Talata faha-20 mandavan-taona
- Ankasa Ezekiela 28, 1-10/Det 32, 26-36
- Tsy ankasa Mpitsara 6, 11-24/Salamo 84
- Md Matio 19, 23-30
Ny mahantra no handova ny fanjakan’ny Lanitra, ary tsy afaka ny hanompo an’Andriamanitra sy Mamôna miaraka isika. Izay mitoky amin’ny hareny ka manadino an’ilay Loharanon’ny soa rehetra dia tsy afaka ny hiditra ao amin’ny fanjakan’ny Eokaristia: fisaorana sy fiderana. Tsy fitanisana ny soa vitantsika ka handraisana valisoa avy amin’izany ny lanitra. Ny hahalala ny tena endrik’ilay tsy sasa-mitia antsika ka hahafahantsika mitovy endrika tanteraka Aminy no ho tanteraka any (1 Kor 13, 12). Izay mihevitra fa mahavita tena satria manana harem-be manko tsy ho afaka ny hiandrandra avy amin’Andrimanitra ny Famonjena, tsy afaka ny ho faly amin’ny famonjena tsy nisasarany sy tsy nialany vola satria fanomezana mitovy omen’Izy Ray ny zanany rehetra (ny toko faha-20, rahampitso no manazava izay).
Manaitra ny mpianatra ihany ny maheno ny tenin’i Jesoa momba ny maha-sarotra ho an’ny mpanan-karena ny hiditra ny fanjakan’ny lanitra. Ny fiheverantsika dia tokony hanampy amin’izany ny vola aman-karena. Mahazatra ny saintsika ny mihevitra fa tsy misy varavarana tsy voavohan’ny vola, ka na dia ny varavaran’ny lanitra aza dia heverintsika koa fa ho azo amin’ny risoriso. Na ny Boky Deteronômy aza milaza fa ny fanarahana ny Lalàn’ny Tompo no hanandratana ny vahoakany ambonin’ny firenena rehetraka hampiavosa ny harena isasarana (Det 28, 1-14).
Tsy ny fahendrena na ny tanjaka na ny harena anefa no hahavonjy ka tsy tokony hireharehana ireny (Jeremia 9, 22). Ao amin’ny fitanisana ny Didy (Evanjely omaly) dia mahalasa saina ka mampandinika fa tsy ao ny didy faha-folo: “Aza maniry vadin’olona, aza maniry fananan’olona”. Ilay zatovo dia mpanan-karena ka mazava loatra ny harem-be no fitaovana nanatanterahany ny didy hafa rehetra, saingy tsy sambatra amin’izay eo an-tanany, ary tsy hanaiky ny hitovy saranga amin’ny mahantra nasain’i Jesoa hizarana ny fananany, fa ny hampitombo ny hareny aza no laharam-pahamehana tao am-pony. Asan’Andriamanitra ny fanafahana antsika amin’ny mety ho fangejan’ny harena, kanefa kosa anjarantsika ny manaiky hiasan’ny Fanahiny, raha tiantsika ny hiditra amin’ny fiainana tena izy, homaniny ho an’izay manaiky ny ho zanaka.
Ny fanontanian’i Md Piera mihevitra ny hahazo zavatra misimisy kokoa noho ny hafa satria nahafoy ny zavatra rehetra dia mbola hotohizan’i Matio amin’ny toko manaraka, saingy tsy manaitra an’i Jesoa tsy akory izany. Tsy tokony hohadinoina izay efa nohazavainy tao amin’ny toko faha-13 fa noho ny fahitan’izy ireo an’i Jesoa ilay “harena mihafina”, ilay “voahangy sarobidy”, ilay Tompo sy Andriamanitra (Fil 3, 8) no antony namoizany ny zavatra rehetra. Amin’ny andron’ny fanavaozana (παλιγγενεσία palingenesia, Jenezy vaovao) inona kosa ny azy ireo? Ambaran’i Jesoa mazava fa hiara-manjaka Aminy izy ireo. Haintsika tsara anefa fa ny Lakroà no fiketrahana niakaran’i Jesoa mba hitsarany ny olona rehetra sy hitarihany azy rehetra hanatona Azy (Jo 12, 32). Izay mahita Azy ho Tompo sy harena ihany no afaka hiara-manjaka Aminy, izany hoe ho famantarana hanambara sy ho vavolombelon’ny fitiavana mahafoy hatramin’ny fara fofon’aina. Fitsarana hijerena izay hahasoa ny olon-drehetra no ankinina amin’i Jesoa sy ny mpianany, satria “Andriamanitra tsy naniraka ny zanany mba hitsara izao tontolo izao fa mba hamonjy izao tontolo izao” (Jo 3, 16-18). Ary maro amin’ny farany no ho voalohany, amin’ny fandraisana anjara amin’izany asam-pamonjena izany (izay hazavain’ny toko 20).
Fianakaviana sy tany no asainy hafoy: ray, reny, iray tampo ka tsy olona nofidiana ary tsy zavatra nisasarana fa tany noraisina sy nolovaina ka sady hidirana ao amin’ny fianakavian’izay miantso an’Andriamanitra ho Rainy no handovana ny fiainana mandrakizay satria eken’Andriamanitra ho zanany. Antsoiny ary isika hisafidy raha vonona hiala amin’ny fitiavan-tena ka tsy hamita-tena hihevitra ho voalohany sy ho ambony eo anatrehan’ny olona, sao sanatria tsy hahay hizara ny harena nomena hotantanana ka tsy ho tafiditra akory hanandrana ny fahasambaran’izay mitia satria mahalala an’Andriamanitra.