Alahady faha-16 mandavan-taona Taona A
- Fahendrena 12, 13.16-19
- Salamo 86
- Romana 8, 26-27
- Md Matio 13, 24-43
Mahandry Andriamanitra ary mamindra fo
Hazofijaliana (XIII A), Jioga (XIV A), voa afafy (XV A)…
Iezahana araka izay azo atao ny hamerimberina ireo lohahevitra iompanan’ny Vakiteny Masina mba hampiditra antsika amin’ny fizotry ny fitantaran’i Md Matio amin’ity taona litorjika ity. Tsy azo hodian-tsy hita manko ny fanadinoana (mba tsy hilazana hoe tsy firaharahiana) mahazo matetika amin’ny fandinihana sy fiainana ny Soratra Masina amin’ny fizotrany sy ny fitsinjarany ao anatin’ny taona litorjika… Raha tsy misy na inona na inona tadidy anefa, tsy hisy hodinihina mba hahazoana ny heviny ary mazava loatra fa tsy misy hoenti-miaina ihany koa.
Tsy mendrika ny ho mpianatr’i Jesoa izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka hihevitra ny hitahiry ny ainy ho amin’ny fahaverezany (Mt 10, 37-42). Izay te hahazo ny valisoa, izany hoe izay te handova ny fahasambarana dia tsy maintsy hiara-mizioga amin’i Jesoa be fitiavana, malemy fanahy sy manetry tena ao am-po (Mt 11, 25-30). Ary na dia ny herin’ny Teny afafy ao anatintsika aza no mampamokatra araka izay irìn’ny mpamafy (Izaia 55, 10-11) dia miankina kosa amin’ny tany ilatsahany ny vokatra hojinjaina (Mt 13, 1-23).
Ampahatsiahivina moa fa ny toko faha-13 amin’ny Evanjely nosoratan’i Matio dia entin’i Jesoa hanambarana amintsika ny misterin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Fanoharana fito izy ireo, izay vakiana amin’ny alahady telo mifanaraka : ny Mpamafy (alahady XV heriny), ny ahi-dratsy, ny voan-tsinapy sy ny lalivay (alahady XVI, anio), ny rakitra nafenina tany an-tsaha, ny voahangy ary ny harato (alahady XVII ho avy izao) ka amin’ny maha-fanoharana azy dia fitoriana amin’ny fomba faran’izay tsotra indrindra: apetraka eo anatrehan’ny olona amin’ny alalan’ny oha-piainana iainany an-davanandro ny Teny. παραβάλλω (paraballo) moa dia midika hoe mametraka eo anilany na eo alohany ka avy amin’io ny hoe παραβολή izay nadika hoe fanoharana. Izany no hanehoan’Andriamanitra ny fitiavany hamafy ny Teniny ka ho ren’ireo miseho ho be marenina sy ho hitany miharihary avokoa ny fanambarana, ka safidiny ny hanidy sofina sy hanakimpy maso na tsia. Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.
Ny Fanoharana efatra voalohany moa (ny mpamafy – Evanjely tamin’ny heriny – , ny ahi-dratsy, ny voatsinapy sy ny lalivay – Evanjely anio) dia nataony ho an’ny vahoaka, ny telo hafa kosa (rakitra nafenina tany an-tsaha, ny voahangy sarobidy ary ny harato) dia nataony ho an’ny mpianany rehefa nody tany an-trano.
Rahefa mamaky ny bokin’ny Jenezy isika mikasika ny faharian’Andriamanitra an’izao tontolo izao, dia mamaky im-pito ao ny hoe “ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany” (Jenezy 1, 4.9.12.18.21.25. Marihina fa ao amin’ny dikanteny 2011 dia misy “ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany” mihoatra ao amin’ny andininy faha-8) ary aorian’ny fahariana ny olombelona mitovy endrika Aminy, amin’ny fanim-pitony dia “hitan’Andriamanitra izay nataony rehetra, ka tsara indrindra izany” (Jen 1, 31). Raha tsara no ataon’Andriamanitra, avy aiza ary ny ratsy? Fanontaniana manitikitika ny sain’ny olombelona io. Tsy ny olan’ny voa nafafy tsy namokatra ihany fa koa ny ahi-dratsy miara-mitsiry amin’ny voa tsara no zary olana ho amin’ny fisainan’ny olombelona. Ireo vakiteny aroson’ny Eglizy amin’ity alahady ity dia manampy antsika, tsy dia hamaly loatra izany fanontaniana izany (mistery mihoatra ny fahatakarantsika izany) fa kosa mampianatra antsika izay tokony hatao manoloana ny tsiambaratelon’ny fahotana sy ny faharatsiana mety hahazo ny zanak’olombelona.
