TALATA II FIAVIANA
- Izaia 40,1-11
- Salamo 95
- Md Matio 18,12-14
Ampionony ny vahoakako: voaonitra ny helony: ny Tanan’ny Tompo no handray ny roa heny onitry ny fahotany.
Tsiahivina fa ny fijaliana iaretan’ny vahoaka dia vokatry ny fahotany ihany, fa tsy dia sazin’Andriamanitra loatra tsy akory. Ireto vahoaka ireto anefa mbola nihevitra fa ny hatezeran’i YHWH no nampahita faisana azy ireo ka tsy maintsy hanonerany ny fahotany. Anton’ny fampiononana, araka izany, ny filazana fa voaonitra ny helony: voarainy (lāqaḥ) tamin’ny Tanan’ny Tompo ny roa heny onitry ny fahotany.
Araka ny ampianarin’ny Boky Eksaody tokoa manko (Eks 22,3.6.8), dia mila honerana avo roa heny izay zavatr’olona nalaina tsy an-drariny. Dia io hevitra io no diso masaka ao an-tsaina indraindray, ka iheverantsika fa fikapohana indroa miantoana no hasetrin’Andriamanitra ny ota vita, araka ilay dikan-teny ao amin’ny hirantsika. Raisintsika vilana araka izany ny Vaovao Mahafaly nambaran’i Izaia. Azo heverina ho fampiononana ve ny fikapohana indroa miantoana? Raha ny marina dia tsy fikapohana indroa miantoana no hataon’Andriamanitra fa fanonerana indroa miantoana. Io no vaovao mahafaly: lehibe lavitra noho ny fahotàna ataontsika ny famelàna avy aminy. Tsy isika no manonitra fa Izy Andriamanitra mihitsy no manonitra avo roa heny ny fahotantsika, satria avy amin’ny tanany no andraisantsika ny fanonerana tokony ho notakìna amintsika. Ny Zanany maty ho antsika teo ambony hazofijaliana no porofo fa tsy nivadika tamin’izany teniny izany Izy.
Tsy midika anefa izany fa afaka manao izay tiany atao ny olona satria mpamindra fo Andriamanitra. Ny antony tsy hanotàna dia tsy sanatria noho ny fahatahorana ho voasazy, satria isika ihany no hizaka ny vokatry ny tsy fiainana araka izay mahasoa. Misy fiantraikany ratsy mandrakariva eo amin’ny fiainana manko ny fahotana, ary tsy sanatria manampy trotraka izany voka-dratsin’ny fahotana izany Andriamanitra, fa toy ny Mpiandry ondry Izy, mitady mandrakariva izay hahasoa ny ondriny. Ary raha sanatria misy iray nania, dia tsy mampaninona azy ny handeha hitady iny ary hamela ny 99 ao am-bala. I Md Matio moa tsy mampiasa ny hoe ondry very, fa ondry nania (planào amin’ny teny grika), entiny hilazana an’ireo madinika izay tsy tokony atao tsinontsinona, ireo madinika izay nania satria mety ho tafintohina noho ny tsy firaharahana na sanatria an’izany noho ny drafitra mipetraka ka tsy manafaka fa manandevo ny olona. Ny fanontanian’i Piera ao amin’ny Mt 18,21 hoe “raha diso impiry no azo avela”, dia vokatr’izany.
Araka ny nolazaintsika omaly ihany, ny fahefan’i Jesoa dia tsy tahaka ny an’ny Farisiana sy ny an’ny Mpanora-dalàna. Ireto farany ireto dia mampianatra hanavaka ny tsara sy ny ratsy araka ny lalàna, ka manafaka na manameloka izay heveriny ho mifanaraka na tsia amin’izany. Ny an’i Jesoa kosa anefa dia fahefana hitadiavana izay hitondrana ny olona rehetra amin’ny famonjena araka ny efa nolazaintsika omaly: Mpitsabo mamono ny aretina mba hamelomana ny marary izy, fa tsy sanatria mpitsara mamono ny marary miaraka amin’ny aretiny. Ny famelana ny fahotana no lalana itondrany antsika ho ao amin’ny fahasambarana amin’ny maha-zanaka. Hafaliana kokoa ho an’ny mpiandry ondry ny fahitana ny iray izay nania, hoy i Jesoa.
Mifanohitra amin’ny fahendrena takatry ny mpivavaka ao amin’ny Testamenta Taloha izany: ny salamo 1 milaza ny olo-marina tsy mba miaraka amin’ny mpanota, ny Salamo 101 aza milaza fa isa-maraina dia mandringana ny mpanao ratsy ao amin’ny fanjakany (Sal 101,8). I Jesoa kosa miara-mihinana amin’ny mpanota sy ny poblikana (Mt 11,19), ary nolazain’i Izaia Mpaminany aza fa dia nosokajìna ho isan’ny ratsy fanahy (Iz 53,12).
Mba mampiseho izany toetran’Andriamanitra izany ve ny Eglizintsika? Ny mpivavaka alahady sy ny Kômity mbamin’ny isam-baomiera ary ny herivelona rehetra ao am-piangonana ve vonona ny hanao fety amin’ny fiverenan’ny ondry nania? Isika mihevi-tena ho mpianatr’i Kristy ve vonona ny hifanosona amin’ireo reraky ny fiainana fa very, nania, tsy mahita ny lalana hombana intsony? Tandremo sao ataonareo tsinontsinona ny iray amin’izy ireny hoy i Kristy mananatra antsika (Mt 18,10, mialoha ny Evanjely anio).
Aleoko mahita Eglizy maratra nitady ny very toy izay Eglizy bobongolo mihidy amin’ny mahazatra sy ny drafitra ivelany fotsiny, hoy i Papa François, teny am-piandohan’ny maha-evekan’i Rôma azy (2013). Ampahatsiahiviny anefa (fihaonany tamin’ny pretra tany Assise) fa mialoha ny hivoahana hitady ny very dia tokony ho vonton’ny hanitr’i Kristy (2Kôr 2,14), mba tsy hitondra ny saim-pantatra fa hitondra ny hanitra sy ny fihavaozan’ny Evanjely.
Ndeha isika hiakatra eny an-tendrombohitra, hiakatra tsy an-tongotra fa amin’ny fiainana vonton’ny Evanjely, ka hidradradradra mafy fa tonga ny Tompo Andriamanitra. Hampionona antsika no antony hiaviany.