ALAKAMISY I FIAVIANA
- Izaia 26,1-6
- Salamo 117
- Md Matio 7, 21.24-27
Hetseho ny fahefanao, ry Ray, ary vonjeo amin’ny herinao tsy misy fetra izahay, ka enga anie izay soa sakanan’ny fahotanay, mba ho azonay haingana noho ny hasin’ny famindram-ponao.
Raha ny herin’Andriamanitra no mamonjy antsika, inona izany no ezaka mbola tokony hataon’ny olona? Hiandry mahazo ve izany izy satria mpamindra fo Andriamanitra?
Hiditra amin’ny vavahadin’ny famonjena, hoy Izaia Mpaminany (Iz 26,1-6), izay mitana ny fahamarinana ka tsy mivadika, ary hahazo fiadanana kosa izay matoky ny Tompo. Izay maniry ny fiadanana dia mahafantatra fa tsy vokatry ny finiavany no hahombiazany fa fahasoavana, ary satria iriny fatratra ny hiadana dia hosanatriaviny ny handraraka ilo mby an-doha. Mariky ny fitiavana manko ny fitahirizana izay fanomezana noraisina avy amin’ilay tia. Dia izay no andrasan’Andriamanitra amintsika: hitahiry ny fanomezany amin’ny alalan’ny fitoriantsika ny hatsaram-pony (fitoriana am-bava sy fizarana izay napetrany eo am-pelatanantsika). Izay no anentanan’ny salamo setriny hoe: “Ataovy antso avo fa tsara ny Tompo, fa mandrakizay ny fitiavany”.
Mahalasa saina ihany anefa ny lazain’ny salamo: vohay ny varavaran’ny fahamarinana hidirako hisaotra ny Tompo; iza no antsoin’ny mpivavaka hamoha ny varavarana? Olona afaka manome baiko hamoha ny varavarana izany, tsy vahiny fa tompon-trano. Tsy izay mahay misolelaka sy be vava anefa no hiditra ao, hoy ny Evanjely, fa izay mahay mampifanaraka ny fiainany amin’ny sitrapon’ilay tompon-trano.
Misy olona anefa mieritreritra fa manao zavatra amin’ny anaran’ny Tompo. Lazain’i Jesoa aza hoe misy mirehareha fa mandroaka demony amin’ny anarany, nefa indrisy fa tsy hiditra amin’izany fiadanan’ny Fanjakan’ny lanitra izany (andininy 22-23 nodinganina amin’ny Evanjely anio). Indraindray tsy ny hahasambatra (ny tena sy ny hafa) no hanaovan-javatra fa ny mba hisehosehoana sy hizahozahoana. Fa iza no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra? Mila esorina ao anatin’ny loha aloha ny fiheverana fa zavatra mahakasika ny fiainana aorian’ny fahafatesana ny Fanjakan’Andriamanitra. “Izay mino no hanana ny fiainana mandrakizay” hoy Md Joany (toko 6). Ny varavaran’ny finoana no hidirantsika amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, hoy kosa ny Papa Benoît XVI, ary tsy afaka ny handingana io tokonana io raha tsy mandray ny Teny voatory ary manaiky hovolavolain’ny fahasoavana ny fony ka hiova (Porta fidei 1).
Ny fiainana araka ny Tenin’ny Mpampianatra noho izany no hanorenana ny fiainana mandrakizay. Hadalàna ny fihainoana ka tsy hitandremana ny Teny, hoy i Jesoa. Indraindray tokoa misy olona mihevitra fa fanandevozana na sanatria an’izany fahalemena ny fanarahana izay sitrapon’Andriamanitra. Fa inona anefa moa ny sitrapony fa tsy ny hahasambatra antsika? Koa araka izany, ny fanarahana ny Teniny sy ny fiainana araka ny didiny dia fizorana ho amin’ny fahasambaran’ny tena ihany. Tsy hanenenana mandrakizay izany satria mafy orina. Ary matoa isika tsy manatanteraka ny sitrapony dia efa nivily lalana, nanorina ny trano ambony zava-mandalo, ka na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho latsa-panenenana eny ihany (ny fasika manko dia eny amin’ny toerana ambany indrindra no anajanonan’ny rano azy, ary rehefa tonga ny rano manaraka dia mbola miova toerana avy eo ihany koa, mandeha amin’ny ambanimbany kokoa). Izay tsy manorina am-pitiavana dia ho tototry ny fitiavan-tenany ihany na ho ela na ho haingana.
Hanampy antsika hitia ny lanitra sy hifikitra amin’izay maharitra mandrakizay anie ny fanaovana kômonio matetika.