tenantsika aza dia fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra ka tokony hisaorana Azy. Loharano ipoirana sy tendro hifaharan’ny fitiava-namana araka izany ny fitiavana sy ny fankalazana an’Andriamanitra (SC 10), ary ho an’ny Trinitera manokana, dia tao amin’ny Eokaristia no teraka ny fikambanana.
Ny fitokisana amin’ny “providence”, amin’ny fitsimbinan’Andriamanitra dia ambaran’ny fanajana manokana an’i Masina Maria Reny Vonjy Mahatoky, ary porofo mitohoka amin’ny tenda ho antsika ny fahafoizan-tenan’ny relijiozy trinitera maro, mifanakalo amin’ny voababo mba hahazoan’izy ireny ny fahafahana.
Ny Evanjely dia mampahatsiaro antsika ny fiainana mifanaraka amin’ny toe-po maha zanaka ka hahafahana handova ny fanjakana voavoatra hatrizay nahariana izao tontolo izao. Ny zanaka no mandova, ka i Kristy no ilay zanaka lahitokan’ny Ray. Henontsika tao amin’ny Evanjely anefa fa ireo sokajin’olona enina miandry ny fanasoavana avy amintsika no antsoiny hoe “rahalahy” (ἀδελφός – adelphos), izay nadikan’ny vakiteny hoe “havana” moa. Ireo mahantra ireo no efa nolazain’i Matio tany amin’ny fiandohan’ny Evanjely fa “tompon’ny fanjakan’Andriamanitra” (Mt 5,3), ka ny fanaovana soa amin’izy ireo dia mazava loatra fa fanaovana soa ho an’ny tena ihany.
Tsy ny halehibeazana araka an’izao tontolo izao no fahamasinana mitondra antsika amin’ny fahasambarana. Ho an’izao tontolo izao, raha tonga olo-malaza ianao, raha lasa mpanefoefo, na tsy hiraharaha ny hafa aza dia izay hieboeboana no tanjona. Tokana ny aina, ka lazain’i Jesoa fa ny fampiasana izany hanasoavana ny hafa, indrindra ny noana, ny mangetaheta, ny tsy mitafy sy ny tsy manan-tafo, ny marary sy ny voailikilika (voafonja) no mampisy heviny ny fiainana.
Tsy atao mba hahafaly ny hafa anefa izany, ary tsy atao mba hahafaly akory an’Andriamanitra aza. Lazain’i Matio mazava fa ireo mpanao soa dia tsy nahalala akory fa i Jesoa no nanaovany izany. Izy ireo dia manao ny asa soany amin’ny anaran’i Jesoa, fa tsy ho an’i Jesoa. Ny soa sy ny harena eo am-pelatanantsika dia tsy azo adinoina fa fanomezana (talenta) avy amin’i Jesoa ka raha zaraintsika amin’ny hafa, dia tsy tokony hoentintsika mirehareha satria tsy maintsy hanao tatitra amin’ilay nandraisana izany talenta izany isika indray andro any (tapany faharoa amin’ny Evanjely Md Matio toko 25 novakìna tamin’ny alahady heriny).
Kisarisary maneho ireo mpiandry ondry teo amin’i Israely no ampiasain’i Jesoa mba hanazavana ny fanavahana ataony amin’ny fitsarana izay mety ho mendrika na tsia ny fanjakany. Rehefa hariva ny andro dia avahan’ny mpiandry ny biby fiompy, ny osy eo an-kavia ary ny ondry eo an-kavanana, ny iray ao an-trano satria manifinify tsy dia misy volo loatra, ny sasany any an-tokontany satria misy volo matevina. Tsy famaliana soa araka izany no fomba fanavahan’Andriamanitra fa arakaraka ny filàna hanasoavana ny zanany. Izany no fahamarinany.
Ny fiainantsika tsy ampiasaintsika hanaovan-tsoa no mandrehitra ny afobe hivarinantsika ka hampijaly sy mety hanenenana mandrakizay. Tsy izaho sy ianao anefa no ondry sy osy fa ny fiainantsika miovaova. Sitrak’i Jesoa ho fanaovan-tsoa manontolo anefa ny fiainan’ireo mpianany satria fantany fa izany no lalam-pahasambarana ho azy ireo.
Ny Fankalazana ilay Ray mpanorina ny Fikambanana anie hahatsapan’ny Trinitera rehetra fa tompon’ny Fikambanana miaraka amin’ny Trinite Masina ireo voababo, sitrak’Andriamanitra nofidìna ho fianakaviana iray lanitra aminy.