ALAKAMISY II FIAVIANA
Izaia 41, 13-20 / Sal 144 / Md Matio 11, 11-15
Ilay Masin’Israely no mpanavotra anao, ilay Masin’Israely no nahary izao tontolo izao. Eo anatrehan’Andriamanitra dia mahatsiaro tena ho tsinontsinona isika: kankana aho fa tsy olona, voahilikilika sy tondroin’ny olona molotra (Sal 22,7). Fa hoy Izaia hoe: aza matahotra, ry kankana avy amin’i Jakoba, ry sisam-paty tamin’Israely (MT). Izay mahatsapa ny maha-tsinontsinona azy no afaka higoka ny hatsaram-po amam-pahalehibeazan’Andriamanitra. Arakaraky ny fahatsapantsika ny tsy fahamendrehana manko no hahatsapantsika ny fitiavana maimaim-poana itiavan’Andriamanitra antsika. Sy isafidianany antsika ho mpiara-miasa aminy, ho taratry ny Voninahiny.
Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo, hoy ny salamo, ary mambomba ny asany rehetra ny fangorahany. Indraindray anefa heverin’ny sasany fa tsara amin’ny tsara fanahy ihany ny Tompo, ka raha sanatria manota isika dia faiziny, saziany in-droa mihantaona… Fantatsika fa maty ho antsika i Kristy fony isika mbola mpanota, hoy i Md Paoly (Rm 5, 8).
Ny Evanjely dia milaza fa ao amin’i Jeosa no manomboka izany Fanjakan’Andriamanitra izany. I Joany Batista dia namarana ny Testamenta Taloha, nanondro fa tsy fampanantenana poakaty ny fitiavan’Andriamanitra ny vahoakany fa fitiavana marina tokoa, nasehon’ilay Zanak’ondry manala ny ota.
Hatramin’ny andron’i Joany no mankaty, dia azo an-keriny ny Fanjakan’Andriamanitra ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy. Misy fanazavana roa omen’ny TOB (traduction oecuménique): ny voalohany dia araka ny lazain’i Md Lioka hoe hiezaka hiditra amin’ny varavarana hety (Lk 13,24; 16,16) kanefa ny herisetra dia tsy mifanaraka amin’ny fomban’Andriamanitra. Mianara amiko fa malemy fanahy aho, hoy i Jesoa (Evanjely omaly). Izay no mahatonga ny fandikan-teny hiova, tsy hoe azo an-keriny fa azon’ny mpanao an-keriny, ka ny maherisetra no mijijy ny baolina.
Ity dikan-teny faharoa ity (amin’ny italiana ohatra: il Regno subisce violenza; TOB kosa: Le Royaume des cieux est assailli avec violence) dia manampy antsika hahazo bebe kokoa ny fomba tokony hiainan’ny Kristianina, tsy hanampatra hery na fahefana mba hanavaozana ny tany, fa hanaiky hiasan’ny Fanahy Masina, ka ho tonga fitaovana mahomby eo am-pelatanan’Andriamanitra, hanavaozany ny endriky ny tany ho tonga sahan’Andriamanitra, famirapiratan’ny famindram-pony sy ny fitiavany.
Izay kely indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe kokoa noho i Joany, satria teraka ho zanaka, mandray ny Fanahy maha-zanaka, ary tena zanak’Andriamanitra tokoa, hoy Md Joany (1Jn 3,1), miombona amin’ny maha-Andriamanitra Azy (2 Piera 1, 4). Tsy fiainana mandeha ho azy anefa izany fa araka ny lazain’i Md Lioka hoe hiaran’ny herisetra sahala amin’ny mpaminany sy ny olomarina rehetra. Izany no hampamoahana ny ran’ny mpaminany sy ny olomarina rehetra hatramin’ny fiandohana ka hatramin’ny fiafaran’izao tontolo izao, i Abela sy Zakaria moa no olomarina sy mpaminany novonoina voalohany (Jen 4, 8-10) sy ny novonoina farany (2Tantara 24, 20-24) ao amin’ny Baiboly Hebrio, canon palestinianina (Lk 11, 51).
Tsy hoe azon’ny mpanao an-keriny araka izany ny Fanjakan’ny lanitra fa tafihan’ny mpanao an-keriny. Ny malemy fanahy no handova ny tany, ary an’ny mahantra io fanjakana io, hoy i Md Matio (Mt 5, 3), saingy mahery kokoa noho ny ratsy ny tsara, tsy handesy na oviana na oviana ny hazavana ny haizina. izay no mahatonga an’i Paoly hampianatra sy hamporisika antsika “handresy ny ratsy amin’ny soa” (Rm 12, 21).
Ho haintsika anie ny hiaino an’i Elia, hiaino izay sitrak’Andriamanitra hanomana ny fonstika mba handray Azy marina tokoa (cf Malakia 3, 23) ka hahafeno fatra ny hafaliantsika amin’ny fahatongavany.