Eo am-pamakiana ny Tenin’Andriamanitra dia maniry koa isika ny hitandrina Azy, mba hahamafy orina ny trano haorintsika eo ambony vatolampy (Alahady faha-9A Mt 7, 21-27: tonga hiantso ny mpanota i Kristy : tsy izay masina no antsoiny fa izay antsoiny no hamasininy!) saingy mahatsiaro ny fahalemena sy ny dingana mbola miandry antsika, mahatsiaro ny tenin’i Md Paoly hoe “tsy ny tsara izay tiako no ataoko fa ny ratsy izay tsy tiako” (Rom 7, 19) ary ianao mahavatra mamaky ny fifampizarana atao eto dia azo heverina fa mikaroka izay lalam-pahamasinana izany. Indraindray koa anefa mba satry hiravona ny fiainana ka hanao ezaka goavana indray maka dia mba ho afaka hiala sasatra, saingy tsy izany velively ny zava-misy fa toy ny fihanihana havoana ny lalam-pahamasinana ka arakaraky ny lalana vita no hitakiana ezaka bebe kokoa, satria ny fiakarana miha-mideza, ny aina miha-osa.
Na dia samy manandrana izany fetra mamaritra ny fiainan’ny olombelona izany aza anefa, tsy mora ny mihevitra araka an’Andriamanitra manoloana ny fahalemen’olombelona, na ny fahotan’ny tena io na ny fahotan’ny hafa, indrindra raha ny tena no mizaka ny vokatr’izany mivantana, ka “halaky tezitra” kanefa “ny fahatezeran’ny olona tsy mba fanatanterahana ny fahamarinan’Andriamanitra”, hoy Md Jakoba (Jak 1, 19-20).
Ny fanombohan’ny toko faha-12 amin’ny Bokin’ny Fahendrena dia milaza fa “tsikelikely no amaizan’Andriamanitra an’izay lavo sy hanoroany azy hoe tamin’ny inona no nanotàny” ka na dia afaka nametraka ny tsy mifaditra ovana eo an-tanan’ny marina aza izy, ary afaka mandringana ny ratsy fanahy amin’ny teny indraim-bava dia ny hanome fotoana hibebahana no nofidiany (Fah 12, 2.9).
Manoloana ny fahotana dia “fehezin’ny sitrapony ny herin’Andriamanitra”, ka mitsara amin-kamoram-po Izy. Ny hahasambatra ny olombelona rehetra, izay Azy no sitraky ny fony, ka mba hitondrana ny olona rehetra any amin’ny fahasambarana, araka izany, no ampiasàny ny heriny.
Mbola izany “fanatanterahana ny fahamarinan’Andriamanitra” izany ihany koa no lazain’ny fanoharana momba ny ahi-dratsy lazain’ny Evanjely: “aza havàna fandrao hongontanareo mbamin’ny vary raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo”.
Tsy sanatria hamela antsika hanaram-po na hidonanam-poana anefa izany famindrampon’Andriamanitra izany! “Ny fialonan’ny devoly (διάβολος) no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao, hoy ny Boky Fahendrena, ka hanandrana izay ry zareo mpomba azy” (Fah 2, 24-25). Ny fahatsapantsika ny fahalemena mpahazo antsika dia tokony hahatsapantsika bebe kokoa hatrany ny fitiavan’Andriamanitra manome andro hibebahantsika (Vakiteny I Fah 12, 13. 16-19) mba tsy hanandramana ny fahafatesana, satria nohariana ho amin’ny fiainana isika (Fah 2, 23).
“Ny Fanahy no manohana ny fahalementsika sy mahalala ny fifonana araka an’Andriamanitra ho an’ny olomasina”, hoy i Md Paoly (Vak II Rm 8, 26-27). Meteza ary isika hotarihin’ny Fanahy! Ahoana anefa izany fetezana hotarihin’ny Fanahy izany?
