Alahady faha-23 Mandavan-taona Taona A
- Ezekiela 33, 7-9
- Salamo 94
- Rômana 13, 8-10
- Md Matio 18, 15-20
« Miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra« , hoy i Md Paoly (Vakiteny II Alahady faha-22 A Rm 12, 1-2), ary fantatsika ny sitrapon’Andriamanitra araka ny didiny: « aoka ho masina (lavorary), tahaka ny Rainareo izay any an-danitra ianareo » (Lv 11, 44//Mt 5, 48), dia Izy ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy ary mandrotsaka ny ranon’orana amin’ny marina sy ny tsy marina, ary miantso antsika hitia hatramin’ny fahavalo… (Mt 5, 38-48 : Evanjely vakiana ny Alahady 7A). Ny fanatanterahana ny Lalàna – hoy ihany i Md Paoly manohy – dia ny fitiavana, (Vak II Rm 13, 8-10): fitiavana ny tena amin’ny fanaovana ny rariny (מִשְׁפָּט mishphat), fitiavana ny namana amin’ny fandalàna ny hatsaram-po (חֶסֶד Hêsêd) ary fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fanekena hiara-dia Aminy amim-panetren-tena (צָנוּעַ, צָנַע tsanà)” (Mikea 6, 8).
Tsy zavatra mandeha ho azy anefa ny mitia, tsy tanjona fa fiainana ka hifamahofahoan-javatra maro izay mazàna toa mandiso fanantenana ka hilazana ny hoe : raha nampoiziko ho… Izany no maha-hazofijaliana lalandava ny fitiavana, ary ho antsika mpanara-dia an’i Kristy aza, tsy ampy ny mitia ny hafa tahaka ny tena, satria ho an’izay voaantso ho amin’ny fahalavorarian’ny fitiavana dia hahafoy ny ainy aza, hitia tahaka ny hitiavan’i Kristy antsika hanaporofoana fa tia. Tsara hiverenana vakiana ny lohahevitry ny alahady 13 A sy ny alahady 22 A manazava ny fifandraisan’ny hafatr’i Jesoa hoe : izay mpianany, tsy maintsy mitondra hazofijaliana isan’andro, ary ny hahafantarana ny mpianany dia ny fifankatiavan’izy ireo.
Eo amin’ny seha-piainana an-davanandro no hamakivakiantsika izany abidian’ny fitiavana marina izany, fitiavana izay tsy maintsy hodiovina tsikelikely hialan’ny fitiavan-tena sy ny zava-mangeja isan-karazany tsy hahafahany mivelatra. Ireo napetraky ny Tompo ho Mpitily (צוֹפִים, צָפָה tsaphah, mitily, Mpitily, izay dikanteny mitovy amin’ny episkopos (Eveka) dia tsy hanjakazaka tsy akory, fa ho “modelin’ny ondry” (1 Pi 5,3) hanampy izay mania “hiala amin’ny lalan-dratsiny” mba hahavelona azy[1]. (Vak I Ez 33, 7-9).
Tsy adidin’ireo nomena fahefana “hamaha sy hamehy” ihany anefa izany fanoroana ny lalan’ny fiainana izany fa fifanampian’ny mpiray finoana ho amin’ny fibebahana marina. Andraikitra nankinin’i Jesoa amin’i Piera sy amin’izay dimbiny ny “mamatotra” (δέω deo), mandrara amin’izay zavatra tsy mifanaraka amin’ny Evanjely, sy “mamaha” (λύω luo), manome alalana amin’izay azo atao. Tsy tery fa safidy no maha-kristianina ka asan’i Piera ny mamondrona sy mitahiry ny firaisan’ny Mpino, mamahana ny andian’ondry sy mankahery ny rahalahiny ao amin’ny finoana, izy no lohalaharana amin’ny fiainana ny fitiavana (Mt 18, 8). Amin’izay famatorana izay ihany koa anefa ny famatorana amin’ny fehim-pitiavana, ny hamondrona mba ho mafy sy hihavana ao amin’ny firaisam-po, ary ny hamaha izay rehetra mety mamatotra ka tsy hahafahana miaina amin’ny maha-zanak’Andriamanitra. Mamondrona ny rehetra, araka izany ary manafaka ny tsirairay.
