Alahady faha-19 mandavan-taona Taona A
- 1 Mpanjaka 19, 9a. 11-13a
- Salamo 84
- Romanina 9, 1-5
- Md Matio 14, 22-33
Mampatoky ny manatona an’i Jesoa Mpamonjy.
Ny fahoriana mianjady amin’ny tena na izay mety ho kinasa tsy tanteraka, eny fa na dia ny fotoana heverina hatokana ho amin’ny fihatahana any an-tany efitra mba hivavahana aza (tahaka ny an’i Jesoa), dia tsy natao hialan-tsiny tsy hanaovan-tsoa (Jereo Alahady faha-18 A), ary izay mety ho fahasahiranana amin’ny fanompoana sy ny fitsinjovana ny mahantra koa sanatria tsy natao hanamaivanana na heverina hahasolo ny fiainam-bavaka. Manambara izany ny Evanjely : « ary rehefa avy nampirava ny vahoaka [i Jesoa] dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana » (Mt 14, 22-33). Midika izany fa ny vavaka, na ny fikasana marina tokoa hivavaka dia manokatra ny fontsika hiantra sy hitsinjo ny sahirana, ary ny fitsinjovana ny mahantra sy ny asa fiantrana kosa no manomana ny fontsika amin’ny fihaonana amin’ilay Andriamanitra fitiavana. Izany no « vavaka sy asa » (ora et labora) izay baikom-piainan’i Md Benoit.
Mazàna anefa isika no mitady ny fiadanam-po amin’ny fianteherana amin’ny zava-mandalo, ka rehefa revon’ny adim-piainana dia adino hatramin’ny antony nitolomana aza. Ny Vakiteny I (I Mpanj 19, 9-13) dia mitantara ilay olon’Andriamanitra (Elia) izay mahatsapa ny fisian’YHWH ao anatin’ny feo malefaka sy mandrotsirotsy – tao anatin’ny fiadanana – fa tsy tao anatin’ireo zavatra heverina ho fampisehoan-kery (rivo-mahery, horohoron-tany, afo…). Mety hialohavan’ny fisalasalana sy fitsapàna maro araka izany ny lalana mitondra mankamin’ny fihaonana amin’Andriamanitra, ary ny fizorana ho amin’ny finoana marina dia mety ho fitaovana hahazoana tombontsoa manokana ihany ka hitadiavana porofo tahaka an’i Md Piera hoe « asaivo mankeny aminao ambony rano aho » (Evanjely Mt 14, 22-33).
Efa tsy fifandovàna intsony no niakarana teo amin’ny fitondrana teo amin’Israely fa an’ady. Nandritra ny 22 taona nanjakan’i Ahàba zanak’i Hômrý, mpitari-tafika nandrombaka ny fahefana ka nanorina an’i Samaria ho renivohi-paritanin’ny Fanjakana Avaratra (1 Mpanjaka 16, 23-28) no nitrangan’ny tantaran’i Elia tamin’ny Vakiteny I teo. Nanorenan’i Ahàba tempoly hanompoana an’i Bahàla (andriamanitry ny razan’i Jezabela) tao Samaria ary mazava loatra fa izay te hahazo tombontsoa amin’ny Mpanjaka dia tsy maintsy hanaraka ny fanompoan-tsampiny ihany koa. Novonoin’i Elia anefa ireo mpaminanin’i Bahàla 400 mahery ary izay no niantsian’i Jezabela ny ainy. Amin’ireo andininy navela tamin’ny vakiteny I anio no ilazan’i Elia ny antony handosirany mba hanavotra aina: te hiaro ny voninahitry ny Tompo sy ny Fanekem-pihavanany izy, saingy matahotra ny ho faty ihany koa (1 Mpanjaka 19, 10). Indroa Andriamanitra no manontany an’i Elia hoe: “Maninona atý ianao ry Elia” (1 Mpanjaka 19, 9b.13).
