Alahady faha-17 mandavan-taona Taona A
- 1 Manjaka 3, 5.7-12
- Salamo 118
- Romanina 8, 28-30
- Md Matio 13, 44-52
Mety ny mahafoy izay tsara hahazoana ny tsara kokoa.
« Avelao hiara-haniry izy roroa ambaram-piavin’ny fijinjana » (Alahady faha-16 A Mt 13, 24-43) satria « ny voany no hahalalana ny hazo » (Mt 12, 33). Izany fampianaran’i Kristy izany dia manampy antsika hahazo ny tsiambaratelon’ny tolona sedraintsika isan’andro amin’ny fiaraha-miaina. Ny ahi-dratsy manko dia misy eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika, misy ao anatin’ny fianakaviantsika, any am-piangonana fa indrindra ao am-pon’ny tsirairay. Masina ny Fiangonana, saingy mpanota isika mpiangona… Tsy ny fanongotana ny ahi-dratsy hoy i Kristy no vahaolana hanorenana ny Fanjakan’Andriamanitra eo anivontsika fa ny fampamokarana ny voa tsara, mba hangonina ao an-tsopitra.
Mazàna ny fahasosorana sy ny tsy fananam-paharetana amin’ny fanomezana ny hafa fotoana hibebahana (vak I Alahady 16 A Fah 12, 13. 16-19) izay hamarinina amin’ny hoe : « satria izaho manana ny rariny, ka tokony ho ekena… » dia tsy manampy hiala amin’ny toe-java-mitranga fa vao mainka koa mampitombo ny olana sy ny lonilony.
Tsy fantantsika akory, hoy i Md Paoly izay hangatahintsika ka aoka ny Fanahy no hivavaka ho antsika (Vak II Alahady 16 A Rm 8, 26-27). Ny Vakiteny I (1 Mpanjaka 3, 5.7-12) dia mampanontany tena antsika hoe : raha izaho no amin’ny toeran’i Salomona Mpanjaka, inona no hangatahiko amin’YHWH? Miankina amin’izay tanjona omentsika ny fiainana anefa ny valin’izany fanontaniana izany. Ho an’i Salomona dia mazàva ny tanjon’ny fiainany : hitondra am-pahendrena ny vahoaka, ka tsy harena no ilaina fa saina mahiratra, ny fahendrena.
Iza ny olona tsy maniry ny ho hendry, maniry ny hanao ny zavatra ankinina aminy araka ny tokony ho izy? Samy namafazana ny voa tsara avy ny tany rehetra, kanefa tsy mitovy ny vokatra miakatra fa miankina amin’ny toetry ny tany namafazana azy nohahafahan’ny voa mamokatra na tsia.
Ampahatsiahivina moa fa ny toko faha-13 amin’ny Evanjely nosoratan’i Matio dia entin’i Jesoa hanambarana amintsika ny misterin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Fanoharana fito izy ireo, izay vakiana amin’ny alahady telo mifanaraka :
Ny alahady XV momba ny Mpamafy, izay mamintina ireo sakana telo tsy hahafahantsika mandray ka mampamokatra ny teny dia ny tsy fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo (manao mafy fo velona), ny tsy fitiavana Azy amin’ny fanahy manontolo (tsy fitozoana sy tahotra ny ho faty), ary ny tsy fitiavana Azy amin’ny hery manontolo (fifikirana amin’ny harena mandalo). Fa izay maheno ka manaraka ny lalam-pahasambarana atoron’ny Teny kosa no hampamokatra azy, eny fa na dia tsy mitovy koa aza ny vokatra azo.[1]
Ny alahady XVI kosa indray dia momba ny misterin’ny ahi-dratsy, sy ny fanoharana roa momba ny voan-tsinapy sy ny lalivay, izay mampahatsiaro antsika fa tsy afaka ny ho tonga hazo hialofan’ny voro-manidina ary tsy ho afaka ny hampitombo ny koba manontolo raha tsy mahafoy ny ho faty toy ny voa, sy hifangaro amin’ny lalivay tahaka ny lafarinina in-telon’ny famarana, izany hoe hahafoy manontolo hatramin’izay mety ho antok’aina; mila faharetana anefa izany satria fiaraha-mitombo amin’ny ahi-dratsy.