Hafatrafaran’i Md Paoly amintsika (Rm 8 izay vakiana ny alahady faha-14 A ka hatramin’ny alahady 19 A) fa ny asan’ny Fanahy no hamonoantsika ny filan’ny nofo izay mahatonga antsika ho fahavalon’Andriamanitra, ary vao novakiantsika tamin’ny heriny fa ny faniriana araka ny Fanahy, na dia ao anatin’ny fahoriana amin’ity fiainana ity aza, dia faniriana entanin’ny fiandrasana ny fananganan-janaka amam-panavotana antsika.
Eo am-piandrasana izany fotoana izany anefa dia efa tsinjon’i Kristy sahady ny mafy hosedraintsika, satria ankoatra ny tolona hosedraintsika ao anatintsika ao dia mbola “miara-maniry amin’ny tsiparifary koa ny vary” (Evanjely Mt 13, 24-43). Nahoana no misy ahi-dratsy koa? Samy mandinika isika hoe taiza no nianarantsika ny ratsy! Nahoana ny zavatra handraràna no vao mainka atao? Satria tsy mipetra-poana ilay fahavalo. Ampy ho azy ny torimaso kely mety hahasondriana antsika mba hamafazany ao amin’ny tanimboly ny ahi-dratsy (ζιζάνιον zizanion, mitovy amin’ny varim-bazaha fa izy mamoha mainty fotsiny).
Ny ohatra noraisin’i Jesoa momba ny ahi-dratsy (izay hita ao amin’i Md Matio irery ihany) dia manambara amintsika fa tsy ravindraviny ivelany fotsiny ny ratsy fa mamàka ao am-pon’ny tsirairay sy eo amin’ny seha-pihainan’ny mpiara-belona. Tsy ny hanongotra azy no iantsoan’i Jesoa antsika, raràny aza izany. Tiantsika ny hanana fo madio, hitoetra amin’ny fiaraha-monina tsy misy hosoka, tsy misy hokihanina, kanefa tsy hihavaka eo imasontsika ny fahasamihafan’ny vary sy ny tsiparifary raha tsy amin’ny famoazana, ka izay mety ho “herisetra” hanongotra ny ahi-dratsy, na dia tsara aza ny tanjona, dia hisy fiantraikany amin’ny voa tsara mandrakariva, mifanohitra amin’ny fahafahan’ny tsirairay, ka mety hitera-doza goavana aza indraindray.
Tsy Andriamanitra no mamafy ny ratsy fa ny fahavalo, kanefa kosa manainga izay rehetra mino azy ka manaiky ho zanany Izy mba hanam-paharetana toa Azy satria amin’ny fotoana fijinjana dia ny voa tsara ihany no hangonina any an-tsompitra. Tsy faharesen’ny tsara tsy akory ny fisian’ny ratsy fa vao mainka aza manandratra azy sy manome sehatra hahafahany mampiharihary ny hasarobidin’ny fitiavana izay manasoa ny rehetra, mampiposaka ny masoandro sy mandrotsaka ny ranonorana na ho an’ny voa tsara io na ho an’ny ahi-dratsy (Mt 5, 45.48). Tsy valisoan’ny hatsaram-panahintsika manko ny fahasoavan’Andriamanitra fa setrin’ny fitiavany maimaim-poana kosa. Ao amin’izay maha-be ny fahotana no mampihavosa ny fahasoavana aza, hoy i Md Paoly (Rm 5, 20).
Tsy misy afa-tsy ny fikolokoloantsika ny voa tsara no hahafahana mandresy ny ratsy. Aza manaiky ho resin’ny ratsy, hoy i Md Paoly fa reseho amin’ny soa ny ratsy (Rm 12, 21). Ho mpamindra fo tahaka ny Raintsika anie isika ka hahalefitra tsy hanongotra ny ahi-dratsy fa hikolokolo kosa ny voa tsaran’ny fitiavana sy ny famindram-po.
