Talata faha-34 mandavan-taona
- Ankasa Fanambarana 14, 14-19/Salamo 95
- Tsy ankasa Daniela 2, 31-45/Daniela 3, 57-61
- Md Lioka 21, 5-11
Ny Jody dia niandry an’Andriamanitra hamaly faty ny mpanao ratsy ny vahoakany ary nanantena fiaraha-monina anjakan’ny rariny sy ny hitsiny. Saingy halatra sy risoriso no be dia be. Hatrany am-piandohan’ny Fiangonana, i Md Paoly, raha nanoratra ho an’ny Kristianina tany Tesalonika (2Tes 2, 1-12) no nilaza fa Fahamarinan’Andriamanitra ny “mamalifaty” amin’izay mampijaly antsika (2Tes 1,6) fa ny hany anjarantsika dia ny hisaotra an’Andriamanitra mandrakariva, hifanala halahelo ary haharitra amin’ny finoana sy ny asa soa (2Tes, 2, 13-17). Io faharetana io ihany koa moa no nasian’i Jesoa tsindrim-peo, satria antoky ny famonjena (Evanjely Lk 21, 5-11).
Tsara ho tsarovana mandrakariva anefa fa ny fahatezeran’Andriamanitra rehefa mirehitra dia manosika Azy handoro izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fitiavany ao amintsika, mahatonga Azy hiaritra hatramin’ny fahafatesana mba hanambaràny amintsika fa aleony maty toy izay tsy hanaja ny fahafahan’ny zanany, eny fa na dia hioko hanohitra Azy aza. Ny mpangataka lova mbola velona aza mahazo ny anjarany rehefa miverina (Lk 15).
Ny παρουσία (Parousia) moa, dia entina milaza ny Fiavian’i Kristy am-boninahitra izay hazavain’i Md Paoly amin’ny taratasy ho an’ny kristianina tany Tesalonika (2Tes 2, 1). Zavatra roa no asiantsika tsindrim-peo amin’izay fiandrasana an’i Jesoa izay: ny voalohany dia momba ny fitondran-tena, ny faharoa momba ny fivavahana.
Raha ho avy i Kristy, ny fiandrasana ny fiaviany dia tsy hanaovana an-tsirambina ny andraikitra amin’ny fandavorariana ny eto an-tany sanatria. Mazava ny hafatr’i Md Paoly momba izany: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka koa izy tsy hihinana” (2Tes 3, 10). Ny fiandrasana an’i Kristy araka izany tsy hamela antsika hanaonao foana fa “hijoro ho vavolombelona” na eo aza ny trangan-javatra mahatahotra sy ny ady aman-korontana isan-karazany (Evanjely).
Ny faharoa dia ny momba ny fivavahana: Maranatha! Avia, ry Jesoa Tompo. Aoka ho fo mahitsy no hivavahana, hoy Malakia Mpaminany. Ny Salamo 97 (Sal 97) dia milaza ny hafalian’ny Mpivavaka, manentana ny tontolo hifaly satria tonga ny androm-pamonjena. Tsy ho azo eritreretina anefa ho antsika kristianina ny hivavaka ho an’ny fahavoazan’ny fahavalontsika. Tsy azo adino ny fampianaran’i Kristy ho antsika (jereo Mt 5, 43-48). Na amin’ity fiainana ity araka izany, na amin’ny fiainana mandrakizay, dia tsy tokony ho ny soa ho antsika no hivavahantsika, fa ny mba hihariharian’ny voninahitr’Andriamanitra. Izany no tsy tokony hieritreretantsika akory izay havalintsika satria tia antsika ny Ray. Izay mivavaka toy izany, mazava loatra, dia tsy ho taitra amin’izay ady sy korontana misy etsy sy eroa.
Tsy azo adinoina fa ny hahatonga ny zanany rehetra any amin’ny fanasany no tanjon’Andriamanitra izay tokony ho fanirian’ny zanany rehetra koa, satria tsy hisy hanandrana ny fanasana eo raha tsy “au complet”, raha tsy tonga eo avokoa ny zanany rehetra. Ambaran’i Lioka fa tsy ny fitsenana ilay zanany mpandany nody ihany no nivoahany, fa ny mba hilaza ny fitiavany koa, ho an’ilay zoky tsy nieritreritra ny ho zanaka fa revo tamin’ny asa fanompoana (Lk 15).
Izany no mahatonga ny Evanjely manentana antsika tsy handany andro amin’ny hatsarana mandalo na sanatrian’izany ho sodokan’ny teny tsara lahatra ataon’ireo misandoka ho Andriamanitra, na ho solonteny, na ho iraka manokana avy Aminy. Aza manaraka azy ireny, hoy i Kristy. Tsy sanatria hoe mikorontana ny tany na misy olana ny fiainana dia izay no ho farandro. Ny farandro ho an’izay mino dia tsy faharavana fa fahatomombanan’ny lahatr’Andriamanitra ka « hamondronany ny zavatra rehetra ao amin’i Kristy ». Amin’ny alakamisy moa ho henontsika ny famaranana ataon’ny Evanjely mikasika ny zava-mampihorohoro: rehefa hitanareo minatomboka izany rehetra izany (ny fahoriana, ny fanenjehana, ny famonoana izay mitaky fijoroana ho vavolombelona avy amintsika) dia atraka ny loha fa akaiky ny fanavotana. Ho an’izay nahafoy mbamin’ny variraiventy sisa hivelomana (tahaka ilay vehivavy mpananontena Lk 21, 1-4), inona no hampahatahotra amin’izany?
Angataho Andriamanitra mba tsy ny tahotry ny hamoy ny zavatry ny tany no hibahan-toerana ao am-pontsika fa kosa ny faniriana hifanatri-tava amin’ilay efa tia antsika mialoha, ka hiandrasantsika ny hafenoam-pamonjena amin’ny andro hisehoany.