Anio alahady XVII, momba ny rakitra nafenina tany an-tsaha, ny voahangy ary ny harato, izay heveriko fa manampy antsika kosa hahafoy izay harena mety maningotra ny fontsika satria fahafoizana ny tsara ho amin’ny tsaratsara kokoa.
Ampahatsiahivina ihany koa fa amin’ny maha-fanoharana azy dia fitoriana amin’ny fomba faran’izay tsotra indrindra no ataon’i Jesoa (Salamo 78, 2, hamoaka ny zava-miafina hatry ny ela): apetraka eo anatrehan’ny olona amin’ny alalan’ny oha-piainana iainany an-davanandro ny Teny. παραβάλλω (paraballo) moa dia midika hoe mametraka eo anilany na eo alohany ka avy amin’io matoanteny io ny hoe παραβολή izay nadika hoe fanoharana. Izany no hanehoan’Andriamanitra ny fitiavany hamafy ny Teniny ka ho ren’ireo miseho ho be marenina avokoa ny fanambarana ka ho hitany miharihary, ka safidiny ny hanidy sofina sy hanakimpy maso na tsia.
Ny Fanoharana efatra voalohany moa (ny mpamafy, ny ahi-dratsy, ny voatsinapy sy ny lalivay) dia nataony ho an’ny vahoaka, ny telo hafa kosa lazain’ny Evanjely anio (rakitra nafenina tany an-tsaha, ny voahangy sarobidy ary ny harato) dia nataony ho an’ny mpianany rehefa nody tany an-trano.
Md Matio 13, 44-46
Raha jerentsika ary ireo fanoharana roa voalohany lazain’ny Evanjely anio dia manampy antsika hiverina handray ny teny ka hanesotra ny tsilo, izany hoe “ny fiahiana ny fiainana sy ny fitaky ny harena” izay mety hanakana ny Teny tsy hamokatra ao amin’ny tany namafazana azy.
Noho ny hafaliana fa nahita rakitra niafina tao amin’ny sahan’ny hafa, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ranamana mba hahazoana ilay saha. Ny rakitra nafenina tany an-tsaha moa, dia ny harena izay natahoran’ny tompony ho lasan’ny mpandroba mandritra ny ady, ka aleviny any ivelan’ny trano. Ary raha toa ka mbola velon’aina aorian’ny ady dia hiverenany alaina; raha sanatria moa maty mandritra ny ady dia milevina ao io harena io. Ka kisendrasendra no ahitan’ilay miasa ny saha azy. Midika koa izany fa maimaim-poana no hanehoan’Andriamanitra amintsika ny haren’ny Fanjakany.
Ilay nahita ilay harena dia olona niasa ny tanin’ny hafa. Olona mpikarama araka izany na mpanofa tany. Mety tsy fantatry ny tompon’ny tany akory anefa ny fisian’io harena miafina io, ka moa ve tsy azon’ilay mpiasa nentina mody amin’izao ilay harena dia vita? Nahoana izy no tsy maintsy hividy ilay saha? Ny antony voalohany dia hoe tsy azo angalarina io “harena” io, ankoatra ny hafaliana amin’ny fahitana azy dia tsy maintsy manapa-kevitra hahazo azy an-drariny ilay nahita azy. Izany no lazain’i Md Paoly amin’ny fahafoizana ny zavatra rehetra mba hahazoana an’i Kristy sy ny fahendreny (Fil 3, 7-12).
Mety ho antony terena hifanaraka amin’ny fahamarinana heverintsika ihany anefa izany fa ny antony izay heverina fa mitombona kokoa, ka hahafoizana hivarotra ny fananany rehetra mba hividianana ny saha, dia satria mihevitra izy fa tsy voatery ho io rakitra tokana io ihany no ao, harena miafina iray no hitany, fa mbola mety misy maro hafa ao, ka mba hahazoana azy rehetra dia ny saha manontolo no tsy maintsy hovidiana, mba ho azy manontolo izay harena rehetra ao. Izay mahalala ny hasarobidin’ny haren’ny Fanjakan’ny Lanitra dia tsy hihanona amin’ny sombitsombiny fa hikatsaka ny hafenoany.