Tsy ny fanesorana ny ratsy tsy ho eo anivontsika araka izany no fanefitra atoron’i Kristy hahazoantsika ny famonjena fa ny fahaizantsika mitahiry ilay Voa tsara (καλός kalos) nafafy, ka na miara-maniry amin’ny ahi-dratsy aza dia afaka mamokatra hatrany, tsy ho sanatria hanaiky hogejain’ny tsilo fa ho toy ny voatsinapy, toy ny lalivay ka hampitombo ny koba manontolo… Tsy manova ny maha-vary ny vary manko ny fiaraha-mitombo amin’ny tsiparifary… Ny mety ho fanongotana ny ahi-dratsy dia mety hampidi-doza, noho ny antony roa: 1- satria mitovy ny vary sy ny tsiparifary mandra-pamoha ka mety hanongotra vary ny mpihava, aza gaga amin’izany, hoy Md Paoly fa na i Satana aza mahay maka ny endriky ny anjely mamirapiratra koa (2 Kor 11, 14); 2- noho ny fakan’ny ahi-dratsy misandrahaka koa, eo am-panongotana azy dia mety hanongotra ny vary (σῖτος sito) manakaiky azy eo koa.
Tsy ho sanatria fialonana ny fiadanan’ny maty eritreritra (Sal 73) no hanadinoana ny tanjon’ny fiainana. Tsy azontsika adinoina fa afaka mividy vola ny fitsarana isika hanafenana ny heloka vita fa tsy afa-mividy ny feon’ny fieritreretana, afa-mividy kodoro tsara hatoriana, saingy tsy afa-mibaiko ny maso hatory am-piadanana, fa ny tena loza dia ity : ny tentim-bidin’ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny fananantsika manontolo, tsy miankina amin’izay habetsahany fa miankina amin’ny fahafoizantsika azy, mba hahazoana ny tsaratsara kokoa (Alahady faha-17 A mandavan-taona).
Loza no ilazantsika ny fahafatesana mandrakariva, voina mitranga, saingy io no taom-pijinjana hanaterantsika ny vokatry ny Fanahy, eo am-pelantanan’ny tompom-bokatra. Ambetin-tenintsika ny hoe maty tampoka, saingy tsy azo adinoina fa tampoka mandrakariva ny fahafatesana, ka ny fihezahantsika manomana izany tampoka izany no manampy antsika hizotra ny lalam-pahamasinana. Azo heverina amin’ny sarin’ireo olomasina mandinika karan-doha, mba hahatsapa ny fiafaran’ny olombelona, hahatsiaro fa vovoka ka mbola hody vovoka indray izany. Sakana mety tsy hahafahana mampamokatra ny Teny ny sedram-piainana, tahaka ny karazan-tany be vato, henontsika tamin’ny alahady heriny. Manampy antsika handalina izany kosa ny fanoharana roa izay natsofok’i Md Matio manelalelana ny fanoharana momba ny ahi-dratsy sy ny fanazavana azy tamin’ny mpianatra.
Ny fanoharana voalohany dia mampahatsiahy antsika fa tsy mitsahatra ny mitombo ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy fisehoana mahagaga midina avy any an-danitra anefa izany fa ny vokatry ny ezaka tsikelikely ataon’ireo manaiky hiasa ao amin’ny tanim-boaloboka, manaiky hamafy ny tsara ao amin’ny tanimboliny. Mila faharetana izany satria tsy ny sitrapon’ny mpamboly no mampitsimoka sy mampitombo ny voa fa ny hery avy amin’ilay mandahatra ny zavatra rehetra, mandrotsaka ny ranonorana sy ny ando mba hampamokatra ny tany. Tsy afaka ny hanana izany fanantenana ho tonga hazo hialofan’ny voromanidina rehetra izany anefa (Ezekiela 17, 22-23; 31, 6; Daniela 4, 9.18) raha toa ka tsy maty ny voa nalatsaka tamin’ny tany (Jo 12, 24-25). Izay mitahiry ny ainy, dia hahavery azy (averin’i Md Matio in-droa io Mt 10, 39; 16, 25) fa izay hahafoy azy manontolo kosa, na dia tahaka ny voatsinapy aza, na dia tahaka ny farantsa roa sisa tavela tamin’izay nosolokian’ny mpanora-dalàna (Mk 12,40), tahaka ny rakitr’ilay mpitondratena aza (Mk 12, 41-44), dia izay no hampitsimoka eo amin’izao tontolo izao ny fanjakan’Andriamanitra, ka hahafahany mitombo kosa. Ny tsirairay no mandinika amin’izany, sao hitahiry ny fiainany sy izay heveriny ho ananana ho amin’ny fahaverezana.
