Alahady faha-20 Taona A mandavan-taona
- Izaia 56, 1.6-7
- Salamo 66
- Romanina 11, 13-15. 29-32
- Md Matio 15, 21-28
Ny olombelona rehetra no kendren’andriamanitra
hiditra ao amin’ny Fanjakany.
Tsy izany anefa no toe-tsaina manentana ny olon-drehetra, eny fa na dia ireo izay mihevitra ny hanara-dia akaiky an’i Jesoa toa ireo Apostoly aza. Mety haniry ny famonjena ihany, fa mba ho an’ny tenany ka aleony ny hafa no very, toy izay ny tenany. Vitsy no tonga amin’ny fahamatoram-pinoana nanan’i Md Paoly, naniry ho anatema, ho voaozona lavitra an’i Kristy aza, raha izay no hahafahana mamonjy ny hafa (Vak II alahady 19A).
Manoloana ilay « kely finoana » te handeha eny ambony rano tahaka an’i Jesoa ka nisalasala ary naletiky ny rano tsikelikely (Alahady 19 A) dia ambaran’i Jesoa ny halehibeazan’ny finoan’ity vehivavy kananeana tantarain’ny Evanjely anio ity, vehivavy kananeana, entina milaza ny maha-tsinontsinona ilay ramatoa, izay noharin’i Jesoa tamin’ny amboakely aza, ara-bakiteny dia hoe nalikaina. Kanaàna dia midika ara-bakiteny hoe « bas-quartier ».. Atao inona anefa izany Finoana izany? Ny tsy Finoana, hoy i Md Paoly (Rm 11) no nanapahana ireo « rantsana mpandova ny fampanantenana » (Israely) ka nahazoan’ny Jentily miombon’anjara amin’ny famonjena. Tsy misy ireharehana izany sanatria, fa tokony hampatahotra aza hoy, i Md Paoly (and 21).
Ny finoany lehibe no nahazoany izay iriana! « Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irianao« !(Evanjely Mt 15, 21-28) Dia tsy manam-pinoana ve araka izany ireo mivavaka kanefa toa tsy mahita mangirana amin’izay mba faniriany? Ny fankalazana ny nampiakarana an’i Masina Maria any an-danitra ny 15 aogositra dia mampahatsiaro antsika fa an-dalam-pivahinianana isika, mizotra ho any amin’ilay mandrakizay, ka santatra ho antsika i Masina Maria nasondrotra ho any amin’ny voninahitry ny Ray. Izany fizorana any amin’ny mandrakizay izany dia tsy hoe manampy antsika handalina ny finoana fotsiny fa hanadio ny fontsika koa, tsy hifikitra amin’ny zava-mandalo fa haniry lalandava ny zavatry ny lanitra (Vavaka fangatahana ny 15 aogositra). Tsy ho faniriana hiolonolonana samirery anefa izany, na ho an’olom-bitsy ihany, na ho an’ireo nahazo fahasoavana manokana toy ny Israelita, fa ho an’ny olombelona tsy an-kanavaka (Jereo Vak II Alahady 19 A Rm 9, 1-5).
Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao. Tsy misy soa tanteraka raha tsy sitrapon’Andriamanitra. Raha maniry hahazo ny soa avy Aminy isika araka izany dia tsy maintsy hampifanaraka ny sitrapontsika amin’ny Azy. Ampianarin’i Jesoa rahateo isika hivavaka mba ho tanteraka ny sitrapon’ny Ray. Ampianariny isika hangataka ny “mofon-jaza” mba hanafaka antsika amin’ny fampijalian’ny demony ka hahavelona antsika ao amin’ny hafenoan’ny hafaliana sy ny fiainana mendrika ny maha-zanaka. Tsy azo adinoina fa entin’i Md Marka sy Matio mampiditra ny fizarana ny Mofo ho an’ny hafa firenena ity Evanjely ity, ka manana ny lanjany manokana araka izany ho antsika tsy Jody, mandray anjara amin’ny “Mofon-jaza”.
