Sabotsy faha-15 mandavan-taona
- Ankasa Mikea 2, 1-5/Salamo 9b
- Tsy ankasa Eksaody 12, 37-42 /Salamo 135
- Md Matio 12, 14-21
Inona no mety amin’ny andro sabata: ny manao soa sa ny mamono?
Rehefa nanasitrana ilay lehilahy maty tanana i Jesoa, tsy dia hoe vonjy aina tsy akory fa kosa fanasoavana ny olona iray. Mazava ny fanontaniana napetrany manoloana ilay lehilahy maty tànana: “ny ondry latsaka an-kady aza avotana ny andro sabata, ka mainka fa ny olona” (Mt 12, 11-12). Vokatr’izany anefa dia niara-nivoaka ny Farisianina ary niara-nioko ny amin’izay hahafaty Azy. Voatery niala teo i Jesoa ary nanafatra ny olona mba hanao izay tsy hahafantarana Azy. Tsy hanafenana ny maha-Mesia Azy (secret messianique) anefa no antony mahatonga an’i Jesoa manakana ny olona tsy hilazalaza ny soa ataony, fa mba hanehoany ny toetra maha-Mesia “malemy fanahy sy manetry tena ao am-po” (Mt 11, 28-30) ka tsy sanatria hampiasa ny fahefana hieboeboana manoloana ireo izay nifofo ny ainy. Tsy nahasakana azy tsy hanao soa koa araka izany ny fifofoana ny ainy.
Izy no ilay “Mpanompon’YHWH” voalazan’Izaia (Iz 42, 1-4), valitenin’Andriamanitra manoloana ny olo-marina ampijaliana, ny mpanao ny tsara ankahalaina, ny mpanao soa hovonoina. Izay te hanao ny tsara araka izany dia tsy ho gaga amin’ny mety ho fanenjehana na ny fankahalana hahazo azy. Raha enjehina Aho, hoy i Jesoa, dia mazava loatra fa tsy afaka ny tsy ho voaenjika izay manaraka ny diany.
Tsy fanavotana aina loatra araka izany ny fitsoahana nataon’i Jesoa fa mba hahafahany manohy ny asa soa natombony. Tsy misy fifaninanana mifanaraka amin’ny Evanjeliny afa-tsy ny fanaovan-tsoa. Mifaninana mifanaja, hoy Md Paoly (Rm 12, 10), satria ny fiheverana ny hafa ambony noho ny tena no fanasoavana lehibe indrindra azontsika atao ny hafa.
Araka ny mpandinika Baiboly dia tsy afaka ny hahafantatra an’Andriamanitra marina isika mialoha ny hibanjinana ny Lakroà, ka izay mieboebo amin’ny soa azo mba hanaporofoana fa misy Andriamanitra, hilazana fa tia azy Andriamanitra, dia raràn’i Jesoa tsy hanao izay hahafantarana Azy. Izany ny halemem-panahy sy ny fanetren-tenany, araka ny voalaza teny aloha. Raha isika manko izao no teo amin’ny toerany dia zara aza ny olona miorakoraka manasohaso antsika, hampangahiahy ny Farisiana mifofo ny aina.
Izay mandray ny Fanahin’Andriamanitra ka tonga mpanompo araka ny fony, dia hanambara ny marina (κρίσις krisis) amin’ny Jentily, hanampy ny olona hanapa-kevitra araka an’Andriamanitra; tsy hifandìtra, izany hoe tsy hamaly ratsy ny ratsy mba hamongotra azy hatrany ifotony; tsy hiantso mafy, amin’ny fomba fihevitra mahazatra manko dia izay be feo no mandresy, tsy manery izy fa miangavy: “raha tianao…”; tsy hisy nandre ny feony eny an-dalana: tsy mila “pubblicité” ny fanaovan-tsoa, aoka izay ataon’ny tananao havia tsy fantatry ny havanana (Mt 6, 3).
Izay mandray ny Fanahy Masina dia tsy hanenji-dresy fa hahay hankahery ireo am-bavahoanan’ny fahafatesana sy mila ho resin’ny adim-piainana. Ny hany imasoany dia ny haneho fa fitiavana Andriamanitra ka ny fitokisana Aminy, ny fiantsoana ny Anarany no hahazoana famonjena (Asa 4, 12).
Ho tonga mpanompo ankasitrahan’ny fon’Andriamanitra koa anie isika efa nandray ny Fanahiny.