Alarobia faha-30 mandavan-taona
- Ankasa Efezy 6, 1-9
- Salamo 144
- Tsy ankasa Romana 8, 26-30/Salamo 12
- Md Lioka 13, 22-30
Ampahatsiahivin’i Md Lioka isika fa eny an-dalana miakatra ho any Jerosalema i Jesoa. Tamin’iny lalana iny no nahitany ilay azon’ny jiolahy, amin’ily lalana iny no hamangiany an’i Samaria sy Galilea (Lk 17). Eo am-pampianarana ny tanàna sy ny vohitra izy no misy manontany hoe vitsy ve no ho voavonjy. Toa sarotra manko no mieritreritra fa ho vita ny mampifanaraka ny fiainana amin’izay takian’ny Evanjely.
Nanoratra mikasika ny “vavaka mamintina ny Evanjely” (Pater noster) aho, dia misy mametraka fanontaniana mitovitovy amin’izany ihany: iza no afaka hanao amin’ny fony tokoa ny vavaka nampianarin’i Jesoa? Amin’io vavaka io (Lk 11) anefa no anehoan’i Jesoa fa Izy Ray no miantso antsika ho zanany, na manao ahoana na manao ahoana ny toetrantsika. Tsy ny ezaka ataontsika no maha-zanaka antsika fa kosa ny maha-zanaka no manova ny toetra mba hitahiry fa tsy handanilany foana ny lova efa natolotra holovan-janaka. Izany no manova ny fomba fifandraisantsika amin’ny haren’ny tany, fanomezan’Andriamanitra ho antsika sy hanasoavana ny hafa (Lk 12).
Amin’ny Evanjely ambara anio dia entanina isika hahatsiaro fa tsy tsidi-pahitra akory ny maha-zanaka ka hahafahana manala tsiny ny tena indray andro any hilazana fa mba efa nihinana sy nisotro teo anatrehan’Andriamanitra ihany, efa mba teo an-kianja ihany nihaino ny fampianarany, kanefa ny fiainana nolaniana amin’ny fanaovan-dratsy.
Araka izany, tsy hoe ezaka mba ho tsaratsara kokoa ny atao hoe “fibebahana” fa kosa fahatsapana ny haratsin’ny fahotana fa hahatsapana fa raha tsy mivelona ao amin’ny famindram-pon’ny Ray sy ny fitiavany isika tsy ho sambatra na oviana na oviana. Ezaka mba ho lavorary, ho masina araka izany, satria izay mety ho fahalainana na fisalasalana mety hilalaovana an-dalana amin’izany fanamasinan-tena izany dia mety hanenenana mandrakizay. Izany no tsy maintsy hanaovana lemozy mba hahazoana ny Fanahy Masina (Lk 11, 9-13; 18,1ss), ilay manohana ny fahalementsika (Rm 8, 26ss). I Jesoa ihany moa no varavarana hahafahantsika miditra sy mivoaka (Jo 10, 9), ary izay mihevi-tena ho tsy mila an’Andriamanitra ka manalavitra io varavarana io, hivoaka hitady zavatra hafa ivelan’ny fahasoavana entin’Andriamanitra hahasoa izay tia azy (Rm 8, 28) no ho tavela any ivelany, hitomany sy hikotro-nify, ny tsy fanekena azy no mahatonga azy hanontany antsika toa an’i Adama hoe “fa aiza ianao”.
Tsy ny isan’izay voavonjy àry, araka izany, no tokony handaniana ron-doha. Ny hahavoavonjy ny olon-drehetra no sitrak’Andriamanitra (1 Tim 2, 4), saingy miankina amin’ny tsirairay ny fitahirizana ny aim-panahy maha-zanaka, mba tsy hanenenana amin’ny fiheverana fa nanaonao foana ireo niaina tam-pinoana ka noheverin’izao tontolo izao ho adala noho izany. Ry Abrahama sy Isaaka sy Jakoba, mbamin’izay rehetra nandova izany finoana izany dia mahita fa ao amin’ny fanekena ho faty, toy ny voatsinapy, no hahafahana mandova ny hafenoan’ny fiainana ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra.
Ny fihinanantsika eo anatrehany isan’andro ao amin’ny Eokaristia sy ny fihainoana ny teniny anie tsy ho sanatria tsy ho fanamelohana ho amin’ny tsy fanaovana ny tsy marina, raha tsy mifanaraka amin’izany ny fiainantsika, fa kosa hanampy antsika hibebaka marina tokoa, ka hahatsapantsika fa eo anilan’ny mpanota ilay “Varavarana” hidirana, ka ny fahatsapantsika ny filana azy, no maha-voalohany sy maha-farany antsika. Izay akaiky azy, miaiky ny maha-mpanota azy no hamarinina hody any an-trano, satria manaiky hialoka ao ambany elany (Evanjely rahampitso).