Izay rahateo no efa nampahatsiahivin’Izaia Mpaminany tamintsika tamin’ny Vakiteny I hoe: « Ny tranon’Izy Tompo hatao hoe : Tranom-pivavahana ho an’ny firenena rehetra » (Vak I Iz 56, 1. 6-7). Ilay «antso « loloha lanitra » ho amin’ny fahamasinana» lazain’ny toko V ao amin’ny Lalam-panorenan’ny Konsily Vatikana II momba ny Fiangonana (Lumen Gentium 39ss) dia mampahatsiaro antsika fa samy voaantso ho amin’ny fahalavorariana ny olombelona rehetra na dia samihafa aza ny lalan-kizorana hahatratràrana izany. Lohalaharana amin’ny famaliana izany antso izany isika Kristiana. Ny hafatr’i Kristy, zary iraka (mission) ho antsika hampianatra izao tontolo izao hitandrina izay nandidiany (Mt 28, 19) dia ampatsiahivin’ny Salamo setriny (Sal 66) antsika : isika nahazo fiantrana sy tso-drano avy amin’Andriamanitra (Fanisana 6, 24-26) dia ho tonga vavolombelon’ny Fitiavany amin’ny manodidina antsika ary ireo kosa indray no ho zary Fanasina hitaran’ny fankalazana an’Andriamanitra any amin’ny foko amam-pirenena rehetra. Izao tontolo izao no antsoina mba handray ny tso-drano avy amin’Andriamanitra ka handray anjara amin’ny fiderana Azy.
« Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana no lalan-kiraisana hahatongavana amin’ny fahamasinana » (LG 42), izany no manentana antsika hitandrina ny hitsiny sy hanaraka ny rariny, ary tsy hanadino ny sabata sy hanompo ny Tompo (Vak I). Ny Sabata moa, izany hoe ny andro fitsaharana, dia ny fahatsiarovana izay nataon’ny Tompo ho antsika. Ho an’ny Jody dia ny fanafahana ny razany tamin’ny fanandevozana tany Ejipta no tsarovana (Det 5, 15) fa ho an’izay mino an’i Kristy kosa, dia ny nandreseny ny fahafatesana no ankalazaina, satria izany no fototry ny finoana. Ao amin’ny misterin’ny Pakany, ankalazaina indrindra ao amin’ny Eokaristia, no loharano anovozan’ny Kristianina ny fahamasinany, ankalazany ny fandresen’ny Tompo ka hahafeno fatra ny hafaliany.
Indraindray anefa tsy mazava ao an-tsaina ny atao hoe fahamasinana ka manjary fifaninanana amin’izay mahafeno fiangonana na amin’izay hampalaza kokoa noho ny hafa no hifaninanana. Tsy tokony ho fialonana amin’ny zava-mandalo no hifaninanantsika fa « fialonana masina » hifaninanana hidera ny Famindrampon’Andriamanitra miseho ao amin’i Kristy Jesoa, hoy Md Paoly (Vak II Rm 11, 13-32). Ny finoana araka izany, dia ny fandraisana io fitiavan’Andriamanitra io ka hampanakoako azy eo amin’ny fiainana[1]. Ny fifaninanana ho masina tahaka an’Andriamanitra no imasoan’izay mino an’i Kristy.
Manampy antsika hahazo izany fitiavana sy famindram-pon’Andriamanitra izany ny toetran’i Kristy ka andeha àry hiverenantsika ny fizotry ny fitantaran’i Matio ao amin’ny Evanjely.
Niala teo Genesareta toerana nilazany tamin’ny mpianany mba hamela ny Farisiana sy Mpanora-dalàna jamba mitarika jamba i Jesoa, ary nizotra hihazo ny faritr’i Tira sy Sidôna, ary avy eo no nanantonan’ilay vehivavy siro-fenisianina azy mba hanasitrana ny zanany ampijalian’ny demony. Araka ny fitantaran’i Matio dia tsy mbola nivoaka ny faritanin’Israely i Jesoa fa mbola eny an-dalana miaraka amin’ny mpianany no natonin’ilay vehivavy kananeana. Ho an’i Marka kosa (Mk 7, 24-30) dia efa tao an-trano iray Izy no nantonin’ity renin’ny zaza ampijalian’ny demony ity. Na ny valin-teny nolazain’i Jesoa koa aza, samihafa: ho an’i Marka dia “avela ho voky aloha ny zaza”, izany hoe azo omena ny “amboakely” ihany ny sisany. Ho an’i Matio kosa dia “tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboakely”.
