Alakamisy faha-23 mandavan-taona
- Ankasa 1 Kôrintiana 8, 1-13/Salamo 138/
- Tsy ankasa Kôlôsy 3, 12-17/Salamo 150
- Md Lioka 6, 27-38
Ireo mpianatra mahantra kanefa nolazain’i Jesoa fa sambatra raha mahatsapa ka mandray izany fahasambarana izany dia mazava loatra fa mandray izany ho tombom-pitiavana maimaim-poana. Ho setrin’izany no iangavian’i Jesoa azy ireo hitia ihany koa tahaka ny nitiavana azy ireo. Fony mbola fahavalony, mbola mpanota, mbola malemy isika, hoy i Md Paoly dia efa notiavin’Andriamanitra, nahafoizany ny ainy ho an’ny olona tsivalahara (Rm 5, 6), fahasoavana maimaim-poana no namonjeny antsika (Efezy 2, 4-7).
Ahoana moa no hitiavana toa Azy? Ny famindram-po: tsy misy valifaty mitondra voka-tsoa. Ny fanaovan-tsoa ihany no hahafahana manorina tontolo vaovao sy miha-vao araka ny irin’Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra. Izay mahalala ny Andriamanitr’i Jesoa Kristy ka entanin’ny Fanahiny ihany no afaka hitia ny fahavalo ka ho tonga sahala amin’ny voninkazo manana hanitra: tsy afaka ny tsy hamerovero na dia hosihosena aza. Dingam-piainana telo no amintinana izany lalam-piainana lavorarin’ny fitiavana izany: manao soa, mitso-drano (bene-dire) ary mivavaka.
Ianareo izay mihaino: tiavo ny fahavalonareo. Ahoana moa no fomba hitiavana ny fahavalo? Tahaka ny ataon’Andriamanitra.
Misy olona kristianina mafana fo be fa raha ny fianakaviany na ny fananany no kitikitihinao, mivadika biby. Misy ny sasany mba nanomboka nanao soa ihany saingy tsy nahazo valin-tanana ka mikafara tsy mahavita manampy ny hafa intsony. Misy ny sasany leom-boananana ka tsy tia zava-boribory. Fa ho an’i Jesoa ny olona manontolo no mitia tsy mila valiny (ἀγαπάω agapao) ka izany dia asehony amin’ny asa: amin’ny fanaovan-tsoa (καλῶς kalos) ho an’izay mankahala (μισέω miseo); amin’ny teny: misaotra (εὐλογέω=miteny tsara- manao tsara laza) izay manozona (καταράομαι, kataraomai); amin’ny eritreritra ombam-pisainana: mivavaka (προσεύχομαι proseuchomai) ho an’izay manisy ratsy (ἐπηρεάζω, epereazo = izay manao toeran-tsy zaka, manendrikendrika).
Tsy midika izany fa hiray tsikombakomba amin’ny ratsy isika. Nilaza Izy fa raha misy mamely ny takolaka anankiray dia atolotra azy koa ny ilany. Fantantsika anefa fa teo anatrehan’ny Lehiben’ny Mpisorona, rehefa nahazo tehamaina Izy dia nanontany ilay mpanompo ny antony nitefahany Azy (Joany 18, 23). Atao ahoana anefa no famelana ny hafa hanao izay danin’ny kibony ka tsy hamalifaty, na farafaharatsiny ahay hanakana azy tsy hanoy ny asa ratsiny?
Tsy mora ny fangatahan’i Jesoa ho an’izay te ho Mpianany: izay tsy vitan’ny asa, dia ampian’ny vava, ary izay tsy sahin’ny vava akory tenenina, noho ny hatezerana sy ny ratram-po dia hoentina eo anatrehan’Andriamanitra mba hahafahantsika mahita ny fahavalo tahaka ny fahitan’Andriamanitra azy ka hitiavantsika azy koa tahaka ny itiavan’Andriamanitra Azy. Izay manao ratsy sy mahavanon-doza dia efa andevozin’ny ratsy sy ny fitiavan-tenany ka raha tsy ny hazavana ateraky ny fitiavana, raha tsy ny hazavana avy amin’Andriamanitra no manokatra ny fony, dia hanampy trotraka indray izany faharatsiana efa mianjady aminy izany ny mety ho teny ateraky ny avonavona. Lalàna fototra ho an’ny Kristianina ny “mandresy ny ratsy amin’ny fanaovan-tsoa” (Rm 12, 17-21).
