HAFATRA AVY AMIN’NY RAY MASINA FRANÇOISHO AN’NY ANDRO FAHAFITO MANERANTANY HO AN’NY MAHANTRA
Alahady tsotra faha-33 mandavan-taona
19 Novambra 2023
(Dikanteny fr. Njara Pascal OSsT)
“Aoka tsy havilinao tsy hijery ny mahantra na dia iray aza ny tavanao ” (Tb 4,7)
1. Ny Andro Maneran-tany ho an’ny mahantra, izay famantarana mahavokatra ny famindram-pon’ny Ray, dia tonga fanimpitony hanohanana ny dian’ny fiaraha-monina misy antsika. Fotoana hifanomezana amafisin’ny Eglizy tsikelikely ao amin’ny asa pastoraly imasoany izany, mba hahafahany mampiseho tsaratsara kokoa hatrany ny votoatin’ny Evanjely. Isan’andro dia manolo-tena handray ny mahantra isika, kanefa tsy ampy izany. Misy onim-pahantrana mikoriana mamakivaky ny tanànantsika ary mitombo hadiry hatrany mandrapaha-tondrany; toa manafotra antsika io renirano io, hany ka vao mainka mihamafy hatrany ny fitarainan’ireo rahalahy sy anabavy mangataka fanampiana sy fanohanana ary firaisankina. Noho izany, ny Alahady mialohan’ny fetin’i Jesoa Kristy, Mpanjakan’izao tontolo izao, dia mivory manodidina ny Latabany isika mba handray avy Aminy indray ny fanomezana sy ny fanoloran-tena hiaina ny fahantrana sy hanompo ny mahantra.
“Aoka tsy havilinao tsy hijery ny mahantra na dia iray aza ny tavanao” (Tb 4,7). Ity Teny ity dia manampy antsika hahatakatra ny fototry ny fijoroantsika ho vavolombelona. Ny fandinihana ny Bokin’i Tobia, lahatsoratra kely tsy dia fantatra loatra ao amin’ny Testamenta Taloha, nefa maharesy lahatra sy feno fahendrena, dia manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny votoaty tian’ny mpanoratra masina ampitaina. Fomba fiainam-pianakaviana iray no mivelatra eo anoloantsika: i Tobita raim-pianakaviana iray, nanao veloma an’i Tobia zanany lahy, izay efa hiainga hanao dia lavitra. Matahotra ny tsy hahita ny zanany lahy intsony i Tobita antitra ka namela ny “testamenta ara-panahi”-ny ho azy. Lasa sesitany tany Niniva izy taloha ary jamba ankehitriny, noho izany dia avo roa heny ny fahantrany, nefa azony antoka foana izay nolazain’ny anarany hoe: “Ny Tompo no soa ho ahy”. Io lehilahy io, izay nitoky foana tamin’ny Tompo, ary toy ny ray tsara, dia maniry ny hanome ny zanany, tsy ny zavatra ara-nofo loatra, fa ny fijoroana ho vavolombelona amin’izay lalana tokony haleha eo amin’ny fiainana, ka hoy izy taminy: “Isan’andro, anaka, tsarovy ny Tompo; mitandrema tena mba tsy hanota na oviana na oviana, na handìka ny didin’ny Tompo Andriamanitrao. Manaova asa soa amin’ny andro rehetra hiainanao, ary aza mandeha amin’ny lalan’ny tsy fahamarinana” (4, 6).
2. Araka ny hita eo no ho eo, ny fahatsiarovana azy takian’i Tobita antitra amin’ny zanany dia tsy voafetra amin’ny fitadidiana tsotra na amin’ny vavaka asandratra amin’Andriamanitra, fa amin’ny fihetsika mivaingana asehon’ny fanaovana asa soa sy ny fiainana araka ny rariny. Vao mainka misongadina kokoa ity fananarana ity: “Manaova fiantrana araka izay anananao amin’izay rehetra manao ny rariny. Aza manenina amin’izay asa fiantrana ataonao.” (4,7).