Raha ny valin-teny hita ao amin’i Matio dia sahala amin’ny hoe tsy afaka ny handray anjara amin’ny mofon-jaza ny alika (hafa firenena), ary toa manamafy izany ny fandraran’i Jesoa ny 12 lahy tsy handeha na dia amin’ny tanin’ny samaritana aza (Mt 10, 5-6). Tsy fanakanana anefa izany raha dinihana fa fampianarana mba hanaja ny ambaratongam-pivoaran’ny finoana na ho an’ny mpitory na ho an’izay maniry handray anjara amin’ny fanasana. Izay mino ka mandray anjara amin’ny fitsanganan’i Kristy ho velona no afaka hirahina eran’izao tontolo izao (Mt 28, 19-20); ary i Jesoa ihany no nilaza fa “maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-hihinana amin’ny fihinanam-be miaraka amin’i Abrahama sy Isahaka ary i Jakôba any amin’ny fanjakan’ny lanitra” (Mt 8, 11-12).
Dia hoy ravehivavy: Ἐλέησόν με, κύριε, υἱὲ Δαυίδ (Mt 15,22 BYZ). Io ny “Kyrie eleison” ataontsika amin’ny vavaka fifonana. Ny zanany ampijalian’ny demony mafy loatra no angatahin’ilay vehivavy famindram-po amin’ilay Tompo, zanak’i Davida. Sady fiekena ny finoana ny maha-Tompo an’i Jesoa izany no finoana ihany koa ny maha-fahatanterahan’ny fampanantenana nataon’Andriamanitra ilay be indrafo (ἔλεος eleos) tamin’i Davida, ilay nanome “mofomamy iray sy rasan-kena iray ary ampempam-boaloboka iray avy ny vahoaka manontolo” (2 Samoela 6, 19). Eto kosa dia tsara ny mandray ny fampianarana aroson’ny Evanjely amin’ny fifandraisan’ny “mofon-jaza” sy ny “fampijalian’ny Demony”.
Tsy namaly i Jesoa na dia indraim-bava aza. Amin’ny vavaka ataontsika, fahanginana no asetrin’Andriamanitra. Fahanginana mba hahafahantsika mihaino Azy bebe kokoa, hahalala Azy bebe kokoa, ary hino ka hanaiky fa tsy misy afa-tsy Izy no afaka hanome antsika ny famonjena. Eo ny mpianatra, tsy noho ny fitiavana hamonjy loatra fa leon’ny kiakiakan-dravehivavy. Na ny teny ampiasain’i Matio aza dia hahafahana mahazo ny fitiavan-tena mbola ilàna fahamatorana ao amin’ny mpianatra. Ilay vehivavy, hoy i Matio niantsoantso mafy (κραυγάζω kraugazo), niantso vonjy, fa lazain’ny mpianatra fa nikiakiaka (κράζω krazo), sahala amin’ny goaika, na sahala amin’ny olona miantso tody, mikafara. Ny hoe: “roahy” moa eto, dia nandikana ny matoanteny ἀπολύω (apoluo), izay ilazana ny famahana ny fatorana mangeja ny olona iray fa ilazana koa ny fisaoram-bady. Na ilay vehivavy kananeana aza dia voantso ho amin’ny fiombonam-piainana amin’Izy Tompo, saingy toa manelingelina an’ireo mpianatra izany, ka naleon’izy ireo miangavy an’i Jesoa mba handroaka azy, mova tsy ny toetran’i Sarà tamin’i Agara (Gen 16, 6).
Marina fa tsy tonga afa-tsy ho an’ny ondry very teo amin’Israely i Jesoa. Olona vitsy monja no afaka nihaino mivantana ny fampianarany sy nifanerasera taminy tamin’ity fiainana ity. Saingy fantatr’i Matio tsara ary ambarany amin’ny Kristianina nanoratany (Kristianina Jody) fa ho avy ny andro hahatanterahan’ny faminanian’i Zakaria hoe: hohazonin’ny olo-mahery folo avy amin’ny hafa firenena ny rambon’akanjon’Israely hidongiany mba hanaraka azy satria izy no nahalala ny tena Andriamanitra mahavonjy (Zakaria 8, 23).
