ALAROBIA II FIAVIANA
Isaia 40, 25-31 / Sal 102 / Md Matio 11, 28-30
Ny zatovo mety sasatra sy vizana, ary ny zokiolona mety ho solafaka ka hianjera, fa izay miankina amin’ny Tompo kosa hahazo hery vaovao, hiazakazaka tsy hahalala sasatra, handeha tsy hahatsiaro vizana. Afaka manankina ny fiainana amin’Andriamanitra izay miaiky fa tsy misy toa Azy izay mety ho sampy amboarin’ny tanan’olombelona. Tsy sampy toa sari-sokitra ihany izay fa mety ho fanompoana ny fahaizana sy ny fahendren’olombelona ihany koa.
Izay mitoky amin’ny Tompo araka izany tsy afaka ny tsy hisaotra azy, satria tsy zavatra mbola handrasana no hivavahana sy hanompoana an’Andriamanitra fa ny soa sesehena efa narotsany sy tohizany arotsaka amintsika. Aza misy hadinoina ny soa avy aminy, hoy ny Salamo setriny.
Avia aty amiko ianareo izay mijaly sy mesaram-pahoriana fa hanamaivana anareo aho! Taitra aho ka nifoha tamin’ny torimasoko, hoy i Jeremia, ary hitako fa hay moa nofy ihany izany (Jer 31, 26) saingy nofy hotanterahin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Zanany.
Inona anefa no atao mba hohamaivanina? Hitondra ny ziogany, hoy i Jesoa. Ny Jioga dia entin’Israely hilazana ny Lalàn’Andriamanitra, voasoratra na am-bava, jioga mora entina satria hahazoana fahalalana, hoy ny Sirasida (51, 26-27), ary ambaran’i Jesoa fa ny lalàna omeny dia mitondra amin’ny fahasambarana. Tsy tahaka ny fanomezan’ny hafa lalàna anefa no nataony: mianara amiko, hoy izy. Mianatra aminy ny fiainana maha-zanaka mba hahafahana mandova ny fiainana miaraka aminy. Amin’ny fiainan’i Jesoa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po no hanahafantsika ny lalàna mitondra amin’ny fiadanana.
Sambatra ny malemy fanahy, hoy izy fa izy no handovany tany. Ny Salamo 37 moa no mampianatra antsika ny atao hoe fahalemem-panahy. Tsy tokony ho tezitezi-poana amin’ny ataon’ny ratsy fanahy na hialona ny mpanao ratsy, fa hifehy ny fahatezerana ka tsy hampiasa hery na sanatria hiantsy valifaty…
Ny fanetren-tena kosa indray dia lazain’i Jesoa fa raha tsy miova isika ka tsy tonga toy ny zazakely (paidion), izany hoe miakina tanteraka amin’Andriamanitra, matoky tanteraka azy, tahaka ny voalaza tao amin’ny vakiteny I, dia tsy afaka hiditra ny fanjakan’Andriamanitra. Izany fiekena fa miankina amin’Andriamanitra izany, no tena fanetren-tena.
Tsy midika ho fidonanam-poana izany sanatria, fa kosa fanarahana an’i Jesoa: raha misy te hanaraka ahy, handà ny tenany, hitia hatramin’ny farany ary hanaraka azy. Ny jioga no hahafahantsika mampiasa ny herintsika, tahaka ny atao amin’ny biby (omby) zogaina, mba tsy ho verivery foana. Ny mandray ny jiogan’i Jesoa araka izany dia ny manaiky hiara-mitarika ny angadin’ombiny, hiaraka hitarika aminy ny sarety, hiara-miasa aminy mba hamokatra ho azy. Tsy ho sanatria ho fahatsembohan’ny mpiasa mba hahazo ny mofom-pahoriana anefa (Salamo 127, 2a) fa fanompoana am-pitiavana hamalian’Andriamanitra soa ny mpanompony ao amin’ny torimasony (Sal 127, 2b). Izany fanompoana am-pitiavana izany no fanetren-tena (τᾰπεινός, tapeinos) nahatonga an’i Kristy nahafoy ny toetra naha-Andriamanitra ka nitafy ny fomba maha-olombelona amin’ny zavatra rehetra. Io no lalana nahafahany nitondra antsika ho any amin’Andriamanitra, hoy Md Irené.
O Ry Jesoa Kristy Tompo o, haraiko ianao na aiza na aiza, ary tsy ho reraka aho, na hiazakazaka aza satria miankina aminao (Vak I).