23 oktobra: Fankalazana an’i Kristy Mpanavotra
- Izaia 52, 13 – 53, 7
- Salamo 145, 6d-7 ; 8-9a ; 9b-10
- na Hebrio, 9, 11-15
- Apok 4
- Md Joany 3, 13-18
Mankalaza an’i Kristy Manavotra ny Fianakaviam-be Trinitera ny 23 oktobra, Izy ilay zanaky ny Ray, nisonenika tamin’ny fiandrianana maha-Andriamanitra Azy no nilatsa-tena ho mpanompo, satria tsy afaka ny ho sambatra raha tsy mizara ny fahasambarana iombonany amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina ho an’ny olombelona rehetra. Izany fitiavany izany no ankalazaintsika amin’ny fanandratana ny Lakroà Masina sy ny fanaovana azy ho famantarana hanambarana ny Mistery fototry ny finoantsika.
Ny Lakroà Masina tokoa no famantarana hiheverantsika Kristianina hiavahana amin’ny hafa, ny famantaran’ny Hazofijaliana no entintsika maneho ny fiekem-pinoana fa Trinite Masina Andriamanitra ary ny Teny tonga nofo dia maty fa nitsangana mba ho santatra ho antsika. Tsy hatrany am-piandohana anefa izany satria ny vatofantsika, ny trondro (ἰχθύς ichthus), ny mofo, ny voromahailala, ny mpiandry ondry… no nentin’ny mpino naneho an-tsary an’i Kristy sy ny Fiangonany. Faneso ho an’ny tsy mpino manko ny Lakroà ka naleon’ireo kristianina tany am-piandohana ny tsy mampiasa izany fahafatesana mahafa-baraka izany ho famantarana ety ivelany. Tsy mampaninona an’ireo tsy mpino manko ny manao kisarisary hilazana ny “hadalan’i Kristy” (1 Kor 1, 23) voafantsika eo amin’ny hazofijaliana.
Ny 14 septambra 335 kosa, rehefa ny mpanjaka tompon’ny tany sy ny fanjakana no nitokana ny Bazilika naoriny teo amin’ny heverina fa nisy ny fasan’i Jesoa ka nametrahan’ny Amperora Lakroà voahaingo vatosoa teo amin’ny tampon’ny Kalvery, dia tonga rehareha sy famantarana ho an’ny mpino ny Lakroà. Sarotra manko nanomboka teo ny hanala baraka ny kristianina satria antsy ady amin’ny amperora Constantin ny mety ho fanimbazimbana ny Lakroà.
Indraindray anefa mampalahelo fa tsy ampiasaina amin’izay tokony ho heviny marina tokoa ny Lakroà, ka ny an’ny sasany dia atao firavaka tsotra izao fotsiny, ny an’ny hafa mety ho karazandrazana vakana malaimisaraka, ho an’izay mino kosa dia mampahatsiaro an’i Kristy maty sy nitsangan-ko velona ka miantso azy isan’andro isan’ora mba hanolotra ny fiainany koa ho fanarahan-dia an’i Kristy.
Tsy ny fanindraindrana ny famantarana manko no hahafahana mitarika ny olona ho any amin’i Kristy fa ny fiainana vonton’ny evanjely asehon’ny Kristianina isan’andro eo amin’ny fiaraha-monina. Ny fankalazana anio anie hanampy antsika mba hampisy heviny ny fanaovantsika famantaran’ny hazofijaliana sy ny fanajantsika ny Lakroà apetraka ao am-piangonana, any an-trano na koa hiambozonana eny an-tratra.
I Ezekiasa, mpanjaka nanao izay mahitsy teo imason’YHWH dia nanamontsana ny bibilava varahina nataon’i Moizy satria lasa fanompoan-tsampy ho an’ny zanak’Israely (2 Mpanjaka 18, 4), indraindray koa ny zava-masina lasa sampy: indraindray tsy fandraisan’ny olona andraikitra dia heveriny fa hovahan’Andriamanitra amin’ny fahagagana vokatry ny fikasihana na ny fiambozonana zava-masina; indraindray koa adino fa ny zava-masina dia famantarana ihany: tsy noho ny zavatra hitan’ny masony fa noho Andriamanitra mpamonjy ny olona no nahasitrana ireo nibanjina ny bibilava, hoy ny Bokin’ny fahendrena (Fah 16, 7).
Fanao ao amin’ny Fikambanan’ny Trinite Masina sy ny Babo ny fankalazana ny fetin’i Kristy Mpanavotra, fantatra bebe koa amin’ny anarana hoe : Jesoa Nazareanina, satria teo ampanatanterahana ny fanavotana ireo babo indrindra ireo trinitera no nanavotra koa ny Sarivongan’i Jesoa nisatroka fehiloha tsilo sy voafatotra ny tanany sy ny vozony izay antsoina amin’ny anarana Jesoa Nazareanina, ka mbola hajaina fatratra ao Madrid renivohitry i Espagna hatramin’izao.
Verin’ny fahotana isika, fa i Jesoa Kristy no nanavotra antsika tamin’ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany ho velona indray. Izy nofatorana no manafaka antsika amin’ny fatoran’ny fahotana.
Ny Fankalazana an’i Kristy Mpanavotra, ho an’ny Trinitera, araka izany, dia ny fiverenana amin’ny hevitra lalin’ny Lakroà, ka hanolorana ny tena manontolo, ankoatry ny ampahatelom-pananana lazain’i Md Jean de Matha, mba ho entina manavotra izay rehetra tsy afaka ny hiaina ny fahafahana maha-zanak’Andriamanitra azy.
Ho haintsika anie ny hibanjina an’i Jesoa nietry tena ho andevo, hanompo ny olona rehetra ka hahaiky ho faty teo amin’ny hazo mba hanome antsika ny aina hahavelomana tsy ho an’ny tena intsony fa ho Azy velona mandrakizay, amin’ny fanompoana ny olombelona rehetra.