Ny fanjakan’ny lanitra koa anefa dia tahaka ny lalivay, tsy ny koba fa ilay vehivavy anankiray no nampiasa azy, saingy manana hery hampitombo ny koba manontolo. Ny mpianatr’i Kristy, sitrany hifangaro amin’izao tontolo izao dia nomeny hery hanavao ny zavatra rehetra ho tonga iray ao Aminy, rehefa tonga ny fotoana. Tsy dia ny hery ananan’ny lalivay loatra no tiako hisarihana ny saintsika fa kosa ny fahafoizana ataon-dravehivavy hanafangaro ny lalivay amin’ny lafarinina. Raha tsy mifangaro amin’ny lafarinina ny lalivay tsy hibohoka na oviana na oviana ny koba. Fa tsara hodinihana koa ny antony nandraisan’i Md Matio ny ohatra mikasika ny lafarinina in-telon’ny famarana (σάτον saton = סְאָה ce’ah). I Sarà no vehivavy nasain’i Abrahama vadiny handity lafarinina in-telon’ny famarana handraisana ireo Olona Telo nasainy hivahiny ao aminy. Raha manodidina ny 12 litatra ny iray סְאָה dia mofo ampy ho an’ny olona zato mahery izany no ho vitan’ny in-telo famarana. Izany fahalalaham-po (générosité) nananan’i Abrahama izany no tokony hanomezantsika ho an’Andriamanitra. Izany no fahasambaran’ny olona matahotra ny Tompo (Sal 112, 1.9) ka ny asa fiantrana atao araka izay tratra dia hitombo sy haharitra mandrakizay ho voninahitr’Andriamanitra (2 Kor 9, 6-15).
Na dia zavatra bitika tahaka ny voatsinapy, na ny lafarinina rehetra notehirizina ao an-trano dia antsoin’ny Evanjely isika hahafoy manontolo, hatramin’ny aina, mba hahafahana manandrana ny hamamin’ny fiainana ao amin’ny Fanjakan’ny Lanitra.
I Kristy no voa nafafin’Andriamanitra, notsinotsinoavin’ny olona, kely indrindra ary heverin’ny sasany ho tsy misy akory aza, maty tamin’ny fahafatesana mahafa-baraka teo ambony hazofijaliana, kanefa nasandratr’Andriamanitra ho Hazo velona hialokalofan’izay vesaram-pahoriana. Izay mahita azy toy izany ihany no afaka hahazo ny zava-miafina sitrak’i Jesoa ambara amintsika.
Ny lakroan’i Kristy dia manambara ny fijaliana sy ny fanambaniana mianjady amin’ireo enjehina noho ny marina. Ny “valifaty” andrasan’ny marina amin’ny mpanao ratsy azy dia ny fiarahana mizara amin’izy ireo ny hasambaran’ny lanitra: “avelao ny helony Ray”, hoy i Jesoa(Lioka 23, 34); “aza tanana ho hadisoany izao ry Tompo”, hoy Etiena miala aina (Asa 7, 60).
Dia hatao ahoana tokoa ary ny mpanao ratsy rahefa ho avy ny fahataperan’izao tontolo izao?
Matio 13, 36-43
“Izao no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao”: ny ahi-dratsy hirehitra afo toy ny fako hodorana ao amin’ny memy mirehitra, ny marina kosa hirehitra afo ka hamirapiratra toy ny masoandro. Tsy fitsaran’olombelona tsy akory fa fitsaran’Andriamanitra mandrapahatongan’ny farany, hahatongavan’ny olona rehetra amin’ny fibebahana sy ny famonjena, hoy i Md Piera (2 Pi 3, 9), satria ny “hahavonjy ny olona rehetra sy ho tonga amin’ny fahalalana ny marina” no sitrak’Andriamanitra (1 Tim 2, 4) ka izany no nandefasany ny Zanany ho antsika (Jo 3, 17).
Raha avela haniry ny ahi-dratsy fa tsy azo hongotana, tsy sanatria hampitombo ny ratsy va izany? Raha mamindra fo Andriamanitra, moa ve tsy ho afaka hanao izay tiany izany ny olona rehetra? Tahotra sy fakam-panahy mahazo ny olona maro izany saingy ny tsy fahazoana ny hevitry ny fanoharana dia mampidi-doza matetika. Raha mahatsapa ve ny olona iray fa tsara fanahy ny reniny ary tsy manasazy azy na oviana na oviana dia azony atao ny maniratsira azy amin’ny zavatra rehetra sanatria! Tsy mendrika ny maha-zanaka izay mihevitra toy izany ka noho izany tsy mendrika ny ho mpandova.