Indraindray anefa tsy hitantsika kisendrasendra mandritra ny fiasana ny tany ny harena fa tsy maintsy karohana, tahaka ny fikarohan’ny mpadranto voahangy, ka rehefa mahita iray lafo vidy dia tsy maintsy hivarotra ny voahangy hafa rehetra mba hividianana azy. Tsy ho feno fatra ny hafaliantsika raha tsy hahazo izay harena nirin’ny fo. Na dia sodokan’ny ankosoka aza indraindray, babon’ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano, dia tsy afaka ny ho tony ny fon’ny olona raha tsy mahita io voahangy sarobidy io, voahangy tokana hahafoizana ny voahangy hafa rehetra fa tsy sanatria ny ampahany fotsiny ka mbola hampizarazara ny fo tsy hampamokatra ny Teny.
Tsy afaka ny ho fenon’ny zava-mandalo ny fo izay mikatsaka ny mandrakizay, hoy Md Augustin. Noho izany, izay mahita ny hatsaran’ilay manana ny Tenin’ny Fiainana mandrakizay dia tsy afaka ny ho faly intsony amin’ny zava-mandalo eto an-tany. Hafaliana ho azy ny fivarotana ny fananany rehetra mba hahafahany mitahiry ny mandrakizay.
Tsara ho marihana fa amin’ny dikanteny grika, ilay nahita ny rakitra tany an-tsaha dia “mivarotra” ny fananany rehetra (présent); Entin’ny Evanjely milaza izany fa antsoiny hivarotra ny fananantsika “anio”, tsy misy hatak’andro aza isika satria ny hafaliana mambabo ny fo no hanapahan-kevitra (de-cidere) hanesorana (re-cidere) ao amin’ny fiainana izay mbola harena mety hamingotra ka tsy hahafeno fatra ny hafaliana.
[Ilay nahita ny voahangy tsara kosa dia “nivarotra” ny voahanginy rehetra: izany hoe tsy azo adinoina koa anefa fa efa nisy koa ireo nahafoy ny voahanginy, nialoha antsika ka mitantara ny hafaliana amin’ny fananana ilay voahangy sarobidy, hany tokana afaka hahafeno fatra ny hafaliana ka miantso antsika koa hiara-paly aminy, amin’ny fahafoizana ny voahangy hafa rehetra satria tsy afaka ny hanompo an’Andriamanitra sy i Mamôna isika (Mt 6, 24).]
Raha iverenana ny fivavahan’i Salomona nolazaintsika teny am-piandohana, dia azontsika ny antony nangatahany saina mahiratra, na ny marimarina kokoa fo mahay mihaino, ( לֵ֤ב שֹׁמֵ֙עַ֙) satria izany no ilainy hahafahany manjaka araka ny fon’YHWH. Tsy afaka ny tsy hiròna amin’ny harena ny fon’ny olona, ka izay itoeran’ny hareny no hitoetan’ny fony, ary izany no efa nampianarin’ny Evanjely antsika mba hikatsaka ny harena maharitra fa tsy ho sodokan’ny fandriky ny harena mandalo (Mt 6, 19-21).
Hitombo ao am-pontsika anie ny fahalalana an’i Kristy ka hananantsika herim-po hanesotra eo amin’ny fiainana ny zavatra rehetra manakana antsika tsy hahita ny hasarobidin’ny harena miafina ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra, sy tsy hanadrana ny harena sitrany holovain’ny zanany rehetra ka tsy hahafoizana ny harena hafa rehetra mba hahazoana azy.
Md Matio 13, 47-53
Na ny fanoharana momba ny ahi-dratsy sy ny taom-pijinjana tamin’ny alahady XVI A na ny fanoharana mikasika ny harato dia samy manambara ny fahataperan’izao tontolo izao, saingy samy manana ny antony nanoratan’i Md Matio azy mazava loatra. Ny voalohany dia mamaly ny fanontaniana mikasika ny faharetan’Andriamanitra, ka tsy hanafainganany ny fanalàna ny ahi-dratsy ao anatin’ny tanimboly; ny fanoharana momba ny harato kosa dia mamaly ny fanontaniana hoe: oviana àry no handraisan’ny olo-marina ny valisoany any amin’ny voninahitry ny lanitra.
Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina ka nanangona izao karazana hazandrano rehetra izao (ἐκ παντὸς γένους συναγαγούσῃ BYZ γένος genos moa dia ilazana ny karazam-poko, ny taranaka mifandimby, ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka. Tsy misy trondro ao amin’ny teny grika). Ao amin’ny teny grika moa tsy misy “trondro” fa milaza ny γένος (genos). Raha ny tena marina ny trondro alàna ao anaty rano dia maty fa tsy velona, ny mpanaraton’i Jesoa anefa manala ny “olona” avy amin’ny haizin’ny fahafatesana sy ny fahotana mba ho amin’ny fiainana (Mt 4, 19, mpanarato olona), ary tsy ny tsara ihany fa ny olon-drehetra tsy an-kanavaka (genos) no angonina. Ny Fiangonana koa dia tandindon’ilay πανδοχεῖον (pandocheion), ilay tranom-bahiny handraisana ny olon-drehetra tsy an-kanavaka, nitondran’ilay Samaritana ilay sisam-paty navelan’ny jiolahy (Lk 10, 34). Izany no mahatonga an’i Md Lioka hampiasa ny teny ζωγρέω (zogreo = misambo-belona, na ny marimarina kokoa misambotra mba ho velona) rehefa mitantara ny fiantsoana an’i Simona ho mpanarato olona (Lk 5, 10).
Ho an’i Md Matio dia tsy ho tonga araka izany ny fisarihana ny harato raha tsy efa miangona ao avokoa ny olombelona rehetra. Ao amin’ny toko faha-24 moa izy dia milaza mazava fa “hotoriana amin’izao tontolo izao ny Evanjelin’ny fanjakan’ny Lanitra, mba ho vavolombelona amin’ny olona rehetra, izay vao ho tonga ny farany” (Mt 24, 14).
Mbola sarotra ny mahita izany Fiangonana toy ny harato manangona ny olona tsy an-kanavaka izany. Mila mibebaka isika ary mila mivavaka mba ho taratry ny Fanjakan’Andriamanitra ny Egliziny, ka ho afaka hanangona ny olona ary handio azy ireo mba ho tonga zanaky ny Fanjakana, hizotra amin’ny fahazavana ka ho voadion’ny ran’i Kristy (1 Jo 1, 7). Tsy sanatria isika no hanilika ny hafa tsy ho zanak’Andriamanitra. Raha tsy mandray ny hafa ho mpiray aina (tam-po) amiko aho dia manilika ny tenako tsy ho zanak’Andriamanitra. Adidintsika ny mitarika ny “trondro” rehetra ao amin’ny haraton’i Kristy ka hahafahany manolotra azy rehetra amin’ny Ray (1 Kor 15, 24.28).
Na dia amin’ny farandro aza anefa ny fanavahana sy ny fitsarana, dia ny fiainako ny famindram-po “anio”, tsy misy hatak’andro, no hahafahako mandray koa ny famindram-po mandrakizay (Jakoba 2, 12ss). Ny fanahafantsika an’Andriamanitra sy ny fahalavorariany satria “mpamindra fo sy mihantra” Izy no maha-lehibe antsika ao amin’ny Fanjakany. Izany no hahatonga antsika ho “trondro” mahasoa afaka hangonina ho any an-trano (Levitika 11, 10-11).
“Efa azonareo ve izany?”
Antsoin’i Jesoa isika hahazo ny hevitr’izany fanoharana izany satria raha sanatrian’izany tsy mazava ny fifandraisan’ny fahasoavana sy ny fahafahana, ny fanomezan’Andriamanitra maimaim-poana sy ny andraikitry ny olombelona dia mety ho zava-doza ny vokany: na hivarina amin’ny fahasiahana ka hiheverana fa miankina amin’ny ezaka atao no hahafahana manova ny fiainana sy ny zava-misy, na sanatria hanasa tanana tsy handray andraikitra, tsy hivaky loha satria hihevitra fa hain’Andriamanitra ny zava-drehetra, ka hahatonga ny fiainana ho fakofako ihany. Ny iray moa mety hitondra amin’ny fahakiviana hiheverana fa tsy hisy andro mihiratra intsony, ny iray kosa mety hitondra amin’ny avonavona hiheverana fa efa tafita ka hanadino fa manoro antsika ny lalana tokony hodiavina Andriamanitra fa tsy sanatria misolo antsika amin’ny fizorana azy.
