21 septambra: Md Matio, Apostoly sy Evanjelista
- Efezy 4, 1-7.11-13
- Salam0 18
- Md Matio 9, 9-13
Araka ny fandinihan’ny maro dia Matio no ilay Mpanora-dalàna tonga mpianatry (μαθητεύω) ny fanjakan’ny lanitra (Mt 13, 52). Amin’ny Evanjely anio kosa dia izy ilay mpamory hetra (τελώνης telones) nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesoa. Raha lazaina ambangovangony ny momba ny Evanjely nosoratany dia mifototra amin’ny hevi-dehibe roa: Ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Eglizy. Ny Eglizy naorin’i Jesoa araka an’i Matio, dia tokony haneho sahady izay tokony ho fiainana rahatrizay any amin’ny Fanjakan’ny lanitra, ary lalana hahafahan’ny olona mihazo ny lanitra.
I Matio ihany no ahitana ny teny hoe : Eglizy (ἐκκλησία) : Ianao no Piera, vato arafitra ary eo ambonin’izany Vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko (Mt 16, 18); Raha tsy mihaino azy ireo izy dia ambarao amin’ny Fiangonana (ἐκκλησία); ary raha tsy mihaino ny Fiangonana (ἐκκλησία) dia ataovy tahaka ny jentily sy ny poblikana (Mt 18, 17). I Lioka dia amin’ny fitantarana ny asan’ny Apostoly vao mampiasa io teny io: Ary nanampin’ny Tompo isan’andro ho isan’izy ireo (ho isan’ny Eglizy ny amin’ny teny grika) ny olom-bonjena (Asa 2, 47).
Tsy azo adinoina ny tenin’i Jesoa namaranan’i Mateo ny Evanjely : ”Indro aho eo aminareo mandrakariva mandrapahatongan’ny faran’izao tontolo izao” (Mt 28, 20) izay manamarika ny toe-tsaina hoentintsika mamaky ny zava-mitranga araka ny Finoana. Tenin’ny Finoana izany.
Araka ny Fampidirana ao amin’ny BJ italiana sy ny nataon’i Jean-Pierre Bagot ao amin’ny Missale festivo Emmaus (azo jerena koa ny boky i quattro vangeli, ISg edizione 1998, 2° éd, nosoratan’i Bruno Maggioni) dia misy hevi-dehibe maromaro (samy fito izy ireo saingy tsy mitovy ny fitsinjarany) asongadin’ireo toko 28 ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Matio : 1- I Jesoa, ilay Mesia nandrasan’Israely : ny razam-beny sy ny fahaterahany ary ny fahazazany (toko 1-2); 2- I Kristy no ilay Moizy vaovao, manambara amintsika momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny iraka nahatongavany (toko 3-7) [Batemy- Fifadian-kanina sy fakampanahy – fiantsoana ny Apôstôly – ny Hasambarana – ny vavaka sy ny fifadian-kanina – ny Lalàna sy ny Mpaminany]; 3- Ambaran’i Jesoa antsika fa efa eo anivontsika ny Fanjakan’Andriamanitra (famantarana sy fahagagana momba azy) ary voaantso isika handray anjara amin’ny fanorenana izany Fanjakan’ny lanitra izany (toko 8-10); 4- Tsy zavatra mandeha ho azy anefa izany asa fanirahana izany fa mety hisedra ny mafy, hany ka mila atao mafy orina ny safidy (Toko 11-13) [ny Fanoharana – ny amin’ny Fanjakan’ny Lanitra : safidy hahafoy izay rehetra hananana]; 5- Izay te hanaraka an’i Jesoa dia tsy hatahotra ny hijoro ho vavolombelony ary hanovo hery mandrakariva amin’ny fiarahana aminy (toko 14-18) [i Joany Batista nanambara ny marina, i Piera nandeha ambony rano, ny fiovana tarehy…]; 6- Ireo manaiky ho Mpiananatr’i Jesoa (Fiangonana) dia hanaraka ireo fitsipi-pitondrantena nosoritany, ho toy ny fisantarana sahady ny fiainan’ny lanitra (toko 18-25) [ny Fanetrentena – ny fifamelana – ny fanambadiana sy ny eonoka noho ny fanjakana – ny tanimboaloboka – ny fanasana ho any amin’ny fanjakana – ny fitsanganan’ny maty – ny didy lehibe – ny faharavan’izay hianteherantsika – ny virjiny hendry sy adala – ny fitsarana farany]; 7- Ny fijaliana sy ny fitsanganana ho velona (toko 26-28).
Ndeha hojerentsika ny Evanjely aroso hankalazana ny fetiny.
- Md Matio 9, 9-13
Tsy tonga hiantso ny marina aho fa ny mpanota. Mandehana ka fantaro ny hevitr’izany teny izany. Asain’i Jesoa mamantatra ny hevitr’izany isika. Ny lalàna dia mampiharihary ny fahotana ary manasazy ny mpanota, fa i Jesoa kosa mamela ny fahotana ka mandray ny mpanota. Ny fahosantsika dia tsy sakana fa antony nahatongavan’ilay famindram-po tsy misy fetra.