Tena mahagaga ny tenin’ity anti-panahy hendry ity. Aoka tsy hohadinointsika, fa taorian’ny nanaovany asa fiantrana no naha-jamba an’i Tobita. Araka ny fitantarany ny tenany, dia efa voatokana ho amin’ny asa fitiava-namana hatramin’ny fahazazany ny fiainany: «Ho an’ny rahalahiko sy ny mpiray tanindrazana amiko, izay nentina ho babo niaraka tamiko tany Niniva, tany amin’ny tanin’ny Asiriana, dia nanao fiantrana betsaka aho. […] Nomeko ny noana ny anjara mofoko, ary nomeko hiankanjoana ireo tsy mitafy, ary raha nahita fatin’ny mpiray tanindrazana amiko nariana tao ambadiky ny mandan’i Niniva aho dia nalevinako” (1,3.17).
Noho izany fijoroana ho vavolombelon’ny fitiavana izany, dia nalain’ny mpanjaka taminy avokoa ny fananany rehetra, ka nahantra tanteraka izy. Mbola nila azy anefa ny Tompo; rehefa niverina tamin’ny toerany tamin’ny maha mpitantana azy izy, dia tsy natahotra ny hanohy ny fomba fiainany. Andeha hohenointsika ny tantarany, izay miteny amintsika koa ankehitriny: « Tamin’ny fetin’ny Pantekôty, izany hoe ny fety masin’ny Herinandro, dia efa voaomana ny sakafo tsara ary efa nivonona hihinana aho. Natao teo anoloako ny latabatra feno hanim-pito loha. Dia hoy aho tamin’i Tobia zanako: “Mandehana, anaka, mitady mahantra ao amin’ireo rahalahintsika voasesitany tany Niniva, dia ireo mahatsiaro an’Andriamanitra amin’ny fony manontolo, ka ento hiara-misakafo amintsika izy. Izaho kosa, hiandry ny fiverenanao, anaka.” (2,1-2). Ho zava-dehibe manakory moa izany raha toa ka amin’ny Andron’ny Mahantra toy izao, no mba manana izany fanahian’i Tobita izany koa isika! manasa ny hizara ny sakafo antoandro alahady, rehefa avy nizara ny latabatry ny Eokaristia. Tonga mariky ny fiombonana tokoa ny Eokaristia ankalazaina amin’izany. Etsy an-daniny koa, raha toa tena tsapantsika ny maha-mpiray tampo antsika rehetra manodidina ny Otelin’ny Tompo, tsy mainka ve hampiariary izany firahalahiana izany ny fizarana sakafo mariky ny fety amin’ireo izay tsy manan-ko hanina!
Nanao araka izay nandidian-drainy azy i Tobia, nefa niverina nitondra ny vaovao fa nisy lehilahy mahantra maty novonoina ary navela teo afovoan’ny kianja. Tsy nihambahamba fa nitsangana niala teo ambony latabatra i Tobita antitra ary nandeha nandevina io lehilahy io. Nony tafody reraka izy, dia niretaka teo an-tokontany ka sondrian-tory; nilatsahan’ny taim-borona ny masony ka tonga jamba izy (jereo 2,1-10). Fanesoana tsisy toa izany: manao asa fitiava-namana ianao ary ianao indray no idiran-doza! Mety hieritreritra toy izany koa isika; fa ny finoana no mampianatra antsika hiroso lalindalina kokoa. Ny fahajamban’i Tobita dia lasa tanjaka vaovao ho azy nahafahany namantatra bebe kokoa ireo endrika fahantrana maro hafa nanodidina azy. Ary ny Tompo no hanome amin’ny fotoana voatondro ny fahamerenana amin’ity raim-pianakaviana antitra ity indray ny fahitana sy ny hafaliana amin’ny fahitana indray an’i Tobia zanany. Nony tonga io andro io, “dia namihina ny vozon-janany i Tobita ka nitomany nanao hoe: “Mahita anao indray aho, anaka, fahazavan’ny masoko!” Ary hoy izy: “Isaorana anie Andriamanitra! Isaorana anie ny anarany lehibe! Sambatra ny anjeliny masina rehetra! Ho amintsika anie ny Anarany lehibe ary isaorana anie ny anjeliny rehetra amin’ny taona rehetra mandrakizay. Satria namely ahy Izy, fa i Tobia zanako izao no hitako” (11,13-14).
