Alarobia faha-27 mandavan-taona
- Ankasa Galata 2, 1-14/Salamo 116
- Tsy ankasa Jonasy 4, 1-11/Salamo 85
- Md Lioka 11, 1-4
Amin’ny fitohizan’ny fitantaran’ny Evanjely no hahafahana mahazo ny hevitra tian’i Lioka hahatongavana. Ny nanirahana ilay Samaritana dia ny haha-sambatra amin’ny maha-zanaka azy avy ny olombelona rehetra ka ho afaka hiantso am-pitokisana an’Andriamanitra hoe : Abba, Dada. Izany no ampianarin’i Jesoa antsika ka amporisihany antsika hihaino Azy tahaka an’i Maria. Ny fiainana ny maha-zanaka manko no manamasina ny anaran’Andriamanitra ka handraisana anjara marina tokoa amin’ny fanorenana ny Fanjakany, tsy tahaka ny mpanompo fa tahaka ny mpandova.
Tsy ezaka indray andron’ny fo adolan-tsento anefa izany fa fahasoavana velomin’ny hanina avy amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra, mamelona ny olony amin’ny Teniny sy ny Tenany, ka mila angatahina mivantana Aminy (ny Anaranao, ny Fanjakanao) ary mila angatahina ho an’ny olona rehetra (ny sakafonay, ny famelana ny fahotanay…). Tsy misy vavaka raha tsy firesahana amin’ilay “Andriamanitra Ray”, tsy tsianjery na fanarahana fandaharana fotsiny ny vavaka fa resaka ataon’ny zanaka miantso ny Rainy (ka ny tononkira dia tonga famelan-kafatra: henoy ny tonon’ny hira hono hoe dia hainao ny tainy ambara); tsy misy fivavahana koa anefa raha sanatria tsy misy fiombonana, satria izay tsy te ho mpiray tampo amin’ny hafa dia manilika ny tenany tsy ho zanaka.
Fiombonana amin’Andriamanitra araka izany ny fivavahana ary izany fiombonana izany dia manjary fiombonana ihany koa amin’izay an’Andriamanitra: ny zanany rehetra sy ny fiainana mifanaraka amin’izany maha-zanaka izany. Ny tanjon’izay mivavaka dia mba hitondra ny olon-drehetra any amin’ny “tranom-bahiny”, any amin’ny πανδοχεῖον (pandoKeion, pas-deKomai), ao amin’ny toerana “mandray ny olon-drehetra”, ny Fiangonana “katolika”, tsy mialon-jafy, toerana nametrahan’ilay samaritanina ilay lehilahy mila fitsaboana mba ho sambatra.
Tsy mandeha ho azy ny fivavahana fa zavatra mila angatahana mba hampianarin’ilay hany mpivavaka, nampifanaraka ny fiainany amin’ny maha-zanaka, ilay tokana afaka miantso marina an’Andriamanitra ho Rainy. Fanomezana avy Aminy fa tsy vokatry ny ezaka avy amintsika ny fivavahana marina. Arakaraky ny hahalalantsika Azy, araka izay no hitomboan’ny fiainam-bavaka ao amintsika. Tsy izay tian’ny olona lazaina no lazaina ao amin’io fivavahana io fa izay “lazain’i Jesoa”, “famintinana ny fampianarany manontolo”, araka ny filazan’ny Aban’ny Eglizy azy, ka ny manova na mampiasa teny hafa ankoatr’izay nampianariny, hoy Md Cyprien, dia sady fahadisoana no azo heverina ho fahotana mihitsy aza.
Tsy zavatra mbola andrasana anefa no angatahintsika amin’izany, fa izay efa notanterahin’Izy Ray ao amin’ny Teniny tonga nofo. Anjarantsika ny manokatra ny tanana mba handray azy, ary manandratra ny tanana madio tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina (1 Tim 2, 8). Ny vavaka no taratry ny fiainana ka ny fianarana mivavaka araka izany dia fianarana miaina, miaina amin’ny maha-zanaka, miombona ao amin’ny Kristy satria samy tian’ny Ray.
Rehefa tsapantsika ny fitiavan’ny Ray antsika ka ampifanarahantsika amin’izany ny fiainana no manamasina ny Anarany isika. Ny fitiavana nitiavan’Andriamanitra antsika ka hiainantsika araka izany no fampahafantarana ka hanamasinana ny anaran’Andriamanitra, araka ny lazain’ny Evanjely (Jo 17, 23-26).
Ny mofo kosa indray, לֶחֶם (leHem) amin’ny teny hebrio dia entina manambara ny fandriam-pahalemana sy ny fiombonan’ny vahoaka. Cum-panis, compagne, mpinamana izay mifampizara mofo: “Iray vatsy, iray aina”, ihany koa hoy isika. Ny miady (לָחַם laHam) dia tsy hahazoana mofo, fa mety handrombahana ihany ny mofo mety hahavelona ny rahalahy. Tsy ny hanova ny vato ho tonga mofo (Lk 4, 3) no angatahin’ny zanaka, fa ny hahaizana mifamela, ka hanjakan’ny fandriam-pahalemana hahafahan’ny zanak’Andriamanitra mifampizara ny manta sy ny masaka.
Ho fiainana mifanaraka amin’ny maha-zanaka antsika tokoa anie no hiainantsika amin’ny andavanandrom-piainana.
Manampy antsika hivavaka araka ny fampianaran’i Jesoa ity fandinihana niainga avy amin’ny torohevitry ny mpivavaka iray ity.
Aza miteny hoe
Ray
raha tsy te hitondra tena toy ny zanaka ianao.
Aza miteny hoe
Rainay
raha ny fitiavan-tena no mameno ny fonao.
Aza miteny hoe
any an-danitra
raha ny zavatry ny tany no himatimatesanao.
Aza miteny hoe
hohamasinina anie ny Anaranao
raha tsy manome voninahitra Azy ny fiainanao.
Aza miteny hoe
Ho tonga anie ny Fanjakanao
raha afangaronao amin’ny fahombiazana amin’ny zavatry ny tany ny Fanjakan’ny lanitra.
Aza miteny hoe
Ho tanteraka anie ny sitraponao
raha tsy vonona hanaiky raha sendra ny mafy.
Aza miteny hoe
Omeo anay anio ny haninay
raha tsy hivakianao loha akory ny olona noana,
ireo bado sy tsy ampy fivelomana.
Aza miteny hoe
Avelao ny fahotanay
raha mitana an-dolom-po amin’ny hafa ianao.
Aza miteny hoe
Aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay
raha mbola mieritreritra hanao fahotana.
Aza miteny hoe
Fa manafaha anay amin’ny ratsy
raha tsy vonona hiady hanohitra ny ratsy.
Aza miteny hoe
Amen
raha toa tsinotsinoavinao ny Teny voalazan’ity Vavaka nampianarin’ny Tompo hanova ny fiainantsika ity.