Ao amin’ny vakiteny voalohany dia misy zavatra tokony ho azo tsara: “Notendreko ho mpitily ianao, tsy maintsy hihaino ny teny aloaky ny vavako ka hanaitra ny hafa amin’ny Anarako”, hoy ny Tompo tamin’i Ezekiela. Tsy ny hitantara ny ratsy ataon’ny hafa no hanirahana ny mpitily fa ny hitondra ny Tenin’Andriamanitra. Mampalahelo, hoy Papa François, fa ny “chiacchiericcio”, ny fosafosa no poizina mamotika ny fiaraha-monina sy ny Fiangonana. Tahaka ny mpitily mahita sabatra tamy ka tsy maintsy mitsòka anjomara mba hanavotan’ny vahoaka ny tenany (Ezek 33, 6) no hiantsoana ny mpaminany, na hohenoina na tsy hohenoina. Ny himatimatesan’Izy Tompo ka anirahany ny Mpaminany dia ny “hibebahan’ny ratsy fanahy, hialany amin’ny toe-dratsiny ka hahavelona azy” (Ez 18, 23). Ndeha hojerentsika, araka ny lazain’ny Evanjely hoe inona no atao raha sanatria tsy mihaino ny ratsy fanahy.
Anio moa dia Mt 18, 15 no anombohan’ny vakiteny. Raha voamarikareo izany dia ny toko 17 sy ny 18, 1-14 dia tsy novakiana amin’ny fizotry ny vakiteny mandavan-taona, ny toko 17, 1-7 moa efa novakiana tamin’ny 6 aogositra (Trasfiguration), satria ny toko 16,21-27 no tamin’ny alahady heriny.
Ambaran’ny Evanjely anio ary, (Mt 18,15-20), araka ny lohahevitra nolazaintsika teny am-pihandohana, fa ny tena Kristianina tsy mifampijery arina an-tava. Fifanampian’ny mpirahalahy ny fiainana, saingy ny zava-misy matetika dia ny fiarovana ny tombontsoa manokana no zary filamatra, ka ny fihatsaram-belatsihin’ny “tahotry ny tsy te-hanan-dratsy” no manakana tsy hino ny tena fibebahana marina, ary mety hitondra amin’ny avonavon’ny fiheverana ho ambony na ho tsara kokoa noho ny hafa.
Ny tiako holazaina amin’izany dia izao: rehefa tsy ny fitiavana no manentana ny fontsika dia tsy araka izay ambaratonga lazain’ny evanjely intsony no entintsika manampy ny hafa. Firifiry moa ny fosafosa sy ny tati-bolana ataon’ny olona hanapotehana fa tsy hamelomana, satria tsy manao izany araka ny fitiavana, ka raha tsy miezaka hihaino ny “tenin’Andriamanitra” dia ny fitiavan-tena sy avonavona no hibaiko ny fo ka izay marina takatry no saina no indraindraina ary ny fahendren’olombelona sy ny sazy na ny teny maharary no ampiasaina fa tsy ny herin’ny Fanahy afaka manova ny atifo.
Ary indraindray aza, tsy zavatra marina akory no tantaraina fa satria “nandalo Ramaka, dia may ny tanàna” … Ny Mt 18 manontolo moa dia mampianatra antsika ny famindram-po araka an’Andriamanitra ( ny and 12-14 momba ny ondry very, mialoha ny evanjely anio, ary ny and. 21-35 vakiana amin’ny heriny) ka hahatsapantsika fa “izay tia marina tokoa dia tsy sasatra ny mamela heloka” satria manantena fa afa-manova ny fon’ny olombelona ny Fanahy Masina izay nanangana an’i Kristy ho velona.
Lazain’i Md Augustin fa ny fankahalana ny fahotana dia mety hahatonga fankahalana ihany koa ny mpanota, ary ny fitiavana ny mpanota mety hampivarilavo ao anatin’ny fahotana: ny mpanota anefa tokony hotiavina mandrakariva, ary ny fahotana hankahalaina mandrakariva. Hotakiana aminao ny tsy fiezahanao hanavotra ny ratsy fanahy, hoy ny Vakiteny voalohany.