Manoloana ny fifofoan’i Jezabela ny ainy (1 Mpanjaka 19, 2) dia adinon’i Elia ny adidy miandry azy amin’ny fijoroana ho vavolombelona, ka naniry ho faty izy (and. 4), kanefa Andriamanitra naniraka ny Anjeliny hamelona azy. Ary rehefa avy nihinana ny mofon’ny Anjely fanindroany izy no niainga ka nihazo ny Tendrombohitra Hôreba (חֹרֵב = fahamainana tanteraka) ary tao no nihaonany tamin’ny Tompo. Voalaza fa raha avy nihinana ny mofo voalohany izy dia niverina natory. Impiry moa isika no avy mihinana sy misotro ny Sakafon’ny Anjely amin’ny Eokaristia Masina no mbola miverina matoritory ihany amin’ny fiainana, saingy tsy sasatra ny miantso antsika ny Tompo mba hizotra ny lalana mankany Hôreba, hiverina any amin’ny toerana nanaovany ny Fanekem-pihavanana tamintsika (Det 5, 2).
Eo amin’io toerana io no hahafahana mivavaka marina tokoa, eo no hahafahantsika mihaino indray ny Tenin’Andriamanitra. Izany no atao hoe “miakatra any an-tendrombohitra mba hivavaka”, miverina amin’ny fahatsapana fa Andriamanitra no tia antsika mialoha, ny fitiavany no naha-babo ny fontsika ka nahatonga antsika hisafidy ny ho vavolombelon’izany fitiavany izany. Ny fizotry ny fisehoana (théophanie) teo Hôreba dia manampy antsika koa hanadio ny mety ho hevi-diso ananantsika momba an’Andriamanitra sy ny maha-mpanompony antsika.
Manoloana ny olana na ny mety ho sakana ataon’ny maty eritreritra amin’izay fiezahantsika hanao ny soa dia mety ho valifaty na ny fitadiavana hevitra hanapotehana ny herin’ny fahavalo no tonga ao am-tsaintsika. Tsy izay anefa no lalana atoron’ny Vakiteny voalohany. Ny rivotra be sady mahery mampisefatsefaka ny tendrombohitra sy manorotoro ny vatolampy, ny horohoron-tany sy ny afo, manambara hery sy tanjaka afaka mamotika ireo fahavalo mifofo ny ainy, saingy tsy tao amin’ireo ny Tompo. Tsy Andriamanitra hanome hery handringanana ny fahavalo no niseho tamin’i Elia fa Andriamanitry ny fiadanana, “fiadanana no lazainy”, hoy ny Salamo 84 (setriny), ka izay manandrana izany fiadanana izany no afaka hihaino marina ny feony. Miseho ao anatin’ny fizozozozoana, amin’ny teny mora sy malefaka, mitory fiadanana Izy. Ao Izy no maniraka antsika handeha (יָלַך yalak), hibebaka (שׁוּב, shub), hanohy ny asa heverintsika hamaliana ny fitiavany (Elia 1 Mpanjaka 19, 15). Izao no famantarana hahalalana ny mpanompony, hoy Izaia: “tsy hiantso mafy izy, tsy hanandra-peo, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalam-be” (Izaia 42, 2).
Mety hitaky ny fahafoizana ny maha-izy antsika anefa izany, ho anatèma (ἀνάθεμα, misedra loza), voahozona mba hahafahana maneho an’i Kristy ho famonjena ny hafa, hoy i Md Paoly ( Vak II Rm 9, 1-5) saingy tsy hohadinointsika izay nolazaintsika teny am-pihandohana izay lalana tokana hahafahana maharitra amin’ny fitiavana marina: ny fandanjalanjana ny fiainana, tahaka ny lazain’i Md Bénoit, nolazaintsika teny am-piandohana hoe “ora et labora”, ka « rehefa mivavaka isika dia hihevitra fa miankina amin’Andriamanitra ny zava-drehetra, ary rehefa miasa dia hihevitra kosa fa nankina amintsika ny fandavorariana ny tontolo« . Dia izany no nokalointsika tamin’ny salamo setriny hoe « tafahaona ny fitiavana (חֶסֶד hesed=hatsaram-po) sy ny fahamarinana (אֱמֶת ’emeth = fahatokisana, tsy fivadiana amin’ny teny nomena); Mifanoroka ny rariny (צֶדֶק tsedek = fitandrovana ny rariny) sy ny fiadanana (שָׁלוֹם shalom = fahalavorariana); ny fahamarinana (‘emeth) mitrebona eto an-tany, ny rariny (tsedek) kosa mitranga eny an-danitra. » (Sal 85, 9-14).
