Sabotsy faha-34 mandavan-taona
- Ankasa Fanambarana 22, 1-7/Salamo 94
- Tsy ankasa Daniela 7, 15-27/Daniela 3, 82-87
- Md Lioka 21, 34-36
Lazain’ny Taratasy ho an’ny Hebrio fa noho ny tahotra ny fahafatesana dia nisy ny niharan’ny fanandevozana nandritra ny andro rehetra niainany (He 2, 15). Ny tahotra matetika dia manakana antsika tsy hiaina an-kalalahana, tsy hiaina am-pitiavana. Ny zava-doza dia izany tahotra mitondra amin’ny fanandevozana izay: fanandevozan’ny mason’ny hafa, fanandevozan’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao, araka ny hanafaran’i Kristy antsika amin’ny Evanjely anio.
Tamin’ny fanazavana ny momba ny fahasambarana, tamin’ny fetin’ny olomasina rehetra dia nolazaina fa tsy fahasambarana mandalo araka ny rendrarendran’izao tontolo izao no atoron’ny Evanjely, ary tsy sanatria koa fahasambarana mbola andrasana aorian’ny fahafatesana, fa efa andramantsika sahady dieny amin’ity fiainana ity. Ny tontolo iainantsika dia manao fety mba hitadiavana hafaliana, mba “hanalana azy”; misy olona mahita hafaliana amin’ny fihinanam-be, misy ny sambatsambatra amin’ny fisotrosotroana, ao ny mitady hafaliana amin’ny rendrarendra sy ny hafinaretan’ny nofo. Tandremo, hoy i Jesoa. Mila itandremana ihany koa na dia fiahiana ny fiainana aza, satria hampahavesatra ny fo izany. Ny fo anefa rehefa mavesatry ny fahadisoam-panantenana amin’ny zava-mandalo, dia tsy te hijery ny tena zava-misy, ka aleony manery ny saina sy ny maso hijery zavatra hafa, hanary dia amin’ny zavatra hafa.
Ny tontolo atoron’ny Evanjely dia manao fety satria faly, satria zanaka mpandova ny fiainana mandrakizay, manandrana isan’andro ny hafaliana sy ny fety vokatry ny fihaonan’ny “zaza mpandany” sy ny “Ray be fitiavana” (Lk 15). Tsy fitadiavana hafaliana ny fety (ny fihinanana, ny fisotroana) ho an’ny Kristianina fa fanehoana ny hafaliana. Raha sanatria hitadiavana hafaliana no hanaovana fety dia havesatra noho ny teo aloha ny fiatrehana ny fiainana rehefa vita ny “fanalana azy”. Ny “tsara vintana” no sambatra eo amin’izao tontolo izao, ho an’Andriamanitra kosa dia zanaka tiany avokoa, ka izay mahay mitahiry ny fahasambarana omeny, manaiky hiombom-piainana Aminy no antsoiny hoe “sambatra” (μακάριος makarios, béni de Dieu), nosoavin’ny Ray.
Tsy ampy ny mihevitra ho mahafehy tena fa mila mitandrina mba tsy ho lavo, ary mila miambina sy mivavaka mandrakariva anefa, hoy i Jesoa, satria fandrika mahavoa ny olon-drehetra ny fivarinan-ko lavo ao anatin’ny hafinaretana mandalo (mivarilavo). Ny tsy fahalalana mialoha ny andro hiafaran’ity fiainana ity ho an’ny tsirairay, sy ny fahataperan’izao tontolo izao ho antsika rehetra dia manampy antsika hiaina am-piheverana, mampisy heviny ny fiainantsika, tsy hiainana noho ny tahotra ny fahafatesana intsony fa hono ny faniriana ny hiseho, hiseho tsy amin-tahotra (ἵστημι Histemi) eo anatrehan’ny Zanak’olona.
Miambina (ἀγρυπνέω agrypneo) sy mivavaka (δέομαι deomai). “Agrypneo” moa dia tsy hilazana ny fiambenana ivelan’ny trano fotsiny fa hilazana ihany koa ny tsy fahatongavan’ny torimaso, tsy mahita tory satria mivavaka, “deomai”, satria mifantoka amin’ny hevitra iray ny fo amam-panahy, mitady izay fomba hiainana araka ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy mahagaga raha toa ka amin’ny valo alina araka ny mahazatra dia efa mierotra ny olona iray, saingy ny fitiavana an’i “Barea milalao” (na ny mondial izao) ohatra, dia mahatanty tsy matory hatramin’ny misasak’alina aza, mijery baolina. Amin’ny fotoana rehetra no amporisihan’i Jesoa antsika hiambina sy hivavaka, vavaka zary fifantohan’ny fo amam-panahy amin’ny fibanjinana fa efa akaiky ny fahavaratra, efa niantomboka ao amin’ny misterin’ny Pakany ny famonjena antsika, ka na dia tsy mbola lavorary aza, dia efa azo hiotazana kosa voankazo, hatao tohana sy vatsy eny an-dalana mizotra mankany amin’ny fihaonana Aminy, any amin’ny mandrakizay.
Ny fiomanana amin’ny taona litorjika vaovao anie hampitombo ny hafaliantsika eto am-piandrasana ny hiaviany.