“Raha diso taminao ny rahalahinao dia manatòna azy, ka rehefa mitokana ianareo dia asehoy azy ny hadisoany”. Ny tanjona dia ny mba hahazo ny rahalahy, ny hahasambatra azy, ny hahalalany fa ny fahadisoany dia tsy mahasambatra azy. Ny fahotana manko dia izay manao azy no andevoziny voalohany, potehiny tsy ho zanak’Andriamanitra intsony, ka tsy ho afaka ny handova ny Fanjakan’ny Lanitra. Ny zavatra voalohany tsara ho tsapan’izay maniry “hahazo ny rahalahiny”, araka izany dia ny hoe: “mahasosotra ahy” sa “mampalahelo ahy” ny rahalahiko diso tamiko? Mampalahelo ahy izy raha toa ka hitako tahaka ny olona tsy manana na inona na inona hahafahany mandoha ny trosany (Evanjely amin’ny heriny).
Am-pitiavana mandrakariva no hitenenana ny marina, hoy i Md Paoly (Ef 4, 15). Ny Jody dia amporisihin’ny Deteronomy tsy hitahiry alahelo amin’ny rahalahy ary hampiseho miharihary ny fahadisoany mba tsy hahazoana heloka ho an’ny tena (Det 19, 17-18). Mampalahelo rehefa ny fitia te hisehoseho na ny fanamparam-pahefana fa tsy ny fitiavana no manentana ny fo “hananatra” dia adino ny hafatr’i Jesoa hoe: μεταξὺ σοῦ καὶ αὐτοῦ μόνου “aminao sy izy irery mitokana” (Mt 18, 15), μόνος (monos), izany hoe mitokana, tsy eny imasom-bahoaka fa any amin’ny tsy misy mpahita, tsy misy mpamonjy, aminao sy izy irery no hanaovana izany. Ny an’ny sasany, izay hahafantaran’ny olombelona rehetra ny hadisoan’ny namany no mahamay azy. Lavitra ny Evanjely izay manao izany.
Mila dinihana koa anefa ny antsipirihan’ny teny lazain’ny Evanjely: “ilay rahalahy no diso taminao fa ianao no manatòna azy”. Iza tokoa moa ny olona nahavita ratsy taminao ka hanaiky hitokana hiaraka aminao any amin’ny mangingina? Raha tsy matoky anao izy dia mazava loatra fa ahiahy no hameno ny fony ka tsy ho azonao hotaomina any amin’ny mangingina izany izy, sao hovalianao faty any. Tsy hisy teny azonao hanasoavana ny hafa raha tsy matoky anao izy.
Noho izany, mba hahafahana mananatra ny rahalahy araka ny tenin’i Jesoa dia tsy maintsy azonao aloha ny fony, ataonao izay hitokisany anao. Mety tsy hihaino anao anefa izy, ka amin’izay no hiezahanao haka vavolombelona, hahatsapany fa tsy mendrika ny maha-zanaka ny fiainany, hahatsapany fa mizotra amin’ny lalan’ny tsy fahasambarana izy. Tsy ny ratsy nozakainao no tokony haninianao azy fa ny ratsy ateraky ny fahotana eo amin’ny fiainany. Raha tsy mihaino ireo vavolombelona ireo izy, izany hoe mbola manohy manao ny ratsy ataony ihany dia eo anatrehan’ny Fiangonana no hilazana ny hadisoany, tsy hanilihana azy sanatria fa hanampiana azy mba hibebaka ka hahafahany hiaina ny fahafahana maha-zanaka, tsy andevozin’ny fahotana intsony. Raha tsy mihaino ny Fiangonana izy dia atao tahaka ny Jentily (ἐθνικός ethnikos, vahiny) sy ny Poblikana (τελώνης telones, mpamory hetra).
Atao ahoana moa ny Jentily sy ny Poblikana? Eto koa dia misy hevi-diso mila ahitsy ao anatin’ny lohantsika indraindray. Ireo no niarahan’i Jesoa nisakafo. Izany no nahagaga ny Farisiana ka nahatonga azy ireo vaky vava tamin’ny mpianatra hoe “nahoana ny Mpampianatr’izy ireo no miara-mihinana amin’ny Poblikana sy ny olona ratsy fitondran-tena” (Mt 9, 11). Ny fitiavana no fanafody hahafahana manasitrana ny ratram-pahotana ka mila tiavina bebe kokoa izay tsy afa-mitia ka andevozin’ny fahotana. Velona ny Tompo ka mianiana fa tsy ny fahafatesan’ny olon-dratsy no sitrany fa ny hibebahany hiala amin’ny toe-dratsiny ka hahavelona azy, hoy ny tohin’ny Vakiteny I (Ezekiela 33, 11).
