Sabotsy faha-30 mandavan-taona
- Ankasa Filipy 1, 18-26/Salamo 41
- Tsy ankasa Romana 9, 1-5/Salamo 147
- Md Lioka 14, 1.7-11
“Izay manetry tena no hasandratra.”
Lalana mankany amin’ny fahamboniana ny fanetren-tena. Lalana mitondra mankamin’ny voninahitra. Voninahitra: amin’ny teny grika doxa midika ho fanomezana toerana ambony, fiheverana ho zavatra sarobidy…fa amin’ny teny hebrio (Kav’od) kosa milaza ny lanja, ny vesatry ny zavatra iray : ny maha-izy azy ny zavatra iray. Tsy mitovy ny voninahitra omen’ny adala sy ny voninahitra atolotry ny mpanjaka. Ny mampalahelo anefa dia matetika, ny fitsaran’ny adala no safidiantsika, ny voninahitra avy amin’ny olombelona no atakalontsika ny lova maha-zanaka eo anatrehan’Andriamanitra.
Mba hahazoantsika tsara ny fampianaran’ny Evanjely androany anefa dia tsara ny manoritsoritra ny fampianaran’i Jesoa, mampiditra indrindra ny maha-sarobidy ny Famindrampon’Andriamanitra. Ny Evanjely araka ny nosoratan’i Lioka moa dia lazaina hoe Evanjelin’ny Famindram-po, ivon’izany fanambarana izany ny toko faha-15 vakiana amin’ny alahady faha-24 D.
Ao amin’ny toko faha-12 dia nilaza tamintsika ny faniriany ny hirehetan’ny afom-pitiavany i Jesoa (Lk 12, 49-52), afo izay manery antsika hiditra amin’ny varavarana ety (Lk 13, 22-30). Izy no varavarana, Izy no lalana mitondra antsika ho amin’ny famonjena. Miara-monina amintsika Izy, miara-misakafo amintsika ka mandinika ny ataontsika.
Ny Evanjely anio dia manamafy io fiarahan’i Kristy monina amintsika io. Mampianatra antsika ny tokony hatao raha mahazo fanasana isika. Tsy azo hadinoina fa ny Fanasana no maha-Fiangonana ny Fiangonana. Eglizy : voaantso hiombona ao amin’i Kristy ary voaantso hizotra ny lalam-pahamasinana, lalana izay izorana miaraka (syn-odos).
« Ny teny hoe “Eglizy (Fiangonana)” [ekklèsia, avy amin’ny teny grika hoe ek-kalein, “miantso ny any ivelany”], dia midika hoe “fiantsoana hivory”. Teny ilazana ny famoriam-bahoaka , izay ankapobeny amin’ny endrika ara-pivavahana. Io no fiteny nampiasaina matetika tao amin’ny Testamenta Taloha amin’ny teny grika amin’ny famoriana eo anatrehan’Andriamanitra ny vahoaka voafidy, indrindra ny famoriana teo Sinaia izay teo no nandraisan’i Israely ny Lalàna sy nanorenan’Andriamanitra azy ho vahoakany masina. Amin’ny fiantsoana hoe “Fiangonana” ireo ankohonana mpino voalohany izay nino an’i Kristy dia mahatsiaro tena ho mpandova an’ io fiangonana io » (KFK 751).
Eo am-pamaliana izany antso izany dia tsy sanatria fifaninanana ho lehibe sy ho hitan’ny olona no hiezahana, fa ny mba hapetraky ny mpanasa amin’ny toerana tokony hisy ny tena. Izany no fanentren-tena : ny fiekena ny maha-izy azy ny olona sy ny tena, fahaizana manaiky izay fahaizana sy izay mety ho kilema.
Mba azontsika bebe kokoa ny atao hoe fanetren-tena dia azo jerena ny foto-teny humus, dikan-teny latinina (midika hoe tany) lazain’ny grika ταπεινόω (tapeinoo), mampitovy tantana amin’ny tany. Izay manetry tena dia mahatsapa ny maha-vovoka azy ka mbola hody vovoka. Mahatsapa ny fahalemena sy ny fetra ka izay no mampisokatra amin’ny filàna ny hafa, amin’ny fahitana ny hafa ho rahalahy miara-mianala fa tsy ho mpifanandrina sanatria. Tsy izany ihany anefa, ny fahaizan’ny tany mandray ny fako sy ny loto, aorian’ny masoandro sy ny orana mifandimby dia manova ireo “humus” ireo ho zary zezika hahalonaka azy ka hampamokatra ny voly: ny fifanompoana no hahafahana mioty voka-tsoa lehibebe kokoa.