Eo anatrehan’ny tahotra manoloana ny fitomboan’ny mpino silamo sy ny firongatry ny mpino any amin’ny sekta dia tsy misy fomba hafa tsaratsara kokoa hahasarika ny olona ho kristianina (ary ho kristianina marina tokoa) mihoatra ny fitiavana ny fahavalo sy ny fanaovana soa amin’ny olona rehetra tsy ankanavaka. Raha misy fivavahana afaka manolotra vahaolana tsaratsara kokoa noho izany lalana atoron’ny Evanjely izany mba hanorenana tontolo mendrika ny maha-olona dia heveriko fa fahadalàna ny tsy fanarahana izany.
Manoloana ny ratsy vitan’ny hafa amin’ny tena dia mila ianarana mandrakariva ny manavaka ny ratsy sy izay nahavita ratsy, sao toy ny voalazan’i Md Augustin hoe: ny fankahalana ny ratsy hanjary fankahalana ny rahalahy nahavita ratsy, na sanatria ny fitiavana ny rahalahy nahavita ratsy hivarinana koa amin’ny ratsy efa nanandevo azy.
Tsy afaka ny tsy hamindra fo anefa izay mahatsapa fa ny mpanota no potehin’ny fahotana voalohany, mialohan’ny hiantraikan’ny vokatr’izany any amin’ny hafa.
Izay voavela heloka ihany no hahatsiaro fa sambatra (Sal 32,1) ka hahay hamela heloka koa. Izay notiavina dia hahatsapa ny halehibeazan’izay nitia azy ka hiezaka koa ho lehibe, hitia tahaka izany.
Antsoin’i Jesoa tsy hamalifaty ary tsy hampiasa na oviana na oviana ny herisetra ny mpianany. Ny soa ihany no hahafahana mandresy ny ratsy, ny hazavana ihany no hahafahana mandresy ny haizina (Rm 12, 21). Izay te hamongotra ny ratsy dia misafidy ny tsy hanao ratsy, eny fa na dia mbola hiharitra ny mafimafy kokoa aza, tahaka an’i Kristy niharitra hatramin’ny fahafatesana, ary aleony maty, toy izay hanota. Faharesena manko no fahitan’ny tontolon’ny ratsy an’i Kristy miala aina eo ambony hazofijaliana, saingy fandresena kosa izany ho an’izay miaiky fa Izy no Fahendren’Andriamanitra.
Mety hisy olona hiteny ratsy antsika, misy aza hahakasi-tanana mihitsy, hamely teha-maina, misy mahavanon-doza manesotra amintsika hatramin’ny lamba eny an-koditra, ary mbola hangataka koa aza izay kely sisa tavela na haka izany an-keriny mihitsy aza. Antsoin’i Jesoa hanome ny tena manontolo isika, tahaka ny nanolorany ny Azy ho antsika mpanota (Ga 2, 20; 1 Tim 1, 15).
Izay tianareo ataon’ny olona aminareo no ataovy amin’ny olona ihany koa. Dia mety valian’ny sasany hoe: ka izy aza tsy manao ko! Ny mpianatr’i Kristy dia tsy miandry ny hafa mba hanao soa vao mamaly, satria tsy valisoa ho an’ny hafa no hanaovany izany, tsy atero ka alao fa fitiavana efa noraisina avy amin’Andriamanitra ka tsy afaka ny ho sambatra intsony ny fony raha tsy mitia. Izany fitiavana izany no hitovizany amin’ny Rainy. Ny tsy fizahan-tavan’olon-ko hasohavina no maha-zanaky ny Avo indrindra antsika. Izany faniriana hanahaka azy izany no fototry ny toe-piainana Kristiana.
Ho taratry ny fitiavan’ny Ray anie ny fiainantsika manontolo.