Izay mahatsapa fa voaantso hanaraka ilay taratry ny famindram-pon’Andriamanitra dia hiatso ny tenany hoe Matio (Ματθαῖος Matthaios, Mattai, abbreviation de Mattatìa), fanomezana avy amin’Andriamanitra, ka tsy hanaiky ho voafatotra na sanatria hifikitra amin’ny zava-mandalo (לֵוִי, Leviy). I Matio dia tsy vitan’ny hoe mpitaky hetra (ary tsy misy te handoha hetra izany) fa mitaky izany ho an’ny mpanjana-tany koa fanampiny, ka sady noheverin’ny olona ho mpanota no mpamadika tanindrazana.
Izy no nantsoin’i Jesoa hanaraka azy mba ho tonga “fanomezana” ho an’ny hafa. Manambara izany ny fahafahan’ireo namany niara-nisakafo tamin’i Jesoa, henontsika tamin’ny Evanjely. Nitsangana (ἀνίστημι, anistemi, mitsangan-ko velona) i Matio ka nanaraka an’i Jesoa. Manambara fiainam-baovao, fitsanganan-ko velona ny fanarahana an’i Jesoa: izay manaiky hanaraka Azy ilay Lalàna sy fahamarinana ary fiainana dia mahazo ny fahefana hahatonga ho zanak’Andriamanitra (Joany 1, 12).
Izay manaraka Azy dia vonona ny hanasa Azy koa hisakafo ao an-tokantranony (οἶκος oikos) (Mk 2, 15// Lk 5, 29). Ao an-tranon’i Matio no hisakafoanan’i Jesoa. Tonga fianakaviana iray aminy koa, miara-misakafo aminy koa ny poblikana sy ny mpanota betsaka. Fanafintohinana izany ho an’ny Farisianina, saingy izany no Fiangonana tian’i Kristy ajoro: mpanota voavela heloka mandray ny mpanota satria mamela heloka, mifamela heloka ihany koa. Taratry ny famindrampon’Andriamanitra ny Fiangonana.
Hatrany am-piandohana dia olana mandrakariva ho an’ny Fiangonana ny fandraisan’ny mpanota komonio. Mazava ny tenin’i Jesoa fa tsy ny finaritra no mila dokotera fa ny mpanota mitady fanasitranana. Na dia averimberina mialoha ny komonio aza fa Zanak’ondry manala ny fahotana no horaisina ary samy miaiky fa tsy misy mendrika ny handray Azy, dia mbola manjaka ny tondromolotra sy ny fanavakavahana eo anivon’ny Fiangonana.
Ny fahotana no ankahalain’ny mpianatr’i Kristy fa tsy ny mpanota. Tsy famporisihana ny mpanota hikiribiby ao anatin’ny fahotana sanatria no hatao fa ny fitadiavana ny fomba rehetra hahafahany mizotra amin’ny fiainam-baovao. Tsy midika izany fa azo raisi-draisi-poana ny Komonio. Izay mihevitra ny handray an’i Jesoa nefa tsy manana faniriana hanaraka Azy sy hiaina araka ny teniny dia izay lazain’i Md Paoly hoe mihinana fanamelohana ho an’ny tenany, satria fanamelohana ho antsika ny fandraisana fahasoavana kanefa handà tsy hampamokatra izany.
Eo anivon’ny Fiangonana dia tsy ilaozan’ny Farisianina sy ny zoky tsy te hahalana ny zanaka mpandany niverina, saingy anjarantsika mandrakariva ny mitandrina, araka ny fampianaran’i Md Augustin, izay averiko matetika, fa sao ny fitiavana ny mpanota no hivarinana ao anatin’ny fahotana, na sanatria ny fankahalàna ny fahotana no hankahalana koa ny mpanota.
Tsy izay manota kelikely kokoa sanatria no masina tahaka ny Ray fa izay tia bebe kokoa, satria voavela heloka bebe kokoa (Lk 7, 41.43). Famindram-po no sitrak’Andriamanitra fa tsy ny sorona (Osea 6, 6). Tsy ny vavaka lavareny na ny asa fanonerana na izay mety ho fanatitra heverintsika hanetseman-keloka no hahasitrana antsika fa ny fahatsapana sy ny fandraisana ny fitiavany sy ny indrafony izay omeny maimaim-poana. Izy no nanolotra ny tenany teo amin’ny hazofijaliana ho antsika, Izy ilay hany marina (Rom 3, 23).
Izay tsy mbola vonona ny hihaino ny fananarana dia tokony hatao tahaka ny mpanora-dalana sy ny mpamory hetra (mpanota): hiarahana misakafo ary tolorana fanafody mba hahasitrana ny aretiny. Izany no torohevitry ny Evanjely.
Ho vonona hanaraka azy anie isika ka tsy hanao ny fitiavany ho zavatra lafovidy voatokana ho an’olom-bitsy fa hahafoy ny zavatra rehetra ka hahatarika ny mpanota sy ireo heverin’ny hafa ho fahavalom-pirenena mba ho tonga hiara-misakafo amin’i Jesoa, ka handraisan’izy ireny koa ny fahasoavana hiainana amin’ny maha-zanak’Andriamanitra.