Ny fahefana nomen’i Jesoa ny Apôstôly hamehy sy hamaha dia tsy maintsy hiainana araka izany fitiavana izany, ka ny hahavonjy ny rahalahy no tanjona, eny fa na dia hamelàna ny 99 any an-tendrombohitra aza (Mt 18, 12-14, mialoha ny Evanjely anio, araka ny efa voalaza), eny fa na dia hamoizana ny aina aza, satria izany no fanehoam-pitiavana lehibe indrindra (Jo 15, 13). Isika koa, tsy Piera ihany, dia antsoina mba hamehy sy hamaha, hitady ny fomba rehetra hanahafana ny Ray izay tia ny hahavonjy ny olona rehetra.
Aza mitsara (κρίνω) dia tsy hotsaraina ianareo satria ny famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo, hoy ny Evanjely (Mt 7, 1-2). Tsy afaka ny hilavo lefona ka hilaza fa tsy misy na inona na inona azo atao intsony. Izay te ho voavonjy dia tsy maintsy hampiasa ny famaran’ny fitiavana sy ny famindram-pon’ilay Ray. Famindram-po tsy misy fetra. Raha sanatria ary, tsy manaiky ny ἐκκλησία (Eglizy) ilay nanota dia mbola voaantso ihany koa ny vavolombelona hifanaraka amin’ny fanapahan-kevitra tokony ho raisina (Det 19, 15). Ary zava-dehibe indrindra amin’izany ny fiaraha-mivavaka ho azy eo anatrehan’Andriamanitra. Eo anatrehan’ny Eglizy miara-mivavaka toy izany no asain’i Jesoa hitondrana izay tsy laitran’ny fananarana natao niaraka tamin’ny vavolombelona roa na telo.
“Raha misy mifanaiky eto ambonin’ny tany, na inona na inona angatahiny, dia ho azony avy amin’ny Raiko any an-danitra izany.” Tsy dia hoe “na inona na inona” moa no lazain’ny Evanjely fa angatahina fa mikasika ny πρᾶγμα (pragma), io no ampiasain’i Md Paoly hilazana ny ady misy eo amin’ny Fiangonana ka indraindray hangatahana mpitsara tsy mpino fa tsy avela hotsarain’ny olo-masina (1 Kor 6, 1). Ny mifanaiky koa moa eto dia nandikàna ny hoe συμφωνέω, nahazoana ny hoe symphonie, miray feo.
Na aiza na aiza, araka izany, misy Fiangonana mivavaka, izany hoe mitady ny fomba hanampiana ny rahalahy mba hibebaka ka ho voavonjy dia hohenoim-bavaka izy. Mampalahelo fa tsy ny fomba hanampiana ny hafa no himasoana matetika fa ny fomba hanasana tanana hiheverana fa afaka adidy satria efa mba nandray anjara kely (na dia tsy nanao na inona na inona aza indraindray). Adidin’ny Fiangonana mandrakariva ny mivavaka ho an’ireo tsy mbola mihaino ny feon’i Kristy, adidiny ny mitady fomba hitondrana azy ireny amin’ny lalam-pahasambarana.
Tsy sanatria ny fomba hanilihana ka hitanisana ny lalàna no handaniana ny fotoam-pivoriana sy ny fivavahana. Ny lalàn’ny Fiangonana aza dia azo fintinina amin’ny fehezan-teny tokana ny zavatra kendreny: salūs animarum, ny famonjena ny fanahy izay faratampon’ny lalàna rehetra (Canon 1752).
Raha sanatria koa anefa, isika mihitsy no ilay mafy fo velona, tsy mety miova, mikomy amin’izay teny sy fampianaran’ny mpaminany, dia tokony horaisintsika ho fampitandremana ny Salamo 95: Aza manamafy fo toy ny tany an’efitra, toy ny tamin’ny andro nifandirana (Meriba) sy nihantsiana (Masà): tsy afaka hiadana miaraka amin’Andriamanitra ny mafy fo.