Oharin’ny Evanjely anio amin’ny “amboakely” (κυνάριον kynarion) mitady handrombaka ny mofon-jaza ny olona avy amin’ny firenena hafa ivelan’Israely. Ilay vehivavy kananeanina niantsoantso an’i Jesoa ho “Mesia zanak’i Davida” dia manambara ny finoany amin’ny maha-Andriamanitra sy maha-olombelona an’i Jesoa, ilay nandrasan’Israely fa antsoin’ity vehivavy misolo tena antsika ity kosa ankehitriny satria, nanetry tena izy (Kananeana, avy amin’ny כָּנַע kana`, mietry tena), ary nino fa tsy misy anaran-kafa hahazoana famonjena afa-tsy ny anaran’i Jesoa irery ihany (Asa 4, 12). Izany no nahasahiany niroso ka nilazany hoe “Κύριε, βοήθει μοι (BYZ), “Tompo ô, avia ampio aho”. Izay finoana izay no nahafahan’izy sy ny zanany nihinana na dia ny sombintsombiny ihany latsaka avy amin’ny latabatra aza amin’ilay mofo nomena ny zaza.
Tsy lavitra ny Apôstôly isika rehefa mahita olona entanim-pinoana mitalaho ny hizarantsika aminy ny anjara mofo hahasambatra azy. Tsotra ny valinteny: “roahy izy fa mikiakiaka manaraka antsika”. Ambaran’i Matio amin’ny fanomboan’ny Evanjely anio (and. 21), araka ny efa nampahatsiahivina teny am-piandohana fa niala avy teo amin’ny toerana niresahany tamin’ireo manompo an’Andriamanitra an-tendro-molotra fotsiny i Jesoa ka nihazo an’i Tira sy Sidona, hoentina hilazana ny fiampitan’ny famonjena avy amin’ny Jody ho amin’ny Jentily (Asa 13, 46ss). Raha tsy mitandrina koa isika, mihevitra antsika ho Israely vaovao, ka mihevitra fa fananana azontsika bodoina ny mofon-jaza, dia hanalavitra tsikelikely an’Andriamanitra sy ny fitiavany ny fontsika ka tsy ho tonga taratry ny fahamarinany sy ho vavolombelon’ny halebeazany amin’ny maha-Fitiavana Azy na oviana na oviana isika.
Ny Eokaristia no ilay mofo afaka hanala antsika amin’ny fatorana sy ny fampijalian’ny Demony. Io no ilay mofo nankalazan’i Jesoa (nisaorany) ny Rainy sy nomeny hozarain’ny Mpianany, ary fantatr’izay mino fa manana amby ampy afaka hameno ny sobikan’ny mpianatra 12 mandrakariva (Mt 14, 20). Tsy misy mpianatra afaka hilaza fa tsy hanana mofo hozaraina, araka izany. Amin’ny fizarana azy amin’ny sakramenta sy amin’ny fiainana no hahafahantsika misantatra sahady ilay Fanasan’ny zanak’Ondry any amin’ny Fanjakan’ny Lanitra ihany koa (Apok 19, 9.17)
Isika rehetra no voaasa amin’izany Fanasan’ny Zanak’ondry izany: Samia mandray sy mihinana amin’ity ianareo… Samia misotro amin’ity ianareo. Saingy tsy isika rehetra no madio (Jo 13, 10)… Tsy misy mendrika handray an’i Kristy, saingy nomeny antsika kosa ny Fanahiny handio antsika amin’ny fahotana, “tsy mendrika isika fa kosa mila azy” (Curé d’Ars). Raha tsy izaho tsy mahefa na inona na inona ianareo, hoy Izy (Jo 15, 5). Fahasambarana ho antsika izany, satria io ilay Zanak’ondry manala ny fahotan’izao tontolo izao, io no “mampisaraka antsika amin’ny fahotana” (KFK 1393). Asain’i Jesoa hangataka io mofo io isan’andro isika (Mt 6, 11).