Raha dinihana tsara izany zavatra lazain’ny Salamo izany dia hoe: avy amin’ny tany, ezaka avy amintsika ny mampitrebona ny fahamarinana (tsedek), izany hoe takiana amintsika ny tsy fivadihana amin’ny teny nomena, fa ny rariny kosa, ny fitsarana izay marina sy hitsiny, ny fiheverana hamaly faty na hanasazy dia an’Andriamanitra. Indraindray anefa mampalahelo fa ny marina araka ny fiheverantsika no entintsika miaina ka vitsy ny olona afaka milaza tahaka an’i Md Paoly hoe : iriko ny ho voaozona ho lavitra an’i Kristy raha izay no hahavonjy ny rahalahiko. Tsy afaka ny hilaza ho tena mpianatr’i Kristy anefa raha tsy mbola tonga amin’izany.
Ny Evanjely dia manampy antsika kosa hiaina amin’izany maha-mpianatra, mpanara-dia an’i Kristy izany.
Araka ny voalaza teo aloha, ny Mpianatra, avy nivoky ny mofo voatsodrano ihany koa dia nodidian’i Jesoa, na ny marimarina kokoa notereny (ἀναγκάζω ana[g]nkazo) hiakatra ao an-tsambokely ka hiampita hialoha Azy. Raha alaina sary an-tsaina ny zava-mitranga dia hafahafa ihany. Ho aiza ireto mpianatra? Hiverina ho any Nazareta ve sa ho aiza? Lazain’ny Evanjely fa avy nandre ny nahafatesan’i Joany i Jesoa dia niala tao mba hitokana samirery any an’efitra (Mt 14, 13). Manahirana ihany koa, satria 11 km no velaran’ny farihin’i Galilea, nefa hatramin’ny telo maraina ireo mpianatra, mbola eny am-povoan’ny ranomasina ihany. Ny tohin’ny Evanjely moa no milaza fa any Genesareta, any amin’ny toerana niantsoana ny mpianatra no hitondran’ny sambo azy ireo.
Izany rehetra izany (sy ny zavatra hafa tsy ho voatanisa eto) no manintona ny saina handeha lavidavitra kokoa, hahazo ny hafatra tian’i Matio ampitaina amintsika. Ho an’ity Evanjelista ity, ny sambo dia ny Eglizy, ao no anirahan’i Jesoa ny mpianany mba hizorany ho eny am-pita, ho any amin’ny fahasambarana ampanantenain’Andriamanitra ny zanany rehetra. Tany nahavokisana tsy hipetrahana ela, hoy ny Ntaolo, hampahatsiahivana ny tokony hiverenana malaky amin’ny asa miandry. Tahaka an’i Elia koa ary, izay avy mivoky amin’ny “hanina mahavelona ny fanahy” (vakiteny I alahady 18A Izaia 55, 1-3) dia voaasa hihaona amin’ilay Andriamanitra “manambara fiadanana”.
Raha jerentsika ny nataon’i Jesoa, Izy ilay tahaka an’i Elia, nandritra (ritra) ny ainy tamin’ny hasarotam-piaro ny Tranon’ny Rainy (Jo 2, 17, Sal 68, 10), dia tsy nanakana Azy velively hanadino ny fihaonany tamin’ilay Rainy ny fikolokoloana sy ny fampianarana ny vahoaka, ka niakatra teny an-tendrombohitra, Izy irery nandritra ny alina, mba hivavaka. Manosika antsika hanome lanja ny vavaka samirery izany, fa sady tsy voasolon’ny fiaraha-mivavaka no tsy voasolon’izay mety ho faharerahana amin’ny asa fanompoana, araka ny efa voalaza teny aloha moa.
Ny Eglizy kosa, toy ny sambo atopatopan’ny onja sy ahilangilan’ny rivom-pampianaran-tsamihafa etsy sy eroa (Efez 4, 14) satria fampianarana tsy mifanaraka amin’ny heverin’ny be sy ny maro no ampitaina. Manaporofo izany ny zava-misy ara-tantara nandritra izay roa arivo taona latsaka kely niorenany izay ary eo anatrehan’izany indrindra no hisehoan’i Jesoa, mandeha ambonin’ny rano satria efa nitsangan-ko velona, nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana, kanefa toa heverin’ny mpianatra ho matoatoa ihany. Ny nadika hoe nahilangilana moa eto dia ny matoanteny hoe βασανίζω (basanizo)[1], izany entina hilazana ny fisedrana ny volamena sy ny volafotsy amin’ny alalan’ny fandomana azy amin’ny βάσανος (basanos), karazam-bato mafibe mba hahalalana na tena izy na osoka. Ny rivotra mihatra amin’ny Eglizy araka izany dia fitsapana ihany, hanehoany ny maha-izy azy, izany hoe hanehoany fa fitaovana aneren’i Kristy ny mpianany ho eny am-pitan-drano izy.
