Alakamisy faha-34 mandavan-taona
- Ankasa Fanambarana 18, 1-2, 21-23; 19, 1-9/Salamo 99
- Tsy ankasa Daniela 6, 12-28/Daniela 3, 68-74
- Md Lioka 21, 20-28
Rehefa maheno ny teny hoe Apokalipsa isika dia indraindray faharavana sy fahapotehana no masaka ao an-tsaina, satria izany no be mpilaza sy mampiasa amin’ny fomba fiteny andavanandro. Fanambarana anefa no heviny, entin’ny mpanoratra hanehoana ny tsiambaratelon’ny zava-mihafina. Eto i Md Lioka dia manampy antsika handinika ny zava-misy sy hamaky izany amin’ny hazavan’ny Fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Kristy ho velona mba hahafahantsika mandray ny fanambaran’Andriamanitra.
Raha tsy izany dia hanahirana na dia ny hihaino sy hahazo izany hatezeran’Andriamanitra mafy izay handringana ny olon-drehetra amin’ny sabatra izany, satria tsy afaka ny hiambo ho tsara noho izay heverintsika ho tsy mpino isika. Izany no mahatonga ahy hamerina mandrakariva fa ny fotoana fiandrasantsika ny farandro dia fotoan’ny “tolona” – satria manosika hiasa – sady fotoanan’ny fandinihana, satria raha tsy mendrika ny maha-izy antsika ny fomba fiainantsika, dia ho zary andro mahatahotra ho antsika ny fiavian’ny Tompo.
Ny fizorana toy ny zanaky ny mazava anefa dia manembantsembana ireo izay nisafidy hitakiky ao amin’ny haizin’ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-boninahitra, araka ny efa nolazaintsika omaly. Tsy mahagaga araka izany ny fisamborana sy ny fanaovana an-tranomaizina. Tsy natao hampihemotra anefa izany, hoy i Jesoa satria “occasion” hahafahana mijoro ho vavolombelona. Ny manam-pahefana sy ny mpanjaka mety hanampatra ny fahefany dia tsy hahasakana antsika tsy hiaina ny fitiavana. Izany fitiavana izany no hahafahana mampiteny ny Fanahy, izay hanome antsika fahendrena tsy azon’ny fahavalo hotoherina, no sady hanome antsika kosa ny faharetana. Tsy azo adino na oviana na oviana, araka ny efa nolazaina omaly, fa ny fahatsapana ho tia sy notiavina ihany no hahafahana miharitra fijaliana sy manohy “manantena na dia tsy misy tokony hanantenaina” aza (Rom 4, 18).
Tsara ho marihana fa efa rava ny Tempolin’i Jerosalema tamin’ny fotoana nanoratan’i Md Lioka ny Evanjeliny. Kanefa araka ny filazany, ny any Jodea handositra any an-tendrombohitra, ny any an-tanàna hivoaka any ivelany. Toa mifanohitra amin’ny fahendrena sy ny fanao mahazatra ny olona anefa izany, satria ny tanàna sy ny mandany aza no mety hiarovan-tena kokoa, noho ny fivoahana hifanehatra amin’ny fahavalo. Ny tiany holazaina amin’izany koa anefa dia ny hiakarana amin’ny toerana avo, hanakatra ny fijerin’Andriamanitra mba hahita toa Azy koa ny zava-misy; hiala ao an-tanàna, tsy hihainohaino fa hivoaka hiasa, hanohy ny fivelomana sy ny fiatrehana ny fiainana, fa koa hiala amin’ny mahazatra (ny tanàna moa ilazana ny toe-tsaina mikombona), ho sahy hanandrana fiainana vaovao, ka izay efa nanaiky hiasa any amin’ny saha, tsy hiverin-dalana halahelo ny tanàna efa nilaozana. Asan’ny Fanahy no manavao ny endriky ny tany, ka izay manaiky hiasan’ny Fanahy dia misokatra ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany.
Tsy famaizan’Andriamanitra anefa, Izy aza no fay, maty teo amin’ny hazofijaliana, fa famaizan’ny Romana, namalifaty, kanefa koa fanehoana fa tsy afaka ny hiantehitra amin’izay heveriny ho rehareha, ho tsara (tempoly tsy hisy vato mifanongoha), ho hery sy fiarovana ho azy ra-olombelona. Ny vehivavy bevohoka sy ny mitaiza kely anefa no hahita loza amin’izany (οὐαί ouai). Ny fanambaran’i Daniela (Dan 8, 13) ny amin’i Jerosalema hohitsakitsahin’ny tsy mpino, hitan’ny kristianina fa tanteraka dia entin’i Lioka hanampy antsika mba hiova famindra satria famonoan-tena ny tsy fanarahana ny lalam-pahasambarana atoron’ny Tompo. Tsy fiarovana izay heverintsika ho tsara sy sarobidy no maha-kristianina antsika, eny fa na dia mamirapiratra tahaka ny Tempolin’i Jerosalema aza izany, fa ny fijoroana ho vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika mandrakizay.
Aoka tsy harebirebin’ny olona amin’izay loza etsy sy eroa isika. Rehefa mamirapiratra amintsika ilay Masoandro manazava ny olon-drehetra, hoy i Joany, dia tsy hila masoandro na volana hanazava azy intsony ny tanàna (Apok 22, 5). Izay mahita fa ny fahafatesan’i Jesoa teo amin’ny hazofijaliana ho fisehoany am-pahefana sy voninahitra no afaka hampitràka ny lohany ka hihira ny famonjena efa akaiky, hahafahany miala amin’ny fibanjinana ny zavatry ny tany, ka hibanjina ny zavatra any ambonin’ny rahona, any amin’izay itoeran’i Kristy, hoy Md Paoly (Kolosy 3, 1)
Hiara-mitsangana amin’i Kristy, ho amin’ny fiainam-baovao anie isika manaiky hanara-dia azy amin’ny lalam-pitiavana, eny fa na dia hitondrana fijaliana aza izany matetika.