3. Afaka manontany tena isika hoe: Aiza no anovozan’i Tobita ny herim-po sy ny hery anaty, hahafahany hanompo an’Andriamanitra eo anivon’ny mpanompo sampy sy ho tia ny namany na dia mety haningotra ny ainy aza? Ohatra iray miavaka no eo anoloantsika: i Tobita dia vady mahatoky ary ray be fiahiana; noroahina lavitra ny tanindrazany izy ary nijaly tsy ara-drariny; nenjehin’ny mpanjaka sy ny mpiara-monina taminy… Na dia tsara fo aza izy, dia nozahan- toetra. Araka ny ampianarin’ny Soratra Masina antsika matetika, dia tsy mitsitsy fisedrana ho an’izay miezaka hanao ny tsara Andriamanitra. Fa nahoana tokoa? Tsy sanatria hanalana baraka antsika no anaovany izany fa mba hanamafisana ny finoantsika Azy.
Tobita, tamin’ny fotoan’ny fitsapana, dia mahita ny fahantrany manokana, izay mahatonga azy ho afaka hamantatra ny mahantra. Mahatoky amin’ny Lalàn’Andriamanitra izy ary mitandrina ny didy, nefa tsy ampy ho azy izany. Ny fifantohana azo tsapain-tanana amin’ny mahantra dia azony natao satria niaina ny fahantrana mivantana izy. Noho izany, ny teny nataony tamin’i Tobia zanany no tena lova navelany: “Aoka tsy havilinao tsy hijery ny mahantra na dia iray aza ny tavanao” (4,7). Raha fintinina dia hoe rehefa eo anatrehan’ny mahantra isika dia tsy afaka mampitodika ny masontsika ho any an-kafa, satria hisakana ny tenantsika tsy hihaona amin’ny tavan’i Jesoa Tompo izany. Ary tsara ho marihina ny hoe “ny mahantra tsy misy ankanavaka na dia iray aza”. Mpiara-monina amintsika avokoa izy ireny. Tsy mampaninona izay volon-kodiny, izay saranga misy azy eo amin’ny fiarahamonina, izay fiaviany… Raha mahantra aho, dia fantatro hoe iza ilay rahalahiko tena mila ahy. Antsoina isika mba hihaona amin’ny mahantra rehetra sy ny karazana fahantrana rehetra, amin’ny fanozongozonana mba hampiala amintsika ny tsy firaharahiana sy ireo fisehoan-javatra mety iarovantsika ny fahasambarana mamitaka.
4. Miaina vanim-potoana ara-tantara izay tsy mivaky loha ny amin’ny mahantra isika izao. Miha-mafy hatrany ny antso ho amin’ny fiainana tonga lafatra, fa ampanginina kosa ny feon’ireo miaina ao anatin’ny fahantrana. Matetika isika no manao tsinontsinona izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny lasitra mifanaraka amin’ny filan’ny tanora, dia ireo izay marefo indrindra manoloana ny fiovan’ny kolontsaina. Ny zavatra tsy mahafinaritra sy miteraka fijaliana dia ezahana afenina, fa ny hatsaran’ny toe-batana no ahindrahindra toy ny tanjona lehibe hotratrarina. Ny zava-misy virtoaly (ao amin’ny sera) no lasa manan-danja kokoa noho ny tena fiainana, hany ka miha-mora hatrany ny mampifangaro ireo tontolo roa ireo. Lasa kisary mampihetsi-po vetivety ihany ny mahantra, fa rehefa tena mihaona mivantana amin’izy ireo eny an-dalana dia ny fahasosorana sy ny fanilikilihana no mahazo laka. Ny firotorotoana, sakaizan’ny fiainana andavan’andro, dia manakana antsika tsy hijanona, hamonjy sy hikarakara ny hafa. Ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy (jereo Md Lioka 10,25–37) dia tsy tantara mahakasika ny lasa, fa mampahatsiaro antsika ny zava-misy iainantsika tsirairay avy. Mora ny manilika andraikitra amin’ny hafa; Ny fanomezana vola hahafahan’ny hafa manao asa fiantrana dia fihetsika maneho fahafoizana; ny fandraisana anjara mivatana kosa dia fiantsoana ny kristianina tsirairay.