Tsy moramora anefa ny hanaiky ny fetran’ny tena, vao mainka tsy mora ny miaiky ny an’ny hafa. Ary tsy mandeha ho azy ny manaiky hampamokatra ny hafa, sao manko misalovana ny voninahitra mety ho an’ny tena. Tsy afa-mamokatra irery anefa ny “humus”, fitaovana ihany, zezika, fa ny mpamboly no miasa, mamafy, mikolokolo sy mijinja. Izay manetry tena araka izany dia mahita mandrakariva ny “asa lehibe” tanterahin’Andriamanitra amin’izay manaiky ho zanany.
“Raha manasa olona ianao dia aoka izay tsy hana-kavaly no hasainao”. Fampianarana natolony ilay loholon’ny Farisianina io, fampianarana mifanohitra amin’ny mahazatra. Ka raha izany ve amin’ny fanamasinana pretra na amin’ny fanamasinana eveka ireny, iza no voaasa voalohany? Ny fanajana ny tompon’andraikitra amin’ny fitondram-panjakana anefa tsy filazana ho fanilikiliana ny mahantra. Efa olana nisy hatramin’ny andron-dry Md Jakoba izany (Jak 2, 2-4). Dia aiza no nasiantsika ny fampianaran’i Jesoa? Mety hilaza ianao hoe ka tsy azo raisina ara-bakiteny anie ny Tenin’Andriamanitra fa voaasa tany amin’ny lamesa ny olon-drehetra. Dia ahoana àry no hampiharantsika izany tsy ara-bakiteny? (Mahakasika ny fanasàna ataontsika rehetra izany).
Ny sakafo atoandron’ny Sabbata manko dia tsy sakafo fe sakafo fotsiny fa fiaraha-mihinana maharitra mba hiresadresahana sy hifampizarana ny fiainana. Mandritra io sakafo io no nanaovan’i Jesoa ity fampianarana ity. Mazava loatra araka izany fa ny fanasana ataontsika amin’ny mahantra (tsy manan-kavaly) dia tokony ho fifampizarana amin’izy ireo ny fiainana ary fanekena koa handray izay mety ho takatr’izy ireo ka azony hifampizarana, mety ho resaka tsy hifampitohy akory aza. Ny fanasana azy ireo araka izany dia midika ho fandraisana azy ireo ho tapaka sy namana, fahaizana mihaino azy ireo.
Heveriko fa ezaka isan’andro no mandavorary ny fitiavantsika : isan’andro no hanamafisana ny faniriana ny ho masina. Isan’andro no hizahana ny endrik’i Jesoa ao amin’ny ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba… ao amin’ireo hanaovan-tsoa satria tsy manan-kavaly…
Tsy afaka ny hahita ny endrik’i Jesoa ao amin’ny hafa anefa isika raha tsy ao am-pontsika aloha no hanombohana izany fikarohana ny endriny izany, hibanjinantsika ny Lakroà, fahalavoana ho an’izao tontolo izao fa fandresena kosa ho an’Andriamanitra, fanehoany ny fetran’ny fitiavany ho antsika. Mila havaozina mandrakariva araka izany ny maha-kristianina antsika. Mila manontany tena matetika hoe : inona no maha-kristianina ahy? Izay endrika tiantsika manko no zahantsika amin’izay alehantsika. Raha ny voninahitra sy ny harena araka izao tontolo izao no endrika mahababo ny fontsika dia ho amin’izany no hanompanantsika ny fiainana manontolo. Raha toa ka i Kristy Voafantsika kosa sy ny ho an’ny fanjakany dia izay vao ho fointsika ho an’ny mahantra hatramin’ny fiainantsika manontolo aza… satria noho i Kristy sy ho an’i Kristy.
Ny Eokaristia no sakafo hanasana (καλέω kaleo, hiantsoana, ekklesia) antsika hiray aina Aminy ka hianarantsika ny fifanompoana, ny fanasana tongotra, ny fanekena ho andevon’ny hafa, satria ny hafalian’ny hafa no antom-pahasambaran’ny tena. Raha sanatria mba manan-katao isika dia mila tsaroana mandrakariva fa tsy fihantrana akory no hanampiantsika ny mahantra fa fiangaviana azy ireo kosa mba hizaran’izy ireo amintsika ny Fanjakan’ny Lanitra, satria izy ireo no tompony, an’ny mahantra ny fanjakan’ny lanitra (Mt 5, 3), ka loharanon-kafaliana dia ny ety an-tany ny mifampizara fiainana sy hafaliana amin’izy ireo.
Izany hafaliana izany no valisoa omanin’Andriamanitra ho an’izay mampiasa ny harena sy ny fiainany hanasoavana ny hafa: izy ireo no zanak’ilay Avo indrindra (Lk 6, 35).
Ho tia an’Andriamanitra tokoa anie ny fontsika, hazoto hanompo Azy ka hampitsiriany sy hotahiriziny ao am-pontsika ny hatsaram-panahy, hitovizantsika endrika tanteraka aminy, ka hahatonga antsika ho zanaka mpandova ny fanjakany.