Izay manam-pinoana no afaka hahazo ny mofo mahasitrana ny zanany amin’ny fanagejan’ny demony. Izay manam-pinoana no afaka haniry ny hahazo ny mofon-jaza ka hanao tsinontsinona ny tenany (hanaiky ho alikaina, tahaka ilay vehivavy kananeana) mba ho famonjena ny zanany. Izay tsy mbola vonona ny handà ny tenany ka hanolotra azy ho sorona hamonjena ny hafa, tahaka an’i Kristy raisiny ao amin’ny Komonio Masina, dia tsy mbola manana finoana lehibe, hahafahany migoka ny fahasambaran’ny olom-boavonjy. Tsy ho sanatria isika no sakana tsy hahafahan’Izy Ray mizara ny “Mofon’ny Fiainana” amin’ny zanany rehetra noho ny hakelezan’ny finoantsika (Mt 8, 26: 14, 31).
Raha sanatria, ny avonavona no nandavan’ny Jody ny fiombonana amin’ny hafa noheverina ho “tsy mpino”, Jentily, raha sanatria zavatra toy izany no mbola masaka ao am-pon’ny Kristianina sasany, hivevitra ny Eglizy ho fananany ka hanaovana toeran-tsy zaka amin’izay tsy mitovy fironana amin’ny tena, tsy manary toky kosa anefa izay mino fa tahaka an’i Md Paoly, miandry ny fibebahana marina ho an’ny olona rehetra, ary izany no tena fitsanganana amin’ny maty (Rom 11, 15). Tsy ezaka ny ho tsaratsara kokoa noho ny hafa no iantsoan’i Kristy ny mpianany, fa ny fiezahana isan’andro ho taratry ny fitiavana sy ny famindram-pon’ilay Ray (Lk 6, 36) ary ny mandrafitra ny Eglizy, araka ny ampatsiahivin’ny Konsily Vatikana II antsika dia “ny fitoriana ny Vaovao Mahafalin’i Jesoa Kristy no voalohany indrindra hanorenana ny Fiangonana araka ny sitrapon’Andriamanitra izany tia ny hahavonjy ny olona rehetra” (Ad Gentes 6-8). Izay miombona amin’izany faniriana hahavonjy ny olombelona rehetra izany no afaka hiombona amin’ny Fiangonan’i Kristy, ary izany no maha-katolika azy. Tsy fiombonana ivelany fotsiny ihany anefa izany. “Tsy voavonjy, na dia tonga ratsambatan’ny Fiangonana aza, izay tsy maharitra amin’ny fitiavana: eo am-pofoan’ny Fiangonana tokoa ny “vatatenany”, fa ny “fony” tsy eo akory (LG 14).
Hiezahantsika àry, araka ny vavaka fangatahana, ny ho henik’ilay afom-pitiavana avy amin’Izy Tompo, ka hitia an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra sy ambonin’ny zavatra rehetra, ka tsy hialona ny fahasoavana mirotsaka amin’ny hafa (tahaka ny Apostoly) fa hanetry tena kosa, na dia hionona amin’ny « sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany aza », satria mahatsapa fa ao amin’i Jesoa irery ihany no famonjena, Izy no « Kristy, ilay voahosotr’Andriamanitra ».
Alaintsika tahaka anie i Masina Maria, naheno ny maha-Renin’Andriamanitra azy dia lasa nilatsa-tena hanompo an’i Elizabeta, satria nahatsapa fa ny fahamboniana dia tsy fireharehana, ny fahasambarana dia tsy miankina amin’izay anaram-boninahitra ananantsika (ho azy : Renin’Andriamanitra) fa amin’ny fihainoana sy fitandremana ny Tenin’Andriamanitra (Evanjely andro mialoha ny 15 Aogositra Lk 11, 27-28) . Ny hahafahantsika manandrana ny hasambaran’ny lanitra nampiakarana azy ilay santatra ho antsika rehetra dia ny hafaliantsika amin’ny fiezahana hampiasa ny fiainana ho fandraisana anjara amin’ny asam-pamonjena hahavonjy ny olona rehetra.
Hifaninana ny hitia sy hifanompo ary hifanasoa anie ny ny mpianatr’i Kristy rehetra.
[1] Mbola holazaina bebe kokoa amin’ny alahady faha-21 A mitantara ny fiekem-pinoan’i Piera, tamin’ity taona ity efa novakiana ny alahady 29 Jona (Fetin’i Md Piera sy Paoly)