ZOMA II FIAVIANA
Izaia 48, 17-19 / Sal 1 / Md Matio 11, 16-19
Modely ho antsika i Jesoa, ilay Mpanavotra. Ny hevitry ny hoe Tompo, mpanavotra (גָּאַל ga’al) izay miverina matetika ao amin’ny Bokin’Izaia (omaly koa tao amin’ny toko 41) dia entina hilazana ny hetsika ataon’ny olona hoentina hanavotana ny havany, na velona na maty. Raha maty dia hotakiana ny rany (Nm 35, 19-27), raha tsy nanan-janaka dia homena taranaka (Rt 3,12-4,14, sy ny lalànan’ny Levirà). Raha lasan-ko babo na bokan’ny trosa kosa dia aloha ny vidiny na efaina ny trosany (Lv 25, 23-28.47-49). Dia henontsika amin’ny vakiteny voalohany fa Andriamanitra no manavotra ny vahoakany, izany hoe mitolo-tena ho havantsika, tsy menatra ary tsy manary ny vahoakany, na inona na inona hadalana vitany, na inona na inona hamafisan-dohany hatrizay. Efa nohamarininy maimaim-poana isika hoy i Md Paoly (Rm 3,24).
Tohin’ny fananarana nataon’Andriamanitra amin’ny vahoakany izany, nambarany ny tsy fahamendrehan’ny vahoaka ary asehony fa ho voninahitry ny anarany no hamonjeny antsika. Ny fampianarany anefa dia tsy ho azy fa ho soa ho antsika ihany, mba hahitantsika ny lalana hizorana.
Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, hoy ny Salamo: toy ny hazo maniry amoron-drano velona, tsy malazo ravina ary izay rehetra ataony mahomby avokoa. Tsy fahombiazana araka ny fisainan’izao tontolo izao anefa izany, sanatria, fa fahombiazana mampisy heviny ny fiainana, ka tsy hampanakofa azy. Misy heviny tokoa manko ny fiainana rehefa mandeha araka izay irin’Andriamanitra ary mifanaraka amin’izany faniriany izany ny faniriantsika. Misy heviny ny fiainana, hoy ny torohevitry ny Evanjely, rehefa hatolotsika ho sorona, hanasoavana ny hafa.
Inona tokoa moa no atao raha toa ka mila voa tsy hary ny olona? Hitsofana mozika tsy mandihy, hitomanizana tsy misaona. Ao am-pontsika ao manko no mifandipatra ny alahelo sy ny hafaliana, ka raha tsy haintsika ny misafidy izay tian-ko tompoina dia manjary filam-baniny sy filan-kisa amin’izay ataon’ny hafa fotsiny ny fiainana. Ny fo tsara manko dia mahay mifaly amin’ny tsara ary malahelo amin’ny mety ho fahorian’ny hafa; ny fo ratsy kosa dia mifaly amin’ny fahavoazan’ny sasany ary tsy mahita hafaliana rehefa tsy izy no ivon’ny firavoravoana.
Fa ankoatra izany, ny fibebahana atoron’i Joany, asainy ampamokarintsika tsy tiantsika arahina satria hoe mafy loatra, ny hafaliana omen’i Jesoa kosa tsy raisina satria hoe tsy mifanaraka amin’ny fahamendrehana, tsy rariny. Tokony ho haintsika anefa ny manavaka ny alahelo marina, vokatry ny fahatsapana ny haratsin’ny fahotana sy ny alahelo mety ho vokatry ny fitiavan-tena diso toerana; tokony ho haintsika ny misafidy ny hafaliana maharitra mandrakizay ka tsy ho sodokan’izay hafaliana mandalo sy miserana miaraka amin’ny fiseran’izao tontolo izao.
Ho haintsika anie ny hitomany manoloana izay mety ho fahasimbana ateraky ny fahotana, hiditra amin’ny alahelo mampibebaka araka ny lazain’i Md Paoly (2Kor 7. 8-10) ary hifaly amin’ireo soa rehetra aorin’ny zanaky ny fanjakana kosa mba hanohizany ny asan’ilay Mpanavotra, mitady mandrakariva ny fomba hanavotana ny olombelona harin-tanany.
“Eo amin’ny toerana tsy misy fitiavana, mamafaza fitiavana fa hioty fitiavana ianao. Izay fitiavana izay nohitsarana ny fiainantsika rehefa tapitra ny fivahinianana ety an-tany”, hoy Md Jean de la Croix. Hamokatra fitiavana anie ny fiainantsika rehetra, ho voninahitr’Andriamanitra.