5. Isaorantsika Izy Tompo fa maro ny lehilahy sy vehivavy manokan-tena ho an’ny mahantra sy ny voahilika ary mizara amin’izy ireo; olona avy amin’ny sokajin-taona sy ny saranga rehetra izay mampiantrano sy mikatroka eo anilan’ireo izay voahilikilika sy mijaly. Tsy supermen izy ireo fa « mpifanolo-bodirindrina » mihaona amintsika isan’andro ary manaiky am-pahanginana ho mahantra hiaraka amin’ny mahantra. Tsy manome zavatra fotsiny izy ireo: mihaino, mifampiresaka, miezaka ny hahatakatra ny toe-javatra sy ny anton’izany, mba hahafahana manome torohevitra mifanaraka amin’ny zava-misy sy kitro hifaharana azo antoka. Tsy hodiany tsy hita ny filana ara-nofo fa tsy adinoiny koa ny ara-panahy, mba hampivoarana ny maha-olona manontolo. Izany fanompoana feno fahalalahan-tanana sy atao maimaimpoana izany no mahatonga eo anivontsika ny Fanjakan’Andriamanitra ka hahitan’ny olona azy; tena mitovy amin’ilay voa latsaka teo amin’ny tany tsara ny fiainan’ireny olona ireny ka mamoa ( Lioka 8, 4-15 ). Tokony hampilololotra ny vavaka ataontsika ny fankasitrahana an’ireo mpilatsaka an-tsitrapo maro mba hahavokatra ny fijoroany ho vavolombelona.
6. Amin’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Taratasy Ansiklika Pacem in terris, dia laharam-pahamehana ny fandraisana ny tenin’ny Papa Joany XXIII rehefa nanoratra izy hoe: “Ny olona rehetra dia manan-jo hiaina, hanana fahamendrehana ara-batana, ho afaka hiary izay ilaina sy ampy mba hananana fari-piainana mendrika ny maha-olona, indrindra momba ny sakafo, ny fitafiana, ny trano, ny fialan-tsasatra, ny fitsaboana, ny asa sosialy. Ary noho izany dia manan-jo hahazo fiantohana raha sendra aretina, na fahasembanana, na mananotena, na fahanterana, na tsy an’asa, ary amin’izay rehetra mety hahavery ny antom-pivelomana noho ny toe-javatra tsy niankina tamin’ny sitrapony” (n. 6).
Endrey ny asa mbola miandry antsika mba hahatonga ireo teny ireo ho zava-misy, ary koa amin’ny fikatrohana ara-potitika sy amin’ny famolavolana lalàna matotra sy mahomby! Na dia eo aza ny fetra ary indraindray ny tsy fahombiazan’ny politika amin’ny fikatsahana sy ny fiarovana ny soa iombonana, dia enga anie mba hitombo ny firaisankina sy ny fiaraha-miasan’ny olom-pirenena maro izay mino ny lanjan’ny fanoloran-tena an-tsitrapo ho an’ny mahantra. Fanentanana sy fanerena ireo andrim-panjakana mba hanao tsara ny adidiny moa izany; tsy tsara kosa anefa ny mijanona mangina miandry hahazo ny zavatra rehetra « avy any ambony »: ireo izay miaina ao anatin’ny fahantrana dia tsy maintsy mandray anjara sy tantanina amin’ny lalan’ny fiovana sy ny fandraisana andraikitra.
