Zoma faha-32 mandavan-taona
- Ankasa 2 Joany 4-9/Salamo 118
- Tsy ankasa Fahendrena 13, 1-9/Salamo 18
- Md Lioka 17, 26-37
Amin’izay hitoeran’ny faty no hiangonan’ny voromahery.
Manahirana ihany ny mahazo izany teny izany, saingy fantantsika fa avy amin’ny fahafatesany no nampidiran’i Kristy antsika amin’ny fiainany. Amin’ny ora hialany aina no nanomezany antsika ny Fanahy (Jo 19,30). Tsy mahagaga raha ny andro hahafatesana amin’ity fiainana ity no antsoin’ny Fiangonana hoe “dies natalis”, andro fahaterahana, satria handrombahan’ny voromahery izay mety ho ‘nofo’, ary itondran’ny mpijinja any an-tsopitra ny voa tsara.
Ambaran’ny Evanjely anefa fa tsy tokony hivaky loha amin’ny embona ny lasa na ny fitsinjovana ny ho avy isika, tsy hierika tahaka ny vadin’i Lota, ary tsy hiverina haka izay mety hitsinjovana ny ho avy, tsy sanatria hidina indray ao amin’ny trano efa nilaozana.
Nôe sy Lôta moa no ohatra raisin’ny Evanjely. Ny iray navotana tamin’ny safo-drano, ny iray navotana tamin’ny afo sy solifara. Saingy ny olona kosa, ny tombontsoany sy ny hafinaretany no nimasoany. Taranaka fangoloka, hoy Md Piera (Asa 2, 40). Ny an’ireo manaiky ny Tenin’Andriamanitra kosa dia ho difotry ny ranon’ny Batemy ary hodiovin’ny afon’ny Fanahy Masina. Tsy ny handositra hiala eo amin’izao tontolo izao manko no sitrak’i Jesoa ho an’ny mpianany fa ny mba ho voaaro amin’ny Ratsy (Jo 17, 15). Ny fiovana toe-tsaina (metanoia, fibebahana) no takian’i Jesoa, ka hahatsapana fa ny fampiasàna ny fiainana ho laniana hanasoavana ny hafa no mampisy heviny sy mahatonga azy ho sarobidy, ho vary angonina any an-tsompitra rahatrizay. Very hasina ny fiainana heverina hotahirizina satria hakombon’ny fitiavan-tena tsy hahita afa-tsy ny soa ho azy. Tsy afaka ny hahafoy ny fiainany ho laniana ho an’ny hafa izay tsy mahatsapa fa fanomezana avy amin’Andriamanitra izay eo am-pelatanany.
Tsy ny fananana ihany anefa no tsy maintsy lavina (Lk 14, 33) fa ny tena mihitsy, ary izay nafoy dia tsy tokony hiverenana intsony, hoy isika teo aloha. Ny alika no miverina amin’ny nalohany, hoy ny ohabolana ampiasain’i Md Piera (2 Piera 2, 22), ka izay efa mitory eny an-tafontrano tsy hiverina noho ny alahelo ny fananana navela ao an-trano; izay efa nivoaka hiasa eny an-tsaha, namaly ny antson’ilay Tompon’ny voly, tsy hiverina haka izay nilaozany. Tsy sanatria hilaza fa hanao fakofako ny zavatra rehetra, toa an’i Md Paoly (Fil 3, 8) mihoatra amin’ny fahalalana an’i Kristy, kanefa amin’ny fiainana dia fakofakoina avokoa izay hita rehetra, na sanatria atao fitadiavana harena sanatria ny fampianarana momba an’i Kristy.
Tsara ny manamarika izay lazain’ny Evanjely fa olona roa miara-manao zavatra mitovy dia tsy mitovy ny hanjò azy. Midika izany fa tsy ny fanahafana ny ataon’ny olona (na izay ataon’ny besinimaro) akory no hahavonjy antsika sanatria, fa kosa ny fanekena am-pahalalahana hanome ny aina mba ho fandraisana anjara amin’ny fanehoana amin’izao tontolo izao fa fitiavana Andriamanitra, ary Izy no efa nitia antsika mialoha.
Hanampy antsika hanolotra ny tenantsika manontolo ho sorona ankasitrahany (Rom 12, 1) anie ny fihainoana sy ny fandinihantsika ny Teniny isan’andro.