Izay tonga mpianatr’i Kristy dia tsy afaka ny hikatona amin’izay mahazatra (zavatra tranainy) fa kosa hisokatra mandrakariva amin’ny fahazavana entin’i Kristy, fitoeran’ny hafenoan’Andriamanitra (Kol 2, 3-9) mitondra fanavaozana ho antsika. Tsy azo adinoina koa anefa fa ao amin’ny zavatra tranainy dia efa naneno ny fitiavany Andriamanitra, tsy handrava fa hanatanteraka ireny no nahatongavan’i Kristy ka anirahany ny mpianany koa, ka anjarantsika izany ny mibanjina ny voninahiny amin’ny zavatra tanterahiny isan’andro vaky, amin’ny alalan’ireo izay manaiky ho taratry ny fahalavorariany.
Ho sanatriavintsika anie ny hitsipa-doha laka-nitàna ka hizotra ny lalana mitondra any amin’ny fitomaniana sy ny fikotroha-nify.
Isika izay nohariana mitovy endrika amin’Andriamanitra, dia lazain’i Md Paoly fa voaantso haka tahaka an’i Kristy. « Entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy ny zavatra rehetra » (Vak II Rom 8, 28-30). Ao amin’i Kristy no hianarantsika ny fitiavana an’Andriamanitra, Izy ilay mivelona amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’ny Ray (Jo 4, 34), ao Aminy araka izany no hahitantsika ny hevitry ny zava-mitranga ka hahatonga izany hahasoa antsika.
Amin’ny zavatra rehetra no hikarohantsika ny sitrapon’Andriamanitra, ka hahitantsika ny hasarobidin’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Evanjely Mt 13, 44-52) Mety ho eny amin’ny sahan’ny hafa anefa izany, ka hivarotana an-karavoana izay hananana mba hahazoana ny harena miafina manontolo… Mety ho eny an-tsena ka hahafoizana ny tsara efa nananana mba hahazoana ny tsaratsara kokoa… Izay fikarohana ny tsara kokoa izay no fanalahidin’ny Misterin’ny Fanjakan’ny Lanitra, izay no fikarohana ny sitrapon’Andriamanitra. Ny fiezahantsika hanao ny tsaratsara kokoa hatrany araka izany no lalana hanorenantsika ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hahafahantsika manantena ny ho voafantina ho ao an-karona, hoentina mody any an-trano.
Tsy ho sanatria anie isika no hivarotra ny saha misy ny haren-tsarobidy, na hanamoramora fiainana ka hamoy ny mandrakizay amin’ny firaiketam-po amin’izay mandalo. ‘Ndeha hiara-hiantsa amin’ny Mpihira Salamo hoe : « Zavatra iray loha no irìko fatratra ka angatahiko amin’YHWH : honina ao an-tranony mandritra ny fiainako manontolo mba hidera ny hatsaram-pony sy higaga (hikolokolo rQEïb;l., piel rqb = higaga, hikarakara, hikaroka…) ny Tempoliny » (Sal 27, 4), satria mahatsapa ny halehiben’ny famindram-pony isika, ary miaiky fa ao amin’ny fitiavany ihany no hahitantsika fiononana, ka izany no vimiaina hahafahantsika manatanteraka ny teniny. (Salamo setriny Sal 118)
[1] B. Gerhardsson, The seven parables in Matthew 13, p. 31: ny Martiry, nanolotra ny hareny sy ny ainy (100%), ireo izay nanolotra ny hareny saingy tsy nanana “occasion” hanolorana ny aina (60%), ireo niezaka niaina ny teny tamin’ny fo manaiky sy tsy voazara saingy tsy nahita occasion hanolorana ny ainy sy ny hareny (30%).