Ho an’izay te ho mpianatr’i Jesoa, ambarany fa ny famindram-po no tsy maintsy hiainana ho an’ny hafa. Ho an’ny tena kosa dia ny fiezahana isan’andro mba ho zanak’ilay Andriamanitra mpamindra fo sy mpiantra, ho lavorary hanahaka ny fahalavorariany (Mt 5, 43-48). Ny famindram-po manko tsy fidonanam-poana sanatria fa ezaka isan’andro hitia bebe kokoa, hitady ny lalana hamonjena ny hafa, eny fa na dia hifatsiana amin’ny hazofijaliana aza. Mora ny mitia an’izay manao soa antsika fa sarotra kosa ny mitia an’izay mety nahavita zavatra tsy nahasoa antsika. Ohatra no nomen’i Kristy ho antsika: “Fony mbola mpanota isika no maty ho antsika i Kristy”, hoy i Md Paoly (Rm 5,8).
Araka izany tsy asantsika ny manilikilika izay tsy miaina araka ny fahamarinana (ahi-dratsy). Ny Anjelin’Andriamanitra no hanesotra ny ahi-dratsy, ary heveriko fa ao amintsika tsirairay avy aza dia misy ahi-dratsy hojinjainy sy hariany any amin’ny fanariam-pako koa. Anjarantsika kosa, raha te ho lehibe ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra isika, ny miezaka ny hampitombo ny vokatry ny fahamarinana sy ny fitiavana. Ireo ihany no afaka hiditra ny fanjakan’Andriamanitra.
Ny fahasoavana sy ny fahafahana, ny fanomezana sy ny andraikitra, ny asan’Andriamanitra sy ny antsika olombelona dia tsy afa-misaraka na oviana na oviana. Ny fahasoavan’Andriamanitra no no mampahafantatra antsika ny marina maha-olona afaka; ny hery avy Aminy no hahafahantsika mamaly am-pitiavana ny antsony ary raha tsy Izy tsy hahavita na inona na inona isika (Jo 15, 5). Tsy misolo antsika na oviana na oviana amin’izay andraikitra apetrany eo am-pelatanantsika anefa Izy kanefa kosa miangavy antsika hiezaka hitovy Aminy, ho taratry ny fitiavany ho an’izao tontolo izao.
Ny asa ataontsika no mampisy heviny ny fiainantsika, ka izay asa natao am-pitiavana ihany no mifanaraka amin’ny endrik’Izy Trinite Masina Andriamanitra inoantsika. Tsy maintsy mbola holanjaina ny vesatry ny asantsika, hoy Md Paoly, ka hiseho eo ny bozaka sy ny mololo, saingy ny afo no hisedrana azy, ka “raha maharitra ny asany, dia handray valisoa izy; may kosa ny asany dia ho faty antoka izy, nefa hovonjena ihany ny tenany, saingy toy ny avy ao amin’ny afo” (1 Kor 3, 12-15). Ho nenina mandrakizay raha sanatria tsy hararaotintsika hanaovan-tsoa ity fiainana nomen’Andriamanitra antsika ity, rehefa tonga ny fotoana hifanatrehan-tava Aminy (Fanambaràna 22, 4).
Ny vavaka ataontsika anie, ho araka izay irin’ny Fanahy ka tsy sanatria fitalahoana an’Andriamanitra hanaraka ny sitrapontsika fa kosa ho fitadiavana izay hampifanaraka marina tokoa ny fianantsika amin’ny sitrapony (Romana 8, 26-27), ka hahatonga antsika ho fanasina sy fahazavana, ho voatsinapy sy lalivay, hanolotra ny tena manontolo mba ho sorona velona ankasitrahan’Andriamanitra (Rm 12, 1), ka ho tonga tany lonaka hampahavokatra ny Tenin’Andriamanitra henointsika ka raisintsika am-pinoana.
Hamafisintsika àry ny hitalaho ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana mba hampitombo ao amintsika ny fitiavan’Andriamanitra ka haharetantsika lalandava hitandrina ny didiny (Vavaka fangatahana).