7. Indrisy fa mahita endrika fahantrana vaovao izay manampy ireo efa voalaza teo aloha koa isika. Tsaroako manokana ny mponina any amin’ny toerana misy ady, indrindra fa ireo ankizy sady tsy miaina ny filaminana ankehitriny no tsy hanana ho avy mendrika ny maha-olona. Tsy hisy olona ho zatra amin’ny toe-javatra toy izany; Ndeha hotohizana ny ezaka rehetra mba hanorenana ny fiadanana izay fanomezan’ny Tompo nitsangan-ko velona no sady vokatry ny ezaka hampanjaka ny rariny sy ny fifampiresahana.
Tsy azoko adinoina ireo filàna tombony amin’ny sehatra samihafa, izay miteraka ny fidangan’ny vidim-piainana ka mahatonga ny fianakaviana maro ho sahirana kokoa. Ny fahalanian’ny karama vetivety dia miteraka fihafiana izay tsy mifanaraka akory amin’ny fahamendrehan’ny maha-olona. Raha toa ka tsy maintsy misafidy na ny sakafo hivelomana na ny fanafody hitsaboana ny fianakaviana iray, dia ny feon’ireo mitaky ny zo mba hananan’ny olon-drehetra ireo zavatra roa ireo no tsy maintsy hohenoina, amin’ny anaran’ny fahamendrehana maha-olona.
Ankoatra izany, ahoana no tsy hahitantsika ny fikorontanana ara-moraly eo amin’ny tontolon’ny asa? Ny fitondrana tsy mendrika ny maha-olombelona mahazo ny mpiasa maro; tambin-karama tsy mifanentana amin’ny asa vita; ny asa tselika sy tsy maharitra; ireo olona marobe iharan-doza, matetika noho ny arofenitra tsy voahaja intsony noho ny toe-tsainate hahazo tombony haingana… Tonga ao an-tsaina ny tenin’i Md Joany Paoly II manao hoe: «Ny fototra voalohany amin’ny hasarobidin’ny asa dia ny olombelona ihany. […] Voatendry sy voantso hiasa ny olona, […] fa ny asa dia voalohany indrindra “ho an’ny olona”, fa tsy ny olona no “ho an’ny asa” (Enc. Laborem exercens, 6).
8. Izao fitanisana izao, izay efa mahavaky fo tokoa, dia maneho amin’ny ampahany ihany ny toe-javatra momba ny fahantrana hita eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Tsy azoko tsinontsinoavina, indrindra, ny olana miha-miharihary isan’andro ary misy fiantraikany amin’ny tontolon’ny tanora. Firifiry moa ny hakiviana eo amin’ny fiainana, izay mahatonga ny tanora hamono tena mihitsy aza, satria voafitaky ny kolontsaina izay mahatonga azy ireo hihevi-tena ho “tsy misy fotony” sy “tsy mahomby”. Aoka isika hanampy azy ireny hiaro tena manoloana ireo fiantsiana manimba ireo, mba hahitan’ny tsirairay ny lalana tokony harahina hanorenana toetra mafy orina sy tia mizara.
Mora ny manao kabary rehefa miresaka momba ny mahantra. Fakam-panahy mamitaka ihany koa ny mijanona amin’ny antontan’isa sy tarehimarika. Ny mahantra dia olona, manana endrika, manana tantara, misy fo mitempo sy fanahy. Rahalahy sy anabavy manana ny fahamendrehany sy ny fahalemeny izy ireo, toy ny olon-drehetra, ka zava-dehibe ny miditra amin’ny fifandraisana manokana amin’ny tsirairay amin’izy ireo.