Anisan’ny fomba entintsika maka fanahy an’Andriamanitra ihany anefa izay nataon’i Piera: “Raha ianao ary Tompoko, asaivo mandeha mankeny aminao eny ambony rano aho”. Adinon’i Piera, ary adinon’ny mpianatra matetika fa ny hitondra ny sambokely ho eny am-pita no nanirahana azy fa tsy ny handeha ambony rano. Ny sambo no mandeha ambony rano fa tsy ny olona. Tsy ny hifaninana hitovy amin’Andriamanitra no heverintsika fa hanaporofoana ny fisiany. Tsy fanarahan-dia izany fa faniriana vokatry ny avonavona ihany. Izay mieritreritra hanao izany, na ho ela na ho haingana, tsy maintsy hilentika ihany tahaka an’i Piera.
Ny fahatsapana ny fahalemena eo anatrehan’izay hamafin’ny rivotra mifofofofo no mahatonga ny tahotra, ary izany dia tokony hanampy ny fontsika hisokatra amin’ny tena vavaka: « Tompo o, vonjeo aho« . I Kristy eo anivontsika no afaka mampitsahatra ny rivotra sy mameno fiadanana ny fo. Tsy afaka ny hatoky tena amin’izay heriny sy fahaizany ny mpianatr’i Kristy ary tsy hanadino fa Jesoa (יְהוֹשֻׁעַ Yehôshuwà), “Andriamanitra no famonjena” no anaran’ilay naniraka azy ireo. Tsy ny Apostoly ihany anefa, fa na isika koa aza, rehefa jambenan’ny adim-piainana no mihevitra an’Andriamanitra ho toa “matoatoa” ary mitady famantarana mba hanaporofoana fa tena Izy marina no eo afovoantsika.
Ny finoana tsy matotra (ὀλιγόπιστος oligopistos, finoana kely) no mampisalasala antsika ka hanadinoana ny iraka sy ny tanjon’ny fiainana voalohany indrindra, ary avy eo indray, tsy hatoky akory ny fitiavan’ilay niantso antsika. Izy kosa anefa tsy sasatra ny maninjitra ny tanany mba hamonjy antsika. Izy miakatra eo an-tsambokely no mampitsahatra ny rivotra, mampisy fiadanana, tahaka an’i Elia teny an-tendrombohitra Hôreba. Ao amin’izany fiadanana izany no hahafahantsika manatona Azy sy mitsaoka Azy fa Izy tokoa no tena Zanak’Andriamanitra. Tsy Md Piera irery, toy ny holazain’i Md Matio aoriana kely (Mt 16, 16) fa ny mpianatra rehetra no miara-miaiky ny finoany.
Ny hatsarampon’Andriamanitra (hesed) araka izany, mba hahazoantsika ny famonjena dia tokony hihaona amin’ny fitandrovantsika ny didiny (‘emeth), ka noho izany dia tsy hamela antsika hanao izay mahafalifaly ny fo fotsiny; ny fikatsahana ny fiadanana (shalom) dia tsy azo sarahina amin’ny fitandrovana ny rariny sy ny hitsiny (tsedek), ka tsy hanadinoana fa « ny Fiadanana dia sady fahasoavan’Andriamanitra no finiavan’ny olombelona »[2]; ary na inona na inona ho fitandrovantsika ny lalàna, na inona na inona ezaka hifanohanantsika (‘emeth) dia mila mandrakariva ny andon’ny lanitra isika hampamokatra ny voa nisasarana (Sal 126).
Iezahantsika ary ny hiaina izany finoana izany, hampisy akony eo amin’ny andavanandrom-piainantsika izay ventsointsika ao amin’ny vavaka, ary hahafahantsika mitondra am-bavaka ny trangan-javatra na an-kasarotana na an-kafaliana.
[1] βασανίζω : mettre à l’épreuve (des métaux) par une pierre de touche (basanos), pierre siliceuse utilisée pour la vérification de la pureté de l’or ou de l’argent par examen d’une rayure par cette pierre (source : Bibleworks 10).
[2] Hafatry ny Papa Taombaovao 2007 : paix: don et tâche. Jereo eto