Ny fiainantsika dia tolona (Meribà) ka mahatonga antsika hisalasala, hila kisa sy hitsapa fanahy an’Andriamanitra (Masà), tsy hahatoky ny fitiavany, toy ny nanjò ny vahoaka Israely teny an-dalana mankamin’ny fahafahana rehefa main’ny hetaheta ka nitady rano (Eksaody 17, 1-7). Ny fahaizana manokatra ny fo ka hihainoana ny feon’Izy Andriamanitra no lalana tokana hahafahantsika miverina amin’ny fahasambarana sitrany ho an’ny zanany rehetra, ka “hisehoana eo anatrehany amin-tsaotra mba hankalaza Azy amin’antsa” (Sal 95).
Ary matoa mbola misy hirika ho an’ny ratsy eo amin’ny fiainantsika dia tsy mbola lavorary ny fitiavana izay, hoy Md Paoly (Vak II Rom 13, 8-10). Raha toa moa ka manam-pahefana sy tompon’andraikitra no mananatra, dia tsy azo adinoina, hoy i Md Paoly fa “tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, ary tsy mba ny asa tsara no atahorana ny mpanapaka fa ny ratsy ihany. Ka raha tsy te hatahotra ny mpanapaka ianao dia ny tsara no ataovy…” (Rom 13, 1.3; na koa jereo Joany 19, 11).
Manoloana ny namana kosa, “aoka tsy hisy hanan-trosa afa-tsy ny fifankatiavana”. Mandray roa izany teny izany: ho an’izay ananan’ny hafa trosa ka afa-mandoa dia tsy mendrika ny maha-kristianina ny fitsoahana sy ny fisolokiana hitadiavana izay fomba rehetra tsy handoavana azy. Ho an’ny mpampisambotra kosa, raha sanatria tsy manan-kaloa ilay hafa, dia miantefa aminy ny tenin’i Md Paoly mikasika ny trosan’ny fifankatiavana, ka tsy sanatria ny mpianatr’i Kristy no hanararaotra ny fahosan’ny hafa hanaovana letsin-trosa ny taniny, ny tranony sy ny fananany. Mila tsaroana mandrakariva ity tenin’Andriamanitra lazain’ny mpampinany Ezekiela ity: “Ao aminao misy mandray kolikoly handatsa-dra; mampanjana-bola tafahoatra sady mampitatao zana-bola, sady mihary harena amin’ny fandrobana ny namana… indro aho hamely anao mafy, noho ny tombony azonao tsy an-drariny”. (Ezekiela 22, 12-13).
Izay te ho lavorary dia asain’i Jesoa hivarotra ny fananany ka hizara izany amin’ny mahantra. Dia ho sanatria ve isika no hanararaotra ny fahantran’ny hafa! Ny Fitiavana no fahatanterahan’ny lalàna ka raha toa ka te ho tonga mpianatr’i Kristy marina tokoa isika dia tsy afaka ny “hanisy ratsy ny namana”.
Hatraiza anefa ny finoantsika ilay Fanahy, mahaova ny atifo? Averintsika indray ny antso avo ataon’ny Mpanao salamo mba hiovantsika famindra (Setriny Sal 94) : « Aza manamafy fo toy ny tany an’efitra… », ndeha hankalaza ny Tompo amin-kira, higòka ny hatsaran’ny “mivory amin’ny anarany”, hahatsapantsika fa eo afovoantsika Izy ary mihaino ny vavaka ataontsika.
Tsara asiana tsindrim-peo manokana ny hasarobidin’ny FIARAHA-MIVAVAKA, izay fivoriana amin’ny anaran’i Jesoa, satria tsy vitsy ny olona mahatsiaro irery ihany ilay « mivavaka amin’ny Ray ao amin’ny mangingìna » (Mt 6, 5-7)ka manadino fa « ilay Andriamanitra fitiavana dia eo afovoantsika, araka ny nampanantenainy , rahefa mivory amin’ny anarany isika » (Mt 18, 20). Raha sanatria àry mikorontana ny fiaraha-monina, ny tokantrano na ny ankohonam-piainana dia mila jerena manokana ny fomba iainantsika izay « fiaraha-mivavaka » izay, mba handraisana fanampahan-kevitra araka ny sitrapon’Andriamanitra.
Hifanaiky (συμφωνέω symphoneo), izany hoe “hiray feo” anie isika hitady ny hahasoa sy ny hahavonjy ny olona rehetra, mino fa eo afovoantsika mivory amin’ny anarany i Kristy, hankahery antsika ho tonga taratry ny fitiavany.
[1] Ny tena fanabeazana!! blog https://harilova.blaogy.com/182_diniky_ny_fo