Ny Bokin’i Tobia dia mampianatra antsika ny toetra tokony hampiavaka ny asa ataontsika miaraka amin’ny mahantra sy ho an’ny mahantra. Fahamarinana manosika antsika hifampitady sy hihaona mba hanatsarana ny rindran-damina ilaina mba hahafahan’ny fiaraha-monina (communauté) miseho amin’ny maha-izy azy izany. Noho izany, ny fiahiana ny mahantra dia tsy azo ferana amin’ny fanampiana vonjimaika; fa mitaky ny hamerenana indray araka ny tokony ho izy ny fifandraisana amin’izy ireo, izay mazàna nosimbain’ny fahantrana. Amin’izany, ny “aoka tsy havilinao tsy hijery ny mahantra ny tavanao” dia hahafahana mahazo ny soa avy amin’ny famindram-po, avy amin’ny fitiavana izay mampisy heviny sy lanjany ny fiainana kristiana rehetra.
9. Enga anie ny fiahiantsika ny mahantra ho voamariky ny fahamarinan’ny Evanjely mandrakariva. Ny fifampizarana dia tokony hifanaraka amin’ny tena filan’ny hafa, fa tsy sanatria ho fizarana ny ambim-bava. Eto koa dia ilaina ny fahaiza-manavaka, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, mba hahafantarana ny tena ilain’ny rahalahintsika fa tsy izay faniriantsika tsy akory. Ny azo antoka fa tena ilain’izy ireo maika dia ny maha-olombelona antsika, ny fontsika misokatra ho an’ny fitiavana. Aoka tsy hohadinointsika fa : “Nantsoina isika mba hahita an’i Kristy ao anatin’izy ireo, hanome azy ireo ny feontsika mba hisolo vava azy ireo, ary ho sakaizany koa, hihaino azy, hahazo izay lazainy, ary handray ny fahendrena mahagaga izay tian’Andriamanitra hampitaina ho antsika amin’ny alalan’izy ireo” (Evangelii gaudium, 198). Ny finoana dia mampianatra antsika fa zanak’Andriamanitra ny mahantra rehetra ary ao aminy i Kristy: “Na inona na inona nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto dia Amiko no anaovanareo izany” (Mt 25,40).
10. Feno 150 taona amin’ity taona ity ny nahaterahan’i Md Terezin’i Jesoa Zazakely. Ao amin’ny pejy iray ao amin’ny Tantaran’ny fanahy iray dia manoratra toy izao izy: « Ankehitriny dia takatro fa ny fitiavana tonga lafatra dia ny fandeferana ny kileman’ny hafa, amin’ny tsy fahatairana na oviana na oviana amin’ny fahalemen’izy ireo, amin’ny fankaherezana ny tenantsika amin’ny hatsaram-panahy faran’izay kely indrindra hitantsika ao amin’izy ireo, fa ambonin’ny zavatra rehetra dia takatro fa tsy tokony ho voagadra any amin’ny atifo lalina ny fitiavana: “Tsy misy mandrehitra jiro, hoy Jesoa, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo ambony fanaovan-jiro mba hanazava izay rehetra ao an-trano”. Amiko io fanilo io dia maneho ny fitiavana izay tsy maintsy manazava sy mampifaly, tsy ho an’ireo izay tiako kokoa, fa ho an’ireo rehetra izay ao an-trano, tsy hanavahana na iza na iza » (Ms C, 12r°: Œuvres Complètes, Rome 1997, 247).
Ao amin’io trano izay tsy iza fa izao tontolo izao io dia manan-jo hohazavain’ny fitiavana ny tsirairay, tsy misy azo tsy omena. Ny fikirizan’ny Fitiavan’i Mb Terezikely anie hanentana ny fontsika amin’izao andro maneran-tany izao, hanampy antsika “tsy hanala ny masontsika amin’ny mahantra” ka hifantohany hatrany amin’ny endrika maha-olombelona sy maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy Tompo.
Roma, Md Jean-de-Latran, ny 13 Jona 2023, fahatsiarovana an’i Masindahy Antoine de Padoue, olo-masina mpiaro ny mahantra.
FRANÇOIS